Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — Zambia
LEMAKA maromaro be velarana sady mikitoantoana, eo an-tampon’ny lembalemba midadasika iray eo amin’ny 1 200 metatra ny haavony, izany no Zambia, tany iray ao afovoany atsimon’i Afrika. Any avaratra atsinanana dia manerinerina eo amin’ny 2 100 metatra ireo tendrombohitra Muchinga. Ny Renirano maherin’i Zambèze, izay mitalakotrokotroka eo ambonin’ny Rianan’i Victoria, malaza maneran-tany, no mahaforona saika ny sisin-tany atsimon’io tany voafefy io. Misy karazany maro ny olona, antokom-pirazanana maherin’ny 70 samy hafa. Fiteny valo lehibe no ampiasaina eto, nefa mbola misy maro hafa koa.
Tamin’ny 1911, dia nisy fiteny hafa iray nanomboka niditra sy niely tao Zambia. Nisy mpitsidika nitondra maromaro tamin’ilay boky hoe Études des Écritures, ary hatramin’izay ny Vavolombelon’i Jehovah dia niezaka nampiely ny “fiteny madion’ny” fahamarinana ao amin’ny Baiboly tany Zambia. (Zefania 3:9, NW ). Ny zava-tsarotra atrehin’izy ireo indrindra, dia ireo finoana tsy araka ny Soratra Masina momba ny toetran’ny maty. Rehefa mianatra ny fahamarinana sy mahita ny fomba nanandevozan’ireo finoanoam-poana azy ny olona, dia mahatsiaro fahafahana! — Jaona 8:32.
Ohatra, ny anabavy mahatoky iray dia nanao izao tatitra izao: “Rehefa maty tampoka ny dadatoako, dia very hevitra ny reniko, izay mpikambana mahatoky tao amin’ny Fiangonana Tafaray eto Zambia. Taorian’ny fombafombam-pandevenana naharitra herinandro, dia niverina tany an-tanàna aho mba hahita izay nitranga taminy. Teo am-pahatongavako, dia nahita lehilahy zokiolona iray tao an-trano aho, ary rehefa lasa izy, dia nanontany ny renibeko aho hoe iza izy iny. Nilaza izy fa mpimasy ilay lehilahy. Nikasa ny hanakarama azy ny reniko mba hamaliana faty ny fahafatesan’ny anadahiny, mba hahafahan’ny fanahiny hiala sasatra. Nino izy mantsy fa ‘nandehandeha fotsiny’ ny fanahiny tamin’izay fotoana izay, araka ny filazany.
“Mbola nohazavain’i Nenibe koa fa fitahiana ny fitsidihako satria nitady vola ny fianakaviana mba handoavana ny karaman’ilay mpimasy. Nangatahiny aho mba hanome vola fanampiana, nefa nohazavaiko tamim-pahaiza-nandanjalanja fa tamin’ny naha-Kristiana ahy dia tsy afaka ny handray anjara aho. Nanjohy hevitra taminy aho avy amin’ny Salamo 146:4 [NW ], izay mampiseho fa tsy afaka misaina intsony ny maty — koa tsy nisy izany fanahy ‘nandehandeha’ izany. Nodinihinay koa ny Romana 12:19, izay manazava fa an’i Jehovah ny famaliana fa tsy antsika. Taorian’izany aho, dia nilaza tamin’ny reniko momba ny fanantenana ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty noresahin’i Jesosy, araka ny voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Jaona 5:28, 29. Nanohina ny fony ny finoana matanjaka nananako tamin’ireo fampanantenan’Andriamanitra. Tsy ela izy dia nanomboka niara-nianatra tamin’ny Vavolombelona iray ary nanao fandrosoana haingana. Nanapaka ny fatorana rehetra tamin’ny fivavahany teo aloha izy ary nanamarika ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa. Ankehitriny izy dia Vavolombelon’i Jehovah.”
Manao izao tatitra izao ny anabavy hafa iray: “Nandeha tamin’ny fandevenana ny vadin’ny dadatoako aho. Teo am-pahatongavako, dia hitako fa mosarena ny dadatoako sy ny zanany lahy. Tsy nihinana na inona na inona izy ireo hatramin’ny andro nahafatesan’ny nenitoako. Rehefa nanontany ny antony aho, dia novaliany fa, araka ny fomban-drazana dia tsy azony atao ny mampirehitra afo mba hahandro sakafo. Nanolo-tena mba hahandro sakafo ho azy ireo aho, nefa natahotra ny mpianakavy sasantsasany fa raha toa ka tsy nanaraka io fanao avy amin’ny fanompoan-tsampy io aho, dia ho lasa adala avokoa ny olona rehetra!
“Nohazavaiko fa tamin’ny naha-Vavolombelon’i Jehovah ahy, dia manaja izay lazain’ny Baiboly ao amin’ny Levitikosy 18:30 aho, ary tsy manaraka ireo fomban-drazana tsy araka ny Soratra Masina. Nasehoko tamin’izy ireo tamin’izay ilay bokikely hoe Ny Fanahin’ireo Maty. Nihena avy eo ny fihenjanana ary nandeha nanomana sakafo ho an’ny dadatoako sy ireo olona sisa aho. Tohina tamin’ny fahasahiako ny havan’ilay maty ary nanaiky hianatra bebe kokoa ny Baiboly. Efa mpitory tsy vita batisa sahady izy ireo izao, ary manantena ny hatao batisa tsy ho ela ny fianakaviana iray manontolo.”
Faly toy inona moa isika rehefa mandrava ny fisafotofotoan’ireo fahadisoana ara-pivavahana ny fiteny madion’ny fahamarinana, indrindra indrindra ireo hevitra miorina mafy izay manandevo olona tsy manan-tsiny! Noho ny fitahian’i Jehovah, dia miely any Zambia ny fiteny madio, toy ny ielezany maneran-tany koa. — 2 Korintiana 10:4.
[Efajoro, pejy 9]
ANTONTAN’ISAN’ILAY TANY
Taom-piasana 1994
TAMPON’ISAN’NY MPITORY: 82 926
AMIN’NY ARA-KEVINY: Vavolombelona 1 ho an’ny olona 107
MPANATRIKA NY FAHATSIAROVANA: 363 372
ANTSALAN’NY MPITORY MPISAVA LALANA: 10 713
ANTSALAN’NY FAMPIANARANA NY BAIBOLY: 108 948
ISAN’NY NATAO BATISA: 3 552
ISAN’NY KONGREGASIONA: 2 027
BIRAON’NY SAMPANA: LUSAKA
[Sary, pejy 9]
Ireo tranon’ny sampana Watch Tower any amin’ny faritra manamorona an’i Lusaka
Fitoriana any Shimabala, any atsimon’i Lusaka