‘Mihira ny herin’Andriamanitra’ ireo tany andrarana ny asa
ATAON’I Jehovah mandamoka ny teti-dratsy nokotrehina hamelezana ireo mpanompony, mba hahafahan’izy ireo ‘hihira ny herin’Andriamanitra’. (Sal. 59:16.) Tsy afaka ny hangina fotsiny ireo rahalahintsika miaina any amin’ireo tany andrarana ny asa. Manohy ny asa fitoriana izy ireo.
Tamin’ny novambra 1986, tao amin’ny tanàna kely iray atsy Afrika, dia nisy rahalahy vitsivitsy nosamborina tao amin’ny tokantrano iray izay nivorian’izy ireo mba hanaovana ny fivoriana momba ny asa. Niaraka tamin’izy ireo ilay mpitory maharitra manokana izay nitarika ny kongregasiona. Nikapoka azy tamim-pahasiahana sy nanovokovoka azy tamin’ny daka ny iray tamin’ireo polisy roa izay nanao ny fisamborana. “Izy no mamporisika ireo hafa hitory na dia rarana aza! Azy ny fahadisoana raha miditra am-ponja izy ireo!” hoy ny fihiakany.
Raha mbola niraraka ny kapoka, dia nangataka mafy tamin’i Jehovah ilay rahalahy mba hanampy sy hanatanjaka azy. Nanoro hevitra an’ilay polisy mba hiato ilay mpiambina izay nijery ny zava-niseho. “Mitandrema mba tsy hampahory ny mpanompon’Andriamanitra!” hoy izy taminy. Nampisaintsaina an’ilay polisy izany teny izany satria ny ampitson’io dia niverina tany amin’ilay rahalahy izy mba hiala tsiny noho izay nataony. “Tena tsy nety tokoa ny nataoko”, hoy ny filazany talohan’ny niaikeny fa fantany fa Jehovah no Andriamanitra marina. Nafahana ilay mpitory maharitra manokana sy ireo rahalahy hafa herinandro taorian’izay. Mamela azy ireo hanao ny asany izao ireo polisy rehefa mahita ireo rahalahintsika mandray anjara amin’ny asa fanompoana.
Any amin’ny tany iray hafa atsy Afrika, ny kongregasiona kely iray manana mpitory 35 dia faly mahita mpitory vaovao 19 natao batisa. “Namonjy ny fiainako Ny Tilikambo Fiambenana”! hoy ny iray tamin’izy ireo talohan’ny batisany. Toy izao ny zava-niseho:
Koa satria iray tamin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny antoko politika eo amin’ny fitondrana ny tenany, ny miaramila mpanotrika ao amin’ny faritany misy azy dia nanapa-kevitra ny hamono azy. Rehefa tonga tao aminy izy ireo dia nahita azy teo am-pamakiana Ny Tilikambo Fiambenana. Nanontany azy izy ireo raha mpikambana ao amin’ny Fiangonana namoaka an’io gazety io izy. Nilaza tamin’izy ireo izy fa mbola tsy mpikambana ao fa miara-mianatra amin’ny Vavolombelon’i Jehovah iray ary manantena ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah ihany koa ny tenany. Nilaza taminy àry izy ireo hoe fantany fa iray amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana izy, nefa tsy hamono azy izy ireo “noho io gazety” novakina io. Dia navelan’izy ireo tamin’izay izy. Taitra tokoa io sakaizan’ny fahamarinana io ka lasa nidodododo haingana nankany amin’ny toeram-pivoriana ary nanazava tamin’ireo rahalahy fa maty izy raha tsy nisy Ny Tilikambo Fiambenana. Tapa-kevitra tanteraka ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah izy.
Any amin’ireo tany izay mampirongatra ny fanenjehana, Jehovah dia afaka manajamba ny fahavalo mba hiarovana ireo mpanompony, vavolombelon’izany izay nitranga tao amin’ny tany iray atsy Afrika. Nolazaina tao amin’ny kongregasiona iray ny fotoana hitsidihan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany tamin’ny andro nahavoaroaka indrindra ny rahalahy anankiray. Ity farany izay nanjary namaly faty, dia lasa nampandre tany amin’ny polisy fa fantany ny andro hahatongavan’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany ary azony atao ny mitondra azy ireo any amin’ny toerana misy azy mba hahafantarany io olom-petsy io, dia ny olona fanaja ao amin’ny fandaminana.
Liana aoka izany tamin’io fanaporofoan-kevitra io ireo manam-pahefana, hany ka niandry tamim-pahadodonana io fotoana io izy ireo. Nefa, nifanohitra tamin’izay nokasaina, fa naroson’ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany herinandro maromaro nialoha ny fotoana hitsidihany. Rehefa nitondra ireo polisy tao amin’ny trano izay noheveriny hahitana ilay mpiandraikitra ny fizaran-tany ilay voaroaka dia tena diso fanantenana mafy tokoa. Fantatr’ireo rahalahy fa tonga hisambotra ny mpiandraikitra ny fizaran-tany izy ireo ary dia nampahafantariny an’ireo polisy fa tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony io mpanoro lalana azy ireo io. Rehefa nanontany ny antony ireo dia novalian’ireo rahalahy fa tsy maintsy noroahina io lehilahy io noho izy tsy manana fitondrantena mendrika ny kristiana intsony. Sahirana, ary tezitra noho izy nofahanana fampanantenana diso ireo polisy ka nilaza hoe: “Eny àry, ka rehefa tsy tsara fanahy taminareo izy, dia tsy ho toy izany koa aminay!” Tamin’izay, dia nampidirin’izy ireo am-ponja izy.
Tany amin’ny tany iray any Azia izay andrarana ny asa, ny anabavy iray mpitory maharitra dia nifanena tamina zatovolahy iray izay nandray anjara tamim-pahatsorana tamin’ny fifanakalozan-kevitra ara-baiboly natao. Koa satria tsy nanana zavatra vita an-tsoratra tany aminy izy, dia nampanantena azy ilay anabavy fa hiverina hanome azy zavatra hovakina. Nataony izany ny herinandro nanaraka io. Adiny iray sy sasany taorian’ny fifanakalozan-kevitra ara-baiboly, dia nandray ny boky Azonao atao ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany io zazalahy io ary nilaza hoe: “Fantatrao ve, nivavaka tamin’Andriamanitra aho hatramin’ny telo herinandro izao mba haniraka olona hanampy ahy hahatakatra ny Baiboly. Mino aho fa ianao no valin’ny fivavahako.” Miara-mianatra ny Baiboly amin’io anabavy io sy ny vadiny izy izao.
[Loharanon-kevitra]
Sombin-dahatsoratra avy ao amin’ny Diary 1988 (anglisy)