FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w88 1/10 p. 14-15
  • Ankalazaina ny anaran’i Jehovah any amin’ireo nosy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ankalazaina ny anaran’i Jehovah any amin’ireo nosy
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Lohatenikely
  • Jehovah: anarana fantatra tsara taloha
  • Fanandramana nanafoana ilay Anarana
  • Ireo mpiaro ilay Anarana
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
w88 1/10 p. 14-15

Ankalazaina ny anaran’i Jehovah any amin’ireo nosy

ALAO sary an-tsaina ny fahagagana ho tsapan’ny mpizaha tany iray raha toa, rehefa nidina nankeo amin’ny nosy tsy fantatra iray izy ka hitany nitsangana teo anoloany ny sainan’ny taniny nikopakopaka. Izany no tsapan’i John Williams, anisan’ny Fikambanana misioneran’i Londres, teo am-piandohan’ny taonjato faha-19, rehefa nijanona tao Rarotonga, nosy kely ao amin’ny fitambara-nosy Cook, any atsimon’i Pasifika, izy. Teo amin’io nosy io izay niheverany ny tenany ho solontena voalohan’ny fivavahana lazaina fa kristiana, dia nahita alitara natao ho an’i Jehovah sy Jesosy Kristy izy. Manome izao fanazavana manaraka izao ny fitantarana ny dia misionera nataony:

Taona vitsivitsy talohan’ny hahatongavan’i John Williams, ny vehivavy iray avy any Tahiti dia nampahatsiahy tamin’ireo mponin’ny nosy ny zava-mahatalanjona hitany tany amin’ny tany niaviany. Naharihariny tamin’izy ireo ny fisian’ny olona fotsy hoditra antsoina hoe Cookies (anarana nalaina avy amin’ny kapiteny Cook). Nolazalazainy ny amin’ny fiasana vy tian’izy ireo kokoa noho ny taolana mba hikapana hazo sy hanamboarana lakanjila tsara sy moramora kokoa. Nilazany koa anefa izy ireo fa ny Fotsy hoditra dia nanompo an’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy. Tamin’izay ny dadatoan’ny mpanjakan’ny nosy no nahita hevitra nanorina alitara sy “marae” ho azy ireoa. Tamin’izany no nahatongavan’ny anarana manokan’Andriamanitra talohan’ireo misioneran’ny fivavahana lazaina fa kristiana tany amin’ireo nosy polineziana.

Jehovah: anarana fantatra tsara taloha

Rehefa nanomboka nampianatra ny fivavahany tamin’ny Polineziana ireo misionera ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nahatsikaritra fa nivavaka tamin’ny andriamanitra maro izy ireo. Mba hisakanana izay rehetra mety ho fampifangaroana amin’ireny andriamanitra ireny, dia nantsoiny tamin’ny anarany ilay Andriamanitra avo indrindra fa tsy tamin’ny anaram-boninahitra toy ny hoe Tompo, Mandrakizay, na hoe Atua koa aza, teny izay ny dikany dia hoe “Andriamanitra” amin’ny ankamaroan’ny fitenim-paritany polineziana. Nianatra nivavaka tamin’i Jehovah tamin’ny fampiasana ny anarany manokana àry ireo mponin’ny nosy.

Tatỳ aoriana, dia hita nivoaka ireo fandikan-tenin’ny Baiboly voalohandohany tamin’ireo fiteny eo an-toerana. Araka ny fandrindran-kevitra tanteraka fa nampiasainy ny anarana manokan’Andriamanitra: Iehova amin’ny teny haoaiana, rarotongana, tahisiana sy nioa; Ieova amin’ny teny samoana; ary Ihoa amin’ny teny maoria. Mbola miavaka kokoa ihany, ao amin’ny fandikan-teny maro ny anaran’Andriamanitra dia hita na dia ao amin’ny Soratra grika kristiana (na Testamenta Vaovao) aza.

Any Nouvelle-Zélande, ny antitra indrindra amin’ny Maoria dia mbola mahatsiaro ny fotoana nampiasana aoka izany ny anaran’i Jehovah, indrindra fa tao amin’ny “marae”. Tamin’ireo fombafomba fankalazana ofisialy, ho fampidirana ny lahateny fiarahabana tonga soa aman-tsara nandraisana ireo manamboninahitra nitsidika, dia notononina ny ohateny toy ny hoe “Ny fahatahorana an’i Jehovah no fiandoham-pahendrena”. Nanerana an’i Polinezia, dia nampiasaina malalaka ilay Anarana tamin’ny fotoam-pivavahana. Amin’izao andro izao koa, ireo tranainy indrindra dia mahafantatra tsara ny anaran’Andriamanitra amin’ny fiteniny eo an-toerana. Tsy izany kosa anefa no hita amin’ny tanora maro izay niala tamin’ny fomba fiaina nahazatra.

Fanandramana nanafoana ilay Anarana

Rehefa nandeha ny fotoana, dia fandikan-tenin’ny Soratra Masina polineziana maro no nahitsy. Toy ny tany Eoropa sy tany Amerika Avaratra, ny anankiray tamin’ny fanovana lehibe indrindra dia ny fanafoanana ny anarana hoe Jehovah (na ny sasany amin’ny mitovitovy aminy indrindra). Araka izany, dia nosoloana hoe Alii (Tompo) ilay Anarana ao amin’ny fanontana ny Baiboly nahitsy amin’ny teny samoana, navoaka tamin’ny 1969, ary nokasaina ny hanaovana toy izany tao amin’ny fanitsiana amin’ny teny nioa.

Marina fa tsy mivavaka intsony amin’ireo andriamanitra na sampiny tahaka ny taloha ny Polineziana, na dia amin’i Io manana tava miafina, andriamanitry ny Maoria ambony indrindra taloha, aza. Kanefa moa ve ireo mpandika tenin’ny Soratra Masina na dia izany aza omen-dalana hanilika ilay Andriamanitry ny Baiboly tsy ho fantatra anarana amin’ny fanoloana ny anarany amin’ny anaram-boninahitra fotsiny? Tsy lehibe intsony ve io anarana io amin’izao andro izao? Azo antoka fa tsy izany, satria ny tenan’i Jesosy mihitsy, rehefa nanome vavaka faka tahaka, dia nampianatra ny mpianany hivavaka ho amin’ny fanamasinana an’io anarana io alohan’ny zavatra rehetrab.

Ireo mpiaro ilay Anarana

Na dia teo aza ny fanafoanana azy tao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly vao haingana, dia tsy madiva hanjavona ny Polinezia akory ny anaran’i Jehovah. Sahala amin’ny any amin’ny tany rehetra tokoa, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitsidika tsy tapaka ny teratany mba hampahafantarana azy ireny an’io anarana io. Ankehitriny, ao amin’io faritra amin’ny gilaoby io, dia Vavolombelona maherin’ny 16 000 no mandray anjara amin’io asa iankinan’ny aina io; hazavainy amin’ny mpiara-belona aminy ny maha-zava-dehibe ny hahazoana fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra sy ny hampiharana izany fahalalana izany. Izany no dikan’ny hoe mivavaka amin’Andriamanitra sy manamasina ny anarany. — Jaona 4:21-24.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Tamin’ny voalohany ny marae dia vala masina nampiasaina ara-pivavahana sy ara-tsosialy. Amin’izao andro izao, io teny io dia manondro amin’ny ankapobeny, toeram-pivoriam-poko.

b Ny vavaka faka tahaka nampianarin’i Jesosy ny mpianany (antsoina matetika hoe Rainay Izay any an-danitra) dia manomboka amin’izao teny izao: “Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao.” — Matio 6:9.

[Sarintany, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

Hawaii

Samoa

Niue

Tahiti

Rarotonga

Nouvelle-Zélande

[Sary, pejy 15]

Tutuila, Samoa amerikana.

Farihy Gunn, Nouvelle-Zélande.

Savaii, Samoa andrefana.

Helodranon’i Avatele any Niue.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara