Nahita ny rariny aho tsy tao amin’ny politika, fa tao amin’ny kristianisma marina
Nataon’i Xavier Noll
NY TSY RARINY! Nahita izany aloha be teo amin’ny fiainako aho, ary nijaly noho izany. Fony mbola zatovo aho, dia nanontany tena hoe: ‘Fisehoan-javatra tsy maintsy iaretana ve ny tsy rariny? Moa ve eto an-tany tsy misy fitondram-panjakana afaka mamarana izany mihitsy? Ary ny rariny, aiza no mety hahitana izany?’ Hitako izany tamin’ny farany, nefa tsy tao amin’izay niheverako hahitana azy.
Fikarohana fony vao zaza
Tany Wittelsheim, vohitra kely alzasiana any atsinanan’i Frantsa no nahabe ahy. Sahala amin’ny olona maro be tao amin’io faritra io, dia niasa tany amin’ireo toerana fakana potasy ny raiko. Tamin’izany fotoana izany, tao anatin’ireo taona 30, dia nampisamboaravoara ny mpiasa ny fikomiana. Fony mbola zaza aho, dia nisy fotoana niarahako nanao fihetsiketsehana tamin’ny olon-dehibe izay nilahatra nanangan-totohondry sady nanao hiran’ny tolom-piavotana, toy ny hoe “ny Iraisam-pirenena” sosialista. Nitaky ny rariny sy toe-piainana tsaratsara kokoa ireo mpiasa.
Rehefa nitokona ny tao amin’ny fihadiana mineraly ary azon’ny mpiasa, dia nanati-tsakafo ho an’ny raiko aho. Mbola tsaroako ny fidobodoboky ny foko rehefa tsy maintsy nandalo teo amin’ny lahara-mpiambina nitàm-piadiana mba hanolotra ny gamelany an-draiko teo amin’ny makarakaran’ny fihadiana mineraly. Nampahatahotra ny sila-damba nisy soratra nirehitra sy ny saina mena nikopakopaka izay ny sasany taminy nisy maritoa sy antsy fijinjana.
Nisy vehivavy nivory teo anoloan’ny fefy makarakaran’ny fihadiana mineraly sady niantsoantso mba hamporisihana ny vadiny tsy hiala amin’ny tolona atao amin’ireo “mpanambaka”. Ny hafa niaina tao anatin’ny fanahiana tsy nisy farany. Na dia tao tokoa aza ny heviny nanohitra ny mpangoron-karena, ny lehilahy sasany dia nandeha mba hiasa alina tamim-piafenana, satria tsy maintsy namelona ny ankohonany izy ireo. Indraindray, dia izany no nataon-draiko. Nitondra basipoleta tao amin’ny kitapony izy sao mifanehatra amin’ny antokon’ny mpitokona nihaza ny tsy nitokona.
Nanafika an’i Frantsa i Hitler
17 taona aho fony nipoaka ny ady. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana, dia nanafika an’i Frantsa ny nazia. Nitaky an’i Alsace anefa izy ireo, tsy ho toy ny faritany hitoerana fotsiny fa ho fananan’ny Reich alemana; hantsoina ho ao amin’ny tafika hitleriana àry ny zazalahy rehetra, anisan’izany ny tenako. Koa nandositra tamin’ny bisikileta aho talohan’ny hahatongavan’izy ireo, nafatotra tao an-damosina ny valizy. Afaka nifindra toerana aho indraindray tamin’ny fifikirana tamin’ny kamiao nandositra nianatsimo. Mora nokendren’ny fiaramanidina alemana ireo mpandositra nitandahatra; raha vantany vao nahare ny maotera aho, dia nitsofoka tao amin’ny hady iray.
Nankany atsimon’i Frantsa izay tsy notanan’ny Alemana aho. Nisetra tsy rariny koa anefa aho tany. Niasa mafy aho tamin’ny famafana lalana, ny fibatana vatam-paty tany amin’ireo toeram-pandevenana na tamin’ny famenoana lasakana 50 kilao tao amin’ny fanamboaran-tsimenitra. Nisy fotoana niasako adiny 12 isan’andro tamin’ny karama kely. Ny ankamaroan’ny fanampiana tokony ho noraisinay tamin’ny naha-mpialokaloka dia nangalarin’ny mpiasa notendrena hizara izany.
Teo amin’ny faramparan’ny taona 1940, dia tapa-kevitra aho ny hiady ho an’ny fanafahana ny taniko. Lasa nankany Afrika Avaratra aho nanaraka ny sisa tavela tamin’ny tafika frantsay tany Algérie. Tsy nahafaka ny hetahetako hahita ny rariny tahaka ny fiainana sivily ihany koa ny fiainana tao amin’ny tafika; tiako anefa ny hanampy amin’ny fanafahana an’i Eoropa. Niondrana nankany Afrika Avaratra ny Amerikana tany amin’ny faramparan’ny 1942. Tamin’ny taona nanaraka anefa dia namoy rantsantanana telo aho rehefa nampiasa ny fanapoahana baomba izay nipoaka. Tsy afaka niaraka tamin’ny andian-tafika niainga mba haka an’i Eoropa indray àry aho.
Diso fanantenana noho ny varotra, ny politika ary ny fivavahana
Rehefa niverina tamin’ny fiainana sivily aho tany Algérie, dia tsiravina nahatsapa ny fanambakan’olona ny namany an-karihary tao amin’ny faritry ny asa. Maty ny anankiray tamin’ireo mpiara-miasa tamiko rehefa avy nitroka gaza mahafaty tao anatin’ny fomba fiasana nampidi-doza. Tsy ela taorian’izany, dia saika maty tao anatin’ny toe-javatra toy izany koa aho. Tsy nanana fiheverana mihitsy ny fahasalaman’ireo mpiasa tao aminy na ny ain’izy ireny koa aza ilay orinasa nampiasa ahy. Voatery niady mba hahazoana onitra aho, kanefa diso fanantenana aoka izany.
Na dia vao 24 taona monja aza aho, dia tao amin’ny trano fitaizana ny kilemaina izay niandrasako ny fahavitan’ny ady. Tao no nifankahalalako tamina Frantsay mpitolona tao amin’ny antoko kaominista natao sesitany tany Algérie teo am-piandohan’ny ady. Niombon-kevitra izahay ka tsy sarotra tamin’izy ireo ny nitaona ahy hiditra eo anilany amin’ny tolona atao hanoherana ny tsy rariny.
Rehefa vita ny ady, dia izany hevitra izany no tao an-tsaiko rehefa nody tany amin’ny tanàna niaviako any Alsace aho. Tsy nahita izay nantenaiko tany anefa aho. Tena very hevitra aho nahita fa tsy tia tanindrazana tsara ny anisan’ny antoko kaominista sasany nandritra ny ady. Indray andro, dia hoy ny anankiray tamin’ireo tompon’andraikitra tamiko: “Xavier a, raha ny madio ihany no tokony hekena, dia tsy ho lasa lavitra isika.” Tsy nafeniko azy ny tsy fankasitrahako sy ny fahadisoam-panantenako.
Nahatafintohina ahy koa ny nahita ireo nanao antso avo indrindra ho an’ny rariny, nandany ny ankamaroan’ny karamany nisotroana tao amin’ny cantine fihadiana mineraly, ka niteraka fahantrana ho an’ny fianakaviany. Nanohy nandatsa-bato ho an’ny antoko kaominista ihany anefa aho, satria, araka ny hevitro, dia io no nikely aina indrindra mba hampahitana ny rariny ho an’ny kilasin’ny mpiasa.
Tamin’izany fotoana izany ihany koa, ny pretran’ny Eglizy dia nitady izay hitolomako ho an’ny Eglizy, satria anisan’ny antoko-mpihira aho tao anatin’ny fahatanorako. Tsy natoky ny klerjy intsony anefa aho, satria niaiky fa niandany foana tamin’ny kilasy nanapaka izy. Afa-tsy izany koa, dia fantatro fa pretra maro no niara-niasa tamin’ny Alemana tany Frantsa azo. Fony aho miaramila, dia tsaroako fa hitako ny mpikarakara ara-pivavahana nitory fitiavan-tanindrazana raha mbola nanao toy izany koa ny mpikarakara ara-pivavahana hafa mitovy finoana tao amin’ny toby alemana. Araka ny hevitro, dia ho anjaran’ireo filoha ara-tafika na ara-politika izany, fa tsy an’ny mpitondra fiangonana.
Farany, dia nisy zavatra nangidy nihatra nampihozongozona mafy ny finoako an’Andriamanitra. Matin’ny baomba kely ny anabaviko tamin’ny andro nahafeno roapolo taona azy ka hoy aho anakampo: ‘Raha misy Andriamanitra, nahoana no avelany hisy izao tsy rariny rehetra izao?’ Kanefa, rehefa tonga tao amin’ny natiora kanto sy milamina aoka izany aho, dia nihetsi-po tokoa. Hoy aho anakampo: ‘Tsy nety ho tonga irery ho azy teo izao.’ Tao anatin’izany fotoana izany, dia nivavaka aho indraindray.
Hafatra mitondra fanantenana
Indray alahady marainan’ny 1947, dia notsidihin’ny lehilahy iray sy vehivavy iray eo amin’ny telopolo taona aho. Ny raiko aloha no nitenenany ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Mankanesa ao amin’ny zanako lahy, mamaky izay rehetra hitany izy.” Ary marina fa isan-karazany ny zavatra novakiko, nanomboka tamin’ny Ny Olombelona, gazety kaominista, ka hatramin’ny Lakroa, gazety katolika mivoaka isan’andro. Io lehilahy io sy io vehivavy io dia niresaka tamiko ny amin’izao tontolo izao tsy hisy ady, hanjakan’ny rariny ho an’ny rehetra, sy ny amin’ny tany voaova ho paradisa hananan’ny tsirairay avy ny tranony, tsy hisy aretina na fahafatesana intsony. Nohamarininy tamin’ny alalan’ny Baiboly ny tsirairay avy tamin’ny fanambarany, ary tsapako fa tena niaiky izy.
25 taona aho ary vao voalohany tamin’izay no nikasihako Baiboly. Nanaitra ny fahalianako hahafanta-javatra ireo andininy novakiny tamiko. Toa kanto loatra izany ka tsy ho marina ary tiako ny hamantatra tsara ny toe-javatra. Nampanantena ny hitondra Baiboly ho ahy ireo mpitsidika ary nametraka tamiko ilay boky hoe Délivrance mbamin’ilay bokikely hoe “Nations, réjouissez-vous!”.
Raha vao lasa izy ireo, dia nanomboka namaky ilay bokikely aho. Nampihiratra ny masoko ny fanambarana nataon’ny zanaky ny iraitampo amin’ny jeneraly de Gaulle ny amin’ny tsy fivadihan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny tobim-behivavy tany Ravensbrück. ‘Raha misy kristiana marina, hoy aho anakampo, dia tokony ho ireo olona ireo.’ Talohan’ny hatoriako tamin’io takariva io, dia novakiko hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany koa ilay boky hoe Délivrance; ela ny ela! hitako ny valin’ilay fanontaniana nanesika ahy hatramin’ny ela be tokoa: “Nahoana no mamela ny tsy rariny hisy ny Andriamanitra marina iray?”
Niandany tamin’ny tena rariny aho
Ny ampitso, araka ny nampanantenainy, dia nitondra Baiboly ho ahy ireo Vavolombelona. Noho ny voina tamin’ny bisikileta, dia nasiana platira ny soroko ka tsy afaka niasa aho; nanam-potoana betsaka àry aho. Voavakiko haingana tao anatin’ny fito andro ny Baiboly, ary hitako ireo fotopoto-pitsipi-pahamarinany kanto. Arakaraka ny namakiako azy no nahatonga ahy hiaiky kokoa ihany fa avy tamin’Andriamanitra io boky io. Nanomboka nahatakatra aho fa tokony ho ara-panahy fa tsy ara-politika ny ady atao mba hanorenana ny tena rariny. — Efesiana 6:12.
Nino mafy aho fa hahafaly ny namako rehetra ny hahafantatra ny hafatra fanantenana vao hitako. Toy inona moa ny fahadisoam-panantenako rehefa tojo ny tsy fisian-kafanam-po tanteraka teo amin’izy ireo! Raha izaho kosa, dia tsy voasakana tsy hanambara izany vaovao tsara izany tamin’ny mpiara-belona tamiko aho. Tiako indrindra ny andinin-teny sasany izay notononiko, toy ny ao amin’ny Jakoba 5:1-4, ilazana fa ireo izay mahazo harena noho ny fanambakana ny mpiasany dia voaheloka mafy.
Mpanatitra taratasy ny raharahako tamin’izany fotoana izany. Mba tsy hampahasosotra ny raiko izay tsy nety niova hevitra, dia nanaovako ny kasiketiko rehefa niala tao an-trano aho ary nanaovako indray rehefa nody aho. Indray andro, dia hoy ny raiko tamin’ny namana iray: “Manao ora amboniny be dia be ny zanako tato ho ato.” Raha ny marina dia nivoaka hitory aho rehefa avy nametraka ny kasiketiko tany amin’ny Vavolombelona iray, ary nalaiko tany izany rehefa avy eo.
Telo volana latsaka kely taorian’ny nifampikasohako voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nandeha irery ho any amin’ny fivoriambe tany Bâle, any Soisa, aho. Teo afovoan’ny lahateny nialoha ny batisa, dia niteny tamin’ilay vehivavy kristiana nipetraka teo anilako (ilay nanana hatsaram-po nampiantrano ahy nandritra ny fivoriambe) fa ho tiako ny hatao batisa, saingy tsy nanana fitafiana fitondra miroboka aho. Avy hatrany izy dia niala teo amin’ny toerany ary niverina nitondra izay nilaina, taloha elan’ny hahavitan’ny lahateny.
Nanitatra ny fanompoako aho
Efa nanokana teo amin’ny 60 ora isam-bolana aho nandehanana isan-trano. Kanefa rehefa novakina tao amin’ny Efitrano Fanjakana ny taratasy iray mamporisika ny tsirairay hanao ny asan’ny mpitory maharitra (mpitory manontolo andro), dia hoy aho anakampo: ‘Natao ho ahy izany!’
Tany amin’ny faramparan’ny 1949, dia nirahina ho mpitory maharitra tany Marseille, seranana mediteraneana lehibe, aho. Nahafinaritra ny niaina tany tamin’izany fotoana taorian’ny ady izany. Nijanona ny mpamily “tramways” mba tsy hanabatabana ny mpilalao “boule” teny amin’ny arabe. Niaraka tamin’ny mpitory maharitra hafa, lehilahy daholo, dia tsy afaka nahita fonenana izahay raha tsy tao amin’ny tranom-bahiny iray falehan’ny vehivavy janga. Tsy faritra tsara ho an’ny minisitra kristiana izany, nefa ilaiko ny milaza fa raha ny aminay, dia tsy nilaza na nanao zavatra hafahafa mihitsy ireny vehivavy ireny ary nihaino tamim-pitandremana ny hafatra nentinay.
Tsy nanam-bola firy izahay ary niantehitra be dia be tamin’i Jehovah mba hahazoana izay nilainay ara-nofo. Rehefa nody izahay ny hariva, dia nifampitantara ny andronay. Indray andro, raha nandeha isam-baravarana aho, dia nifanehatra tamin’ny vehivavy Iogosilavy iray izay nahagaga ahy rehefa naka lakroa lehibe iray teo amin’ny latabatra an-doha-fandrianany ka nanoroka izany mafy, mba hanaporofoana tamiko fa tia an’Andriamanitra aoka izany izy. Nanaiky hianatra ny Baiboly izy, ary tsy ela dia nahita fa tsinontsinona ny fivavahana amin’ny sampy.
Tamin’ny novambra 1952, ny anabavy Sara Rodriguez, mpitory maharitra tany Paris, dia tonga tany Marseille mba hitondra fanampiana tamin’ny fitoriana. Faly izahay rahalahy afaka nitondra azy tany amin’ireo vehivavy tia ny Baiboly. Tamin’ny farany dia toy ny hoe “namabo” azy aho, satria tonga vadiko izy.
Zara raha nisy telo volana taorian’ny fampakaram-badinay, tamin’ny 1954, dia nanasa anay ny Fikambanana mba ho any Martinika, nosy frantsay any Antilles. Izahay no ho Vavolombelona voalohany avy any ampitan-dranomasina hitory tao amin’io nosy io hatramin’ny nandroahana ny misionera teo am-piandohan’ireo taona 50. Rehefa nandeha an-dranomasina nandritra ny 17 andro izahay, dia tonga tao amin’ny faritaninay vaovao, ka fanontaniana maro be no tonga tao an-tsainay. Hanao ahoana ny fandraisana anay? Aiza no honina izahay? Karazan-tsakafo inona no hohaninay? Hila fotoana toy inona izahay mba hahitana Efitrano Fanjakana mety amin’ireo fivorianay?
Faritany vaovao, fomba fiaina vaovao
Hafa dia hafa ny fomba fandraisan’ny Martinike anay. Rehefa nandeha isam-baravarana izahay dia matetika no nomen’ny olona fanalana hetaheta. Raha ny marina, dia tsy mahalana no nanasa anay hisakafo izy ireny. Nandray boky fianarana ny Baiboly betsaka ireo mponin’ny nosy. Nanaja aoka izany ny Baiboly izy ireo, nefa tsy nanana izany ny ankamaroany.
Trano kely nitafo fanitso ny tranonay voalohany. Nandritra ny fotoan’ny orana, dia taitra nitsamboatra izahay rehefa nipaipaika tamin’ny tafontrano tampoka ny ranonorana nivatravatra. Tsy nahazo rano tao amin’ny robine afa-tsy indroa na intelo isan’andro izahay. Tsy nanana efitrano fandroana izahay, fa tokotany kely nasiana barikan-dasantsy tonta teo afovoany, ka nifandimby nifanondraka izahay teo. Marina fa tsotra izany, nefa nahafinaritra tokoa rehefa avy nandany indray andro naninjitra teny amin’ny hainandro.
Tsy maintsy nianatra nahandro araka ny fomba tao amin’ireo nosy i Sara, nianatra nanamboatra ny soanambo. Tsy araka ny nakako sary an-tsaina azy fony fahazaza hoe hazo misy mofo dipaina boribory mihantonkantona akory io hazo io. Raha ny marina dia tahaka ny anambazaha ny voany ary sahalahala amin’ny atao amin’ny ovy no fanamboatra azy. Tamin’ny voalohany dia nohaninay niaraka tamin’ny atodin-tsokatra izany, nefa rehefa nandeha ny fotoana, dia nanjary rendrarendra ireny atody ireny. Tsara dia tsara koa ny soanambo raha hahandroina miaraka amin’ny hena na ny trondro.
Tsy naharitra ela ireo fahasahiranana ara-nofo ary nanonitra be dia be izany ireo fitahiana ara-panahy. Indray andro, rehefa nody aho, dia nanambara tamin’ny vadiko fa nahita efitrano fivoriana mahalany olona eo amin’ny zato. “Ohatrinona?” hoy izy nanontany ahy. “Izaho ihany no asain’ny tompony mametra ny vidiny”, hoy ny navaliko azy. Tamin’izany fotoana izany izahay dia tsy afaka nanome azy afa-tsy ariary zato teo ho eo isam-bolana, tena vola kely, nefa nanaiky izy, ka tena avy amin’ny fitondran’Andriamanitra izany.
Nihevitra izahay fa ho maro, satria nilaza taminay toy izao foana ny olona: “Raha nanana efitrano ianareo, dia ho tonga amin’ny fivorianareo izahay.” Folo teo ho eo monja izahay nandritra ny volana maro, nefa nisy vokany ny faharetana ka misy kongregasiona 24 izao eto Martinika, nosim-boninkazo, ary 2000 mahery ny isan’ny Vavolombelona
Fitahiana maro
Tany amin’ny faramparan’ny 1958, dia nankany Guyane frantsay aho mba hamaly ny antson’ny mpianatra tanora iray. Rehefa hafoloana no nitana tamin’ny sambokely, ny Nina, dia nanomboka nitory tao amin’ny fitodiana kelin’i Saint-Laurent, seranana eo amin’i Maroni, aho. Tao aho dia tafahaona tamin’ny gadralava taloha, tsy niala tao taorian’ny nanafoanan’i Frantsa ny tranomaizina tamin’ny 1945. Avy eo dia nankany Cayenne aho ka nahita ilay zazalahy izay niandry ahy. Sahala amin’ny olon-kafa maromaro nanao famandrihana tamin’ireo gazetintsika nandritra ny fivahiniako tany Guyane, dia mpanompon’i Jehovah marisika izy io ankehitriny.
Imbetsaka izahay mivady no nasaina ho any amin’ny foibe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn, mba hanaraka fianarana fampiofanana samihafa. Herintaona mahery no laninay tamin’izany. Afaka nahatsapa aho tany fa ampiharina eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra ireo fotopoto-pitsipiky ny Baiboly momba ny rariny sy ny fitoviana. Ireo izay manana toerana misy andraikitra dia miara-mihinana amin’ny tanora kokoa izay miasa ao amin’ny fanontam-pirinty, ary mitovy ny vola kely raisiny hanonerana ny laniny. Zavatra tena misy velona ao amin’io toerana io ny fitoviana sy ny rariny, nonofinofisiko tao anatin’ny fahatanorako.
Eo amin’ny fahadimy amby enimpolo taonako aho izao, ary efapolo taona no nanaovako ny asa manontolo andro. Niaraka tamin’ny vadiko, dia nandany ny ankamaroan’ireo taona ireo aho nitetezana ireo araben’i Martinika tamin’ny bisikileta misy maotera, mba hitory ny vaovao tsara momba ny fandehan-javatra vaovao haorin’i Jehovah eo amin’ny rariny. Ankehitriny izahay dia miasa eto amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny trano avoavo misy birao manerinerina eo amin’ny helodrano kanton’i Fort-de-France. Ireny taona rehetra niainana tao anatin’ny fandaminan’Andriamanitra ireny dia nampahafantatra anay fianarana tena lehibe iray: Eo amin’ireo mpanompon’Andriamanitra ihany no mety hahitana ny tena rariny, tsy misy fefy ara-pirazanana sy ara-poko na ara-pivavahana. Sahala amin’izay rehetra hitanay nanaraka ny fahamarinana araka ny fandehan’ireo taona, dia manana fanantenana koa izahay ny hiaina tsy ho ela eo amin’ny tany vaovao hitoeran’ny fahamarinana. — 2 Petera 3:13.