Ny 14 Nisana — andro fahatsiarovana iray
“Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” — I KORINTIANA 11:24, MN.
1. Tamin’ny heviny ahoana moa Jesosy no hoe nandresy izao tontolo izao?
“MATOKIA; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” Tamin’ireo teny ireo no nampaherezan’i Jesosy sy namporisihany ary nampiorenany mafy ireo apostoliny be hitsim-po 11 tamin’ny takariva nialoha ny nahafatesany. Tena nandresy an’izao tontolo izao tokoa izy. Hainy ny tsy nivadika hatrany tamin’i Jehovah na dia tao aza izay rehetra nataon’i Satana, fahavalony lehibe indrindra mba hampialana azy amin’izany. Ora vitsivitsy monja talohan’ny hahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana, dia nino mafy izy fa tsy hivadika hatrany mandra-pahatongan’ny farany. — Jaona 16:33; Hebreo 12:2.
2. Nahoana moa Jesosy no nanorina ny “sakafon’ny Tompo”?
2 Io fisehoan-javatra nisy akony teo amin’izao rehetra izao io dia nitranga, 1 952 taona izay, tamin’ny fahefatra ambin’ny folon’ny volana Nisana araka ny volana, ny voalohany amin’ny fanisanandro ara-pivavahan’ny Jiosy. Io andro io dia tokony hisoritra amin’ny fomba tsy azo kosehina ao amin’ny fitadidian’ireo izay hifikitra amin’ny fanarahana ny dian’i Jesosy. Mba hahazoana antoka tokoa fa ireo mpianany mahatoky dia tsy hanamaivana mihitsy ny maha-zava-dehibe izay nadiva hitranga, Kristy dia nanorina fahatsiarovana manokana nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “sakafon’ny Tompo”. Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia notantarain’i Paoly fa tamin’io toe-javatra niseho io i Jesosy dia nandidy an’ireo mpianatra izay teo anilany hoe: “Ataovy hatrany izao ho fahatsiarovana ahy.” (I Korintiana 11:20, 24, MN ). Raha irinao ny hitondra tena toy ny mpianatr’i Jesosy, dia zava-dehibe ny hahatakaranao ny antony nanaovana an’io baiko io, mbamin’ny heviny ho anao sy ho an’ny ho avinao.
Andro iray fahatsiaro
3. Oviana sy tamin’ny fomba ahoana moa ny 14 Nisana no nanjary andro fahatsiarovana?
3 Tsy voalohany akory tamin’izay no nifidianana ny 14 Nisana ho andro fahatsiarovana. Tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tamin’ny alalan’i Mosesy, dia efa nanao izao baiko manaraka izao ho an’ny Isiraelita Jehovah: “Ary izany andro izany [ny 14 Nisana] dia ho fahatsiarovana ho anareo ka hotandremanareo ho andro firavoravoana ho an’i Jehovah; hatramin’ny taranakareo fara mandimby no hitandremanareo izany.” Fa inona no hankalazaina amin’io andro io? Ny tenan’i Jehovah mihitsy no manazava izany amin’izao teny izao: “Izao dia famonoana ny Paskan’i Jehovah, Izay nandalo ny tranon’ny Zanak’Isiraely tany Egypta, raha namely ny Egyptiana Izy.” — Eksodosy 12:14, 27.
4. Inona moa no nokendrena tamin’ny fanafahana ny Isiraely?
4 Izany fanafahana mahagaga ny lahimatoan’ny Isiraelita rehetra izany, nanomboka tamin’ny olona ka hatramin’ny biby, dia nitranga ny harivan’ny 14 Nisana. Izany dia nameno ny loza sivy izay namely ireo andriamanitra demonia nivavahana tany Egypta, tao anatin’ny faritry ny fikasana nahariharin’i Jehovah teo aloha raha nanambara toy izao tamin’i Farao nieboebo izy: “Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ny tany rehetra ny anarako.” Rehefa afaka andro vitsivitsy atỳ aoriana, dia mbola hanandratra ny anarany sy ny heriny koa Jehovah amin’ny famonjena Isiraelita an-tapitrisany maro sy olona isan-karazany maro ary amin’ny famelana ho faty an-drano ny miaramilan’i Farao notsongaina indrindra tao amin’ny ranomasina Mena. Tsy mahagaga loatra àry raha toa i Mosesy sy ny zanak’Isiraely tamin’izay niventy izao tononkira izao: “Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy”. — Eksodosy 9:16; 15:1.
5. Inona no nilana ny Paska?
5 Taorian’ny nanorenan’ny Isiraelita fonenana tany amin’ny tany nampanantenain’Andriamanitra an’i Abrahama razamben’izy ireo, ny Paska dia tokony hankalazaina indray mandeha isan-taona tamin’ny ambaratonga kely teo amin’ilay firenena, tany Jerosalema, araka ny didy voasoratra ao amin’ny Deoteronomia 16:1-8. Nataon’i Jehovah tamin’izany izay hitanan’ny 14 Nisana foana toerana tsara indrindra tao amin’ny fitadidian’ny vahoakany natao ohatra. Io fitandremana io dia natao hanandratana ny anarany amin’ny fampahatsiahivana ireo asa mahagaga notanterahiny mba hanafahana ireo mpanompony. Afa-tsy izany koa, taonjato maro taty aoriana, ny Paska sy ny heviny dia nitana ny toerana voalohany foana teo amin’ny fihetseham-po sy ny fisainan’ireo ray aman-drenin’i Jesosy izay lazaina amintsika fa “nankany Jerosalema isan-taona, raha avy ny andro firavoravoana amin’ny Paska”. Araka ny fanaon’ny Jiosy, dia niaraka tamin’izy ireo Jesosy zanany. — Lioka 2:41, 42.
6. Nahoana moa Jesosy no naniry fatratra ny hankalaza ny Paska taona 33 niaraka tamin’ireo apostoliny?
6 Taorian’ny batisany tao Jordana sy ny fanombohan’ny fanompoany, dia azo inoana fa Jesosy dia nanohy nankalaza ny Paska niaraka tamin’i Maria reniny sy ireo rahalahiny (ireo zanak’i Maria hafa). Ny 14 Nisana taona 33 anefa, dia nanao fandaharana izy mba hankalaza an’io fotoan-dehibe io niaraka tamin’ireo apostoliny 12. Araka ny fitantaran’i Lioka, tamin’io fotoana io i Jesosy dia naneho ny fihetseham-pony tamin’izao teny izao: “Naniry koa raha naniry Aho hiara-mihinana ity Paska ity aminareo, dieny mbola tsy mijaly Aho.” (Lioka 22:15). Nahoana no dia nifikitra tamin’izy io toy izany izy? Satria takany ny tena maha-zava-dehibe izay ho tonga amin’io andro io izay vao nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro. Fantany fa ireo fisehoan-javatra ireo dia nihoatra be dia be izay nitranga tamin’ny 1513 alohan’ny fanisan-taona iraisana. Noho izy ireo tokoa, ny anaran’i Jehovah dia hasandratra tsy mbola nisy toy izany mihitsy, ary hapetraka ny fototra izay hahatonga hety amin’ny farany ny fitahiana ny fianakavian’olombelona rehetra amin’ny tany. Afa-tsy izany koa, Jesosy dia nanan-javatra betsaka holazaina tamin’ireo mpianany talohan’ny hahafatesany. Tiany ny hampiditra ao amin’izy ireo ny herim-po hilainy mba hanohizana hanaraka azy amim-pahatokiana. Ny famakiana ireo fitantarana amin’ny antsipiriany ao amin’ireo Filazantsara dia hahatonga antsika ho afaka hahafantatra izay nolazain’i Jesosy sy nataony tao anatin’io takariva tsy hay hadinoina io. — Jaona 12:31; 17:26.
Ireo zava-nisy sy ny heviny
7. a) Tao anatin’io Paska farany io, inona no nitranga talohan’ny nanorenan’i Jesosy ny fahatsiarovana ny nahafatesany (Jaona 13:1-30)? b) Ahoana no fandehan’ny “sakafon’ny Tompo” voalohany?
7 Tamin’ny fisakafoana, dia nitsangana i Jesosy mba hanasa ny tongotr’ireo mpianany, ka nanome ho azy ireo tamin’izany, ohatra faka tahaka tanteraka mampiseho fanetren-tena. Rehefa avy eo, dia hoy ny nambarany: “Ny anankiray aminareo no hamadika Ahy.” Fotoana fohy taorian’izay, dia nitodika tany amin’i Jodasy izy ka niteny taminy hoe: “Izay ataonao dia ataovy faingana.” Milaza mazava toy izao ny fitantaran’i Jaona: “Nivoaka niaraka tamin’izay (izy); ary efa alina ny andro.” (Jaona 13:21, 27, 30). Aorian’ny fiaingany Jesosy no hanorina fahatsiarovana ny nahafatesany. Aoka hojerentsika ny fomba nilazalazan’i Matio, vavolombelona nahita maso iray, ny fandehan’io fankalazana io: “Ary raha mbola nihinana izy, dia nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Ary lazaiko aminareo fa hatramin’izao dia tsy mba hisotro itony vokatry ny voaloboka itony Aho mandra-pihavin’ny andro hiarahako misotro izay vaovao aminareo any amin’ny fanjakan’ny Raiko. Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Oliva.” — Matio 26:26-30; jereo koa Marka 14:22-26; Lioka 22:19, 20 sy I Korintiana 11:23-26.
8. Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny hahazoana tsara ny hevitr’izay rehetra nolazain’i Jesosy sy nataony tamin’ny Fahatsiarovana?
8 Inona no hevitra lalin’izay nolazain’i Jesosy sy nataony tamin’io hariva io? Nosoritan’i Paoly fa zava-dehibe tokoa ny hahatakaran’ny mpianatr’i Kristy voahosotra rehetra izany rehefa nanoratra toy izao izy: “Koa na zovy na zovy no mihinana ny mofo sy misotro amin’ny kapoaky ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, dia ho meloka ny amin’ny tena sy ny ran’ny Tompo izy.” Mazava ho azy fa tsy misy mihitsy kristiana nateraky ny fanahy masina haniry ny ‘tsy ho mendrika’ eo imason’i Jehovah, satria izany hiteraka ny tsy fankasitrahany. Tetsy andaniny koa, ireo anisan’ny “olona betsaka” dia tsy isalasalana fa maniry ny hoheverina ho namana mendrika ho an’ny sisa amin’ireo kristiana mitafy hosotra. Amin’izany, dia mety ny handinihantsika indray an’io foto-kevitra io amin’ny antsipiriany. — I Korintiana 11:27.
9. Nahoana moa no tsara kokoa ny handikana ny tenin’i Kristy amin’ny hoe “Mampiseho ny tenako ity” noho ny hoe “Ity no tenako”? (Jereo ny fanamarihana ambany pejy.) b) Inona moa no heviny manokana nomen’i Jesosy ny mofo? d) sy ny divay?
9 Tamin’ny fanambarana hoe: “Mampiseho ny tenako itya”, Jesosy dia nanome heviny manokana ho an’ny mofo. Izany dia natsangany ho mariky ny tenany nofo tsy nanana ota izay hataony sorona “ho fiainan’izao tontolo izao”. (Jaona 6:51.) Sahalahala amin’izany koa, rehefa nanampy teny toy izao izy ny amin’ny kapoaka nisy divay: “Ity dia mampiseho ny ‘ran’ny fanekena’ ataoko, izay tokony halatsaka (...) mba hahazoana famelana ny fahotana”, ilay fisotro namorivory tao dia nataony mariky ny ran’ny tenany izay tokony hampiasaina ho fanorenan’ny fanaovana “fanekena vaovao”. Ny fandatsahana an’io ra io koa dia hahatonga hety ny “famelana ny fahotana”. — Matio 26:28, MN; Jeremia 31:31-33; Hebreo 9:22.
10. Inona no dikan’ny fandraisana ny mofo sy ny divay?
10 Ireo izay mandray ny mofo sy ny divay amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia mampiseho amin’izany amin’ireo mpandray anjara hafa, toy ny amin’ny mpijery rehetra, fa efa nandray soa tamin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy tamin’ny fomba iray sy noho ny fikasana tena manokana izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana? Noho izy ireo nametraka ny finoany tamin’ny soron’i Kristy ka nanolo-tena ho an’i Jehovah, dia nampiharin’i Jehovah tamin’izy ireo ny vidin’ny sorona olombelona nomen’i Jesosy, hany ka tena heveriny ho toy ny olombelona tanteraka izy ireny ary amin’izany izy ireo heverina ho marina eo imasony. Tamin’izany Jehovah dia niteraka azy ireo tamin’ny alalan’ny fanahiny masina, hany ka tonga zanany ara-panahy izy ireo. Hatramin’izao izy ireo dia afaka manao sorona ny zony hiaina eto an-tany ho takalon’ny lova any an-danitra atolotra azy ireo. Izany rehetra izany dia tokony hitranga alohan’ny handraisany anjara amin’ny Sakafon’ny Tompo. — Romana 5:1, 2, 8; 8:15-17; Jakoba 1:18.
11, 12. a) Inona moa ireo lafiny roa hafa amin’ny fanoharana mifamatotra amin’ny divay? b) Ahoana moa ny amin’ny fanekena nifanaovan’i Jesosy tamin’ireo izay mandray ny marika?
11 Aoka hojerentsika izao izay asehon’ny fisotroana ny divay indrindra. Na dia nomen’i Jehovah fahatongavana ho marina aza ireo zanany ara-panahy ary natsangany ho toy izany, dia mbola tsy tanteraka foana izy ireo raha ny amin’ny nofo. Mbola mety manota izy ireo ary miaiky an-tsitrapo ny amin’izany. Rehefa mandray ny divay ho marika izy ireo, dia miaiky fa mila isan’andro isan’andro ny ran’i Jesosy Kristy, izay “nalatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka”. — I Jaona 1:9, 10; 2:1.
12 Mifono heviny hafa koa ny divay amin’ny Fahatsiarovana. Ireo izay misotro izany tokoa dia manamarina fa izy ireo dia nampidirina ao amin’ny “fanekena vaovao” izay nambaran’i Jehovah fahiny tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany ny fisehoany. Niditra hanan-kery io fanekena io noho ny ran’i Jesosy. Ny andaniny roa mifanatrika amin’io fifanekena io, dia Jehovah etsy andaniny, ary etsy ankilany dia ireo zanany ara-panahy izay nofidiny mba hahaforona ny Isiraely ara-panahy. Amin’ny maha-Mpanalalana azy, Jesosy dia mampiasa ilay fanekena resahina mba hanampiana ireo kristiana 144 000 raisina ao ho tonga anisan’ny taranak’i Abrahama (Jeremia 31:31-34; II Tesaloniana 2:13; Hebreo 8:10, 12; 12:22-24; Galatiana 3:29). Afa-tsy izany koa, dia amin’ireo mpianatra ireo ihany koa no nanaovan’i Jesosy ‘fanekena ho amin’ny fanjakana’. Koa hampiasain’i Jehovah izy ireo sy Jesosy Kristy Mpanjakany mba hampita ny fitahiany sy ny fiainana amin’ny fianakaviana rehetra amin’ny tany. — Lioka 22:28-30; Jaona 6:53; Apokalypsy 5:9, 10; Genesisy 22:15-18.
13. Amin’izao androntsika izao, inona no tokony hotsarovana ny 14 Nisana?
13 Marina tokoa àry fa rehefa mandalina ny hevitry ny teny notononin’i Jesosy tamin’io andro fahatsiaro io isika, dia tsy afaka ny tsy hieritreritra ny fitiavana nasehon’i Jehovah tamintsika tamin’ny fanomezana an’io Zanaka malalany io. Eritreretintsika indray koa ny fitiavana nasehon’ny tenan’i Jesosy mihitsy tamin’ny fanolorana ny fanahiny ho avotra ho an’ny olombelona rehetra izay haneho finoana (Jaona 3:16; Romana 5:8; I Timoty 2:5, 6). Tao anatin’io takariva io koa anefa i Jesosy dia nanambara fahamarinana hafa tsy hay tombanana mba hahasoa an’ireo mpianany. Amin’ny mpanoratra ao amin’ny Baiboly rehetra, dia ny apostoly Jaona ihany no nitantara io resaka io izay natao nitokana dia nitokana.
Voninahitra sy fitiavana ary firaisan-tsaina
14. a) Amin’ny heviny ahoana moa Jehovah no ankalazaina isaky ny Fahatsiarovana? b) Inona no fifandraisana misy eo amin’ny fitiavana kristiana sy ny fahatsiarovana an’i Jesosy? Eo amin’ny lafiny inona àry ny mpandray anjara rehetra no tokony handini-tena?
14 Ankoatra ny zavatra hafa, dia izao no nambaran’i Jesosy: “Ankehitriny dia efa ankalazaina ny Zanak’olona; ary Andriamanitra no ankalazaina eo aminy.” (Jaona 13:31). Hatramin’ny nivoahan’ny Isiraelita avy any Egypta, ny 14 Nisana dia nampiarahina foana tamin’ny fanamarinana ny anaran’i Jehovah sy tamin’ny fanandratana ny fiandrianany sy ny heriny. Na dia izany aza, ny fahatokiana hasehon’i Jesosy hatreo amin’ny fahafatesany sy ny fananganana nalaza nataon’ny Rainy taminy nanaraka izany dia hanome voninahitra sy fankalazana mbola lehibe kokoa ihany ny anaran’Andriamanitra (jereo Ohabolana 27:11). Tetsy andaniny koa, tamin’io toe-javatra io ihany, dia nanazava tamin’ireo izay nanodidina azy i Jesosy fa mba hisehoana ho mpianany, dia tokony hitandrina “didy vaovao” izy ireo, dia: ‘hifankatia tahaka ny nitiavany azy ireo.’ (Jaona 13:34, 35). Raha ny amin’izay mahakasika antsika, ny halalin’ny fitiavan-drahalahy ananantsika dia mampiharihary koa hoe manao ahoana ny fankasitrahantsika an’i Jesosy noho ny fitiavana nasehony antsika tamin’izany fotoana izany. — I Jaona 4:19.
15. a) Karazam-piainana inona moa no atolotra an’izay rehetra mandray amim-pahamendrehana ny marika? b) Ahoana no azo anaporofoana ny fitiavan’ny tena an’i Jesosy?
15 Ny fanantenana ny hiaina indray andro any ao anatin’ny fonenana any an-danitra dia anisan’ireo fifaliana atolotr’Andriamanitra izay fidiny mba hiara-manjaka amin’ny Zanany (Apokalypsy 20:6). Ny tenan’i Jesosy koa aza dia nanintona ny sain’izy ireo ho amin’izany fanantenana izany tamin’ny filazana hoe: “Andeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho (...) dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko.” (Jaona 14:2-4). Fandraisana hahatalanjona loatra izany ho an’ireo izay tsy mivadika hatrany hatramin’ny farany! Izany no mahatonga izao fananaran’i Jesosy izao: “Raha tia Ahy hianareo, dia hitandrina ny didiko.” Izany dia mihatra amin’ny didiny rehetra, anisan’izany ilay mandidy ny kristiana mba hampianatra sy hanao mpianatra. — Jaona 14:15, 21; Matio 28:19, 20.
16. a) Ahoana moa no teny nanantitranteran’i Jesosy ny amin’ny firaisan-tsaina tokony hanjaka eo amin’ireo mpianany? Nahoana moa izany firaisan-tsaina izany no zava-dehibe tokoa? b) Tokony hisetra inona moa ny mpianatr’i Jesosy rehetra? Inona no hanampy azy ireo hiatrika izany?
16 Zava-dehibe dia lehibe ny hiraisan’ny mpianatr’i Jesosy saina aminy sy amin’izy samy izy. Koa nampiasa ny fanoharana ny amin’ny voaloboka sy ny sampany i Jesosy mba hampisongadina an’io fahamarinana io. Ny firaisan-tsaina toy izany dia mahatonga ny kristiana ho afaka hamoa, ka izany dia manome voninahitra ny Ray (I Korintiana 1:10; Jaona 15:1, 5, 8). Izay rehetra manaraka ny dian’i Jesosy dia tokony hanampo ny ho tojo fanoherana sy fanenjehana. Fantatr’izy ireo anefa fa nandresy izao tontolo izao i Jesosy tamin’ny tsy fivadihana hatrany teo anoloan’ny fanafihan’i Satana, ary izany dia manatanjaka ny finoan’izy ireo. — Jaona 15:18-20; 16:2, 33.
17. Hazavao ny sasantsasany amin’ireo hataka nolazain’i Jesosy tao amin’ny vavaka nataony voatantara ao amin’ny Jaona toko faha-17.
17 Namarana ny takariva tamin’ny vavaka nafana i Jesosy. Ny fanomezam-boninahitra ny Rainy no fototry ny hataka nataony. Nangataka an’Andriamanitra koa Jesosy mba hiaro an’ireo mpianany amin’ilay ratsy, dia Satana, raha mihataka amin’izao tontolo izao izy ireo. Nivavaka koa izy mba hahatonga ny firaisan-tsaina sy ny fitiavana manjaka eo amin’izy sy ny Rainy ho afaka hitombo hatrany eo amin’ireo izay manaraka ny diany izay tsy hitsahatra hitombo ny isany. — Jaona toko faha-17.
18. Rehefa heverina amin’ny isan’ny olona nanatrika ny Fahatsiarovana tamin’ny 1984, nahoana no vitsy dia vitsy isan’ny mpandray anjara tamin’io fankalazana io?
18 Tsy nijery afa-tsy sasantsasany tamin’ireo hevitra sarobidy nampitain’i Jesosy tamin’ireo mpianany tao anatin’io takariva io isika, eo amin’ny 1 952 taona izao. Azo antoka anefa fa izany dia nanampy antsika hahatakatra hoe nahoana ny 14 Nisana no mendrika ny hotsarovana. Raha ny marina dia tsy mahagaga loatra raha toa tamin’ny taona lasa ka Vavolombelon’i Jehovah sy sakaizan’ny olon’Andriamanitra 7 416 974 no nahatakatra ny ilàna hivory mba hitandremana ny Sakafon’ny Tompo. Tamin’izany vahoaka maro be izany anefa, dia olona 9 081 monja no nandray anjara tamin’ny marika. Nahoana? Satria amin’izao fotoana izao ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia fantatra ho “olona betsaka” izay mitsangana ‘eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry’. Manantena izy ireo ny hiaina mandrakizay eto an-tany, fa tsy ho any an-danitra tsy hahitana afa-tsy kristiana 144 000 “hiara-manjaka aminy [Kristy] arivo taona”. — Apokalypsy 7:9; 20:6; Salamo 37:11.
19. Ny amin’inona no horesahintsika amin’ny herinandro manaraka? Nahoana moa no zava-dehibe tokoa ny hanatrehan’ny rehetra an’io fianarana io?
19 Fanontaniana maromaro anefa no napetraka momba ny fifandraisana misy amin’izany “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” izany sy ny “sakafon’ny Tompo”. (Jaona 10:16.) Mba hanalavirana izay rehetra mety ho tsy fahazoan-dresaka rehefa manatona ny Fahatsiarovana vaovao, dia hamaly izany isika ao amin’ny lahatsoratra manaraka. — I Tesaloniana 5:21.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fandikan-teny sasany dia mandika an’io fehezan-teny io amin’ny hoe: “Ity no tenako.” (Jereo Osty, Segond, Traduction (Ecuménique de la Bible.) Kanefa, ny hevitry ny matoanteny grika nadika hoe “no” eto, estin dia hoe “midika”, “milaza”, “mampiseho”, na “manohatra”. (Jereo ny fanamarihana ambany pejy mifandray amin’ny Matio 26:26 ao amin’ny Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, fanontana amin’ny teny anglisy misy teny nalaina, tamin’ny 1984, sy ao amin’ny Testamenta Vaovao nataon’i A. Decoppet [1903].) Hita koa io teny grika io ao amin’ny Matio 9:13 sy 12:7, izay andikana azy hoe “midika” na “milaza” ao amin’ireo fandikan-teny voatonona eo aloha ireo sy ny maro hafa koa.
Tadidinao ve izany?
◻ Iza moa no omen-dalana handray ny marika amin’ny Fahatsiarovana?
◻ Tokony hampahatsiahy inona antsika moa ny Fahatsiarovana?
◻ Ahoana no azo ampisehoana fa mahatsiaro an’i Jesosy ny tena eo amin’ny fiainana andavanandro?
◻ Ao amin’ny Baiboly, fanontaniana inona tena lehibe no mifamatotra foana amin’ny 14 Nisana?