Fanontanian’ny mpamaky
◼ Moa ve misy zavatra tsy tokony holazaintsika rehefa mivavaka amin’i Jehovah isika?
Izany tokoa. Zava-dehibe ny hanalavirana ireo fitenenana amim-pifankazarana loatra izay mety hahatonga ny hafa hihevitra (amin’ny vavaka tononina ampahibemaso) fa tsy ampy fanajana an’Andriamanitra isika. Ohatra, tsy hety ny hampiasana fomba fitenenana toy ny hoe “Veloma ianao, Jehovah!” na “Ampitao amin’i Jesosy ny fitiavanay”. Tsy ho tsara koa ny hampidirana fanamarihana mampihomehy na vazivazy ao amin’ny vavaka ataontsika. Nahoana?
Voalohany indrindra aloha, raha atao ao anatin’ny faritry ny vavaka ampahibemaso ny resaka toy izany, dia tena azo ampoizina fa hahatafintohina ireo izay handre azy (Romana 14:21). Kanefa, ny fitenenana karazan’izany dia mbola tokony hofoanana koa na dia amin’ny vavaka ataontsika manokana aza, noho ny antony iray mbola lehibe kokoa ihany. Izany tokoa dia fomba fitenenana ampiasaintsika amin’ny resaka ifanaovantsika amin’ireo olona mitovy amintsika. Koa raha ampiasaintsika ao amin’ny vavaka iray izany, dia hampiseho tsy fahampiam-panajana, ka hahatonga hihevitra fa hadinontsika tanteraka ny hoe tsinontsinona aoka izany isika raha oharina amin’i Jehovah. — Genesisy 18:27; jereo Lioka 18:9-14.
Marina fa amporisihina ny kristiana hitana fifandraisana akaiky amin’i Jehovah. Raintsika any an-danitra izy io ka tiantsika (Matio 6:9; 22:37). Afa-tsy izany koa, dia mihevitra ny olombelona sasany ho toy ny ‘sakaizany’ izy. (Jakoba 2:23.) Ambonin’izany koa, dia asaina haneho fahatsorana isika rehefa miteny amin’i Jehovah, ka hamelabelatra aminy ny eritreritsika lalina indrindra sy ny zava-manahirana antsika miafina indrindra. — Salamo 55:1, 2; Filipiana 4:6; Hebreo 4:16; I Jaona 3:21, 22.
Jehovah anefa dia mitaky amin’izay rehetra manatona azy mba hanarahany fihetsika mety. Izao no nambarany: “Nefa izao no olona hotsinjoviko, dia izay malahelo sy torotoro fanahy sady mangovitra noho ny teniko.” (Isaia 66:2). Ilaina koa ny hafanam-po. Ny porofon’izany, dia ny nandefasan’i Jehovah fahiny izao fanasana izao ho an’ireo mpanompony: “Miverena amiko amin’ny fonareo rehetra.” (Joela 2:12, 13). Eo anatrehany, dia tsy manana zo mihitsy isika, tsy manana fahamendrehana mihitsy mahatonga antsika ho afaka hirehareha. Tsy voatery handoa ho antsika na inona na inona Andriamanitra, ary tsy afaka mitaky na inona na inona aminy isika.
Mbola manome koa izao torohevitra izao ho an’ireo izay mivavaka amin’i Jehovah ny Baiboly: “Koa izany no atahoran’ny olona azy [aoka àry ny olona hatahotra azy, MN ]; tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.” Hanefa ny irin’izay matahotra Azy Izy ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy.” (Joba 37:24; Salamo 145:19; jereo koa Salamo 39:5, 12). Araka izany, na dia vonona foana ny hihaino ny vavaka ataontsika aza Jehovah, ny fomba firesatsika aminy dia tokony hampiseho fa mahatsiaro tena ho tsy mendrika isika ary mahatsapa fanajana lalina azy. Ny fihetsika hafa rehetra dia ho mariky ny fieboeboana, fiavonavonana na fahamaivanan-tsaina.
Ao amin’ireo vavaka, indraindray ny ankizy dia mampiasa fitenenana mampiseho fifankazarana ery izay mampitsiky an’ireo ray aman-dreniny. Izany fampisehoana mampihetsi-po ny tsy fananany tsiny izany dia manamarina fa mihevitra an’i Jehovah ho olona tena misy izy. Nefa kosa, ny olon-dehibe rehetra izay afaka kokoa mahatakatra ny anton-javatra tafiditra dia hanalavitra ny fisehoana ho maivan-tsaina. Zava-dehibe ny hanatonany an’i Jehovah amin-kafanam-po, fanajana, fanetren-tena, fahamendrehana sy fahamaotinana. — I Korintiana 13:11.