FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w89 1/1 p. 30
  • Momba an’i Grisia

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Momba an’i Grisia
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
w89 1/1 p. 30

Momba an’i Grisia

Ny mponina tany Grisia tranainy indrindra fantatra dia nantsoina hoe Ioniana. Heverina fa io anarana io dia avy tamin’ny razambeny nantsoina hoe Javana (Yawan amin’ny teny Hebreo), zanakalahin’i Jafeta, ka noho izany dia zafikelin’i Noa (Genesisy 10:1, 2). Ao amin’ny Soratra grika kristiana, Grisia dia antsoina hoe Héllas. Izany dia tany iray mikitoantoana sy be karao-bato, ahitana tendrombohitra vitsivitsy be hazo. Hatramin’ny fahagola ny Grika no mpandeha an-tsambo.

Ireo Grika fahizay dia nivavaka tamin’ny andriamanitra maro nomeny endrik’olombelona tsara tarehy tokoa. Ninoana fa ireny andriamanitra ireny dia nihinana, nisotro, natory ary, na dia noheverina ho masina sy tsy nety maty aza, indraindray dia meloka ho manangoly, misavika, mamitaka sy mamono olona. Azo atao ny mahita amin’ireny angano ireny, fahatsiarovana ny andro talohan’ny safodrano, fony nisy anjely zanak’Andriamanitra nikomy ka tonga teto an-tany izay niarahany niaina tamim-behivavy, niterahany olo-mahery nantsoina hoe Nefilima ary namenoany ny tany tamin’ny herisetra. — Genesisy 6:1-8, 13.

Tamin’ny taonjato faha-4 alohan’ny fanisan-taona iraisana, Filipo avy any Makedonia, rain’i Aleksandra Lehibe, dia nanomboka nampiray ireo tanàna grika, izay nahaforona fanjakana nahaleotena tamin’izany, ka nametraka azy teo ambany fanapahan’i Makedonia. Tamin’ny taonjato faha-2 alohan’ny fanisan-taona iraisana, dia tonga provansa romana i Grisia, ary niely hatrany Roma ny kolon-tsaina grika.

Nanampy tamin’ny fampielezana haingana ny vaovao tsara ny amin’i Kristy tao amin’ny fitambaran’ny fitodian-tsambo mediteraneana ny fampiasan’ny maro ny teny grika koïnê.

Nankany Makedonia sy Grisia ny apostoly Paoly tamin’ny dia misionera faharoa sy fahatelo nataony. Nanorina kongregasiona kristiana izy tany Filipy, tany Tesalonika, tany Korinto sy tany Beria. Nampianatra tany koa ry Silasy, Timoty, Titosy mbamin’ny kristiana hafa tamin’ny taonjato voalohany. Amin’izao androntsika izao, any Grisia, dia ahitana kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 320 sy mpitory ny fanjakan’Andriamanitra maherin’ny 23 000.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara