FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/10 p. 16-17
  • Naniraka mpianatra 70 hafa koa mba hitory i Jesosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Naniraka mpianatra 70 hafa koa mba hitory i Jesosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mitovitovy Aminy
  • Naniraka ireo 70 i Jesosy
    Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany
  • Naniraka Mpianatra 70 mba Hitory i Jesosy
    I Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
  • Fanontanian’ny Mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2024
  • “Tsy Mbola Tonga ny Fotoany”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2000
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/10 p. 16-17

Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany

Naniraka mpianatra 70 hafa koa mba hitory i Jesosy

EO amin’ny fararanon’ny taona 32 isika izao, telo taona katroka taorian’ny batisan’i Jesosy. Vao avy nanatrika ny andro firavoravoana amin’ny Tabernakely tany Jerosalema Kristy sy ireo mpianany ary toa nijanona teny amin’ny manodidina izy ireo. Nandritra ireo enim-bolana farany tamin’ny fanompoany koa i Jesosy dia ho any Jodia indrindra, na teny ampitan’i Jordana indrindra, tao amin’ny distrikan’i Perea, faritany tokony hoteteziny koa.

Marina fa nanomboka tamin’ny Paska taona 30 dia efa nandany valo volana teo ho eo nitoriana tany Jodia izy. Nefa rehefa avy nanandrana namono azy tao amin’io faritra io ny Jiosy tamin’ny Paska taona 31, dia saika tany Galilia ihany izy no nampianatra nandritra ny herintaona sy tapany. Tao anatin’io vanim-potoana io, dia nanorina fandaminana mpitory lehibe voaofana tsara izy, dia zavatra mbola tsy nataony mihitsy teo aloha. Izao izy dia hanomboka fiezahana manokana farany sady lehibe hanao fanambarana tany Jodia.

Nanao izany fiezahana manokana izany izy tamin’ny fifidianana mpianatra 70 nirahiny tsiroaroa. Amin’ny fitambarany àry dia antoko-mpitory ilay Fanjakana 35 no hamakivaky ilay faritany. Niainga mba hialoha an’i Jesosy izy ireny tany amin’ny tanàna sy ny toerana rehetra nokasainy holalovana, azo inoana fa hiaraka amin’ireo apostoliny.

Tsy nandidy an’ireo 70 mba ho any amin’ireo synagogoa i Jesosy fa nilaza tamin’izy ireo mba hiditra tao amin’ireo trano manokana: “Ary izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: Fiadanana ho amin’ity trano ity. Ary raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia hitoetra ao aminy ny fiadanana tononinareo.” Inona no tokony horaketin’ny hafatra? Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Lazao amin’ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” Momba ny asan’ireo mpianatra 70, dia izao no vakina ao amin’ny Famoaboasana nataon’i Matthew Henry (anglisy): “Sahala amin’ny Mpampianatra azy, na taiza na taiza nandalovan’izy ireo dia nitory isan-trano izy.”

Ireo toromarika nomen’i Jesosy ny mpianatra 70 dia sahala amin’ny nomeny an’ireo apostoly 12 herintaona talohan’izay, talohan’ny hanirahana azy ireny hitory tany Galilia. Tsy vitan’ny hoe nampiomana azy ireny ny amin’ny fanoherana hosetrainy izy ka nanomana azy hampiseho ny hafatra amin’ny olona, fa nampitainy tamin’izy ireny koa ny fahefana hanasitrana ny marary. Amin’izany, rehefa ho tonga hanaraka azy ireo indrindra izy, dia hahita olona be dia be dodona ny hihaona amin’ilay Mpampianatra izay ny mpianany dia mahay manao zavatra mahatalanjona toy izany.

Azo lazaina hoe fohy ny faharetan’ny fitorian’ireo 70 sy ny asan’i Jesosy nifandray tamin’izany. Tsy ela ireo antoko-mpitory 35 dia nanomboka niverina teo amin’i Jesosy. “Tompo ô, hoy ireo mpianatra feno hafanam-po, na dia ny demonia aza dia manaiky anay noho ny anaranao.” Azo antoka fa nampihetsi-po an’i Jesosy ny fandrenesana tatitra momba ny asa toy izany, satria hoy ny navaliny: “Izaho nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra tahaka ny varatra. Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan’ny fahavalo hianareo.”

Fantany fa aorian’ny hahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, amin’ny andro farany, dia horoahina avy any an-danitra Satana sy ireo demoniany. Tamin’izay fotoana izay anefa, ny nahafahan’olona tsotra izao namoaka demonia tsy hita maso dia nanamafy ny antoka fa hitranga izany fisehoan-javatra izany; noho izany antony izany no niresahan’i Jesosy ny amin’ny fandroahana an’i Satana avy any an-danitra ho toy ny zava-misy voaporofo. Tamin’ny heviny ara-panoharana àry no nandraisan’ireo mpianatra 70 fahefana hanitsaka menarana sy maingoka. Nanampy teny toy izao anefa i Jesosy: “Aza mifaly hianareo, satria manaiky anareo ny fanahy; fa mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.”

Ravoravo Jesosy ka nidera ampahibemaso ny Rainy noho ny nampiasany tamin-kery toy izany ireo lehilahy nanetry tena ireo. Nitodika tany amin’ny mpianany izy ka nilaza hoe: “Sambatra ny maso mahita izay hitanareo. Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita, ary naniry hahare izay renareo, fa tsy nahare.” Lioka 10:1-24; Matio 10:1-42; Apokalypsy 12:7-12.

◆ Taiza moa i Jesosy no nitory nandritra ireo telo taona voalohany tamin’ny fanompoany, ary faritany inona no noteteziny nandritra ireo volana enina farany?

◆ Ho any amin’ny faritra inona moa no nanirahan’i Jesosy ireo mpianatra 70?

◆ Nahoana moa no nilaza i Jesosy fa nahita an’i Satana efa latsaka avy any an-danitra izy?

◆ Tamin’ny heviny ahoana moa ireo mpianatra 70 no hoe nanitsaka menarana sy maingoka?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara