Ny “ondry hafa” sy ny Sakafon’ny Tompo
[Jesosy] no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” — I JAONA 2:2.
1. Inona no vokatra nentin’ny fitoriana ny “vaovao tsaran’ny fanjakana”?
NAMINANY toy izao i Jesosy: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra; dia vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14, MN ). Misy sasany amin’ny solontenan’ny taranaka tamin’ny 1914 velona mba hanaporofo fa ny Vavolombelon’i Jehovah dia nanatanteraka tamim-pahatokiana an’io baiko ara-paminaniana io. Taty aoriana, dia lehilahy sy vehivavy tso-po ana hetsiny maro tofoka noho ireo tsy fahombiazan’izao tontolo izao ankehitriny no nandray tsara ny vaovao tsara. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izy ireo ary nianiana fa tsy hivadika amin’ny Fiandrianany, avy eo dia nasehony ampahibemaso fa naka izany toerana izany izy ireo tamin’ny fanekena hatao batisa tamin’ny fandrobohana. Tao anatin’ny taona 1984, dia olona 179 421 no nanana fahendrena nanao ireo dingana ireo. Tamin’izany no nanambarany tamin’ireo izay efa tafangona ho an’ny anaran’i Jehovah hoe: “Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.” — Zakaria 8:23.
2. Nahoana moa no tsy nanangona ny “ondry hafa” i Jesosy Kristy raha tsy taty aoriana?
2 Izany “olona betsaka” mpivavaka izany izay tsy mitsahatra ny mihamaro ny fitambarany dia anisan’ny olombelona nasehon’i Jesosy ho ‘ondriny hafa’. (Apokalypsy 7:9, 15; Jaona 10:16.) Mamelona fanantenana mahatalanjona ny hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany izy ireo (Salamo 37:29). Jesosy, Mpiandry tsara, dia nanambara fa tsy hanangona ireo mpianatra mahatoky ireo izy raha tsy rehefa avy nanome ny fiheverany rehetra ny fanangonana ny “ondry vitsy” izay ho an’ireo no andraisany ny anjara asan’ny Mpanalalana amin’ny fanekena vaovao (Lioka 12:32; Hebreo 9:15). Noho ny fahafantarana fa tsy maintsy hataony “andiany iray” ihany ireo kilasy roa amin’ny “ondry” ireo, dia takatsika ny antony nanoratan’ny apostoly Jaona toy izao momba azy: “Ary Izy no avotra noho ny fahotantsika, ary tsy noho ny antsika ihany, fa noho ny an’izao tontolo izao koa.” — I Jaona 2:1, 2.
Fanovana ilaina
3, 4. a) Nahoana moa no be dia be no tsy maintsy nanitsy ny fiheverany raha ny amin’ny Sakafon’ny Tompo? b) Inona moa no dikan’ny fitenenana hoe “na oviana na oviana hianareo no mihinana (...) sy misotro”?
3 Tamin’ireo “ondry hafa” nangonina tamin’izao fotoana faramparany izao, dia betsaka taloha no nankalaza ny lamesa na ny Fanasan’ny Tompo araka ny fomban’ny Fiangonana nisy azy ireo, ary matetika araka ny notakin’ny zavatra ninoany taloha. Takany ankehitriny fa ny Sakafon’ny Tompo dia tsy tokony hatao afa-tsy indray mandeha isan-taona. Fa nahoana àry? Aoka hotadidiantsika fa ny Paska jiosy dia andro firavoravoana fanao isan-taona, ary Jesosy dia nanorina indrindra ny Fahatsiarovana tamin’ny 14 Nisana, andro Paska. Tamin’izay no nilazany tamin’ireo mpianany hoe: “Izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy.” Nanampy fanazavana toy izao i Paoly: “Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny.” (I Korintiana 11:24-26). Amin’izany dia miharihary fa te-hilaza i Jesosy hoe ireo mpianany dia tokony hahatsiaro ny fahafatesany tamin’ny andro Paska izay niverimberina isan-taona. Araka izany, dia hotandremana imbetsaka ny Fahatsiarovana amin’ny andro ahaveloman’ny kongregasiona kristiana. Raha ny marina, dia efa nankalazaina in-1 952 izany.
4 Voatery ‘nanitsy’ ny fiheverany tamin’ny lafiny hafa iray koa ny “ondry hafa”. Tsy mandray ny mofo sy ny divay toy ny nataon’ny maro taminy teo aloha tao amin’ny Fiangonany izy ireny fa tsy mitana afa-tsy ny toeran’ny vavolombelona intsony. Fa nahoana no toy izany? Inona no porofo araka ny Baiboly azo aroso ho fanamarinana fankalazana izay sady misy vavolombelona no misy mpandray anjara? II Korintiana 13:11; II Timoty 3:16, 17.
5. a) Inona avy moa no dingana tena lehibe tokony hatao mba handraisan-tsoa amin’ny soron’i Jesosy? b) Nahoana moa Andriamanitra no mandray anjara amin’ny fomba manokana raha ny amin’ireo mpianatry ny Zanany 144 000?
5 Na mamelona fanantenana ny hiaina any an-danitra ny tena na hiaina ao amin’ny Paradisa an-tany, dia ilaina ny manao dingana maromaro mba handraisan-tsoa amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy. Ireto ny lehibe indrindra: 1) fahazoana fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra (Romana 10:13-15); 2) fanehoana finoana (Hebreo 11:6); 3) fibebahana (Matio 4:17); 4) fiverenana (Asan’ny apostoly 3:19); 5) fanoloran-tena ho an’i Jehovah (Lioka 9:23) sy 6) filatsahana hatao batisa (Matio 28:19). Rehefa avy nanao ireo dingana ireo ihany ny kristiana iray vao mety handray anjara amin’ny fomba manokana Andriamanitra ny aminy, raha mifidy azy mba hanaovana azy ho anankiray amin’ireo kristiana 144 000 izay nahaforona ny “ondry vitsy”. Nahoana no hanao toy izany izy? Mba hahatonga an’ilay olona resahina hisaina ho anisan’ireo zanany ara-panahy, mba hahatongavana ho mpanjaka sy mpisorona eo anilan’i Jesosy Kristy (Apokalypsy 20:4, 6). Tsy misy afa-tsy sisa amin’ireo zanaka ara-panahin’Andriamanitra intsony eto an-tany. Izy ireny no afaka mandray ny marika amin’ny Fahatsiarovana. Noho izany antony izany, ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia mitondra tena toy ny vavolombelona fa tsy toy ny mpandray anjara amin’io fotoan-dehibe io.
Ny Paska sy ny Fahatsiarovana
6. Tamin’inona moa no nifotoran’ny sasany mba hanantitranterana fa ny “ondry hafa” dia tokony handray ny marika? Fanontaniana inona no mipetraka noho izany?
6 Nisy anefa nanamarina fa ny “ondry hafa” mihamatevin-daharana hatrany, dia tokony handray ny marika koa. Miankina amin’izao fanazavana izao izy ireny: Koa satria ny Lalàna, izay “aloky ny zava-tsoa ho avy” nitaky ny hitandreman’ny Isiraelita sy ny vahiny voafora ny Paska, dia tokony hotsoahina avy amin’izany, araka ny filazan’izy ireo, fa ny karazana “ondry” roa izay mahaforona “andiany iray” ihany voangona eo ambany fitarihan’ny ‘Mpiandry iray ihany’ dia omen-dalana hihinana ny mofo sy hisotro ny divay amin’ny Fahatsiarovana (Hebreo 10:1; Jaona 10:16; Nomery 9:14). Izany dia mametraka fanontaniana lehibe iray hoe: Moa ve ny Paska tandindon’ny Fahatsiarovana?
7. Tamin’ny lafiny inona avy moa ny Paska no “aloky ny zava-tsoa ho avy”?
7 Tsy isalasalana fa ny sary sasany tamin’ny Paska nankalazaina tany Egypta dia tanteraka tamin’ny tenan’i Kristy. Paoly dia nampitaha an’i Jesosy tamin’ny zanak’ondrin’ny Paska rehefa nanoratra hoe: “Fa voavono Kristy, Paska ho antsika.” (I Korintiana 5:7). Ny famafazana ny ran’ny zanak’ondry teo amin’ny tolana sy tataom-baravarana no nitondra famonjena ho an’ny lahimatoan’ny isam-pianakaviana teo amin’ny Isiraely. Toy izany koa fa, tamin’ny “famafazana” ny ran’i Kristy no nahazoan’ny “fiangonan’ny lahimatoa voasoratra any an-danitra” ny fanafahana azy ireo, dia ny “fanafahana amin’ny fanavotana” azy ireo. (Hebreo 12:23, 24; Efesiana 1:3, 7, MN.) Afa-tsy izany koa, dia tsy misy na dia iray monja aza amin’ny taolan’ny zanak’ondrin’ny Paska tokony hotapahina, ary hita koa io antsipiriany io tamin’i Jesosy Kristy (Eksodosy 12:46; Salamo 34:20; Jaona 19:36). Noho izany, dia marina ny ilazana fa tamin’ny lafiny sasany, tahaka ny zavatra maro hafa mampiavaka ny Lalàna, ny Paska dia “aloky ny zava-tsoa ho avy”. Marina tokoa fa izany ohatra ara-paminaniana rehetra izany dia nanambara an’i Jesosy Kristy, “Zanak’ondrin’Andriamanitra”. — Jaona 1:29.
8-10. a) Raha ny amin’ny ra, tamin’ny ahoana moa ny Paska no hafa noho ny Fahatsiarovana? b) Tamin’ny ahoana moa ireo fanekena nifamatotra tamin’ny Fahatsiarovana no nampiavaka azy tamin’ny Paska? d) Mitarika antsika ho amin’ny fanatsoahan-kevitra inona izany?
8 Na dia izany aza, ny Paska, amin’ny ara-bakiteny, dia tsy tandindon’ny Sakafon’ny Tompo akory. Rehefa nankalazaina voalohany tokoa io andro firavoravoana io tany Egypta, dia nihinana ny henan’ny zanak’ondry natsatsika ny Isiraelita, nefa tsy nisotro ny rany. Rehefa nanorina ny fahatsiarovana ny nahafatesany kosa anefa i Jesosy, dia nodidiany tamin’ny fomba hentitra ireo tonga teo mba hihinana ny mofo sy hisotro ny divay, mampiseho ny nofony sy ny rany (Eksodosy 12:7, 8; Matio 26:27, 28). Amin’izany raha ny amin’ny ra, endriny tena lehibe amin’ny Fahatsiarovana anefa, ny Paska dia tsy nampiseho ny Sakafon’ny Tompo.
9 Misy zavatra hafa iray koa tokony hotadidiantsika ao an-tsaina. Tamin’ny Fahatsiarovana, Jesosy dia niresaka tamin’ireo mpianany ny amin’ny fanekena roa: “ny fanekena vaovao” sy ny ‘fanekena ny amin’ny fanjakana iray’. (Lioka 22:20, 28-30.) Ireo fanekena roa ireo dia hanome ho an’ireo handray ny marika, fahafahana ho tonga mpanjaka sy mpisorona eo anilany. Teo amin’ny Isiraely anefa dia tsy nisy mihitsy vahiny, na dia voafora aza, azo notendrena ho mpanjaka na mpisorona. Tamin’io lafiny io koa, ny Sakafon’ny Tompo dia niavaka tsara tamin’ny Paska.
10 Izany rehetra izany dia mitarika antsika amin’izao fanatsoahan-kevitra manaraka izao: Ny nihinanan’ireo vahiny voafora mofo tsy misy masirasira sy anana mangidy ary zanak’ondry tamin’ny andro Paska dia tsy manaporofo velively fa amin’izao andro izao ny ‘ondry hafan’ny’ Tompo dia tokony handray ny mofo sy ny divay atao marika amin’ny Fahatsiarovana.
Nahoana no manatrika ny Fahatsiarovana?
11. Noho ny antony lehibe inona moa no mahamety ny hanatrehan’ny “ondry hafa” ny Fahatsiarovana?
11 Tokony hotsoahina avy amin’izany ve fa tsy mampaninona na tsy tonga ao amin’ny Fahatsiarovana aza ny “ondry hafa”? Azo antoka fa tsy izany. Io fahatsiarovana io tokoa dia mahaforona ho an’ny “ondry” na mpianatr’i Jesosy rehetra, fahafahana tsy manam-paharoa hahatsiaro azy. Amin’io andro io, dia mety ny hieritreretan’ny “ondry hafa” ireo soa efa noraisiny noho ny finoany ny ra nalatsak’i Kristy. Azony atao indrindra ny mahatsiaro fa araka ny fiheveran’i Jehovah, dia ‘nanasa ny akanjony sy namotsy izany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry’ izy. Noho izany rahateo no ahafahan’izy ireo manompo an’Andriamanitra “andro aman-alina eo amin’ny tempoliny”. (Apokalypsy 7:14, 15.) Afa-tsy izany koa, izany fitandremana izany dia mampahatsiahy azy ireo fa tokony hanohy ‘hitady an’i Jehovah sy ny fahamarinana ary ny fanetren-tena’ izy ireo mba ho voatsimbina rehefa ho avy ny “andro” fahatezeran’Andriamanitra, mba hananana fifaliana rehefa avy eo ho tonga olona tanteraka sy tena ambaran’i Jehovah fa marina rehefa ho nomen’i Jesosy azy ny Fanjakana. — Zefania 2:2, 3; I Korintiana 15:24; Apokalypsy 20:5.
12. Inona avy moa no soa azo amin’ny fihainoana ny lahatenin’ny Fahatsiarovana?
12 Ny lahateny amin’ny Fahatsiarovana dia efa antony hafa iray tena lehibe tokony hanatrehana an’io fankalazana io. Ireo fahamarinana velabelariny tokoa dia anisan’ny “saina lalina izay an’Andriamanitra’. Izany akory tsy ny ‘rononon’ny’ “abidim-pianarana”, fa “ventin-kanina” ho an’ny “lehibe” [matotra, MN ]. (I Korintiana 2:10; Hebreo 5:13 ka hatramin’ny 6:1.) Io lahateny araka ny Baiboly io tokoa dia manamafy ny fankasitrahantsika noho ny fitiavana mahagaga nasehon’i Jehovah tamintsika tamin’ny fanomanany ny Fanjakany ho fitahiana ny taranak’olombelona. Izy io koa dia fahafahana tsara dia tsara ‘hijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy’. Raha ny marina, dia tsy tokony hoheverintsika ho toy ny zavatra tsy maintsy azo mihitsy ny fitiavana nasehon’i Kristy antsika sy ireo fahoriana niaretany (Hebreo 12:2, 3). Farany, dia tsy hisy handa mihitsy fa ny ankamaroan’ny hevitra sarobidy nambaran’i Jesosy tamin’ireo apostoliny ny harivan’ny Fahatsiarovana izay nahakasika ny firaisan-tsaina, ny fitiavana sy ny fanomezam-boninahitra ny anaran’i Jehovah, dia sady mihatra amin’ny “ondry hafa” no mihatra amin’ny “ondry vitsy”.
Aoka isika haneho fiahiana ny rehetra
13. Nahoana moa no zava-dehibe ny hampandalovana ireo marika eny amin’ny mpanatrika rehetra?
13 Zava-dehibe ny hampahatsiahivan’ny fandaharana amin’ny Fahatsiarovana amin’izay rehetra tonga ao, ny fotoan-dehibe naorin’i Jesosy. Rehefa tena ampandalovina tokoa eny amin’ny mpanatrika ny mofo sy ny divay, ny rehetra dia voatarika hieritreritra lalina kokoa ny amin’ny zavatra masina vao noresahina. Izany dia manome koa ho an’ny tsirairay avy, fahafahana hampiseho ampahibemaso na ny ho any an-danitra no fanantenany na ny ho eto an-tanya. Raha alamina araka ny tokony ho izy ny fankalazana, ny kongregasiona rehetra dia ho iray maneran-tany amin’io takariva io. — I Korintiana 14:40.
14. Ahoana no azon’ireo loholona anehoana fiahiana ny kristiana voahosotra iray izay marary ny takarivan’ny Fahatsiarovana?
14 Aoka izao hataontsika hoe marary ny kristiana voahosotra iray ao amin’ny kongregasiona iray ka tsy afaka manatrika ny Fahatsiarovana. Araka izay rehetra azo atao, dia ho tsara ny hitondran’ny loholona iray ny marika ho azy. Raha mety amin’izany ny tarehin-javatra, dia hanonona teny mety vitsivitsy izy alohan’ny hanolorana azy ny mofo sy ny divay, avy eo dia hofaranany amin’ny vavaka mety amin’ny toe-javatra. Eritrereto ny fampaherezana mety hoentin’izany fihetsehana izany ho an’ilay marary! Ny mariky ny fiahiana toy izany dia natao hampitombo ny fitiavana eo anivon’ny kongregasiona. (Jereo koa ny pejy faha-31.) — Salamo 133:1.
15. Amin’ny fomba hafa inona koa moa no azo ampisehoana fanajana ny Sakafon’ny Tompo?
15 Nisy fanontaniana mahaliana hafa napetraka momba ny fandaminana ny Fahatsiarovana sy ny karazana marika azo ampiasaina ao. Hahita fanazavana ny amin’ireo hevitra isan-karazany ireo ianao ao amin’ny faritra voafefy hoe “Aoka hasehontsika ny fanajantsika ny Sakafon’ny Tompo”, ao amin’ny pejy faha-17. Ho tsara ny hanarahan’ny loholona isaky ny kongregasiona an-tsakany sy an-davany ireo toromarika ireo.
Fandinihan-tena
16, 17. a) Inona moa no fanontaniana napetraky ny sasany raha ny amin’ny mety ho fandraisany anjara amin’ny Fahatsiarovana? Iza ihany no afaka mamaly izany? b) Inona moa no fanambarana mampiaiky omen’Andriamanitra an’ireo izay nateraky ny fanahiny?
16 Nisy azon’ny fisalasalana. Manontany tena izy ireo na manana zo na tsia handray ny marika. Manontany tena toy izany izy ireo indraindray ao anatin’ireo herinandro mialoha ny fankalazana ny Fahatsiarovana. Ireo izay manontany tena toy izany matetika no Vavolombelon’i Jehovah vao haingana. Efa nitranga taminao ve ny fisalasalana toy izany? Raha izany no izy, ahoana no hamantarana ny fitsipi-pitondrantena tokony harahina?
17 Nanome izao torohevitra izao ny amin’ny Sakafon’ny Tompo i Paoly: “Fa aoka ny olona hamantatra ny tenany, dia aoka izy hihinana ny mofo sy hisotro amin’ny kapoaka.” (I Korintiana 11:28, 29). Voamarikao ve fa, araka ny filazan’ilay apostoly, dia anjaranao ny ‘mamantatra ny tenanao’? Marina fa zava-dehibe tokoa izany ary tsy ratsy akory ny miresaka ny amin’izany amin’ny kristiana matotra iray. Rehefa fakafakaina farany anefa dia anjaran’ny tsirairay avy ny milazalaza ny toetry ny fifandraisany amin’i Jehovah sy ny Zanany. Tsy mamela na dia anankiray monja aza amin’ireo 144 000 hisalasala ny amin’izany Andriamanitra. Izao no ambaran’ny Soratra masina: “Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika.” Marina tokoa fa ny fanahin’Andriamanitra no mampita ao am-pon’ireo anisan’ny tenan’i Kristy ny fiaikena fa zanany ara-panahy izy ireo. Mahafantatra izany izay voafidy, ary tsy mahatsiaro ho mila ny manontany fanamarinana ny amin’izany na amin’iza na amin’iza eo anivon’ny kongregasiona izy. — Romana 8:15, 16.
18. Fanamarihana mendrika hoheverina inona moa no azo atao raha ny amin’ny fanangonana “ondry hafa”?
18 Ny tantaran’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny dia mampiharihary fa nanomboka tamin’ny 1931 ny hafatra momba ilay Fanjakana dia niantefa indrindra tamin’ny “ondry hafa”. Ny 31 may 1935, ilay lahateny nitondra ny lohateny hoe “Ny vahoaka betsaka”b dia nampahafantatra mazava ireny “ondry hafa” ireny ho ny “olona betsaka” hitan’ny apostoly Jaona tamin’ny fahitana. Miharihary tokoa fa izany dia nilaza fa nadiva hifarana ny fanangonana ny “ondry vitsy”, ary tonga ny ora hampitodihan’i Jesosy ny sainy ho amin’ny “ondry hafa” sy hanangonana azy ireny amin’ny alalan’ny ‘mpanompony mahatoky sy manan-tsaina’. — Matio 24:45-47.
19. Fandinihan-tena inona moa no tsara raha ataon’ireo kristiana vaovao izay milaza tena ho voahosotra?
19 Rehefa heverina amin’izany voalaza eo aloha izany, dia izao no tianay holazaina amin’izay rehetra niaraka vao haingana amin’ny olon’i Jehovah ka tamin’ny fomba iray na tamin’ny fomba hafa, dia nampahafantatra fa nahazo hosotra izy ireo: Fakafakao amim-pahamarinana ny fifandraisana tananao amin’i Jehovah. Manontania tena hoe: Moa ve ny fanantenana ny ho any an-danitra ananako, amin’ny lafiny sasany, mifamatotra amin’ny fahatsiarovana ny zavatra ninoana nanjaka tao amin’ny Fiangonana nisy ahy taloha, dia zavatra inoana fa mankany an-danitra daholo ny mpino? Moa ve ny fanantenako tsy mifandray mihitsy amin’ny faniriana mampiseho fitiavan-tena? Moa ve izany tsy faniriana ara-pihetseham-po fotsiny? Nanizingizina i Paoly hoe: ‘Tsy mahay mandainga Andriamanitra.’ (Hebreo 6:18). Toy izany koa ny amin’ny fanahy masina anaovana ny fananganana anaka. Amin’izany, izay tena nateraky ny fanahin’Andriamanitra tokoa dia tsy asian’ny fisalasalana foana. Azony atao ny manamarina amim-pieritreretana tsara fa zanak’Andriamanitra izy.
Ny Fahatsiarovana ho avy
20. Inona moa no maha-zava-dehibe ny Fahatsiarovana eo imason’ny Vavolombelon’i Jehovah?
20 Tsy azo lavina fa ny Sakafon’ny Tompo no fisehoan-javatra lehibe indrindra ao anatin’ny taona ho an’ny kristiana marina rehetra. Amin’ny maha-zava-dehibe azy sy ny antony anaovana azy ary ny karazany mihitsy dia miavaka amin’ny fihaonambe hafa rehetra izy io. Noho izany antony izany, rehefa hilentika eny am-paravodilanitra hisesy ny masoandro araka ny fihodinan’ny tany, ny kongregasionan’ny Vavolombelon’i Jehovah rehetra, lehibe sy kely, anisan’izany ireo antokon’olona mitokana, dia hivory mba hampihatra ny baikon’ny Tompo.
21. Inona avy moa no soa tsy isalasalana mihitsy fa raisintsika avy amin’ny fankalazana ny Fahatsiarovana tamin’ny 1985?
21 Entanin-kafaliana ireo ‘ondrin’i Kristy’ rehefa mieritreritra ny hoe handray anjara miaraka amin’ny fankalazana indray ny Fahatsiarovana. Enga anie io fahatsiarovana io mbola ho loharanom-pampaherezana sy fampandrosoana ihany ho an’ny mpanompon’i Jehovah rehetra! Enga anie izany hanome azy ireo ny toky nanetsika an’i Jesosy Kristy, Ohatra tahafiny, rehefa nanambara toy izao izy: “Matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” — Jaona 16:33.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’ny kongregasiona lehibe iray, ireo mpandroso ny marika dia nandray ho fahazarana ny nijoro teo an-tsisin’ny laharan-tseza tsirairay avy ka nampiseho ny mofo sy ny divay tamin’ireo mpanatrika tao. Amin’izay ireo naniry handray ny marika dia tokony hanome baiko ny mpandroso. Araka ny fanazavana nomena eo ambony anefa, dia hita fa tsy mety io fomba fanao io.
b Io lahateny io dia tany Washington no nataon’i J. Rutherford, izay prezidàn’ny Watch Tower Bible and Tract Society tamin’izany.
Tadidinao ve?
◻ Nahoana moa ny Paska no tsy tandindon’ny Fahatsiarovana?
◻ Inona moa ireo dingana enina tsy maintsy ihoarana mba handraisan-tsoa amin’ny soron’i Jesosy?
◻ Nahoana moa no tena ilaina ny fahatongavanao ao amin’ny Fahatsiarovana?
◻ Nahoana moa no tsara ny handinihan-tena alohan’ny Fahatsiarovana?
[Efajoro, pejy 17]
Aoka hasehontsika ny fanajantsika ny Sakafon’ny Tompo
Ireo marika
Ny mofo: Ny mofo tsy misy masirasiran’ny Jiosy izay vita amin’ny lafarinina varimbazaha tsara indrindra sy rano dia mety raha tsy asiana fanatsiroana. Aza mampiasa mofo tsy misy masirasira namboarina tamin’ny fangarony hafa (sira, siramamy, malita, atody na tongolo). Azonareo atao ny manamboatra ny mofonareo tsy misy masirasira amin’ny fanarahana izao toromarika izao: Afangaroy ny lafarinina iray fatra sy tapany amin’ny varimbazaha (raha tsy afaka mahazo izany ianareo, dia ampiasao ny lafarinina vary, katsaka na voa karazan’ireo hafa) sy ny rano iray fatra mba hahazoana koba mando. Rehefa avy eo dia fisaho manify dia manify amin’ny kodia fandamahan-javatra io koba io. Ataovy ao anaty lasitra izany rehefa avy eo ary tsindrontsindrony be dia be amin’ny fitrebika (fourchette). Farany, dia masaho ao anaty lafaoro mafana ary esory rehefa maina sy mikarepoka.
Ny divay: Mampiasà divay mena tsy mitapoka, “chianti”, “bourgogne” na “bordeaux”, ohatra. Halaviro ny divay fanao tsindrin-tsakafo toy ny “xérès”, “porto” sy “muscat”, izay nampitomboina ny alikaola tao aminy tamin’ny fanampohana “eau-de-vie” azy. Aza maka divay manitra toy ny “vermouth” na fanokafam-bavony hafa. Raha ny tenanareo ihany amin’ny fahatsiarovana raha tsy nasiana siramamy, zava-manitra na alikaola namboarin’olona izany.
Ny Efitrano Fanjakana
Latabatra: Rakofy lamba madio ny latabatra handaharana ny marika, ary apetraho eo ny lovia sy vera ampy isa mba hahafahana mandroso azy tsara. Azo atao ny manapaka ny mofo sy mandraraka ny divay alohan’ny fivoriana, satria tsy nanorina fombafomba tokony harahina ny amin’izany mihitsy i Jesosy. Raha mitaky izany ny toe-javatra miseho, dia sarony lamba madio ireo marika mba hiarovana azy amin’ny bibikely.
Mpandroso: Omeo azy ireo mialoha ny toromarika ilaina mba hampandeha tsara ny fombafomba, mba ho voatolotra haingana ny mpanatrika rehetra ny marika, anisan’izany ny mpandahateny sy ny tenan’ireo mpandroso koa.
Fandraisana olona: Ireo izay manao izany dia tokony ho ampy isa sy ho tonga alohaloha ao amin’ny efitrano mba handray ny mpanatrika rehetra sy hitady toerana ho azy.
Fandravahana voninkazo: Raha misy fiomanana hanao fandravahana toy izany, dia hatao izay haha-tsotra sy mampiseho fahaiza-mifidy zavatra azy.
Ny fivoriana
Ora: Tsy tokony hampandalovina alohan’ny filentehan’ny masoandro ny marika, na dia manomboka aloha kokoa aza ny lahateny. Amin’izany dia anjaran’ny kongregasiona tsirairay avy ny mamantatra ny ora filentehan’ny masoandro eo an-toerana.
Lahateny: Hiomana tsara ny mpandahateny mba hanaovana ny foto-dresany ao anatin’ny fotoana omena azy. Hiezaka izy mba hiteny mazava sy hampahery ny rehetra.
[Sary, pejy 15]
Manamafy ny fitiavana tsapantsika ho an’i Jehovah sy ny Zanany ny Fahatsiarovana.