Vahoaka falifaly: nahoana?
MAHAFORONA vahoaka falifaly ny kristiana marina amin’izao andro izao. Tsy misy mahagaga mihitsy amin’izany, satria izy ireo manompo ilay “Andriamanitra sambatra”, dia Jehovah (I Timoty 1:11, MN ). Omeny azy ireo ny fanahiny izay ny anankiray amin’ireo vokany dia ny fifaliana. — Galatiana 5:22.
Mahatohitra ny fahoriana izany fifaliana lalina izany. Ohatra, nampijalina Jesosy Kristy tamin’ny fanomboana azy tamin’ny hazo ary nalana baraka izy tamin’ny famonoana azy toy ny mpiteny ratsy. Kanefa, ‘naharitra ny hazo fijaliana izy, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany’. (Hebreo 12:2.) Fantatr’i Jesosy fa tombontsoa lehibe no niandry azy teo amin’ny asan’i Jehovah. Nampifantoka ny sainy ho amin’ireny tombontsoa ho avy ireny izy; izany dia nanampy azy hitana ny fifaliany tao anatin’ny fahoriana.
Irin’i Jesosy ho falifaly koa ireo mpianany. Izao tokoa no nambarany: “Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako ka ho tanteraka ny fifalianareo.” (Jaona 15:11). Tanteraka izany faniriana izany raha ny amin’izay mahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao androntsika izao. Maro ny antony mahatonga antsika hahaforona vahoaka sambatra. Fantatsika ny fahamarinana izay nanafaka antsika tamin’ny fangejan’ny finoanoampoana sy ireo zavatra inoana ao amin’ny fivavahan-diso (Jaona 8:32). Ambonin’izany, dia fantatsika hoe aiza ho aiza isika izao eo amin’ny fandehan’ny fotoana ary mifaly isika amin’ny fanantenana famonjena izay tsy ho ela dia ho tonga zavatra tena izy (Lioka 21:28). Voaro koa isika amin’ny zava-manahirana be dia be, toy ny aretina mifindra amin’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy mahazo ireo tsy manaraka ny fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena voalaza ao amin’ny Baiboly. Mandray soa amin’ny fifaneraserana tsara indrindra isika: olona maniry hanatanteraka ny sitrapon’i Jehovah. Ary manana tombontsoa lehibe isika mandray anjara amin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana sy manao mpianatra olona manana fon’ondry. — Matio 24:14; 28:19, 20.
Raha marina anefa fa falifaly ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fitambarany, ahoana ny aminao manokana? Nahoana no azo atao ny milaza fa manana antony tokony hiaraha-mifaly amin’ireo anisan’ny olon’i Jehovah hafa ianao?
Aoka isika hahita fifaliana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara
Sarotra amin’ny sasany ny mitory isan-trano. Sakodiavatra angamba izy ireny hanatona olona tsy fantatra na hanombo-dresaka. Na angamba mahatsiaro ho tsy mahay mampianatra olona fotsiny izy ireny. Mahatsapa fihetseham-po toy izany ve ianao indraindray? Raha izany no izy, ahoana no mety hahitanao fifaliana eo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara?
Alohan’ny zavatra rehetra, dia manàna fihetsika manorina hatrany. Olona be dia be no ho faly hampiasain’olo-malaza iray na mpanao politika fanta-daza iray, sa tsy izany? Moa àry ve isika tsy tokony ho safononoky ny fifaliana, dia isika izay manompo ilay “Mpanjaka mandrakizay”, dia ny tenan’i Jehovah Andriamanitra mihitsy? — I Timoty 1:17, MN.
Tadidio koa fa tsy haverina intsony mihitsy io asa io. Eritrereto ange: ireo anjely no mitarika ny fiezahana ataon’ny kristiana eto an-tany mba hitadiavana ireo olona manana fon’ondry (Apokalypsy 14:6). Tsy mameno fifaliana anao ve izany?
Aoka isika hahita fifaliana amin’ny fitomboan’ilay Fanjakana
Ireo vokatra tsara dia tsara omen’ny fitoriana dia antony anankiray hafa tokony hampahafana fo ny aminy. Nanambara toy izao ny Baiboly: “Ny kely ho tonga arivo, ary ny malemy ho tonga firenena mahery; Izaho Jehovah no hanafaingana izany amin’ny fotoany.” (Isaia 60:22). Niharihary ho marina izany fampanantenan’i Jehovah izany tato anatin’izao fotoana faramparany izao. Tao anatin’ny taom-piasana 1986, ohatra, dia olona 225 868 no natao batisa mba hampisehoana fa nanolo-tena tamin’ny fanahiny rehetra ho an’i Jehovah Andriamanitra izy ireny, ary nitombo 6,9 ny ara-kevin’ny isan’ireo izay mampiely ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly.
Tsy isalasalana fa mahita fitomboana sahala amin’izany ny kongregasionanao na ny fizaran-taninao. Misy olona vaovao tonga ao amin’ireo fivoriana sy manao eo amin’ny fiainany ireo fiovana tena ilaina mba hanompoana an’Andriamanitra. Moa ve tsy porofo izany fa mitahy ny asa fitoriana Jehovah? Noho izany, raha mandray anjara amin’izany fitomboana izany ianao, dia mety hitondra fifaliana lehibe ho anao izany. Marina fa angamba tsy ny tenanao mihitsy no niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny olona iray mba hahatongavany hatreo amin’ny batisa. Na ahoana na ahoana anefa, dia tsy afaka milaza ny tenantsika ho nahatondra olona tao amin’ny fahamarinana isika. ‘Andriamanitra no mampitombo azy’, hoy Paoly (I Korintiana 3:6-9). Ny mpikambana rehetra ao amin’ny kongregasiona dia mandray anjara amin’ny fanampiana ireo vaovao. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fahatongavana ao amin’ireo fivoriana, amin’ny fanomezana valin-teny, amin’ny fandraisana amin-kafanam-po ireo vaovao sy amin’ny fananana fitondrantena mahatonga ny fahamarinana hanintona.
Na dia izany aza, dia ho lehibe kokoa ny fifalianao raha mandray anjara mivantana kokoa amin’ny asa fitoriana isan-trano sy ny fitarihana fampianarana Baiboly ianao. Tamin’ny taona lasa, dia fampianarana Baiboly 2 726 252 tamin’ny ara-keviny no natao isan-kerinandro. Nahoana ianao no tsy hanao fiezahana lehibe kokoa mba hananana anjara amin’io asa mahafaly io? Manolora fampianarana Baiboly amin’ny anankiray amin’ireo olom-pantatrao, mpifanila trano iray na olona namelanao zavatra vita an-tsoratra. Mangataha amin’i Jehovah mba hanampy anao hahita “ondry” toy izany.
Aoka horesentsika ireo vato misakana tsy hifaly
Mazava ho azy fa raha mahatsiaro tena ho tsy mahay mampianatra ny hafa ny kristiana iray, izany dia mety hisakana azy tsy hahita fifaliana eo amin’ny fanompoana. Tadidio anefa fa ‘ny fahaleovantsika dia avy amin’Andriamanitra’. (II Korintiana 3:5.) Ary amin’ny alalan’ny fandaminany, dia manampy antsika amin’ny fomba maro ho tonga minisitra mahita vokatra Jehovah.
Etsy an-daniny koa, dia maro amintsika no manompo an’Andriamanitra hatramin’ny ela be ary manana fanandraman-javatra betsaka eo amin’ny fanompoana. Afaka miaraka amin’ireny minisitra za-draharaha ireny eny amin’ny fitoriana isika ka mandray soa amin’ny zavatra fantany. Etsy an-kilany, dia misy fanipazan-kevitra tsara dia tsara miseho isam-bolana ao amin’ny Fanompoana ilay Fanjakana. Ary ananantsika koa ilay boky Comment raisonner à partir des Ecritures, izay mirakitra loharanom-panazavana mety handranitra ny talentantsika amin’ny maha-mpitory. Ampiasao ireo fiasana ireo, ary miomàna amim-pitandremana kokoa ho amin’ny fitoriana. Mitadiava fomba vaovao sy mahaliana fitononana. Na koa, mihevera fomba samy hafa fampandraisana anjara ny olona amin’ny resaka. Arakaraka ny hahatongavanao hahita vokatra kokoa amin’ny fitoriana, dia tsy maintsy hitombo ny hafanam-ponao sy ny fifalianao.
Mahafinaritra kokoa ny mitory rehefa afaka miresaka amin’ny olona isika. Tsy azo lavina anefa fa mametraka zava-manahirana izany any amin’ny faritany sasany. Afaka mandamina ny fotoananao ve ianao mba hitoriana amin’ny fotoana ahitana olona betsaka kokoa any an-tranony, rehefa harivariva, ohatra? Fotoana mety tokoa eo, araka ny hevitry ny maro. Afaka mitari-dresaka amin’ny olona koa ianao na aiza na aiza: na mandeha eny amin’ny arabe izy ireny, na mipetraka eo amin’ny dabilio ao amin’ny zaridaina iray na manasa ny fiarakodiany. Tadidio fa mila ny fahamarinana izy ireny ary tandindomin-doza ny ainy. Izany hevitra izany angamba dia hanosika anao handresy fironana ho saro-kenatra. Raha marina fa tsy handray tsara ny hafatra akory ny ankamaroan’olona, ireo izay hihaino kosa dia hitondra fifaliana be dia be ho antsika.
Kanefa, ny anankiray amin’ireo zavatra hanampy antsika indrindra hitana ny fifaliantsika, dia ny vavaka. Mangataha amin’i Jehovah mba hanatanjahany anao sy hampaherezany anao amin’ny alalan’ny fanahiny. Izao no nambaran’i Paoly: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.” (Filipiana 4:13). Afaka manana fihetseham-po sahala amin’izany isika arakaraka ny ianarantsika hiantehitra bebe kokoa ihany amin’i Jehovah.
Aoka isika hiaritra ireo fitsapana amin’ny maha-vahoaka falifaly
Olona maro no tsy mankasitraka ny asantsika. Fantatr’i Jesosy fa ho toy izany no ho izy. Noho izany antony izany, rehefa naniraka ireo mpianany hitory izy, dia nanome azy ireo izao torohevitra izao: “Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo. (...) Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.” Hoy ny teny nanampin’i Jesosy: “Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra.” — Matio 10:11-16, 30, 31.
Izany dia manampy antsika hiaritra ireo fitsapana amim-pifaliana. Fantatsika noho ireo teny ireo fa na dia rehefa tojo olona tsy mankasitraka ny fiezahana ampitombointsika mba hahasoa azy ireny aza isika, dia mampahafantatra ny anaran’i Jehovah ihany isika ary midera azy (Salamo 100:4, 5). Rehefa tsy mety mamoha varavarana ny olona mipetraka ao amin’ny trano iray, dia rentsika izy ireny indraindray milaza hoe: “Vavolombelon’i Jehovah ireny.” Na dia tsy nanonona teny iray monja aza isika, dia nasandratra ny anaran’i Jehovah ary nanana fahafahana ireny olona ireny hanaiky na handa ny fahamarinana (Matio 25:31, 32). Azo atao àry ny miaritra fitsapana amim-pifaliana, na dia any amin’ireo faritany misy olona tsy miraika aza.
Afa-tsy izany koa, dia tsy fantatsika raha mety hiova fihetsika ireny olona ireny. Indray andro, ny vehivavy iray izay nandroaka imbetsaka ny vehivavy kristiana iray dia nanontany azy raha nanana boky vaovao izy. Gaga ilay vehivavy kristiana ka nanamarika tamin’ilay ramatoa fa mbola tsy nandray boky momba ny Baiboly mihitsy izy teo aloha. Tamin’izay dia nanazava ilay vehivavy fa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiara-miasa amin’ny vadiny. Nanome azy ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower io lehilahy io. Novakiny izany noho ny fahalianana hahafanta-javatra, ka tsapany fa nirakitra ny fahamarinana izany. Tapa-kevitra àry izy fa rehefa handondòna ao am-baravarany amin’izao ny Vavolombelona iray, dia hampandrosoiny. Natomboka ny fianarana Baiboly ka tonga Vavolombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah io vehivavy io taty aoriana.
Araka izany, dia manana tombontsoa lehibe isika, tombontsoa mahafaly: ny hanambara ny hany hafatra fanantenana eo amin’izao tontolo izao. Ny asa fitoriana no asa nankinin’Andriamanitra tamintsika mandritra izao andro farany izao. Tokony hotanterahina izany alohan’ny hahatongavan’ny farany (Matio 24:14). Fotoana toy inona sisa tavela alohan’ny hahataperan’ny fandehan-javatra ratsin’i Satana? Na ahoana na ahoana dia fantatsika fa tsy ho diso aoriana loatra izany (jereo Habakoka 2:3). Eo am-piandrasana, dia misy olon-kafa mbola mety hahita ny fahamarinana. Aoka isika hanararaotra ny fotoana sisa tavela mba handaniana hery amin-jotom-po amin’ny asa fitoriana. Aoka isika hanana fihetsika manorina: Aoka isika hiasa mafy mba ‘hamonjena ny tenantsika sy izay mihaino antsika’. (I Timoty 4:16.) Amin’ny fanaovana toy izany, dia hitoetra ho vahoaka falifaly izay mandray anjara amin’ny fitomboan’ilay Fanjakana isika.
[Sary, pejy 23]
Mitondra fifaliana lalina ho antsika ny asantsika fitoriana ny filazantsara, na dia misy olona tsy mandray tsara ny hafatra momba ilay Fanjakana aza.