Mitantara ireo mpitory ilay fanjakana
Mahita fitomboana ny “takela-metaly mihodinkodina”
MATETIKA ny tanànan’i Kitwe, any Zambie, no omena anarana kely hoe “ny takela-metaly mihodinkodina amin’ny Coper Belt [ny fehinkibo varahina]” ao amin’ireo toerana fanaovan-taozavatra. Ny antony dia satria i Kitwe eo afovoan’ny faritra misy mineraly. Takela-metaly mihodinkodina karazany hafa koa anefa i Kitwe: izy io dia foiben’ny asa teokratika any Zambie. Ao no misy ireo biraon’ny sampana nanomboka tamin’ny 1962; nandritra ireo roapolo taona farany, dia nila ho avy roa heny ny fitomboan’ny isan’ny mpitory tao Zambie, satria ny 30 129 tamin’ny 1962 dia tonga tampon’isa 58 925 tamin’ny 1984. Ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1984 dia tafakatra ho 393 431, ka izany dia mampiseho olona iray isaky ny mponina 16.
Teo anoloan’ny fitomboana isa haingana dia haingana toy izany, tsy ela ireo trano tranainin’ny sampana dia niharihary fa tsy antonona intsony. Tamin’ny fotoana voalohany, dia nianina fotsiny tamin’ny fanitarana ny zavatra voaorina efa nisy ny tao, tamin’ny fanampiana efitrano fihinanana iray nilain’ny mpiasa tao sy tamin’ny fanamboarana toerana malalaka kokoa ho an’ny fitehirizana sy ny fandefasana entana. Ny sampan’i Zambie anefa dia niditra hanao fanontam-pirinty boky momba ny Baiboly. Vetivety foana ilay toerana kely fanontam-pirinty dia nanjary tery loatra ka tsy nisy toerana hihetsehana na hametrahana na inona na inona intsony. Ambonin’izany, noho ny Betela tao amin’ny faritany tsara tarehy, dia sarotra ny nanao asa fanaovan-taozavatra tao ka tsy nitondra fahavoazana ho an’ny manodidina.
Noho izany antony izany, ireo rahalahy zambiana dia nametraka fangatahana mba hividianana tany iray hanorenany fanontam-pirinty vaovao. Tsy mora anefa ny nahazo sombin-tany. Nolavin’ny filan-kevitry ny tanàna ny tany voalohany notondroin’ireo rahalahy, satria ‘faritra voatokana ho an’ny fanjakana’. Nanolotra tany azy anefa ny Vavolombelona iray. Raha vantany vao nahazo fahefana ho tompony ireo rahalahy, dia nampiasa fiantohan-draharaha iraisam-pirenena momba ny fanaovana mari-trano izay nanao ny planina ho azy ireo ka nampiseho izany mba heken’ny filan-kevitry ny tanàna. Namelombelona ny Vavolombelona zambiana rehetra izany vaovao izany. Maro be tamin’izy ireny no nandray anjara tamin’ny fanorenana izay notarihin’ny rahalahy iray mpianto-draharaha ny asany. Roa taona katroka taty aoriana, izany hoe tamin’ny 1984, dia vita ilay trano.
Tsy ilaina ny milaza fa fotoana nahafaly indrindra ny fandaharana tamin’ny fitokanana. Na dia nampiomanina mialoha aza ireo rahalahy fa faran’izay voafetra ny isan’ny toerana, dia Vavolombelona maherin’ny 4 000 no tonga avy any amin’ny vazan-tanin’i Zambie rehetra hanatrika ny fitokanana. Toy inona moa ny fahafinaretan’izy ireo rehefa nandre ny mpandaha-draharahan’ny Komitin’ny Sampana nanipika indray ny tantaran’ny asa any Zambie ka nampiseho ny fomba nanohanan’i Jehovah ny asa kristiana tao amin’io tany io! Manaraka izany, dia nisy kristiana vitsivitsy efa hatramin’ny ela, nitantara zava-nitranga tena niainany. Ny sasany tamin’izy ireny dia mpitory maharitra manokana tany Tanzanie, tany Kenya sy tany Ouganda tamin’ny fotoana niandraiketan’ny sampan’i Zambie ny asan’ireo tany ireo. Amin’izao fotoana izao, dia ny sampana any Kenya no miandraikitra azy ireo.
Ny rahalahy John McBrine, tonga avy any Zimbabwe mba hanao fitsidihana ny zaona no namarana ny fandaharana tamin’ny famporisihana ireo rahalahy zambiana mba hampiasa tsara ireo trano ireo. Ireo boky atonta pirinty ao dia ho fanohanana ny fanompoam-pivavahana madio sy hanampy ireo olona mahitsy fo hahazo fahalalana ny fahamarinana. Inona no ho vokany azo antoka? Fitomboana mbola ho lehibe kokoa ihany any Kitwe, “takela-metaly mihodinkodina” amin’ny asa teokratika any Zambie.
[Sary, pejy 31]
Ireo trano vaovaon’ny Betela any Kitwe, any Zambie.