FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w87 15/4 p. 7-9
  • Ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny asa misionera

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny asa misionera
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fiheverana mifanipaka
  • Manome izay ilain’ny olona ara-panahy izy ireny
  • Fizarana 4: Vavolombelona any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Vavolombelon’i Jehovah
    Fandresen-dahatra Miorina Amin’ny Soratra Masina
  • Miteraka Fitomboana Eran-tany ny Misionera
    Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra
  • Misionera “any Amin’ny Faritra Lavitra Indrindra Amin’ny Tany”
    Fomba Ampiasana ny Fanomezanao
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
w87 15/4 p. 7-9

Ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny asa misionera

MATETIKA ireo misioneran’ny Vavolombelon’i Jehovah any Azia sy any an-toeran-kafa no misy manontany hoe: “Nahoana ianareo no tsy mampianatra teny anglisy tahaka ireo misionera hafa?” “Manana sekoly azoko andefasana ireo zanako, na hopitaly ho an’ireo marary ve ianareo?” Mazava ho azy fa tsia no valiny. Fa nahoana? Inona àry no zava-kendrena tratrarin’ireo Vavolombelona? Ary inona no nataon’izy ireny ho an’ireo mponina ao amin’ireny tany ireny?

Fiheverana mifanipaka

Tsy azo lavina fa ireo misionera ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia nanova olona maro be noho ireo asany ara-tsosialy. Kanefa, noho ireny asa ireny nokendrena indrindra mba hanomezana fahafahampo izay ilain’ny olona ara-nofo fa tsy ara-panahy, ireny misionera ireny dia tsy afaka nanao tena mpianatra ho an’i Jesosy Kristy (Matio 7:22, 23; 28:19, 20). Ambonin’ny zavatra rehetra, izy ireny dia tsy afaka nanoro fanafodiny raikitra ho an’ireo zava-manahirana ara-tsosialy iezahany resena.

Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa dia misahana ny asa nanirahana lehibe indrindra, dia ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra (Matio 24:14). Tsy hoe satria tsy fantany ny fahoriana rehetra sy ny tsy fahamarinan’olombelona hitany, na hoe tsy miraika amin’izany izy; kanefa tsapany fa ny hany fanafodin’ireny zava-manahirana lehibe ireny dia tsy ao amin’ny herin’ny olona, fa ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. — Salamo 146:3-10.

Izany indrindra no notorin’i Jesosy sy ireo mpianany tamin’ny taonjato I. “Tsy maintsy mitory ny teny soa mahafaly ny amin’ny fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, hoy Kristy, satria izany no nanirahana Ahy.” (Lioka 4:43). Nanohana sy nitory ny Fanjakan’Andriamanitra ho ny hany fanafody tena mandaitra izy, satria fantany fa lehibe loatra ireo zava-manahirana an’izao tontolo izao ka tsy voalamin’ny olombelona irery. Na dia nanao fanasitranana mahagaga maro aza izy, dia nananatra ireo mpianany tamin’izao teny izao: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany [ny an’Andriamanitra], dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:33.

Taty aoriana, rehefa naniraka ireo mpianany hitory i Jesosy, dia izao no nolazainy tamin’izy ireo voalohany indrindra: “Ary raha mandeha hianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” Avy eo dia hoy ny teny nanampiny: “Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia.” (Matio 10:7, 8). Ny filaharan’ireo teny ireo dia mampiseho amin’ireo mpianatr’i Jesosy Kristy amin’ny andro ankehitriny izay tokony homen’izy ireny ny toerana voalohany. Izy ireny koa dia tokony hanao ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakana ho ny zava-kendreny lehibe indrindra, maka toerana aloha lavitra noho ny asa fanasoavam-bahoaka. Izany no fihetsika iezahan’ireo misionera Vavolombelon’i Jehovah tandremana.

Manome izay ilain’ny olona ara-panahy izy ireny

Amin’ny maha-antokon’olona kristiana azy, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manolo-tena an-tsitrapo mba handray anjara amin’ny fanatanterahana fandaharam-pampianarana ny Baiboly lehibe ho an’ny olona. Noho izy ireo mpitory ny vaovao tsara, dia iriny ny hanampy ny hafa handray soa amin’ny fahendrena sy ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly, dieny izao sy amin’ny ho avy (Salamo 68:11). Inona no antony?

Tsapan’ny Vavolombelona fa raha ampiana ny olona hahatakatra sy hanaraka ireo torohevitra ao amin’ny Baiboly, dia tsara fitaovana kokoa izy ireny mba hisetra ireo fahasahiranana sy ireo fihenjanana eo amin’ny fiainana. Etsy an-daniny koa, dia mahazo ny herin-tsaina tena ilaina izy ireny mba hialana amin’ireo fahazarana manandevo sy manimba ny vatana, toy ny fampiasana sigara na paraky, ny tsy fahalalana onony amin’ny fisotro, ny fampiasana zavatra mahadomelina, ny tsy fahampian’ny fitandremam-pahasalamana, ny filokana sy ny fahalotoam-pitondrantena. Ambonin’izany, ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly dia manampy azy ireny hamolavola indray ny sainy, amin’ny fanomezana azy ireny zava-kendrena eo amin’ny fiainana sy fanantenana tena izy raha ny amin’ny ho avy.

Araka izany, amin’ny fanomezana be dia be ny fampianarana tsara indrindra mety hisy — ny avy amin’ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly — ny Vavolombelon’i Jehovah dia mandray anjara mivantana amin’ny fanatsarana ny fahasalamana ara-pitondrantena sy ara-batan’ny olona izay eo afovoan’izy ireny no iainany sy itoriany. Izany matetika no voamarik’ireo mpijery tsy miangatra. Ohatra, Bryan Wilson, avy ao amin’ny oniversite any Oxford, rehefa avy nandinika ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah atsy Afrika, dia nanambara toy izao tao amin’ny taratasy iray nalefany ho an’ny Times any Londres:

“Ny Vavolombelon’i Jehovah dia tia miasa ary matetika tsy manao an-tsirambina sy sahy kokoa noho ny olom-pirenena hafa. Ny mpitondra azy ireo dia manoro hevitra azy mba handoa avy hatrany ny hetrany, hifady ny herisetra ary tsy hanao izay hahatafintohina ny namany. Milamina sy marina ary mahalala onony izy ireny. Izany toetra tsara izany dia zava-dehibe tokoa teo amin’ny fandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsosialin’ny vahoaka tandrefana ary tsy tafahoatra akory ny filazana fa ny Vavolombelon’i Jehovah no anisan’ireo olom-pirenena tsy mivadika indrindra sy tia miasa indrindra any amin’ireo tany afrikana.”

Ny mpandinika hafa iray nitoetra tany Amerika Atsimo dia niteny tahatahaka izany koa tao amin’ny lahatsoratra fitarihan-teny iray:

“Ny Vavolombelon’i Jehovah dia olona tia miasa, marina sy matahotra an’Andriamanitra. Mahalala onony izy ireny, tia ny lovantsofina, ary ny fivavahany dia mifototra amin’ireo fampianaran’ny Baiboly.”

Noho izany, na dia tsy manome ny toerana voalohany ho an’izay antsoina mandrakariva amin’ny anarana hoe filazantsara ara-tsosialy aza ny Vavolombelon’i Jehovah, dia mandray anjara amim-paharisihana amin’ny fanasoavana ny manodidina azy amin’ny fanampiana ny mpiara-belona aminy hampifanaraka ny fiainan’izy ireny amin’ireo fitsipika ambony ao amin’ny Baiboly (Romana 12:1, 2). Ary indrindra, manampy ny olona amin’ny toerana rehetra koa izy ireny hampitodika ny masony any ambadiky ny tsy rariny sy ny tsy fitoviana eo amin’ny fandehan-javatra ankehitriny izay mikororosy haingana, hijery ny fandehan-javatra vaovao nomanin’Andriamanitra, sy madiva haorina. — Apokalypsy 21:5.

[Sary, pejy 8, 9]

Fanafodin’ireo zava-manahirana ara-tsosialy hoentin’ny Fanjakan’Andriamanitra

Vakio ao amin’ny Baibolinao ireto andininy manaraka ireto, ka mahazoa hery amin’ny fahitana fa mampanantena Andriamanitra ny hanafoana ireo zava-manahirana ankehitriny sy ireo aretina ara-tsosialy ao amin’ireo lafiny ireo:

Ny fahasalamana Isaia 33:24; 35:5, 6; Apokalypsy 21:4

Ny fampianarana Isaia 11:9; Habakoka 2:14

Ny asa Isaia 65:21-23

Ny sakafo Salamo 67:6; 72:16; Isaia 25:6

Ny fahamarinana Isaia 11:3-5; 32:1, 2

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara