Afaka mandray soa amin’ny fomba feno kokoa amin’ny fiadanan’Andriamanitra ianao
“Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.” — ISAIA 48:18.
1. Raha manao inona isika no afaka manana fiadanana feno araka ny mety ho azo?
IREO izay mandray anjara tsy tapaka, ao amin’ny kongregasiona, amin’ny fianarana ny Baiboly amin’ny alalan’ity gazety ity dia mahafantatra ny vidin’ny fiadanana omen’Andriamanitra, ary maniry izany fiadanana izany. Tsy isalasalana mihitsy fa manana izany fiadanana izany ny ankamaroan’izy ireny. Tsy mandray soa amin’izany amin’ny fomba feno araka ny mety ho azony atao anefa ny rehetra. Nahoana? Izao no nolazain’i Jehovah ny amin’ireo izay nanana fahafahana hahita ny fiadanan’Andriamanitra: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.” — Isaia 48:17, 18.
2. a) Mahafaoka inona ny fitenenana hoe ‘mihaino’. b) Firy amin’ny didin’Andriamanitra moa no tokony hotandremantsika (I Jaona 5:3)?
2 Mazava ho azy fa afaka mandray soa avy amin’izany izay rehetra manatrika ireo fivoriana andinihantsika ny Baiboly. Kanefa, ireo izay mitandrina ny didin’i Jehovah ihany, izany hoe ireo izay mampihatra izany manokana sy manaraka izany, no tena manana ny fiadanan’Andriamanitra. Moa ve misy lafiny tokony hanarahanao amin’ny fomba feno kokoa izany torohevitra izany (II Petera 1:2)? Tsy ampy ny mitandrina ny sasantsasany amin’ireo didin’Andriamanitra sy ny manilika izay manembantsembana antsika na hitantsika fa sarotra ampiharina kokoa. Rehefa nanandrana nitarika an’i Jesosy ho ao amin’ny lalan’ny fitiavan-tena ny Devoly, dia izao no navalin’i Jesosy tamin’ny fomba hentitra: “Voasoratra hoe: ‘Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra.’ ” — Matio 4:4.
3. Raha tiantsika ny handray soa amin’ny tena fiadanana be, lafiny inona avy eo amin’ny fiainantsika moa no tokony hifanaraka amin’ny lalan’i Jehovah?
3 Mahakasika ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika ireo didin’Andriamanitra. Voalohany indrindra, ny fifandraisantsika amin’i Jehovah; manaraka izany, ny fomba iheverantsika ny fandaminany hita maso sy ny fanompoana kristiana; farany, ny fihetsika asehontsika eo anoloan’ireo mpianakavintsika sy ireo olona tsy Vavolombelon’i Jehovah. Ireo izay mitandrina amim-pahatsorana ny didin’Andriamanitra amin’ireo lafiny rehetra ireo dia tahina amin’ny fiadanana lehibe. Aoka hodinihintsika ny torohevitra sasantsasany mety hanampy antsika handray soa amin’izany fiadanana izany.
Moa ve ny anankiray amin’ireto fanontaniana ireto mendrika ny hoheverinao?
4. a) Nahoana moa ny fananana fianarana Baiboly any an-tokantrano sy ny fankanesana any amin’ny Efitrano Fanjakana no tsy miantoka ny fihavanantsika amin’Andriamanitra? b) Mahafaoka inona ny fanehoana finoana an’i Jesosy Kristy (Jaona 3:36)?
4 Nanomboka vao haingana niara-nianatra ny Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ve ianao? Sa hatramin’ny volana maro, na taona maro, aza ianao no miaraka amin’ny kongregasiona? Raha izany no izy, dia azo antoka fa nitondra fifaliana ho anao ny fahalalana ny fikasan’Andriamanitra. Kanefa, na dia mandray soa amin’ny fianarana Baiboly na mankany amin’ny Efitrano Fanjakana aza ny olona iray, ka mahita fahafinaretana amin’izany, dia tsy manaporofo akory izany fa mihavana amin’Andriamanitra izy. Teraka tao anatin’ny fahotana daholo isika rehetra, ary tsy mety hisy ho antsika ny fihavanana amin’Andriamanitra raha tsy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy (Isaia 53:5; Asan’ny apostoly 10:36). Ny finoana an’i Jesosy tsy misy fanaovana na inona na inona dia tsy afaka mitondra izany fihavanana izany. Tokony ho takatry ny tsirairay avy amintsika fa mila ny havotana izy ary tokony haneho finoana ny vidin’ny soron’i Jesosy, avy eo dia hanaporofo izany finoana izany amin’ny fanarahana ny didiny (Jakoba 2:26). Araka ny anankiray amin’ireo didy nomen’i Jesosy fony izy teto an-tany, ireo izay maniry ho tonga mpianany dia tokony hatao batisa ao amin’ny rano (Matio 28:19, 20). Natao batisa ve ianao ka nanamarika tamin’izany ny fanolorana ny tenanao ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy?
5. Nahoana moa no zava-dehibe ny hanoloran-tena ho an’i Jehovah sy ny hanekena hatao batisa mba hihavanana amin’Andriamanitra?
5 Misy zavatra eo amin’ny fiainanao misakana anao tsy hatao batisa ve? Raha fantatrao na renao rehefa mianatra ianao fa izany no izy, dia aza mangataka andro manarina ny zavatra. Fantaro fa ny toe-tsaina rehetra, ny fitondrantena rehetra izay misakana ny batisanao, dia mandrara anao tsy hihavana amin’Andriamanitra koa. Manaova zavatra haingana dieny mbola misy fotoana. Araka ny asehon’ny I Petera 3:21, ireo izay omen’i Jehovah Andriamanitra fieritreretana tsara dia manolo-tena ho azy aloha satria mino ny soron’i Kristy, avy eo dia manamarika izany fanekena izany amin’ny batisa ary hatreo dia manao ny sitrapon’Andriamanitra. Manana ny fankasitrahan’Andriamanitra izy amin’izay, ka mahita ny fiadanana entin’ny fieritreretana madio. Tsy mety ho azo amin’ny fomba hafa na inona na inona ny fiadanan’Andriamanitra. Mazava ho azy fa vao fanombohana fotsiny izany.
6. Nahoana moa ny fomba fiheverantsika ireo fivorian’ny kongregasiona no mety hanampy antsika hahita fiadanana?
6 Ilainao koa ny manatrika tsy tapaka ireo fivorian’ny kongregasiona sy ny mandray anjara amin’izany araka izay azonao atao. Manana toerana eo amin’ny fiainanao ve ireny fivoriana ireny, ary ataonao ve izay hahatonga izao tontolo izao na ny asa manokana hafa tsy hisalovana amin’io lafiny io? Miomana ho amin’ireny fivoriana ireny ve ianao ka mihevitra ho tombontsoa ny fandraisana anjara amin’izany? Azo antoka fa izany zavatra izany dia mety hanampy antsika hahita fiadanana koa. Nahoana? Satria ny fanahin’Andriamanitra dia ao amin’izay ivorian’ny olony, ary vokatr’io fanahy io ny fiadanana (Galatiana 5:22). Ireo fivoriana kristiana dia manampy antsika hahafantatra izay takin’i Jehovah amintsika, mba hahatonga antsika hahazo sitraka eo imasony. Ampahafantariny antsika koa ny fomba hampitomboana ny fihavanana amin’ny mpiara-belona amintsika, na eo anivon’ny kongregasiona izany, na ao an-trano, na any an-tsekoly na ao amin’ny toeram-piasantsika. Ireo fivoriana no anankiray amin’ireo fomba lehibe indrindra ampianaran’i Jehovah antsika, ary, araka ny ahariharin’ny Soratra Masina, dia ireo izay ampianarin’i Jehovah no manana fiadanana be. — Isaia 54:13.
7. Ahoana no tokony hampiasantsika izay rentsika any amin’ireo fivoriana?
7 Mendrika ny fitandremantsika ny hevitra iray mifamatotra amin’ireo fivoriana: tokony hampiharintsika tsikelikely eo amin’ny fiainantsika izay ianarantsika. Tsy tiantsika ny hitovy amin’ireo Isiraelita izay, araka ny nolazain’i Jehovah, dia ‘mandre mandrakariva ihany, nefa tsy mahalala’. (Isaia 6:9.) Afa-tsy izany koa, tiantsika ve ny hitovy amin’ireo olona nolazain’i Jehovah tamin’i Ezekiela fa hihaino ny mpaminanin’Andriamanitra, kanefa tsy hanao araka ny teniny satria tapa-kevitra ny hanome fahafahampo ireo faniriany maloto na feno fitiavana ny zavatra ara-nofo (Ezekiela 33:31, 32)? Mifanohitra amin’izany, dia izao no voalaza ny amin’ireo izay, amin’izao androntsika izao, dia tokony hivory ao an-tranon’i Jehovah sy hahazo ny fankasitrahany: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Jehovah, ho any an-tranon’Andriamanitr’i Jakoba, mba hampianarany antsika ny amin’ny làlany, ka handehanantsika amin’ny atorony.” (Mika 4:2). Raha raisintsika am-po tokoa ny fampianarana azontsika amin’ireo fivoriantsika, raha toa isaky ny fivoriana ka mitadidy zavatra iray fara fahakeliny mihatra amintsika manokana isika ary raha miezaka mihatsara amin’io zavatra io, dia handray vokatra feno fiadanana. Araka ny nolazain’i Jesosy ao amin’ny Lioka 11:28, dia “sambatra aza ny mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany”!
8. Raha mandray anjara amin’ny fomba feno araka izay azontsika atao amin’ny fitoriana isika, soa inona avy no raisintsika avy amin’izany?
8 Ny anankiray amin’ireo zavatra antitranterin’ireo fivoriantsika dia ny maha-zava-dehibe ny handraisana anjara amin’ny fomba feno amin’ny fitoriana ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fanampiana olon-kafa ho tonga mpianatr’i Kristy (Matio 24:14; 28:19). Toerana manao ahoana no tanan’izany asa izany eo amin’ny fiainanao? Raha henointsika tsara izay lazain’i Jehovah amintsika amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany, dia fantatsika fa izany no asa lehibe indrindra tanterahina amin’izao androntsika izao eto an-tany (Apokalypsy 14:6, 7). Ary tsapantsika fa ireo manao ny asa manontolo andro — sy ireo tena be zotom-po amin’ny fanompoana na dia tsy afaka ny ho mpitory maharitra aza — dia kristiana miaina amim-pahasambarana ao anatin’ny kongregasiona. Ny fiadanana tsapan’izy ireny dia tsy sahala amin’ny rano indray mitete monja fa, araka ny nambaran’i Jehovah, dia tonga “tahaka ny ony”. (Isaia 48:18.) Toy izany ve ny aminao? Mety ho azon’ny tsirairay avy amintsika anefa izany.
9. Inona no mety hanampy antsika hitana ny fiadanana omen’Andriamanitra na dia ao anatin’ny fahasahiranana lehibe dia lehibe aza?
9 Tokony hekena anefa fa, ao anatin’ny fandehan-javatra ankehitriny, na dia manaraka izany torohevitra rehetra izany aza isika, dia tsy voaro amin’ny fahasahiranana. Kanefa, na dia misedra tokoa aza ny tarehin-javatra sasany, dia manome toky antsika ny amin’ny fanampiany feno fitiavana Andriamanitra, raha mitodika any aminy isika (I Petera 5:6, 7). Moa ve isika nianatra nitady ny fanampiana sy ny fitarihan’i Jehovah eo amin’izay rehetra ataontsika, amin’ny tsy fisalasalana miteny aminy amin’ny alalan’ny vavaka? Ary rehefa avy nanao izay rehetra azontsika atao isika mba handresena tarehin-javatra sarotra iray, mametraka ny entantsika amin’i Jehovah amin-toky tanteraka ve isika (Ohabolana 3:5, 6; Salamo 55:22)? Omena antsika izao fampaherezana mafana izao, ao amin’ny Filipiana 4:6, 7: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.” Fandaharana mahafinaritra re izany! Moa ve ianao nianatra nifaly tamin’ny fomba feno tamin’ny fiadanana omen’Andriamanitra amin’izany fomba izany?
Aoka isika hitady ny fiadanana hatrany
10. Inona moa no tokony hataontsika rehefa nitady ny fiadanana isika?
10 Rehefa nahazo izany fiadanana izany isika, dia tsy afaka ny hanamaivana izany. Ilaina ny hanaovantsika fiezahana mitohy mba hitanana izany. Araka izany no ilazan’ny I Petera 3:10, 11 amintsika hoe: “Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa (...) aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy.” Ho hadalana, rehefa avy nitady zava-kendrena sy nahatratra izany, ny hanamaivanana izany. Toy izany koa, rehefa avy nitady fiadanana sy tonga amin’izany isika, dia tokony hitandrina ny amin’izay mety hanimba izany fiadanana izany. Mihoatra lavitra noho izany, dia tokony hitady amim-paharisihana ireo zavatra mitondra fiadanana isika.
11. a) Toe-tsaina manao ahoana moa no mety hahatandindomin-doza ny fifandraisantsika amin’i Jehovah? b) Raha ny amin’ny fakam-panahy, amin’ny fotoana toy inona moa isika no tokony hangataka amin’Andriamanitra mba hanampy antsika (Matio 6:13)?
11 Raha mihavana amin’Andriamanitra isika noho ny fomba nomeny, dia tokony hitandrina mba tsy hanimba ny fifandraisantsika aminy amin’ny fiverenana amin’ny fahazarana manota. Mazava ho azy fa noho isika rehetra tsy tanteraka, dia manota daholo isika. Hampidi-doza anefa ny hanamarinana ao amintsika, hevitra na fanaovan-javatra sasany melohin’Andriamanitra. Tsy afaka hianina amin’ny fanaingana soroka isika ka hilaza hoe: “Toy izany no nanaovana ahy!” (Romana 6:16, 17). Tsy tokony hanamarina fanaovan-dratsy iray isika, fa tokony hibebaka ny amin’izany ka hangataka amin’Andriamanitra mba hamela ny helotsika noho ny finoantsika ny soron’i Jesosy. Ilaintsika koa ny mianatra mangataka amin’Andriamanitra mba hanampy antsika alohan’ny hanaovan-dratsy, fa tsy hanandrana hioitroitra irery, ka amin’ny farany dia ho resin’ny fakam-panahy ary hila ny hitalaho ny famelany. Noho ny fanampian’i Jehovah, dia azontsika atao ny hahomby amin’ny ‘fitafiana ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. — Efesiana 4:20-24.
12. a) Mba hananana fiadanana, dia tokony hoheverintsika koa ny fifandraisantsika amin’iza? b) Inona no tokony hataontsika amin’izany lafiny izany?
12 Mazava ho azy fa mba hananana fiadanana, dia tokony hoheverintsika ny fifandraisantsika amin’ny hafa. Ireo tena kristiana dia manompo an’Andriamanitra eo anivon’ny kongregasiona iray; mahaforona ‘fianakavian’ny mpirahalahy’ izy ireo. (I Petera 2:17.) Araka ny nanambaran’i Jesosy azy, ireo mpianany dia miavaka amin’ny fifankatiavan’izy ireo (Jaona 13:35). Tsy misy na dia iray aza tanteraka anefa izy ireo. Noho ny tsy fahatanterahan’ny tenantsika sy ny an’ny hafa, amin’ny toe-javatra miseho sasany angamba dia ilaintsika ny mivavaka amin-kafanam-po sy ny manao fiezahana mafy mba handresena ireo fahasahiranantsika. Mananatra antsika toy izao ny Hebreo 12:14: “Miezaha mitady fihavanana amin’ny olona rehetra.” Ary tokony hanohy hitady fihavanana amim-paharetana indrindra isika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika. Izao no ambara mazava ao amin’ny I Tesaloniana 5:13: “Mihavàna tsara.” Izany dia tsy milaza fotsiny fifadiana ny famaliana ratsy, fa fiasana mba hisian’ny fihavanana kosa amin’ny fanaovana ny dingana voalohany mba hanorenana indray izany ary amin’ny fahavononana hilefitra mba hiarovana izany. — Efesiana 4:1-3.
13. a) Mety ho voatarika hanao inona isika mba hitandroana ny fihavanana amin’ireo tsy mpino, nefa ahoana no ampisehoantsika fa mitana toerana alohan’ny zavatra rehetra ny fihavanana amin’Andriamanitra? b) Ahoana no mety hananantsika fiadanana raha misy fikorontanana manodidina antsika?
13 Any ivelan’ny kongregasiona anefa, ny rehetra dia tsy maniry hiaina amim-pihavanana. Noho izany antony izany, dia manome antsika izao torohevitra mihevitra ny zavatra tena misy izao ny Romana 12:18: “Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ny olona rehetra.” Na dia izany aza, ny fiezahantsika mba hanohana ny fihavanana dia tsy tokony hitarika antsika handika ireo didin’i Jehovah marina. Mety ho voatery hanova ny fandaharam-potoanantsika isika indraindray mba hihavanana hatrany amin’ny vadintsika na ny fianakaviantsika, kanefa fantatsika fa tsy ho fahendrena ny tsy hanatrehana intsony ireo fivorian’ny kongregasiona na tsy handraisana anjara intsony amin’ny fitoriana mba hanatrarana io zava-kendrena io. Ary fantatsika fa tsy hahazo ny fankasitrahan’i Jehovah isika raha mikambana amin’ny fanaovan-dratsin’ireo mpiara-miasa na mpiara-mianatra amintsika mba hahazoana ny fankasitrahan’izy ireny. Fantatsika fa ny tena fiadanana dia ireo izay mihavana amin’Andriamanitra aloha, ireo izay tia ny lalàn’i Jehovah ka mandeha amin’ny lalany, no manana izany. Apetratsika ho ambonin’ny zavatra hafa rehetra izany fiadanana izany (Salamo 119:165). Marina fa mety hisy fikorontanana be dia be manodidina antsika; fa mifanditra sy miady ireo tsy mpino, na mampijaly antsika mihitsy aza noho ny finoantsika; rehefa ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra anefa isika dia mahalala ny fomba tokony hitondrantsika tena. Amin’ny fanohizana miaina mifanaraka amin’ireo lalana marin’i Jehovah, dia hanana ny fiadanana izay zava-dehibe indrindra isika. — Jereo Salamo 46:1, 2.
14. Raha iharam-panenjehana isika amin’izao fotoana izao, inona no mahatonga antsika ho afaka hitana fahatoniana anaty sy fanantenana velona ihany?
14 Tamin’ny alina nialoha ny hahafatesany, dia niteny toy izao tamin’ireo apostoliny nahatoky i Jesosy: “Izany teny izay efa nolazaiko taminareo mba hananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33). Marina fa mahita fahoriana isika. Noho isika kristiana, dia iharam-pahavoazana noho ny tsy rariny isika; maro amintsika no mijaly noho ny aretina mafy. Manohana antsika anefa ny fiadanan’Andriamanitra ao anatin’izany fitsapana rehetra izany. Noho isika ampianarin’i Jehovah, dia fantatsika hoe nahoana no enjehina ny kristiana. Tsy miafina amintsika ny antony mahatonga ny tsy rariny na ny aretina. Fantatsika koa izay tehirizin’ny ho avy ho antsika. Nianarantsika fa, noho ny fahatokiana nasehon’i Jesosy nandritra ny fiainany sy noho ny fahafatesany ho sorona, dia azo antoka ny fanafahana. Afa-tsy izany koa, na manao ahoana na manao ahoana fahasahiranana hitantsika amin’izao fotoana izao, dia afaka miteny amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka amim-pitokisana tanteraka isika, noho ny fahafantarana fa mikarakara antsika amim-pitiavana izy ary manohana antsika amin’ny alalan’ny fanahiny. — Romana 8:38, 39.
15. Nahoana moa no azo atao ny milaza fa ny fiadanana mety ho azo noho Kristy dia tsy sahala amin’izay atolotr’izao tontolo izao?
15 Tena nety ny nilazan’i Jesosy toy izao, ao amin’ny Jaona 14:27: “Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.” Tsy isalasalana fa izao tontolo izao dia tsy manana na inona na inona azo ampitahaina amin’ny fiadanana omen’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Manatanjaka antsika izany fiadanana izany ao anatin’ny tarehin-javatra hahavery fanantenana tanteraka ny hafa.
16. a) Fahatsinjovan-javatra inona no atolotra an’ireo izay, dieny izao dia tena mankamamy ny fiadanana omen’Andriamanitra? b) Ahoana no azontsika ampisehoana fa heverintsika ho zava-dehibe izany fiadanana izany?
16 Ho avy mahatalanjona toy inona moa no miandry izay rehetra, amin’izao andro izao, manaiky ny fiadanana avy amin’Andriamanitra ary mihevitra izany ho zava-dehibe araka ny mendrika azy, eo amin’ny fiainany! Tsy ho ela, dia ho efa nanjavona izao tontolo izao fahavalon’Andriamanitra. Hanjary ho tafaray ao anatin’ny fiadanana amin’ny fomba feno ny zavatra noforonina rehetra noho ireo didy marin’ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao. Enga anie ny fankasitrahantsika noho izany fahatsinjovan-javatra mahatalanjona izany hanosika antsika hiasa mifanaraka tanteraka amin’izany dieny izao! Enga anie isika rehetra mba hihaino amim-pitandremana ny fampianaran’i Jehovah ka handatsaka mafy ny didiny ao am-pontsika, mba tena hitiavana tokoa ny lalany sy hanaovana izay takiny amintsika! Araka ny ambaran’ny Ohabolana 3:1, 2: “Anaka, aza manadino ny lalàko; fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko; fa andro maro sy taona ela iainana ary fiadanana no hanampiny ho anao.”
Famerenana
◻ Araka ny Isaia 48:18, raha manao inona moa isika no mety hanana fiadanana be?
◻ Inona moa no tokony hataontsika mba handraisan-tsoa feno kokoa amin’ny fiadanan’Andriamanitra?
◻ Ahoana no azontsika iarovana ny fihavanantsika amin’ireo rahalahintsika sy anabavintsika?
◻ Ahoana no hiasana ho an’ny fiadanana rehefa voahodidin’ny tsy mpino ny tena?
[Sary, pejy 16]
Batisa
[Sary, pejy 17]
Manatrika tsy tapaka ireo fivoriana
Mampihatra izay ianarantsika
[Sary, pejy 18]
Mandray anjara amin’ny fomba feno amin’ny fitoriana
Mametraka ny entantsika amin’i Jehovah