FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Martsa p. 14-19
  • Mitandrema Amin’ireo Zavatra Mahavariana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mitandrema Amin’ireo Zavatra Mahavariana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • INONA NY ZAVATRA METY HAHAVARIANA ANTSIKA?
  • INONA NO NANAMPY AN’I JESOSY HIFANTOKA TAMIN’IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA?
  • INONA NO HANAMPY ANTSIKA HIFANTOKA AMIN’IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA?
  • Miantehera Amin’i Jehovah Rehefa Hanapa-kevitra
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2023
  • Ekeo hoe Voafetra ny Zavatra Fantatrao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Henoy Tsara ny Valin’ireto Fanontaniana Ireto
    2025-2026 Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra Miaraka Amin’ny Mpiandraikitra ny Faritra
  • Henoy Tsara ny Valin’ireto Fanontaniana Ireto
    2025-2026 Fandaharan’ny Fivoriamben’ny Faritra Miaraka Amin’ny Solontenan’ny Sampana
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Martsa p. 14-19

18-24 MEY 2026

HIRA 35 ‘Fantaro Tsara Izay Zava-dehibe Kokoa’

Mitandrema Amin’ireo Zavatra Mahavariana

“Fantaro foana izay sitrapon’i Jehovah.”​—EFES. 5:17.

HEVITRA HODINIHINA

Inona no hanampy antsika hifantoka amin’ny zavatra ara-panahy, na dia misy zavatra mety hahavariana antsika aza?

1-2. Mety hahatonga antsika tsy hifantoka amin’izay tena zava-dehibe ve ny zavatra sasany na dia tena ilaina aza? Hazavao.

ERITRERETO hoe mitondra aotomobilina ianao, dia maneno ny telefaoninao. Misy zavatra ilana anao maika angamba, nefa fantatrao hoe ny mitondra fiara aloha no mila ifantohanao kokoa. Izay aloha no zava-dehibe indrindra.

2 Betsaka ny zavatra tsy maintsy ataontsika eo amin’ny fiainana. Fantatsika anefa hoe ny zavatra ara-panahya no zava-dehibe indrindra. (Mat. 6:33) Izany no mahatonga antsika hamantatra hoe inona no mety hahavariana antsika, ka mety hahatonga antsika tsy hifantoka amin’izay zava-dehibe kokoa.​—Ohab. 4:25; Mat. 6:22.

3. Hanampy antsika amin’ny inona ity lahatsoratra ity?

3 Tiantsika rehetra raha i Jehovah no loha laharana eo amin’ny fiainantsika. Betsaka anefa ny zavatra mety hahavariana antsika. (Lioka 21:34-36) Inona àry no hanampy antsika hifantoka amin’ny fanompoana an’i Jehovah? Hodinihintsika ato hoe: 1) Inona ny zavatra mety hahavariana antsika? 2) Inona no nanampy an’i Jesosy hifantoka tamin’izay zava-dehibe kokoa? Ary 3) inona no hanampy antsika hifantoka amin’izay zava-dehibe kokoa?

INONA NY ZAVATRA METY HAHAVARIANA ANTSIKA?

4-6. Inona no mety hahavariana antsika?

4 Betsaka ny zavatra iasan’ny saintsika. Mety harary, ohatra, isika, na manana olana isika na ny fianakaviantsika. Zava-dehibe mila karakaraina aloha ireo e! Fa mety ho lasa zavatra mahavariana ve anefa ireo? Mety ho izany, raha ireo no lasa tena mibahana ao an-tsaintsika sy tena mandany ny fotoanantsika sy ny herintsika.

5 Misy vokany amin’ny olona maro koa ny olana fahita eo amin’izao tontolo izao, ohatra hoe ny korontana ara-politika, ny olana ara-toe-karena, ny valanaretina, ary ny ady. (2 Tim. 3:1) Raha miatrika zavatra hoatr’ireo isika, dia mety ho lasa hanahy be ka ireo foana no mibahana ao an-tsaintsika.

6 Angamba isika mahafantatra olona niharan’ireo, ka nitsimbadika ambony ambany ny fiainany. Tsy maintsy hoe mafy amin-dry zareo izao izany. Tsy natao hiatrika fahoriana mitohitohy be anefa ny olombelona. Tsy mahagaga raha mieritreritra ny olona miaina zavatra hoatr’ireo hoe tsy mandeha amin’ny laoniny intsony ny fiainany. Dia inona no ataony? Mandany fotoana be amin’ny fialam-boly ny olona sasany mba hanariana dia. Inona no azontsika atao raha mahatsapa hoatr’izany isika? Andao hojerentsika hoe inona no azontsika ianarana avy amin’i Jesosy, fa hanampy antsika hifantoka amin’ny fanompoantsika izany.

INONA NO NANAMPY AN’I JESOSY HIFANTOKA TAMIN’IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA?

7. Inona no nety ho nahavariana an’i Jesosy?

7 Betsaka ny zavatra nety ho nahavariana an’i Jesosy. Teo, ohatra, ny olana ara-politika sy ny olana teo amin’ny fiaraha-monina. Be dia be ny olona nahantra sy narary tamin’ny androny. (Mat. 14:14; Mar. 14:7) Niharan’ny tsy rariny koa ry zareo, noho ny nafitsoky ny Romanina sy ny Jiosy hafa. Rehefa hitan’ny olona hoe nahavita fahagagana i Jesosy, dia notadiaviny hatao mpanjaka. (Jaona 6:14, 15) Manginy fotsiny ny fakam-panahy avy amin’i Satana. Natolony azy ny fanjakana teo amin’izao tontolo izao, amin’izay tsy voatery hiandry izy vao ho lasa mpanjaka. (Mat. 4:8, 9) Tsy vitan’izay, fa ny apostoly Petera izay anisan’ny namany akaiky aza nampirisika azy hitsoaka olana. Hoy izy: “Mba jereo ihany izay hahasoa anao, Tompo ô!”​—Mat. 16:21, 22.

8. Inona no nanampy an’i Jesosy hifantoka tamin’izay zava-dehibe kokoa?

8 Inona no nanampy an’i Jesosy hifantoka tamin’izay zava-dehibe kokoa? Nisy zavatra telo nanampy azy. Voalohany, niezaka hanana ny fomba fisainan’i Jehovah izy. (Jaona 8:28; 14:9) Faharoa, be atao foana tamin’ny fanompoana izy. (Mat. 9:35) Ary fahatelo, notadidiny foana hoe inona no tena zava-dehibe. (Jaona 4:34) Hentitra izy nanda an’i Satana rehefa naka fanahy azy izy. Tsy nanaraka ny tenin’i Petera koa izy, na dia hoatran’ny hoe nitady an’izay hahasoa azy aza i Petera. (Mat. 4:10; 16:23) Tsy nisy navelan’i Jesosy hanakana azy tsy hanao ny sitrapon’i Jehovah, na inona na inona nolazain’ny olona, na nataony, na noeritreretiny. Marina aloha hoe tsy voatery hitovy amin’ny azy ny zavatra mety hahavariana antsika. Raha manao hoatran’ny nataony anefa isika, dia ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika foana i Jehovah.

INONA NO HANAMPY ANTSIKA HIFANTOKA AMIN’IZAY ZAVA-DEHIBE KOKOA?

9. Ahoana no ‘hamantarantsika foana ny sitrapon’i Jehovah’? (Efesianina 5:17)

9 Miezaha hanahaka ny fomba fisainan’i Jehovah. Hanampy antsika ‘hamantatra foana an’izay sitrapon’i Jehovah’ izany. (Vakio ny Efesianina 5:17.) Ho haintsika hoe inona no mampifaly an’i Jehovah, raha mamaky sy misaintsaina ny Teniny isika. Na dia tsy miresaka an’ilay zavatra iainantsika aza ny Baiboly, dia ho haintsika hoe inona no tian’i Jehovah hataontsika raha mahafantatra kokoa ny fomba fisainany isika sady vonona hampihatra an’izay ianarantsika.

10. Ahoana no hamantarantsika ny fomba fisainan’i Jehovah?

10 Hahalala ny fomba fisainan’i Jehovah isika raha mianatra Baiboly sy mandinika ny fomba nifandraisany tamin’ny olona. (Jer. 45:5) Rehefa mamaky tantara ao amin’ny Baiboly ianao, dia saintsaino, ohatra, ireto: ‘Inona no ianarako eto momba an’i Jehovah? Inona no mila ahitsiko mba hitovy kokoa amin’ny an’i Jehovah ny fomba fisainako?’ Mazava ho azy hoe ambony lavitra noho ny antsika ny fomba fisainan’i Jehovah. (Isaia 55:9) Tena mety àry raha izy no asaintsika hampianatra antsika hanao ny sitrapony. (Sal. 143:10) Mivavaka aminy koa isika mba hanampiany antsika hahazo ny fomba fisainany sy hanahaka an’izany.​—1 Jaona 5:14.

11. Tsy tian’i Jehovah hanao inona isika?

11 Rehefa miezaka ny hanahaka ny fomba fisainan’i Jehovah isika, dia lasa takatsika hoe tsy tiany ho varimbariana isika fa ho vonona hiatrika ny faran’izao tontolo izao. (Mat. 24:44) Tsy tiany hanahy tafahoatra isika. (Mat. 6:31, 32) Manome torohevitra tsara ho antsika àry izy, amin’izay ho haintsika izay tokony hatao rehefa mampanahy antsika ny fahasalamantsika, ny asantsika, ny toerana hipetrahantsika, na ny zavatra hafa momba antsika sy ny fianakaviantsika. Asainy miantehitra aminy isika mba hahazoana hery sy fahendrena hiatrehana olana.​—Sal. 55:22; Ohab. 3:5-7.

12. Inona no hanampy antsika tsy hanahy be na inona na inona mitranga eo amin’izao tontolo izao? (Matio 5:3)

12 Miezaha ho be atao foana amin’ny fanompoana. Mampanahy antsika tsirairay ny zava-mitranga eran-tany, nefa tsy afaka manakana azy ireny tsy hitranga isika. Aleo àry be atao foana amin’ny fanompoana, amin’izay isika tsy variana amin’ireny. Ho faly isika raha miezaka ho akaiky kokoa an’i Jehovah satria izay mihitsy no namoronany antsika. (Vakio ny Matio 5:3.) Ahoana no hanaovantsika an’izany? Miezaka mianatra ny Teniny isika mba hahafantarantsika kokoa azy. Hararaotintsika daholo koa izay karazana fanompoana azontsika andraisana anjara. Hampifaly an’i Jehovah isika rehefa manao an’izany, satria mampiasa tsara ny fotoanantsika.​—Ohab. 23:15.

13. Ahoana no ‘hampiasantsika tsara ny fotoanantsika’?

13 Tapa-kevitra ny ‘hampiasa tsara ny fotoanantsika’ isika Kristianina. (Efes. 5:15, 16) Tsy ny fomba andaminantsika ny fotoanantsika isan’andro ihany no tian’ny Baiboly horesahina, fa hoe ahoana koa no ampiasantsika ny fotoana sisa tavela alohan’ny hahatongavan’ny farany. Ahoana àry no hampiasantsika tsara ny fotoanantsika? Raha mandany fotoana be hanarahana an’izay vaovao mivoaka farany isika, dia mety ho variana amin’izany sy ho kivy ary tsy hafana fo intsony amin’ny fanompoana. Tsara kokoa àry raha ferantsika ny vaovao jerentsika, henointsika, na vakintsika. Tsy hisy vokany ratsy amintsika izy ireny amin’izay, ka ho be atao foana amin’ny fanompoana isika. Tsara koa raha miezaka mampitombo ny fanompoantsika isika, ohatra hoe miezaka hanana fiverenana mitsidika betsaka kokoa. Hararaotintsika daholo izay fomba ahafahana manampy ny olona ‘ho voavonjy sy hahalala tsara ny fahamarinana.’ Fantatsika mantsy hoe tena zava-dehibe izany.​—1 Tim. 2:4.

14. Nahoana no mahasoa antsika ilay hoe be atao foana amin’ny fanompoana? (Jereo koa ny sary.)

14 Rehefa be atao amin’ny fanompoana isika, dia ho tadidintsika foana hoe miaina amin’ny andro farany isika. Tsy hihorohoro isika rehefa misy korontana ara-politika, olana ara-toe-karena, ary valanaretina. Haintsika tsara mantsy hoe manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly ireny. Tsy ho resin’ny tahotra isika fa hatoky ny fampanantenan’i Jehovah amin’ny hoavy. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia matoky isika hoe hanampy antsika hiaritra i Jehovah, ary hanampy antsika ho tony foana izany.​—Sal. 16:8; 112:1, 6-8.

Mpivady mitondra kalesy fampirantiana. Mijery any aloha ry zareo sady feno toky. Sary: Olana mampiady saina olona maneran-tany. 1) Vahoaka mikomy. 2) Valim-pifidianana. 3) Miaramila any an’ady. 4) Fanafody. 5) Kisary mampiseho hoe matiantoka ny orinasa iray.

Mifantoha amin’ny zavatra ara-panahy na dia mampikorontan-tsaina aza ny zava-mitranga maneran-tany (Fehintsoratra 14)b


15. Inona no vokany eo amintsika rehefa ‘misaina tsara’ isika? (1 Petera 4:7)

15 Tadidio foana hoe inona no tena zava-dehibe. Variana miala voly ny ankamaroan’ny olona eo amin’izao tontolo izao, fa tsy mifantoka amin’ny hoe efa akaiky ny farany. Marina hoe mila miala voly isika, kanefa ilaintsika koa ny “misaina tsara” mba tsy hisy vokany eo amintsika ny fomba fisainan’izao tontolo izao. (Vakio ny 1 Petera 4:7.) Inona no dikan’izany? Misaina tsara, ohatra, isika raha tsy mandany fotoana be loatra amin’ny fialam-boly fa handray fanapahan-kevitra tsara. Mifanaraka amin’ny fomba fisainan’i Jehovah ny fanapahan-kevitra hoatr’izany sady hampiseho hoe haintsika izay tena zava-dehibe.​—2 Tim. 1:7.

16. Inona no nifantohan’i Jesosy tamin’ny alina talohan’ny nahafatesany?

16 Notadidin’i Jesosy foana hoe inona no zava-dehibe indrindra. Ilay hoe tsy hivadika amin’i Jehovah sy hanao ny sitrapony no tena nifantohan’i Jesosy, tamin’ilay alina talohan’ny nahafatesany. Izany no nahatonga azy hivavaka mafy. Tsy mba niambina hoatr’azy anefa ny mpianany fa natory. “Reraky ny alahelo” mantsy ry zareo.​—Lioka 22:39-46; Jaona 19:30.

17. Inona no mahatonga ny olona maro hampiasa tambazotran-tserasera, nefa inona no mety ho vokatr’izany eo amin-dry zareo? (Jereo koa ny sary.)

17 Mety ho reraky ny alahelo hoatran’ny mpianatr’i Jesosy koa isika indraindray. Mety hampanahy antsika ny zava-mitranga amin’ny andro farany. Mandany fotoana be ampiasana tambazotran-tserasera àry ny olona sasany, satria izany no eritreretiny hoe hanampy azy hanadino ny olana atrehiny. Mampiasa an’io ry zareo mba hifandraisana amin’ny namana sy ny fianakaviana any amin’ny toerana samihafa. Ao koa ry zareo no mijery video na filma na manao lalao video, na koa mifampizara vaovao, sary, sns. Lasa lany fotoana sy hery amin’ilay izy anefa ry zareo, satria te haharaka an’izay zavatra mivoaka farany. Inona no azontsika atao mba tsy ho tratran’izany fandrika izany? Saintsaino izao: ‘Inona no vokatry ny tambazotran-tserasera eo amiko? Mahasoa ahy ve ilay izy, sa mahatonga ahy tsy hifantoka amin’izay tena zava-dehibe?’

Anabavy iray miezaka mamaky Baiboly ao an-tranony. Voahelingelina anefa izy satria mahazo hafatra avy amin’ny tambazotran-tserasera sy avy amin’ny programa fijerena filma ary programa fividianana entana.

Raha misaina tsara isika dia tsy ho variana amin’ny fampiasana tambazotran-tserasera sy ny fialam-boly (Fehintsoratra 17)


18. Nahoana isika no mila misaina tsara rehefa mifidy fialam-boly?

18 Mila misaina tsara koa isika rehefa mijery filma na tantara mitohy amin’ny tele, na rehefa mijery video fohifohy ao amin’ny Internet, na manao lalao video. Tena mety hampiala voly aloha ireny e! Mila jerentsika koa anefa hoe inona ilay karazana video na filma jerentsika, ary hoatran’ny ahoana ny fotoana lany amin’ilay izy. Tsy lanilanina mantsy ny video ao. Mbola eo am-pijerena video iray ianao, dia efa misy hafa apoitrany indray eo. Amin’ny farany anefa ianao mety ho tafajery herisetra na sary vetaveta. Izany no nitranga tamin’ny rahalahy iray any Azia. Ireny video fampahafantarana filma ireny no nojereny tao amin’ny Internet tamin’ny voalohany. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia lasa tafajery sary maloto izy. Tamin’ny farany izy lasa nijery sary vetaveta. Soa ihany fa nanampy azy ny anti-panahy sy ny namany akaiky, dia tsy nanao an’izany intsony izy. Nandray fepetra, ohatra, izy ka nesoriny ny programa sasany tao amin’ny telefaoniny. Noferany koa ny fotoana ampiasana telefaonina. Asehon’io ohatra io hoe tokony hisaina tsara isika rehefa mifidy fialam-boly.

19. Inona no ho vokany raha ny fialam-boly no mibahana eo amin’ny fiainantsika?

19 Tokony hisaina tsara koa isika rehefa hanapa-kevitra ny hiala voly sy hanao vakansy. Tena ilaina ny maka aina sy mba miala amin’ny mahazatra. Mahasoa antsika izany sady manampy antsika ho salama foana. Raha variana loatra miala voly anefa isika dia mety tsy hahay handanjalanja intsony sady ny zava-dehibe kokoa indray no tsy vita. (Fil. 1:10) Tsy maintsy fidintsika tsirairay àry hoe inona ny fialam-boly hataontsika ary hoatran’ny ahoana ny fotoana holanina amin’ilay izy. Saintsaino izao alohan’ny hanapahanao hevitra: ‘Hita ve hoe misaina tsara aho rehefa jerena ny fotoana laniko hialana voly sy hanaovana vakansy? Miezaka ny ho vonona ho amin’ny “faran’ny zava-drehetra” ve aho, ary izay tena zava-dehibe ve no ataoko loha laharana?’

20. Inona ny soa ho azontsika raha i Jehovah no ataontsika loha laharana eo amin’ny fiainana?

20 Handray soa isika raha tsy avelantsika haka ny toerana tokony ho an’i Jehovah ny zavatra mety hahavariana antsika. (Isaia 48:17) Hanampy antsika i Jehovah ka ho haintsika kokoa ny hiatrika ny olana mahazo antsika. Tsy hampihorohoro antsika ny zava-mitranga eo amin’izao tontolo izao. Tsy ny fialam-boly koa no avelantsika hibahana eo amin’ny fiainantsika. Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hanahaka ny fomba fisainan’i Jehovah, ho be atao amin’ny fanompoana, ary hitadidy foana hoe inona no tena zava-dehibe. Raha manao an’izany isika, dia tsy vitan’ny hoe ho loha laharana eo amin’ny fiainantsika i Jehovah, fa ‘hifikitra mafy amin’ny tena fiainana’ koa isika.​—1 Tim. 6:19.

NAHOANA NO HO LOHA LAHARANA EO AMIN’NY FIAINANTSIKA FOANA I JEHOVAH RAHA...

  • miezaka ny hitovy fomba fisainana aminy isika?

  • be atao foana amin’ny fanompoana isika?

  • tadidintsika foana izay tena zava-dehibe?

HIRA 129 Miareta fa Aza Kivy

a FANAZAVANA: Ny atao hoe zavatra ara-panahy dia izay zavatra rehetra mifandray amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ohatra hoe mianatra Baiboly, mivory, manao Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana, ary manompo. Manompo an’i Jehovah koa isika rehefa mikojakoja na manorina toeram-pivoriana, mandray anjara amin’ny fanampiana tra-boina, manao asa an-tsitrapo eny amin’ny fivoriambe, na manompo ao amin’ny Betela.

b FANAZAVANA SARY: Be atao amin’ny fanompoana ny mpivady iray fa tsy mikorontan-tsaina amin’ny zava-mitranga maneran-tany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara