FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 1/9 p. 32
  • Andro iray nahafaly tamin’ny fomba roa sosona

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Andro iray nahafaly tamin’ny fomba roa sosona
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny fizarana diplaoma ho an’ny kilasy faha-83 amin’i Gileada: tena fety
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Mizara amintsika ny fifaliany ny kilasy faha-82 amin’i Gileada
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1987
  • Misionera vaovao namporisihina tamin-kafanam-po hoe: “mijanòna ho mahatoky!”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Ny fehafapolo taonan’ny sekoly iray ho an’ny misionera
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 1/9 p. 32

Andro iray nahafaly tamin’ny fomba roa sosona

ANDRO nahafaly tamin’ny fomba roa sosona ny 3 martsa 1985, indrindra fa ho an’ireo mpianatra 42 tamin’ny kilasy faha-78 amin’ny Galaad, dia ny Fianarana Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower. Tsy vitan’ny hoe andro tokony handraisan’izy ireo ny diplaomany io, ka izany dia efa antom-pifaliana ho azy ireo, fa vao voalohany koa ny fotoan-dehibe toy izany no natao tao amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe vaovao any Brooklyn, izay nitokanana ny omalin’iny.

Tamin’ny folo ora, io efitrano mahalany olona 2 400 io dia feno hika. Tao ireo mpianatra amin’ny Sekolin’i Gileada, ireo ray aman-dreniny sy sakaizany ary, vao voalohany hatramin’ny taona maro tamin’ny fotoana toy izany, ny fianakavian’ny Betelan’i Brooklyn manontolo. Nisy fihetsiketsehana lehibe nanjaka teo amin’ny mpanatrika. Niely tsikelikely avy hatraiza hatraiza ny fanamarihana fiderana ny asa tsara nataon’ireo rahalahy mba hanamboarana an’ilay efitrano. Hita niharihary fa ny tsirairay avy dia naniry hamoaka ny fifaliana sy fankasitrahana nahasafononoka ny fony.

Tamin’ny folo ora marina, Theodore Jaracz, mpitari-draharaha tao amin’ny fivoriana, dia nanasa ireo mpanatrika haka toerana. “Tsy hitanareo ho mahafinaritra ery ve ny eto?” hoy ny fihiakany. Io fanamarihana tsotra dia tsotra io dia ampy nanapoaka tena tehaka nikotrokotroka. Hita niharihary fa nahay nanohina ny fo izy.

Miharihary tokoa fa ny fahasambarana dia nitana toerana lehibe tao an-tsain’ireo mpandahateny izay nilaza hevitra tamin’io andro io. Ohatra, George Gangas, anisan’ny Kolejy foibe, dia nivaofy ny foto-kevitra hoe “Ny fomba hahitana fahasambarana amin’ny asa misionera”. Araka ny nohazavainy dia hampiasa an’ireo ho misionera izy toy ny nampiasany fahiny ireo anjely: ‘mba hanafahana olona avy ao amin’ny tranomaizin’ny Devoly.’ Eritrereto ny fahasambarana haterak’izany! Taorian’izany, Daniel Sydlik dia nanoro hevitra an’ireo mpianatra mba “hitondra sakaiza akaiky iray” miaraka amin’izy ireo rehefa ho any amin’ny toerana hanendrena azy izy ireo. Ny Baiboly no tiany horesahina. Araka ny nosoritany tokoa, ireo misionera dia afaka hiantehitra amin’izy io isaky ny hila izany. Mahery tokoa izy io ka indraindray dia ampy ny fehezanteny iray, na teny iray monja aza mba hanampiana olona. Noho izany dia nananatra an’ireo mpihaino azy ny rahalahy Sydlik mba hamaky azy sy hihaino azy isan’andro, ary hamporisika ny hafa hanao toy izany.

Nanohy ny foto-kevitra ny amin’ny fahasambarana i Robert Wallen izay anisan’ny Komitin’ny Betela, ka nananatra an’ireo mpianatra hanohy hilaza amin’i Jehovah hoe “Inty aho! Iraho aho!” Tetsy andaniny koa, Joel Adams, anisan’ny sampan-draharaha voatendry hanara-maso an’ireo kongregasiona, dia nanao izao teny izao ho an’ilay kilasy: “Mba hahitana fahasambarana feno, dia tokony handa tena tanteraka mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra isika. Tsy azo sarahina ireo hevitra roa ireo.”

Nahazo torohevitra vitsivitsy fanaovam-beloma avy amin’ny mpampianatra azy roa koa ireo mpianatra. Voalohany indrindra, Ulysses Glass dia nampiomana azy ireo fa “tsy mahafinaritra foana akory ny fiainan’ny misionera iray”. Tamin’ny fampahatsiahivana ny tantara ara-paminaniana ny amin’i Elia sy Elisa, dia nananatra azy ireo izy hanahaka ny mifanitsy amin’i Elisa amin’ny andro ankehitriny sy hanatontosa ny adidin’izy ireo. Fa raha ny amin’i Jack Redford, dia nahagaga ny olona rehetra izy tamin’ny filazana hoe: “Tamin’ny taona lasa aho dia tafahaona tamin’ny lehilahy iray izay tsy nanao fahadisoana hatramin’ny 4 000 taona.” Ny nasiany fitenenana dia faty notehirizina tsara egyptiana iray hitany tao amin’ny trano fitehirizana ny rakitry ny ela iray. Mazava ho azy fa ny tiany holazaina dia hoe, eo amin’ny olombelona, dia ny maty ihany no tsy mety ho diso hevitra mihitsy. Raha ny amin’izay mahakasika antsika, rehefa tsy maintsy manatrika ny fahadisoan-kevitsika isika, moa ve isika manao sahala amin’i Saoly izay nanandrana nanamarin-tena tamin’ny fomba rehetra? Sa kosa isika manahaka ny ohatra nomen’i Davida, izay niaiky an-tsitrapo ny fahotany? Fanontaniana mendrika ny hoeritreretina izany.

Ny mpandahateny farany tamin’ny maraina dia tsy iza fa F. Franz, prezidàn’ny Sekolin’i Galaad. Nampiseho ny fanorenan’io sekoly io ho “fanehoam-pinoana mahafinaritra” izy ka nampahatsiahy fa izy io dia nitarika ny fanaovana fanambarana maneran-tany. Ankehitriny, ny mpianatra 42 avy amin’ny kilasy faha-78 amin’ny Galaad dia mba notolorana tombontsoa koa ho any amin’ireo tany 14 mba handray anjara amin’io asa lehibe io.

Farany, dia nandray ny diplaomany ireo mpianatra. Rehefa nifarana ny fotoan-dehibe, ny anankiray tamin’izy ireo, Gordon Grant, dia nandroso mba hamaky taratasy iray tian’ny kilasy manontolo hanambarana ny fankasitrahany. “Rehefa tonga teto izahay, hoy izy, dia nahantra daholo, raha nahatsapa izany aza. Androany, zara raha nisy dimy volana atỳ aoriana, dia miainga indray izahay, manan-karena sy nahazo sakafo tsara.” Tapa-kevitra ny mpianatra rehetra fa hampiasa amin’ny fomba tsara ny fampiofanana azy sy ireo harenany vaovao any amin’izay hanirahana azy ireo.

Ny fandaharana ny tolakandro dia nanomboka tamin’ny fianarana Ny Tilikambo Fiambenana nofintinina, dia fianarana notarihin’i Calvin Chyke, anisan’ny Komitin’ny fanontam-pirinty, nandraisan’ireo mpianatra anjara. Rehefa avy eo ireo mpianatra ireo dia nanolotra fampisehoana velombelona aoka izany, voaforon’ny tantara tena nisy sy ny “sketches musicaux” natao hampisongadina izay nianaran’izy ireo tamin’ny alalan’ny fandinihana sy ny fifaneraserana tamin’ny hafa amin’ny ankapobeny ary indrindra fa ny fianakavian’ny Betela. Ho famaranana, dia nilalao tantara ara-baiboly nampangorakoraka notsoahina avy tamin’ny tantara nampangitakitak’i Josefa sy ireo rahalahiny izy ireo. Tsy nahatana ny ranomasony ny mpijery maro.

Rehefa namarana ny fivoriana ny prezidà, dia nifanara-kevitra tsara ny mpanatrika rehetra mba hilaza fa nahafinaritra tokoa ny fahatongavana teo. Tena feno zavatra ara-panahy be dia be io andro nahafaly tamin’ny fomba roa sosona io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara