FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w85 15/9 p. 3-4
  • Ny Baiboly eo anoloan’ireo hevitra noraisina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Baiboly eo anoloan’ireo hevitra noraisina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hevitra noraisina vitsivitsy
  • Boky protestanta ve?
  • Nahoana no mamaky Baiboly?
  • Ny fomba handraisan-tsoa amin’ny famakiana ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • Tano Mafy ny Tenin’Andriamanitra
    Mivavaha Amin’ilay Hany Andriamanitra Marina
  • Fandraisan-tsoa avy Amin’ny Famakiana Isan’andro ny Baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ny Baiboly — Boky Iray Tokony Hovakina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
w85 15/9 p. 3-4

Ny Baiboly eo anoloan’ireo hevitra noraisina

MAHERIN’NY 8 000 000 livres sterling (izany hoe eo amin’ny 1 000 tapitrisa ariary) ho takalon’ny boky iray. Sarotra inoana izany, hoy angamba ianao. Kanefa, rehefa nanakoako ny tantanan’ny mpanao lavanty tao amin’ity efitrano fivarotana londoniana tamin’ny desambra 1983, dia toy izany no neken’ilay mpividy haloa ho an’ny fitondram-panjakan’i Alemaina federaly. Boky inona no tena mety ho sarobidy toy izany? Tapany amin’ny Baiboly: soratanana misy hosodoko amin’ireo Filazantsara tamin’ny taonjato faha-12.

Na inona na inona antony mety hanosika olona handoa vola tsy toko tsy forohana toy izany amin’ny boky iray monja, dia mahaliana foana ny mahamarika fa tapany iray amin’ny Soratra masina no nanaovana izany. Mampahatsiahy antsika izany fa ao an-tsain’ny olona maro dia tsy hay tombanana ny vidin’ny Baiboly. Betsaka anefa no mihevitra an’io boky io amim-piahiahiana, raha tsy holazaina hoe amim-pankahalana aza. Nahoana?

Hevitra noraisina vitsivitsy

Any amin’ireo tany protestanta indrindra, dia olona be dia be no mampitaha ny Baiboly amin’ny zavamaneno tranainy iray akana izao karazan-kira rehetra izao. Araka ny filazan’izy ireny, ny Soratra masina dia azo ampiasaina mba hanaporofoana fampianarana maro be mifanipaka. ‘Miankina amin’ny fomba filazana ny heviny ny zavatra rehetra’, hoy ny fanantitranteran’izy ireo. Izany tokoa ve no izy?

Marina fa azo atao foana ny manonona ny Baiboly ho fanohanana hevitra isan-karazany. Amin’ny fampisarahana fanambarana amin’ny teny manodidina azy, moa ve tsy hanjary hino ny olona fa feno hevitra mifanipaka ny asan’ny mpanoratra rehetra? Kanefa, ho fanaovana ny marina ve ny fihetsika toy izany? Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa dia miaiky fa ny fianarana ny Baiboly dia tsy mamela ho an’izay manao izany amim-pahatsorana tanteraka, fahafahana hilaza foto-pampianarana amin’ny fomba isan-karazany.

Ny amin’izany, ny Baiboly mihitsy dia manambara toy izao: “Fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin’ny Soratra Masina dia tsy efan’ny fisainan’ny olona fotsiny ihany.” (II Petera 1:20). Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny hery nanosika olona hanoratra teny ara-paminaniana ao amin’ny Baiboly dia tsy raikitra ao amin’izy ireo akory. Izany kosa dia ny fanahy masina, ny hery miasan’Andriamanitra. Eny, Andriamanitra no voalohany amin’ny mpaminany rehetra, satria izy no nanome ara-tsindrimandry ireo faminaniana marina rehetra ao amin’ny Soratra Masina tamin’ny alalan’ny heriny miasa sy tsy hita maso.

Ny hevitra noraisina hafa iray koa dia milaza fa ilay Andriamanitry ny Soratra grika ara-tsindrimandry dia be fitiavana sy fahamoram-panahy ary ilay an’ny Soratra hebreo dia olona lozabe sy mpamaly faty. Ny amin’ny Mpamorona, dia efa nanoratra toy izao sahady i Stendhal: “Mpanao fitondrana jadona izy io, ary, amin’ny maha-izany azy, dia feno hevitra famalian-dratsy; tsy miresaka afa-tsy sazy mafy dia mafy ny Baiboliny.” Tsy misy mahagaga mihitsy raha manana hevitra sahala amin’izany io mpanoratra tantara foronina io izay fantatra noho ny tsy finoany ny fisian’Andriamanitra sy noho ny fiheviny tia fanaranam-po. Ny loza dia ny fisian’ny olona maro be mihambo ho kristiana, anisan’izany ny mpitondra fivavahana, mino koa izany hevitra izany.

Ny marina anefa dia hoe ao amin’ny soratra hebreo toy ny ao amin’ny soratra grika, ny Soratra masina dia manamafy fa ‘iray ihany ny Andriamanitra’. (I Korintiana 8:6; Deoteronomia 6:4.) Afa-tsy izany koa, ny Baiboly amin’ny fitambarany dia milazalaza amintsika an’io Andriamanitra io ho Fisiana sady mamindra fo no marina, sady be fitiavana no tsy milefitra loatra (Eksodosy 34:6, 7; Salamo 103:6-8; I Jaona 4:8; Hebreo 12:28, 29). Ny sasantsasany amin’ireo andinin-teny mampihetsi-po indrindra ao amin’ny Baiboly dia hita ao amin’ny soratra hebreo, indrindra fa ao amin’ny Salamo. Mifamadika amin’izany, ny “Testamenta Vaovao” dia milazalaza amin-kery ny fanamelohana mafy tokony hampiharina amin’ny ratsy fanahy (II Tesaloniana 1:6-9; Apokalypsy toko faha-18 sy 19). Afa-tsy izany koa, manomboka eo amin’ny pejiny voalohany ka hatramin’ny farany ny Baiboly dia manolotra fanantenana mahatalanjona ho an’ny marina (Genesisy 22:17, 18; Salamo 37:10, 11, 29; Apokalypsy 21:3, 4). Araka izany àry, ny Baiboly dia mifanaraka amin’ny tenany ihany manomboka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.

Boky protestanta ve?

Amin’ireo katolika an-jatony tapitrisa maro eo amin’izao tontolo izao, dia olona tso-po maro be no mino mafy fa “boky protestanta” ny Baiboly. Rehefa dinihina, dia tsy ho azo tsinina loatra izy ireny, satria nandritra ny taonjato maro ny Eglizy dia nandrara azy ireo tsy hamaky ny Baiboly afa-tsy amin’ny teny latina. Izany toe-javatra izany dia nahatonga ny Soratra Masina tsy ho azon’ny ankamaroan’ny lahika ampiasaina. Marina fa nanomboka tamin’ny 1897, ary indrindra fa nanomboka tamin’ny konsilin’ny Vatican II (1962-1965), ireo katolika dia manana zo amin’ny fomba ofisialy hamaky Baiboly amin’ny fiteny haim-bahoaka izay neken’i Roma. Mafy aina anefa ireo lovantsofina. Noho izany antony izany, any amin’ireo tany anjakan’ny fivavahana katolika, ny famakiana ny Baiboly dia ampifandraisina foana amin’ny fivavahana protestanta.

Katolika mafana fo maro izay nividy Baiboly tao anatin’izao taona faramparany izao no mbola somary matahotra ihany rehefa mamoha azy. Nahoana? Satria ny Fiangonan’izy ireo manohy mampianatra fa mety hampidi-doza ny famakiana ny Soratra masina. Lazainy tokoa fa ny Baiboly dia tsy mirakitra ny fanambarana ny finoana kristiana rehetra, fa mila ny hofenoina amin’ny “lovantsofina”. Tao amin’ny bokiny hoe Ny Tenin’Andriamanitra, dia nanazava toy izao i Georges Auzou, mpampianatra Soratra masina tao amin’ny Seminera Lehibe any Rouen: “Ny lovantsofina dia mialoha, mandrakotra, miaraka sy mihoatra ny Soratra Masina (...). [Izany] dia mahatonga indrindra ho afaka hahatakatra hoe nahoana ny Eglizy no tsy nanery mihitsy tamin’ny fomba hentitra na nanambara fa ilaina tanteraka ny famakiana sy ny fianarana ny Baiboly.”

Nahoana no mamaky Baiboly?

Na dia tao aza izany rehetra izany, maneran-tany, dia katolika tso-po maro be no nanao izay hahazoana Baiboly sy nitady fanampiana mba hahazoana ny heviny. Toy izany koa ny amin’ny protestanta diso fanantenana maro be, mbamin’ny olon-kafa izay nametraka ny fanantenany tamin’ny kaominisma, ny sosialisma ary ny siansa, taloha.

Namakafaka ny mahatonga izany fahalianana indray amin’ny raharaha ara-panahy izany i Alain Woodrow ka nanoratra izao manaraka izao tao amin’ny gazety Le Monde: “Voalohany indrindra, izany dia fihetsika araka ny natiora mampiseho fahatsapana hadisoan-kevitra eo anoloan’ny tsy fahombiazan’ny fitambaran-kevitra lehibe, ny ideolojia, ny politika, ny siansa.” Ankoatra ny antony hafa, dia notononiny koa “ny fahadisoam-panantenana eo anoloan’ny fandikan’ireo Fiangonana voaorina ny fieritreretany amin’ny fanarahana ny fahefana ara-politika, ny herin’ny vola sy izao tontolo izao”. Farany, dia nolazainy ho antony koa izay nantsoiny hoe “ny tahotra apokalyptika”.

Angamba ianao efa nanomboka namaky ny Baiboly. Raha izany no izy, dia tokony ho fantatrao izao ny fomba handraisan-tsoa avy amin’izany famakian-teny izany.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara