FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Martsa p. 26-31
  • Sambatra Isika na dia Halan’ny Olona Aza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sambatra Isika na dia Halan’ny Olona Aza
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • NAHOANA ISIKA NO HALAN’NY OLONA?
  • NAHOANA ISIKA NO SAMBATRA NA DIA MISY MANKAHALA AZA?
  • Mandresy ny Fankahalana ny Fitiavana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2021
  • Taratasy Manampy Antsika Hiaritra Hatramin’ny Farany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • Manampy Antsika Hiaritra i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • “Fidio ... Izay Hotompoinareo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Martsa p. 26-31

1-7 JONA 2026

HIRA 111 Maro ny Antony Mahafaly Antsika

Sambatra Isika na dia Halan’ny Olona Aza

“Sambatra ianareo raha halan’ny olona.”​—LIOKA 6:22.

HEVITRA HODINIHINA

Nahoana isika mpanompon’i Jehovah no sambatra na dia halan’ny olona aza?

1. Inona no nolazain’i Jesosy, ary nahoana izany no mahagaga?

HOY i Jesosy tao amin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra: “Sambatra ianareo raha halan’ny olona.” (Lioka 6:22) Tsy maintsy hoe gaga izao izay naheno an’izany. Tsy misy te hankahalaina izany mihitsy mantsy. Nahoana anefa i Jesosy no niteny an’io? Mila dinihina izany satria halan’ny olona maro izao ny mpanara-dia an’i Jesosy. Hojerentsika hoe nahoana isika no halan’ny olona, ary maninona isika no sambatra na dia misy mankahala aza.

NAHOANA ISIKA NO HALAN’NY OLONA?

2-3. a) Inona no antony iray mahatonga ny tena Kristianina hisy hanenjika? (Jaona 16:2, 3) b) Nahoana izany no mety hampiova ny fiheverantsika ny mpanohitra?

2 Halan’ny olona isika satria manompo an’i Jehovah. Izao no nolazain’i Jesosy momba an’ireo hanenjika ny mpanara-dia azy na hamono azy ireo mihitsy aza: “Mbola tsy fantany na izaho na ny Ray.” (Vakio ny Jaona 16:2, 3.) Iza anefa no tena ao ambadik’ireny fanenjehana ireny? I Satana. Izy mantsy no “andriamanitr’izao tontolo izao.” (2 Kor. 4:3, 4) Ataony izay tsy hahafantaran’ny olona ny marina momba an’i Jehovah. Taominy koa ry zareo mba hanohitra an’izay mahalala an’Andriamanitra sy tia azy. (Jaona 8:42-44) Mety hampiova ny fiheverantsika ny mpanohitra ve izany? Ie. Rehefa haintsika mantsy hoe voafitaka ry zareo, dia hanampy antsika tsy hankahala an-dry zareo izany.

3 Diniho ny ohatr’i Pavel,a izay mipetraka any amin’ny tany iray andrarana ny asantsika. Voasambotra izy dia nampijalijalina ary natoka-monina nandritra ny volana maromaro satria tsy nanaiky hivadika tamin’i Jehovah. Hoy izy: “Azoko izao hoe i Satana sy ny demoniany no ao ambadik’ireny satria tsy tiany hanompo an’i Jehovah intsony isika. Hoatran’ny tsy mankahala antsika akory aza ny ankamaroan’ny olona miasa any amin’ireny fonja ireny fa manao ny asany fotsiny.” Tsy Vavolombelona koa ny ray aman-drenin’ny rahalahy iray any Kroasia, dia nampijaly sy nanenjika be azy ry zareo. Hoy izy: “Fantatro izao hoe i Satana no tena fahavaloko fa tsy ny ray aman-dreniko.”​—Efes. 6:12.

4. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Jesosy sy Stefana? (Jereo koa ny sary.)

4 Tsy mankahala an’ireo manohitra antsika isika, ary mety hivavaka ho an-dry zareo mihitsy aza. (Mat. 5:44) Afaka manahaka an’i Jesosy sy Stefana isika. Nivavaka hoatr’izao i Jesosy rehefa nofantsihan’ny miaramila romanina teo amin’ny hazo fijaliana: “Ray ô, avelao ny helok’izy ireo.” (Lioka 23:34) Niangavy an’i Jehovah izy mba hamela an’ireo miaramila nasaina namono azy. Mety ho tao an-tsainy koa ireo vahoaka nampirisihin’ny mpitondra fivavahana, dia nangataka ny hamonoana azy. Hain’i Jesosy hoe tsy fantatr’ireo olona ireo izay nataony. Hoatr’izany koa fa niangavy an’i Jehovah i Stefana mba hamela ny helok’ireo hamono azy. (Asa. 7:58-60) Namaly ny vavaka nataon’i Jesosy sy Stefana ve i Jehovah? Ie. Betsaka tamin’ireo olona nangataka ny hamonoana an’i Jesosy no nibebaka tatỳ aoriana, dia lasa nino azy ary natao batisa. (Asa. 2:36-41) Iray tamin’ireo nanaiky ny hamonoana an’i Stefana koa, fara fahakeliny, no lasa Kristianina. Tsy iza izany fa i Saoly avy any Tarsosy. Tena nanenina izy tamin’ireo zavatra nahatsiravina nataony noho ny tsy fahalalany.​—1 Tim. 1:13.

Rahalahy iray ao amin’ny efitra igadrany, ary mangana ny tarehiny. Mivavaka izy, ary misy mpiambina eo akaiky eo.

Nivavaka ho an’ireo nanenjika azy i Jesosy sy Stefana. Afaka manao hoatr’izany koa isika (Fehintsoratra 4)


5. Inona no ianaranao avy amin’ny tantaran’i César?

5 Mbola mamaly ny vavaka atao ho an’ireo manenjika ny vahoakany koa i Jehovah amin’izao. Diniho ny ohatr’i César, rahalahy any Venezoelà. Nanohitra be ny dadany. Hoy izy: “Vady tsara sady reny mahay mitaiza i Neny. Na dia nanao loha laharana an’ilay Fanjakana aza izy, dia tsy nataony ambanin-javatra mihitsy i Dada. Nampianariny hanaja an’i Dada izaho sy ny iray tam-po amiko. Nampianariny hankatò azy koa izahay raha mbola tsy mifanohitra amin’ny sitrapon’i Jehovah ny zavatra asainy ataonay.” Tsy dia nanohitra be intsony ny dadany rehefa nandeha ny fotoana. Hoy ihany i César: “Nivavaka ho an’ny dadanay aho, indray mandeha, dia avy eo nanontany azy raha te hianatra Baiboly miaraka amiko izy. Nihetsi-po be aho rehefa nanaiky izy.” Natao batisa ny dadany tatỳ aoriana. Tsy ny mpanohitra rehetra no hanao fiovana hoatr’izany. Lasa tsy dia masiaka be intsony anefa ny sasany rehefa mahita antsika tsara fitondran-tena sy manaja an-dry zareo amin’ny tenintsika. Faly be isika rehefa manao an’izany ry zareo! Mety mbola hotaomin’i Jehovah hanatona azy ny olona hoatr’ireny. Be famindram-po mantsy ilay “Mpitsara ny tany manontolo”, ary tsy andrintsika ny hahita azy hanao an’izany.​—Gen. 18:25.

6. Inona no antony hafa mahatonga ny Kristianina hisy hankahala, araka ny Marka 13:13?

6 Halan’ny olona isika satria manohana an’i Jesosy. Nilaza i Jesosy fa ho halan’ny olona rehetra ny tena Kristianina ‘noho ny anarany.’ (Vakio ny Marka 13:13.) Inona moa no tiana holazaina amin’ilay hoe ‘anaran’i Jesosy’ eo? Ny lazany sy ny fahefana ananany noho izy Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Lasa halan’ny olona àry isika satria ry zareo miantehitra amin’ny mpitondra olombelona fa tsy amin’i Jesosy Kristy, ilay nofidin’i Jehovah hitondra an’izao rehetra izao. Efa lasa Mpanjakan’ilay Fanjakana anefa i Jesosy nanomboka tamin’ny 1914. Tsy ho ela izy dia hanala ny fitondram-panjakana rehetra tsy manaiky ny fahefany.

7-8. Nahoana ny mpanompon’i Jehovah sasany no esoesoin’ny olona? (Jaona 15:18-20) (Jereo koa ny sary.)

7 Halan’ny olona koa isika satria tsy manao ny fanaon’ny tontolon’i Satana. Nanazava i Jesosy fa ho halan’ny olona ny mpanara-dia azy satria “tsy anisan’izao tontolo izao.” (Vakio ny Jaona 15:18-20.) Hoatran’ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany isika, ka tsy manahaka ny toe-tsain’izao tontolo izao sy ny fitondran-tenany ary ny fomba fiteniny. Betsaka àry ny rahalahy sy anabavy esoesoin’ny olona rehefa any am-piasana na any am-pianarana. (1 Pet. 4:3, 4) Na izany aza, dia faly isika rehefa miova ihany ny mpanohitra sasany ka lasa manaja antsika.

8 Diniho ny ohatr’i Ignacio, any Amerika Afovoany. Nanesoeso azy nandritra ny taona maro ny mpampianatra azy, satria izy nanaraka ny fitsipik’Andriamanitra momba ny fitondran-tena. Rehefa akaiky ho vita anefa ny fianarany, dia nanontany azy ilay mpampianatra hoe ahoana no ahavitany manaraka ny torolalan’ny Baiboly foana, nefa efa izany ihany no tsy itiavan’ny olona azy. Nanazava i Ignacio fa noraisiny ho hoatran’ny hoe fiarovana ny lalàn’Andriamanitra. Nasainy nivory ilay mpampianatra taorian’izay. Gaga izy fa tonga tokoa ilay ramose! Tena nampiaiky azy ny fitiavana nasehon’ny fiangonana taminy, dia tonga foana izy. Nanomboka nianatra Baiboly izy, dia izy indray no lasa nisy nanohitra. Nandroso foana anefa izy, dia natao batisa tamin’ny farany.

Sary: Sary tsy tena izy ahitana an’i Ignacio any am-pianarana. 1. Mipetraka ao an-dakilasy izy, ary maneso azy eo imason’ny mpianatra hafa ny mpampianatra azy. Tsy mamaly izy fa manaja an’ilay mpampianatra. 2. Miresaka amin’ilay mpampianatra i Ignacio atỳ aoriana, ary mihaino tsara azy ilay ramose.

Afaka ny ho be herim-po hiaro ny finoantsika isika, na firy taona na firy taona (Fehintsoratra 8)b


9-10. a) Inona koa no mampiavaka antsika amin’ny olona eo amin’ny tontolon’i Satana? b) Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatry ny apostoly Paoly?

9 Miavaka amin’ny tontolon’i Satana koa isika satria tsy midikiditra amin’ny politika sy ny ady. (Jaona 18:36) Mankatò ny lalàna apetraky ny Fanjakana isika araka ny torohevitra ao amin’ny Romanina 13:1. Kristianina anefa isika ka tsy midikiditra amin’ny adilahy politika. Tsy mirotsaka hofidina àry isika na mandatsa-bato. Nahoana? Satria i Jehovah sy ilay Fanjakana tarihin’i Kristy no tohanantsika. Betsaka ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina noho ny finoany. Mbola mitory foana anefa ry zareo na dia migadra aza. Arahin-dry zareo ny modelin’ny apostoly Paoly tamin’izy nambenana tao an-trano sy nigadra nandritra ny taona maro. (Asa. 24:27; 28:16, 30) Tsy nitsahatra nitory tamin’izay rehetra vonona hihaino mantsy izy. Anisan’izany ny mpiambina ny fonja, ny mpitsara, ny governora, ny mpanjaka, ary mety ho anisan’izany koa aza ny miaramilan’i Néron mpanjaka romanina.​—Asa. 9:15.

10 Mitory amin’izay rehetra vonona hihaino koa ny rahalahintsika migadra, ohatra hoe amin’ny mpitsara, ny manam-pahefana, ary ny mpiambina ny fonja. Nigadra nandritra ny enin-taona mahery ny rahalahy iray noho izy tsy nety nanao politika. Nilaza izy fa tsy sazy no nandraisany an’ilay izy, fa fanendrena avy amin’i Jehovah hoe hitady an’izay olona tso-po any am-ponja. Faly be isika raha isika no ampiasain’i Jehovah mba hitory ny vaovao tsara amin’ny olona hoatr’izany. (Kol. 4:3) Tsy izay ihany anefa no mahatonga antsika ho sambatra na dia ankahalain’ny olona aza isika noho isika manompo an’i Jehovah. Andao isika hijery antony hafa.

NAHOANA ISIKA NO SAMBATRA NA DIA MISY MANKAHALA AZA?

11. Nahoana no manatanjaka ny finoantsika ny fanenjehana? Manomeza ohatra.

11 Fantatsika fa manatanteraka faminaniana izany. Efa nilaza mialoha i Jehovah tao amin’ilay faminaniana voalohany ao amin’ny Baiboly fa hankahala an’izay tia sy manompo an’i Jehovah i Satana sy ny taranany, na izay manara-dia azy. (Gen. 3:15) Namerimberina nanamafy an’io faminaniana io i Jesosy ao amin’ireo Filazantsara efatra. (Mat. 10:22; Mar. 13:9-12; Lioka 6:22, 23; Jaona 15:20) Nanao hoatr’izany koa ny mpanoratra Baiboly hafa. (2 Tim. 3:12; Jak. 1:2; 1 Pet. 4:12-14; Joda 3, 17-19) Tsy gaga àry isika rehefa misy fanenjehana. Faly kosa isika fa tanteraka ny faminanian’ny Baiboly. Manome toky antsika izany hoe manompo an’ilay tena Andriamanitra isika. Hoy ny anabavy iray mipetraka any amin’ny tany iray anakantsakanana ny asantsika: “Rehefa nanokan-tena ho an’i Jehovah aho dia fantatro hoe tsy maintsy henjehina aho na ho ela na ho haingana. Sady tsy gaga àry aho no tsy natahotra rehefa nitranga izany.” Ny vadiny mihitsy no anisan’ny nanohitra an’io anabavy io. Nampijaly azy ilay rangahy, dia nodorany ny Baiboliny sy ny bokiny. Tsy nanaiky ho resin’ny tahotra anefa izy fa vao mainka aza natanjaka ny finoany. (Heb. 10:39) Hoy izy: “Efa voalazan’ny faminaniana mialoha hoe hisy ny fanenjehana, dia haiko hoe tsy maintsy hitranga izany. Ireny no nandresy lahatra ahy hoe manaraka ny fivavahana marina aho.”

12. Inona no nanampy ny rahalahy iray hiaritra fanenjehana?

12 Na dia efa ampoizintsika aza hoe henjehina isika, dia mety tsy ho mora amintsika ihany ilay miaritra. Niresaka an’izay nanjo azy tany am-ponja ny rahalahy iray. Izao no nosoratany: “Nisy fotoana aho kivy be na natahotra, dia nitomany no azoko natao.” Inona no nanampy azy hiatrika an’izany? Hoy izy: “Nivavaka foana aho. Vao nifoha aho isa-maraina dia nivavaka. Nivavaka koa aho nandritra ny andro isaky ny niatrika zava-tsarotra. Rehefa tezitra be iny aho satria niharan’ny tsy rariny, dia lasa aho nihidy tao an-kabine dia tao aho no nivavaka.” Nisaintsaina momba an’ireo olona tsy nivadika fahiny sy amin’izao koa io rahalahintsika io. Izany no nanampy azy hiaritra fanenjehana sy hahazo an’ilay fiadanana nampanantenain’i Jesosy ny mpanara-dia azy.​—Jaona 14:27; 16:33.

13. Inona no hanampy antsika handresy fankahalana?

13 Mandresy fankahalana ny fitiavantsika. Tia ny Rainy tamin’ny fony manontolo i Jesosy mandra-pahafatiny. Tian’i Jesosy koa ny namany. (Jaona 13:1; 15:13) Hahavita handresy fankahalana koa isika raha miezaka ho tia kokoa an’i Jehovah sy ny mpiara-manompo amintsika. Amin’ny fomba ahoana? Andao hojerentsika ny ohatry ny apostoly Paoly.

14. Inona no nanampy an’i Paoly tsy hivadika na dia efa hovonoina ho faty aza izy?

14 Nanoratra tamin’i Timoty, ilay namany tsy foiny, i Paoly taloha kelin’ny namonoana azy. Hoy izy: “Tsy mahatonga antsika ho kanosa ny toe-tsaina omen’Andriamanitra antsika, fa mahatonga antsika hahery sy ho be fitiavana.” (2 Tim. 1:7) Inona no tian’i Paoly holazaina? Vonona hiatrika fitsapana mivaivay ny Kristianina rehefa tena tia an’i Jehovah. (2 Tim. 1:8) Rehefa hovonoina ho faty i Paoly, dia azo antoka hoe ny fitiavany an’i Jehovah no nanampy azy ho be herim-po foana sy tsy hiala amin’ny fivavahana marina mihitsy.​—Asa. 20:22-24.

15. Ahoana no ampisehoan’ireo rahalahy sy anabavintsika amin’izao hoe tia ny mpiara-manompo aminy ry zareo? (Jereo koa ny sary.)

15 Tena tiantsika ny mpiara-manompo amintsika satria tsy mivadika ry zareo na eo aza ny fanenjehana. Vonona hanao vivery ny ainy ho an’ireo rahalahy sy anabaviny ny mpiara-manompo amintsika sasany amin’izao, hoatran’ny nataon’i Akoila sy Prisila tamin’i Paoly. (Rom. 16:3, 4) Anisan’izany ny any Rosia. Be dia be no tonga any amin’ny fitsarana mba hampahery an’ireo rahalahy sy anabaviny voasambotra. Nihetsi-po be ny anabavy iray tamin’izy nosamborina rehefa nahita rahalahy sy anabavy be dia be nanotrona azy teny amin’ny fitsarana. Tsy nahateny kely mihitsy aza izy. Nanome hery azy ny fitiavan’ny mpiara-manompo tamin’ny fotoana tena nilany an’izany. Tena sambatra isika satria mandresy fankahalana ny fitiavantsika!

Anabavy iray entin’ny polisy vavy anankiroa mankao anaty aotomobilina. Misy rahalahy sy anabavy maromaro manatrika eo ary mitehaka ho azy ry zareo.

Tia ny mpiara-manompo aminy foana ireo rahalahy sy anabavy na dia any amin’ny tany andrarana na anakantsakanana ny asantsika aza (Fehintsoratra 15)c


16. Nahoana ny apostoly Petera no milaza fa manana antony hifaliana ireo miaritra na dia misy mampijaly aza? (1 Petera 4:14)

16 Fantatsika hoe ankasitrahan’Andriamanitra isika rehefa miaritra. (Vakio ny 1 Petera 4:14.) Nilaza ny apostoly Petera fa manana antony hifaliana ireo miaritra fampijaliana noho izy manompo an’Andriamanitra. Nahoana? Matoa mantsy isika mahavita miaritra fampijaliana dia porofo izany hoe ‘manana ny fanahin’Andriamanitra’ isika. Faly i Petera rehefa fantany hoe nankasitrahan’Andriamanitra izy sady nahavita niaritra fanenjehana. Taoriana kelin’ny Pentekosta taona 33, ohatra, dia nasaina nosamborin’ny mpiambina ny tempoly i Petera sy ny apostoly hafa noho ry zareo nitory. Sahy niaro ny finoany anefa i Petera. (Asa. 5:24-29) Mbola nitory foana ry zareo, na dia rehefa avy nokaravasina aza. Faly aza ry zareo satria “natao mendrika ny ho afa-baraka noho [ny anaran’i Jesosy].” Afaka ny ho faly hoatr’izany koa isika rehefa miaritra fitsapana.​—Asa. 5:40-42.

17. Inona no nolazain’i Jesosy tamin’ny mpianany ny alina talohan’ny hahafatesany?

17 Rehefa ao amin’ny tontolo vaovao, dia ho tia antsika daholo ny olona noho isika manompo an’i Jehovah. (2 Tes. 1:6-8) Mandra-pahatongan’izay, dia enga anie isika hitadidy fa be dia be ny antony mahasambatra antsika na dia ankahalain’ny olona aza isika. Hotadidintsika koa ilay tenin’i Jesosy tamin’ny mpianany ny alina talohan’ny hahafatesany. Hoy izy: ‘Izay tia ahy dia ho tian’ny Raiko, ary ho tia azy aho.’​—Jaona 14:21.

AHOANA NO HAMALIANAO AN’IRETO?

  • Nahoana no misy mankahala ny mpanara-dia an’i Jesosy?

  • Nahoana no mandresy fankahalana ny fitiavantsika?

  • Nahoana isika no sambatra na dia misy mankahala aza?

HIRA 149 Hiram-pandresena

a Novana ny anarana sasany.

b FANAZAVANA SARY: Sary tsy tena izy. Ignacio mitory amin’ny mpampianatra azy.

c FANAZAVANA SARY: Sary tsy tena izy. Rahalahy sy anabavy manohana mpiara-manompo hogadraina noho ny finoany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara