Manompoa an’i Jehovah amin’ny fo falifaly
“Manompoa an’i Jehovah amin’ny fifaliana; mankanesa eo anatrehany amin’ny fihobiana.” — Salamo 100:2.
1, 2. Famoaboasan-kevitra ny amin’ny fiainana tsy mitovy aoka izany inona no aseho eto?
“NOSIMBAKO ny fiainako, ary diso aoriana loatra raha izao vao hiova (...). Rehefa mandeha irery aho, dia mieritreritra ny fiainako ka tsy afapo tamin’ny nitondrako azy.” Izany no nolazain’ny vehivavy be taona iray izay tonga mpanao hatsikana nalaza ka toa nanana antony maro tokony hahasambatra. Miharihary tokoa anefa fa tsy avy amin’ny fo tena sambatra ny teniny.
2 Aoka hojerentsika kosa ny amin’ny lehilahy iray izay miady amin’ny aretina mampalemy hatramin’ny fito amby telopolo taona mahery. Toa tsy manana antony loatra tokony hifaliana izy, nefa dia miresaka ny amin’ny fahasambarana izy ary milaza fa nahita zavatra “mahatonga ny fiainana ho tena hahafapo sy ho mendrika ny hiainana”.
3. a) Fanandraman-javatra manokana inona avy no mety hitarika antsika hanontany tena raha azo atao ny hahita ny tena fifaliana? b) Ahoana no azo ilazalazana ny fifaliana? b) Ahoana no azo ilazalazana ny fifaliana?
3 Ny ankamaroantsika dia tsy voatery nanao ady naharitra sy nanaintaina tamin’ny takaitra ara-batana sady tsy tonga mpanao hatsikana malaza koa. Azo inoana fa isika dia anisan’ireo tsy fantatra anarana an’arivony maro izay tsy maintsy misetra isan’andro isan’andro ireo fanahiana sy fahasahiranana eo amin’ny fiainana. Ny hitantsika manokana dia mampiseho fa “ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady vontom-pahoriana.” Fantatsika tsy misy isalasalana mihitsy fa “izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary”. (Joba 14:1; Romana 8:22.) Izany angamba no mahatonga antsika hanontany tena raha azo atao ny hanandrana eto an-tany ny tena fifaliana, “fahatsapana fahasambarana lehibe ateraky ny zavatra tsara na mahafapo”. Ahoana no fiheveranao izany? Azo atao ve ny ho tonga amin’izany tena fifaliana izany?
Mety ho hita ve izany?
4. Zavaboary inona an-tapitrisany maro, no mahita ny tena fifaliana?
4 Zavaboary an-tapitrisany maro no manandrana izany fifaliana izany. Araka izany, ireo anjelin’ny lanitra izay marina dia ‘manatanteraka ny Tenin’Andriamanitra’ amim-piravoravoana (Salamo 103:20). Izy ireny dia nanompo foana an’i Jehovah tamin’ny tena fifaliana. Tamin’ny nanorenana ny tany indrindra, ireo “kintan’ny maraina [ny anjely] dia naira-nihoby’. (Joba 38:4-7, MN.) Ilay anjely nahatoky izay nanambara ny nahaterahan’i Jesosy dia tsy azo lavina fa nanankinana asa nahafinaritra tokoa, satria izy io ‘nilaza teny soa mahafaly, dia fifaliana lehibe’. — Lioka 2:8-14.
5. Inona no azo lazaina amin’ny Zanakalahy tokan’Andriamanitra raha ny amin’ny fifaliana?
5 Ary inona no holazaina ny amin’ilay ‘Zanakalahy Tokan’Andriamanitra’? (Jaona 3:18.) Talohan’ny nahatongavana ho Jesosy Kristy olona, izy io dia “mpiasa kinga” ho an’i Jehovah tany an-danitra. Nahafaly ve ny fanompoany? Azo antoka fa izany, satria izao no vakintsika: “Tonga ilay tiany [Jehovah] indrindra isan’andro isan’andro, nifaly teo anatrehany tamin’ny fotoana rehetra aho.” (Ohabolana 8:22-31, MN). Teto an-tany Jesosy olona dia nahita fahafinaretana tamin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra (Salamo 40:6-8; Hebreo 10:5-10). Izy dia “tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy”. (Hebreo 12:2.) Ary ankehitriny, noho izy “Andriana finaritra sady tokana” izay hampihatra tsy ho ela ny fitsaran’Andriamanitra eto an-tany, dia tena manompo an’i Jehovah amin’ny fo falifaly tokoa i Jesosy Kristy. — I Timoty 6:13-16; II Tesaloniana 1:6-10.
6. Aiza no mety hahitana fifaliana amin’izao andro izao?
6 Ary ianao, afaka mahita fifaliana ve ianao amin’izao andro izao? Eny, ary ilay lehilahy kilemaina voatonona ery aloha dia milaza amintsika hoe amin’ny fomba ahoana: “Nohamariniko fa ny fahasambarana lehibe indrindra dia ny fanompoana an’Andriamanitra. Izany no mahatonga ny fiainana ho tena hahafapo sy ho mendrika ny hiainana. Ny fahalemen’ny vatako dia nanaisotra tamiko ny tombontsoa sy ny fitahiana azo rehefa manompo ny Mpamorona.” Mahita ny tena fifaliana ny tena eo amin’ireo izay manolo-tena amim-pahatsorana ho an’i Jehovah Andriamanitra. Nahoana no tsy toy izany no izy? Manambara ny “vaovao tsara” an’ilay “Andriamanitra finaritra” izy ireo, hafatra mampahery manambara fiainana tsy manam-pahataperana sy soa lehibe eo ambany fanapahan’ny “fanjakan’ny lanitra”. (Matio 24:14; I Timoty 1:11; Matio 5:3.) Rariny tokoa àry ny ‘anompoany an’i Jehovah amim-pifaliana’ sy ‘ankanesany eo anatrehany amin’ny fihobiana’. — Salamo 100:2.
7, 8. a) Na dia falifaly aza ireo olona nanolo-tena ho an’i Jehovah, nahoana moa izy ireny no tsy manana fo maivamaivana foana? b) Nahoana moa ireo fahasahiranana eo amin’ny fiainana no tsy mahaketraka ny mpanompon’i Jehovah?
7 Tsy milaza anefa akory izany hoe ilay nanolo-tena ho an’Andriamanitra dia hanana fo maivana foana. Noho izy miaina ao anatin’ny fitambaran’olona tsy tanteraka, indraindray ireo mpanompon’i Jehovah dia mahatsiaro alahelo sasany (Romana 5:12). Ohatra, rehefa nanambady vehivavy hitita Esao, “dia nangidy tamin’ny fanahin’Isaka sy Rebeka [ray aman-dreniny natahotra an’Andriamanitra] indrindra ireny.” (Genesisy 26:34, 35.) Ambonin’izany, amin’ny fanenjehana mivantana na amin’ny “hafetsena”, Satana Devoly dia miezaka hanimba ny fifandraisana sarobidy tanan’ny kristiana amin’i Jehovah (Efesiana 6:11, Kingdom Interlinear Translation). Ireo izay tia an’Andriamanitra àry dia afaka manampo ny ho tojo fahasahiranana eo amin’ny fiainana indraindray. Tsy mahakivy azy ireny anefa ziany, satria izay mandray “fiononana avy amin’ny Soratra Masina” ary mivavaka amim-pitokisana mba handraisana ny fanahy sy ny fanampian’Andriamanitra, hambolena fifaliana, vokatr’io fanahy io (Romana 15:4; Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23). Na dia ao aza ireo fitsapana eo amin’ny fiainana, dia afaka manana “hafaliana avy amin’ny Fanahy Masina” izy ireo. (I Tesaloniana 1:6.) Mitondra izany fifaliana izany indrindra ireo fitahiana nomen’i Jehovah azy ireo.
8 Marina tokoa fa mampanan-karena ny fitahian’i Jehovah (Ohabolana 10:22). Raha kristiana ianao, moa ve ianao efa nanisa ny soa raisinao? Tokony hanosika anao ‘hifaly amin’i Jehovah’ izany. (Salamo 32:11.) Hevero fotsiny ny sasantsasany amin’ireo fitahiana omena anao dia hanana antony ampy mba hanompoana an’i Jehovah amin’ny fo falifaly ianao.
Tombontsoa mahafaly sy tsy manam-paharoa
9. Inona moa no dikan’ny hoe mahafantatra an’i Jehovah, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny fifaliana?
9 Fitahiana tsy manam-paharoa ny fahalalana sy ny fanompoana an’i Jehovah. Tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany, dia izao no nambaran’i Jehovah: “Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin’izao: dia ny fahendrena sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindrampo sy fitsarana marina ary fahamarinana ety ambonin’ny tany”. (Jeremia 9:24). Mazava ho azy fa tsy ampy akory ny fahalalana ny anaran’i Jehovah. Ny dikan’ny hoe mahalala an’Andriamanitra dia ny mahafantatra ny toetrany, ny asany, ny fisainany sy ny fikasany. Izany koa dia ny mankato azy, ny mahafantatra ny fahefany sy manaiky izany (I Jaona 5:3). Azo atao ny mampifamatotra fifandraisana manokana sy akaiky amin’Andriamanitra amin’ny fianarana tsara ny Soratra Masina sy amin’ny fisaintsainana ny teny sy ny asan’ny Zanany izay mifanaraka tanteraka aminy (Jaona 1:18; 14:9-11). Ireo izay mahalala an’i Jehovah amin’izany fomba izany dia tena falifaly tokoa. Marina tokoa fa ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana”. — Mpitoriteny 2:26.
10. Inona moa no asa lehibe indrindra sy mampandroso indrindra azo anokanana ny fiainan’ny tena?
10 Ny tombontsoa tsy hay tombanana hanompo an’ilay Andriamanitra marina amin’ny alalan’ny “fanompoana masina” dia fitahiana hafa iray koa iarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah manana. Tsy azo atao ny hanokana ny fiainan’ny tena amin-javatra lehibe kokoa sy mampandroso kokoa noho izany. Tsy azo lavina fa nilaza tsara tokoa izany hevitra izany i Zakaria (rain’i Jaona Mpanao batisa) fony izy nisaotra an’i Jehovah izay nanome ho an’ireo mpanompony, tombontsoa “hanompo Azy tsy amin-tahotra (...) amin’ny fahamasinana [fahatokiana, MN] sy ny fahamarinana”, ary izany dia mandritra ny androny rehetra. — Lioka 1:67-79; jereo Romana 21:1; Apokalypsy 7:9, 13-15.
11. Tombontsoa mahafaly inona moa no ampiarahina amin’ny “fanompoana masina” ho an’Andriamanitra?
11 Ao koa, miaraka amin’ny “fanompoana masina”, ny tombontsoa hitondra ny anaran’i Jehovah amin’ny maha-vavolombelony (Isaia 43:10-12). Izany ka tsy isalasalana fa tokony hitondra fifaliana, araka ny lazain’i Jeremia hoe: “Ny teninao no fifaliako sy firavoravoan’ny foko; fa nantsoina tamin’ny anaranao aho, Jehovah Andriamanitry ny maro ô.” — Jeremia 15:16.
12. Rehefa misy fahakiviana, fifanoheran-javatra inona moa no azo eritreretina mba hanovozana fampaherezana?
12 Raha mbola manompo an’Andriamanitra ianao ka kivy indraindray, dia hanovo fampaherezana ianao amin’ny fieritreretana fohy ny fifanoheran-javatra vitsivitsy. Ohatra, rehefa mieritreritra isika fa ireo anjely ratsy dia “voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina” mba hiharan’ny fanamelohan’Andriamanitra, ny anjaran’ny anjely marina izay manompo an’i Jehovah dia vao mainka hitantsika ho mahafaly kosa (Joda 6). Toy inona koa ny fifanoheran-javatra amin’ny toerana falifalin’i Jesosy sy ny an’i Satana izay voatokana ho amin’ny fandringanana mandrakizay (Apokalypsy 20:10, 14)! Etsy andaniny koa, ny fitiavana, ny fangorahana sy ny fitahian’i Jehovah dia mahatonga antsika tsy isalasalana fa hahay mora kokoa “hanavaka ny marina amin’ny ratsy fanahy, izay manompo an’Andriamanitra sy izay tsy nanompo azy”. (Malakia 3:17, 18.) Nefa aoka hojerentsika koa ny fitahiana hafa izay samy antony tsara tokony hanompoana an’i Jehovah amin’ny fo falifaly.
Ny tena fahafahana sy ny fahazavana ara-panahy
13, 14. Eo amin’ny lafiny ara-pivavahana, fahafahana marina inona sy fahazavana ara-panahy inona no andraisan’ireo mpanompon’i Jehovah soa?
13 Ny nanafahana antsika tamin’i “Babylona Lehibe”, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, dia tsy isalasalana mihitsy fa fitahiana hafa iray mahatonga antsika ho falifaly. Sambatra ny kristiana marina ‘tsy miombona ota aminy ka tsy mahazo azy ny loza manjo an’ireo’. (Apokalypsy 18:2, 4.) Ambonin’izany, ireo mpanompon’i Jehovah dia mifaly satria afaka amin’ny tahotra sy ny laingan’ny fivavahan-diso; “Ho fantatrareo ny marina, hoy Jesosy, ary ny marina hahafaka anareo”. (Jaona 8:32). Vao mainka hitantsika ho sarobidy kokoa io tena fahafahana io rehefa eritreretintsika ny fanandevozana ny olona izay ao anatin’ny fahamaizinana ara-panahy.
14 Ohatra, tsy mba sahala amin’ny mpanaraka fivavahan-diso maro, ireo mpivavaka amin’i Jehovah dia tsy mandohalika sy tsy mivavaka eo anoloan’ny sary na ny tsangambato tsy afaka miteny, mahita, mandre, manimbolo, mikasika na mandeha (Salamo 115:4-8). Mifanohitra amin’ny olona be dia be, ny kristiana afaka sy voazava ara-panahy dia tsy matahotra ny maty koa. NY fampianaran-diso ilazana fa hoe manana fanahy tsy mety maty ny olombelona no mamelona izany tahotra izany, tahotra ny hiverenan’ny maty mba hamely matetika na hampahory ny velona. Ny fahazavana ara-panahy avy amin’Andriamanitra dia mandroaka ny tahotra toy izany, satria ny kristiana marina dia mahafantatra fa ny maty “tsy mba mahalala na inona na inona”. (Mpitoriteny 9:5, 10). Moa ve tsy tsaratsara kokoa ny hahafantarana fa ireo havan-tsy fointsika efa tsy eo intsony izay tsarovan’Andriamanitra dia handray soa amin’ny fananganana ny maty (Jaona 5:28, 29; Asa. 24:15)? Tsy azo lavina fa ireo vavolombelona nanolo-tena ho an’i Jehovah dia afaka mifaly satria ny Ray any an-danitra izay tompon’izy ireo ao anatin’ny firaisan-kina dia nanambara taminy, tamin’ny alalan’ny fanahiny, “ny saina lalina izay an’Andriamanitra”. (I Korintiana 2:10). Eny, nomeny ny vahoakany ny fahazavana sy ny fahamarinana ara-panahy izay loharanom-pifaliana. — Salamo 43:3.
Ny fifaliana manampy ny hafa
15, 16. a) Inona moa no nitranga rehefa ‘nampahazava ny fahazavany’ ireo mpianatr’i Jesosy voalohany? b) Inona no fantatr’ireo kristiana amin’izao andro izao rehefa miezaka manao mpianatra izy?
15 Tombontsoa voatahy koa ny fahafahana manome taratry ny fahazavana ara-panahy. Izao no nolazain’i Jesosy tamin’ireo mpianany: “Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao. (...) Aoka hazava eo imason’ny olona (...) ny fahazavanareo, mba hahitany ny asa soa ataonareo ka hankalazany ny Rainareo izay any an-danitra.” (Matio 5:14-16). Inona no nitranga rehefa ‘nampahazava ny fahazavany’ tamin’ny teniny sy ny asany ireo kristiana voalohany? Nisy olon-kafa nandray soa avy amin’izany, fa ny tenan’izy ireo kosa dia nanovo fifaliana tamin’ny asany (Lioka 10:1, 17-20; Asa. 8:4-8). Azo antoka tokoa fa tamin’ny fanaovana mpianatra hafa, ireny kristiana ireny dia nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo falifaly. — Matio 28:19, 20.
16 Amin’izao andro izao ny kristiana dia mandray fifaliana toy izany amin’ny asany natao hitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana. Izany indrindra no hita rehefa manampy olon-kafa hahafantatra ny fahamarinan’Andriamanitra izy. Nahatsiaro izany fifaliana izany ny apostoly Paoly, satria nanoratra izy fa ireo Filipiana nampiany dia ‘fifaliany sy satroboninahiny’. (Filipiana 4:1.) Ireo izay nampiany tany Tesalonika dia nanoratan’ilay apostoly toy izao: “Fa inona moa no fanantenanay, na fifalianay.” (I Tesaloniana 2:19, 20). Araka izay, Paoly, sahala amin’ireo kristiana amin’izao andro izao, dia nahita fifaliana teo anilan’ireo izay nampiany ara-panahy. Mandany hery eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah koa ve ianao ka mahatsiaro fifaliana toy izany?
17. Nahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah no mifaly na dia rehefa tsy mahazo vokatra lehibe aza izy raha ny amin’ny fanaovana mpianatra?
17 Na dia kely dia kely monja aza ny vokatra azony amin’izao andro izao any amin’ny faritra sasany, dia mifaly ihany ny Vavolombelon’i Jehovah mahafantatra fa midera ny Andriamaniny izy ireo ka manana ny fankasitrahany. Marina izany na dia tsy faly foana aza ny olona mahita azy ireny eo am-baravarany. Tsy kivy anefa ny mpanompon’i Jehovah na dia izany aza, satria takany fa ny fanompoana an’Andriamanitra no tombontsoa lehibe indrindra mety ho azo eto an-tany.
Mitondra fifaliana na dia ny fanenjehana aza
18. Nahoana moa no afaka ny ho faly ny kristiana na dia enjehina aza?
18 Manompo an’i Jehovah amin’ny fo falifaly ny kristiana na dia matetika aza izy ireo no enjehina. Nambaran’i Jesosy fa sambatra ireo izay nenjehina noho ny aminy, ary nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Fa araka ny iombonanareo amin’i Kristy dia mifalia mba hiravoravoanareo indrindra amin’ny fisehoan’ny voninahiny koa. Sambatra hianareo, raha haratsina noho ny anaran’i Kristy”. Nahoana? “Fa ny fanahin’ny voninahitra, hoy Petera, dia ny Fanahin’Andriamanitra, mipetraka ao aminareo.” (I Petera 4:13, 14; Matio 5:11, 12). Raha vao jerena voalohany ny fanenjehana mihatra amin’ny tena amin’ny maha-kristiana dia angamba tsy fitahiana akory, nefa rehefa afaka miaritra izany ny tena, dia manana porofo fa mandray soa amin’ny fanahy sy ny fankasitrahan’Andriamanitra, ary tsy isalasalana mihitsy fa izany dia mitondra fifaliana.
19. Ahoana no nolazain’ny olona iray novonoin’ny nazia?
19 Noho izy ireo manana ny fanahy masina sy ny hery omen’i Jehovah azy ireo, ny kristiana voaenjika dia afaka mitana ny fifaliany ao anatin’ireo fahasahiranana ratsy indrindra (Filipiana 4:13). Am-polo taonany maromaro lasa izay, ny Vavolombelona tanora iray izay tany amin’ny toby fitanana nazia iray ary nomelohina ho faty tsy ara-drariny, dia nanoratra toy izao tamin’ireo ray aman-dreniny: “Efa mihoatra ny misasakalina sahady izao. Mbola manam-potoana hiovana hevitra aho. Nefa moa ve aho ho afaka ny ho sambatra indray eo amin’izao tontolo izao rehefa avy nanda ny Tompontsika? Azo antoka fa tsy ho afaka. Azonareo antoka izao fa mandao an’izao tontolo izao aho, sambatra sy miadana.” Eny, manompo an’i Jehovah amin’ny fo falifaly ny kristiana.
Antony hafa mahatonga fifaliana
20. Amin’ny ahoana moa ny fiarahana amin’ny mpino hafa no mitondra fifaliana ho antsika?
20 Na dia ao aza ny fanenjehana tsy maintsy iaretan’izy ireo, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mahita ny tena fifaliana amin’ny fiarahana amin’ireo rahalahiny mpino. Fitahiana re izany! Eo amin’izao tontolo izao anjakan’ny tsy fahamarinana, ny lainga sy ny ratsy, dia tsara ny manana ho namana, olona manao ny marina, mahitsy, izay milaza ny marina ka nitafy “ny toetra vaovao”! (Kolosiana 3:8-11.) Mahatsapa fahafahampo lalina koa isika rehefa mahafantatra fa mampifaly ny fon’i Jehovah ny fitondrantenantsika — Ohabolana 27:11.
21. Amin’ny fomba hafa inona koa moa no azo andraisana anjara amim-pifaliana amin’ny fanitarana ny fanompoam-pivavahana marina.
21 Fitahiana koa ny fahafahana mandray anjara amim-pifaliana amin’ny fanitarana ny fanompoam-pivavahana marina, angamba amin’ny fandraisana anjara amin’ny fanorenana, amin’ny fikarakarana sy amin’ny fandoavam-bola ho amin’ny efitrano fivoriana kristiana (Eksodosy 36:1-7; II Mpanj. 12:4-15). Ny fiezahana toy izany dia azo antoka fa mitondra fifaliana avy amin’ny famonjena tsy tapaka an’ireo fivorian’ny olon’i Jehovah na ny fiaraha-mandray anjara aminy amin’ny asa fanambarana nankinin’Andriamanitra taminy? — Salamo 122:1; I Korintiana 3:5-9.
22. Inona no azo amin’ny fanohizana amim-pahatokiana manao asam-pitiavam-pivavahana?
22 Amin’ny fanohizana amim-pahatokiana manao asam-pitiavam-pivavahana, dia mahazo fitahiana hafa iray koa ny tena: ny fanantenana famonjena sy ho avy falifaly ao anatin’ny fandehan-javatra vaovao ampanantenain’Andriamanitra (II Pet. 3:11-13). Endrey ny tsy fitoviana eo amin’ny mpanompon’i Jehovah feno fanantenana sy ireo iza ‘tsy manana fanantenana sy tsy manana Andriamanitra eo amin’izao tontolo izao’! (Efesiana 2:11, 12.) Sahala amin’i Davida, ny vahoakan’i Jehovah dia azo antoka fa afaka mihiaka toy izao: “Fa raha izaho kosa, dia ny famindramponao no itokiako; ho faly amin’ny famonjenao ny foko!” (Salamo 13:5). Rehefa mitanisa ny fitahiana noraisina ny kristiana, dia tena mahita antony maro hanompoana an’i Jehovah amin’ny fo falifaly.
Manohiza ‘manompo an’i Jehovah amin’ny fo falifaly’
23. Tsy hamela ny fahasahiranana mitombo hanapaka ny fisainantsika isika fa inona no tokony hataontsika?
23 Na dia mandray fitahiana maro aza ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, dia tsy azony atao ny handositra an’ireo fahasahiranana mitombo avy amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Tsy maintsy misetra izany izy ireo any am-piasana, any an-tsekoly na any an-toeran-kafa, ary mety hahakivy izany. Nefa tsy tokony hamela an’ireny zavatra tsy mahafinaritra ireny hanapaka ny saintsika isika ka hanakorontan-tsaina antsika foana, fa hanao zavatra amim-pahendrena isika amin’ny fampifantohana kosa ny saintsika ho amin’ny zavatra manorina sy mampandroso. Eny, tsy tokony halahelo sy ho kivy isika, fa aoka kosa ‘hazoto indrindra amin’ny asa tsara’ ary aoka hoeritreretintsika ireo fitahiana raisintsika amin’ny maha-mpanompon’i Jehovah (Titosy 2:14). Amin’izay isika dia ho falifaly toy ny hoe misy fanasana foana. Izany no asehon’ny Ohabolana 15:15 amin’izao teny izao: “Ratsy avokoa ny andron’ny ory; fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.”
24. a) Ahoana no mety hananan’ny fiainantsika zava-kendrena sy hahatonga azy hampandroso? b) Fanontaniana inona no tsara raha apetraka?
24 Miharihary fa tsy maintsy ekena ny hoe olona be dia be no tsy manana fiainana sambatra. Nefa raha tia an’Andriamanitra ianao, raha mankato azy ary raha maharitra amin-jotom-po amin’ny fanompoana azy, dia misy zava-kendrena eo amin’ny fiainanao ary mampandroso izany. Ambonin’izany, noho ny fa nampian’i Jehovah, dia azo atao ny mandamina ireo zava-manahirana sy fahasahiranana. Manàna herim-po àry ka manohiza mankamamy ireo fitahiana omen’i Jehovah anao raha mbola manompo azy amin’ny fo falifaly ianao (Salamo 100:2). Inona anefa no ilana mba hanohizana hifaly ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah?
Tadidinao ve izany?
◻ Nahoana moa ny vahoakan’i Jehovah no tsy manaiky ho ketraka noho ireo fahasahiranana eo amin’ny fiainana?
◻ Inona moa no dikan’ny hoe mahafantatra an’i Jehovah, ary inona no ifandraisan’izany amin’ny fifaliana?
◻ Inona moa no ifandraisan’ny asa fanaovana mpianatra sy ny fifaliana?
◻ Ahoana moa no azontsika anohanana amim-pifaliana ny fanompoam-pivavahana marina?