4-10 MEY 2026
HIRA 53 Miomàna Handeha Hitory
Hatsarao ny ‘Fahaizanao Mampianatra’
“Torio ny teny ... ka miezaha hanam-paharetana tanteraka sady hahay hampianatra rehefa manao an’izany.”—2 TIM. 4:2.
HEVITRA HODINIHINA
Fomba telo hanatsarana ny fahaizantsika mampianatra.
1. Inona no mila hatsaraintsika, ary nahoana? (2 Timoty 4:2) (Jereo koa ny sary.)
HOY i Jesosy tamin’ny mpanara-dia azy: “Ampianaro ny olona ... mba ho lasa mpanara-dia ahy ... sady ampianaro hankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.” (Mat. 28:19, 20) Tokony ho mpampianatra daholo àry ny Kristianina. Marina hoe mitaona an’ireo ‘manana toe-po tsara’ i Jehovah. Ny anjely koa mitarika antsika any amin’ireny olona ireny. (Asa. 13:48; Jaona 6:44; Apok. 14:6) Mbola mila manao ny anjarantsika anefa isika. Diniho ny ohatry ny apostoly Paoly sy Barnabasy. Milaza ny Baiboly fa rehefa nitory tao amin’ny synagoga tany Ikonioma ry zareo, dia “tena nahay nandaha-teny ... ka maro be no lasa mpino, na Jiosy na Grika.” (Asa. 14:1) Azo antoka hoe efa niezaka nanatsara ny ‘fahaizany mampianatra’ izy roa lahy talohan’izay. (Vakio ny 2 Timoty 4:2.) Tokony hanao hoatr’izany koa ny Kristianina rehetra.
Hanampy antsika ‘hahay hampianatra’ ny modelin’i Jesosy sy ny mpianany, anisan’izany ny apostoly Paoly sy Barnabasy (Fehintsoratra 1)
2. Nahoana ny Kristianina sasany no mety hieritreritra hoe tsy hahay hampianatra mihitsy izy?
2 Misy mieritreritra hoe tsy hahay hampianatra mihitsy izy, satria tsy dia nahita fianarana na hoe tsy talentany mihitsy izany. Efa nahatsapa hoatr’izany koa ny olona sasany resahina ao amin’ny Baiboly. (Eks. 4:10; Jer. 1:6) Misy indray mieritreritra hoe tsy mahay mampianatra, satria tsy mahita vokatra hoatran’ny olon-kafa. Mazava ho azy fa tsy izay rehetra miresaka na mihaona amintsika no hihaino ny vaovao tsara. Tsy miankina amin’ny ezaka ataontsika foana koa ny vokatra azo. Efa noresahintsika teo hoe ataon’i Jehovah sy ny anjely izay hahitantsika ny olona manana toe-po tsara. Na izany aza, dia manao izay tsara indrindra vitantsika isika mba hahatonga ny olona ho liana amin’ilay hafatra torintsika. Hiresaka fomba telo hanampy antsika hanatsara ny fahaizantsika mampianatra ity lahatsoratra ity.
ASEHOY HOE MIAHY AN’ILAY OLONA IANAO
3. Nahoana i Jesosy no nahay nanohina ny fon’ny mpihaino azy?
3 Milaza ny Baiboly hoe ‘efa nahafantatra ny tao am-pon’ny olona’ i Jesosy. (Jaona 2:25) Hain’i Jesosy izany ny tao an-tsain’ny olona sy izay nandrisika an-dry zareo hanao zavatra. Nahay nanohina ny fon’ny mpihaino azy izy, satria nahazo tsara ny zavatra nilain’izy ireo. Hitany fa tsy ampy sakafo ara-panahy ilay vahoaka, sady noteren’ny mpitondra fivavahana hanaraka fombafomba sy didin’olombelona be dia be. (Mat. 9:36; 23:4) Izay tena nilain-dry zareo mihitsy àry no nampianarin’i Jesosy tao amin’ilay toriteniny teo an-tendrombohitra. Tsy mahagaga raha be dia be ny olona tia nihaino azy.
4. Ahoana no ampisehoantsika hoe miahy an’ireo olona iresahantsika isika? (Jereo koa ny sary.)
4 Asehontsika hoe miahy ny olona iresahantsika isika, raha miezaka mahazo ny zavatra mampanahy azy. Misy vokany aminy mantsy ny zava-mitranga eto amin’ny tontolo ratsin’i Satana. Hangoraka ny olona ao amin’ny faritanintsika isika raha mitadidy an’izany. Saintsaino, ohatra, izao: ‘Nisy zava-nitranga vao haingana mitana ny sain-dry zareo ve? Manahy momba ny hoavin-janany ve ny ray aman-dreny? Betsaka ve no tsy an’asa?’ Eritrereto ange hoe hoatran’ny ahoana ny fiainan’ireny olona ireny e! Miatrika an’ireo olana ireo ry zareo nefa tsy mba manana an’ilay fanantenana resahin’ny Baiboly.—2 Tim. 3:1; Isaia 65:13, 14.
Saintsaino ny zavatra iainan’ny olona ampianarinao, dia miezaha hiahy an-dry zareo (Fehintsoratra 4)
5. Inona no tsy nampitovy an’i Jesosy sy ny Fariseo rehefa nampianatra? (Matio 11:28-30)
5 Niahy ny olona niresahany i Jesosy, ary hitan-dry zareo tamin’ny fomba nitondrany an-dry zareo izany. Tena tsy nitovy tamin’ny Fariseo i Jesosy. Ny Fariseo mantsy nanambanimbany ny sarambabem-bahoaka sady nanao tsinontsinona an-dry zareo. (Mat. 23:13; Jaona 7:49) I Jesosy kosa tsara fanahy sy nanaja an’ilay vahoaka. Nahita vokatra àry izy rehefa nampianatra, satria ‘nalemy fanahy sy nanetry tena.’ (Vakio ny Matio 11:28-30.) Tokony ho tsara fanahy sy hanaja ny olona iresahantsika koa àry isika.
6. Ahoana no ampisehoantsika hoe tsara fanahy sy manaja an’ireo tsy mihaino na manohitra antsika isika?
6 Misy olona tsy mihaino ny hafatra torintsika na manohitra mihitsy aza. Dia ahoana no hatao? Misy zavatra nasain’i Jesosy ataontsika ankoatra ny hoe tsy mamaly ratsy ny ratsy. Hoy izy: ‘Manaova soa amin’izay mankahala anareo, irario soa izay manozona anareo.’ Niteny mihitsy aza izy hoe: ‘Mivavaha ho an’izay manao tsinontsinona anareo.’ (Lioka 6:27, 28) Ho mora kokoa amintsika ny hanao an’izany raha mitadidy isika hoe misy antony matoa izy tsy mandray. Misy aloha tsy te hihaino tsotra izao e! Antony tsy miankina amintsika kosa no mahatonga ny hafa tsy handray. Manana olana angamba izy ao an-trano, na misy zavatra mampiady saina azy, na tsy nety fotsiny ilay fotoana nahatongavantsika. Na ahoana na ahoana, dia tokony hiezaka isika mba ho “mahafinaritra” sady ho ‘mamy sira foana ny teny lazaintsika’, amin’izay ‘fantatsika izay tokony havalintsika ny olona tsirairay.’ (Kol. 4:6) Tsy dia ho sosotra amin’ilay olona isika raha mangoraka azy, sady miezaka hahatakatra ny mahazo azy. Vao mainka aza isika ho lasa mpampianatra mahay.
AMPIASAO NY TENIN’ANDRIAMANITRA
7. Inona no nampiasain’i Jesosy rehefa nampianatra ny olona izy? (Jaona 7:14-16)
7 Tsy ny heviny fotsiny no nampianarin’i Jesosy. Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra kosa izy, ary nataony mora azon’ny olona sy mora tadidy ny fomba hampiharana azy. Resahin’ny Baiboly hoe “nampianatra azy ireo toy ny olona manana fahefana” i Jesosy, “fa tsy toy ny mpanora-dalàna.” ‘Nahagaga’ ny olona izany. (Mar. 1:22) Ny mpanora-dalàna tamin’izany mantsy nampiasa tenina raby fanta-daza rehefa nampianatra. I Jesosy kosa nampiasa ny Soratra Masina. Zanak’Andriamanitra izy ary efa niaina tany an-danitra. Afaka nampideradera fahaizana àry izy, na nanao izay hahatsapan’ny olona hoe tsy mahay. Tsy izany anefa no nataony, fa ny sitrapon’Andriamanitra sy ny Teniny no tena nampianariny. (Vakio ny Jaona 7:14-16.) Tena namela modely hotahafin’ny mpanara-dia azy i Jesosy.
8. Ahoana no nanahafan’i Petera an’i Jesosy?
8 Nampiasa ny Tenin’Andriamanitra koa ny mpianatr’i Jesosy rehefa nampianatra. Diniho, ohatra, ilay lahatenin’i Petera tamin’ny Pentekosta taona 33. Tsy nanao fianarana ambony i Petera. Nahavita nanohina ny fon’ny mpihaino azy anefa izy rehefa nanazava avy tao amin’ny Soratra Masina fa nanatanteraka faminaniana i Jesosy. (Asa. 2:14-37) “Natao batisa àry izay olona nanaiky tsara ny tenin’i Petera, ka niampy 3 000 teo ho eo ny isan’izy ireo tamin’iny andro iny.”—Asa. 2:41.
9. Nahoana isika no tokony hampiasa ny Tenin’Andriamanitra rehefa mampianatra?
9 Ny Tenin’Andriamanitra no fitaovana tsara indrindra mba hanohinana ny fon’ny olona. (Heb. 4:12) Izy io àry no tena tokony hampiasaintsika rehefa mampianatra. Ny ‘hitory ny teny’, fa tsy ny hevitsika manokana, mantsy no tena tokony ho tanjontsika. (2 Tim. 4:2) Hoy ny Ohabolana 2:6: “I Jehovah mihitsy no manome fahendrena, ary avy amin’ny vavany ny fahalalana sy ny fahaiza-mandinika.” Raha mampiasa ny Soratra Masina àry isika rehefa mampianatra, dia hoatran’ny hoe mamela an’i Jehovah hiteny. (Mal. 2:7) Tiantsika ny olona hahalala fa tsara lavitra noho ny fahendren’olombelona ny hafatra ao amin’ny Baiboly. Avy amin’ilay Mpamorona antsika mantsy izy io, ary ilaintsika ny fahalalana ao mba hampifaliana azy sy hahatonga antsika ho sambatra.—2 Tim. 3:16, 17.
10. Inona no azontsika atao mba ho hitan’ilay mpianatra hoe avy ao amin’ny Baiboly ny zavatra ianarany?
10 Rehefa manomana an’ilay fianarana ianao, dia saintsaino hoe inona ny andinin-teny hasongadinao mba hahafantaran’ilay mpianatra an’izay ampianarin’ny Baiboly. Marina fa natao hanampiana ny olona hahazo kokoa an’ilay fianarana ny sary sy video. Tokony ho azon’ilay mpianatrao anefa fa ny Baiboly no tena ianarana. Vakio àry ny andinin-teny manasongadina ny hevi-dehibe, dia ampio izy hahazo tsara azy ireny. Rehefa mijery an’ireo sary sy video ianareo, dia ataovy azo antoka hoe azony tsara ny torolalan’ny Baiboly tiana hampianarina amin’ilay izy. Tsy voatery ho lava resaka na hamaky andinin-teny be dia be anefa ianao mba hahavitana an’izany. Omeo fotoana ampy tsara kosa ilay mpianatra, mba hahafahany hisaintsaina sy hahazo tsara an’izay andinin-teny vakina. Mila averina vakina mihitsy aza ilay andinin-teny raha ilaina. Amin’izay ianao tsy mitarika fampianarana boky, na fampianarana sary, na fampianarana video, fa fampianarana Baiboly.—1 Kor. 2:13.
11-12. a) Ahoana no ampisehoantsika hoe manam-paharetana amin’ny olona ampianarintsika isika? (Asan’ny Apostoly 17:1-4) (Jereo koa ny sary.) b) Inona no zavatra tsy fantatry ny olona sasany momba ny Baiboly, ary ahoana no azontsika anampiana an-dry zareo?
11 Ahoana raha sarotra amin’ilay olona ampianarinao ny manaiky hevitra iray? Tadidio hoe mila ‘manam-paharetana tanteraka’ isika rehefa ‘mitory ny teny.’ Tsy mitovy daholo mantsy ny fandrosoan’ny olona. Misy fahamarinana mety hoe tsotra kely amintsika, nefa mila fotoana bebe kokoa ny mpianatra sasany vao mahazo azy ireny. Hoatr’izany izao ny Jiosy tany Tesalonika. Tsy maintsy nandresy lahatra an-dry zareo imbetsaka i Paoly sady nampiasa ny Soratra Masina, vao azon’ny sasany tamin-dry zareo ny zavatra nampianariny.—Vakio ny Asan’ny Apostoly 17:1-4.
12 Ahoana koa no ampisehoantsika hoe manam-paharetana isika raha misy zavatra tsy eken’ilay mpianatra? Tsy tokony ho be resaka isika fa hiezaka hametraka fanontaniana aminy, ary hamela azy haneho ny heviny. Henoy tsara izy ary miezaha hahazo an’izay ao an-tsainy. Jereo izay andinin-teny hanampy azy hahazo ny fomba fiheveran’i Jehovah an’ilay izy. Vakio sy iaraho midinika aminy izany avy eo. Tadidio koa hoe tsy zatra mampiasa Baiboly ny olona sasany ka tsy tena mahalala an’izay voalaza ao. Maninona raha atoro azy ilay hoe “Teny Fampidirana ny Tenin’Andriamanitra”, any am-piandohan’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao? Azonao ampiasaina io mba hampisehoana aminy fa misy hevitra mahasoa be dia be ao amin’ny Baiboly. Afaka manampy antsika ho sambatra, ohatra, izy io. Azonao aseho azy ny andinin-teny iray na roa eo ambanin’ny fanontaniana faha-15 mba hanazavana an’izany. Vao mainka hanohina ny fon’ilay mpianatra ny fampianaranao raha ampianao izy hahita fa tena sarobidy ny Tenin’Andriamanitra.
Tia mihaino ny mpampianatra mahay fa tsy be resaka (Fehintsoratra 11-12)
AMPIO IZY HAHAFANTATRA AN’I JEHOVAH
13. Iza no tokony hasongadintsika rehefa mampianatra isika? Hazavao amin’ny ohatra.
13 Ny hanampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah sy ho lasa namany akaiky no tanjontsika. (Jak. 4:8) Hoatran’ny olona iray manampy olon-kafa hahita zavatra ao amin’ny maizina isika rehefa mampianatra. Mampiasa jiro fanao am-paosy izy, dia ilay zavatra no tarafiny amin’ilay jiro fa tsy ny tenany. Hoatr’izany koa fa hoatran’ny hoe i Jehovah no tarafintsika, raha izy no asongadintsika rehefa mampianatra fa tsy ny tenantsika.
14. Inona no azontsika atao mba hahatonga an’ilay olona ampianarintsika hampifaly an’i Jehovah?
14 Rehefa mampianatra Baiboly ianao, dia ampio ilay mpianatra mba ho tia an’i Jehovah sy haniry hampifaly azy. (Ohab. 27:11) Tsy izay hahatonga azy ho Vavolombelon’i Jehovah fotsiny no tanjontsika. Tiantsika raha manao fanovana izy satria te hampifaly an’i Jehovah. Raha sarotra amin’ilay mpianatrao, ohatra, ny miala amin’ny fahazaran-dratsy, dia azonao anontaniana izy. Ohatra hoe: “Inona moa no tsy itiavan’i Jehovah an’io? Maninona ianao no asainy miala amin’io nefa tianao ilay izy? Nahoana izany no mampiseho hoe tia anao i Jehovah?” Ampirisiho izy hieritreritra momba an’i Jehovah sy ny toetrany. Raha manao an’izany foana ianao, dia vao mainka izy hahatsapa hoe Ray be fitiavana i Jehovah. Izany indray avy eo no handrisika an’ilay mpianatra ho te hampifaly azy.
HATSARAO FOANA NY FAHAIZANAO MAMPIANATRA
15. Inona no tokony hataonao raha tianao hihatsara foana ny fahaizanao mampianatra?
15 Iangavio i Jehovah hanampy anao hahita an’izay azonao hatsaraina. (1 Jaona 5:14) Manaova zavatra mifanaraka amin’ilay vavaka nataonao, ka miezaha handray tsara an’ireo fampiofanana omeny any am-pivoriana. Azonao atao koa ny manasa an’ireo za-draharaha mba hiaraka aminao rehefa hampianatra ianao. Anontanio azy avy eo izay azonao hatsaraina. Tadidio koa hoe ianao no efa zatra an’ilay loha hevitra ianaranareo fa tsy ilay mpianatra. Miezaha hipetraka eo amin’ny toerany. Ampio izy avy eo hahita hoe tena mahasoa azy ilay zavatra ianarany. Ho akaiky kokoa an’i Jehovah izy amin’izay sady hahatsapa hoe tena sambatra.—Sal. 1:1-3.
16. Inona ny soa azontsika raha hatsaraintsika foana ny fahaizantsika mampianatra?
16 Anisan’ny mahafaly antsika indrindra ny mampianatra ny olona momba an’i Jehovah. Mbola hankafy an’io asa io isika any amin’ny tontolo vaovao. Mbola ho betsaka mantsy ny olona mila ampianarintsika any. Andao àry isika hiezaka foana hiahy ny olona iresahantsika, hampiasa ny Tenin’Andriamanitra, ary hanampy ny olona hahafantatra an’i Jehovah rehefa miresaka ny vaovao tsara. Hihatsara ny fahaizantsika mampianatra amin’izay.
HIRA 65 Mandrosoa Foana!