Hara-Magedona — ilay ady hiafara amin’ny tena fandriampahalemana
AMIN’NY fomba fitenitenin’ny politika iraisam-pirenena, dia noresahina be dia be ny amin’ny “fifandanjan’ny horohoro”. Tsy mafy loatra akory ilay fitenenana satria ankehitriny izao tontolo izao dia rahonan’ny fandringanana. Tao anatin’ireo 40 taona lasa hatramin’ny nampiasana voalohany ara-tafika ny baomba ataomika tany Hiroshima, tany Japon, dia nitombo tamin’ny fomba naharaiki-tahotra ny tahirim-piadiana noklehera. Ny loharanom-panazavana sasany dia mampiseho fa ireo fiadiana ao amin’ny tahiry dia 12 lavitrisa taonina T.N.T., izany hoe eo amin’ny telo taonina eo ho eo isan’olona.
Koa satria tsy hoe ‘tsy hisy endrika akory no namoronany ny tany, fa nataony honenana’, dia tsy hamela ireo firenena hanohy hihazakazaka ho amin’ny famonoan-tena Jehovah (Isaia 45:18; jereo koa Salamo 104:5). Alohan’ny hahafahan’ireo manapoaka ny fiadiany mahafaty rehetra hifamelezana ka mety hifandringana sy hanimba ny manodidina azy ireo, dia hisy zavatra hataon’ilay Mpamorona sady Mpanao ny tany sy izay rehetra eo aminy. Amin’izay, araka ny nampanantenainy, dia hipoaka “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”, dia ny ady Hara-Magedona. — Apokalypsy 16:14, 16.
Hara-magedona àry dia tsy ho ady sahala amin’ny hafa, tsy ho fanandramana iray koa mba hivoaka avy amin’ny fahasahiranana tsy misy ihodivirana ara-politika nihibohan’ny fandehan-javatra ankehitriny. Io ady io kosa dia hahatanteraka izay antenain’ny olombelona hatramin’ny ela be tokoa nefa tsy tanterany mihitsy: Hanafoana izay rehetra mahatonga ny adin’olombelona sy hanorina ny tena fandriampahalemana amin’ny tany manontolo. Afa-tsy izany koa, Hara-magedona dia hanorina indray ny fanapahana ara-dalànan’i Jehovah eo amin’ny zavatra noforoniny. Ahoana no hanaovana izany?
Ny fandriampahalemana... amin’ny fanafoanana ny fitaovam-piadiana
Matoa ireo firenena tsy nahafa-tena tamin’ny ady, ankoatra ny zavatra hafa dia satria izy ireo tsy afaka niala tamin’ny fomba hanaovana izany. Na dia tsapany aza ny ho fiafarana mahafatin’ny fifaninanana manao fitaovam-piadiana, dia tsy tapa-kevitra izy ireo ny hiala amin’izany, na hampiato izany fotsiny aza. Tsy azo lavina fa hanatanteraka zavatra tena mahatalanjona Jehovah rehefa handray anjara mba hampanatanteraka ity faminaniana ity izay mihoatra ny mety ho vitan’ny olombelona: “Manapaka ny tsipìka sy manito [mamotipotika MN ] ny lefona Izy ary mandoro ny sariety amin’ny afo.” — Salamo 46:8, 9.
Efa noporofoin’i Jehovah fa azony natao ny nahatsinontsinona ny fiadiana be kojakojany indrindra sy maharaiki-tahotra indrindra. Araka izany, fahiny izy dia nanafaka ny Isiraely, vahoaka toa tsy nanam-piarovana, tamin’ny herin’ny tafiky ny Herim-panjakana voalohany, dia Egypta, tamin’ny fampiasana zavatra araka ny natiora, tamin’izay dia ny ranon’ny ranomasina Mena (Eksodosy 15:3-5). Toy izany koa, tamin’ny alalan’ny tondra-drano tampoka, dia nataony tsy nanan-kery tamin’ady ny fitaovam-piadiana fanaovana tetikady sy azo nolazaina hoe be kojakojany — kalesy vy sivin-jato” — nankinin’i Jabina, mpanjakan’i Kanana, tamin’i Sisera mpitari-tafiny. Voaray tao anatin’ny fifanjevoana ireo fahavalo tamin’izay ka nofoanana hatramin’ny farany. Taorian’izany, dia “nahita filaminana ilay tany nandritra ny efapolo taona”. — Jereo Mpitsara toko faha-4 sy 5:21, 31.
Mahaliana indrindra ny manamarika fa io ady farany io dia natao tany amin’ny ranon’i Kisona, “teo anilan’ny ranon’i Megido”. (Mpitsara 5:19-21.) Koa omeny antsika ny faminavinana miavaka ny ho fandresena lehibe ho azon’i Jehovah tsy ho ela ao Hara-Magedona.
Tsy fantatsika ny “fiadiana miafina” hapoakan’i Jehovah hamelezana ireo fahavalony, raha heveriny fa tsara ny hampiasana fisehoan-javatra araka ny natiora. Ny fantatsika kosa dia ny hoe afaka mampiasa hery ampy izy mba hanafoanana ny fitaovana ara-tafik’ireo firenena. Araka izany, dia tsy miafina amin’ireo mpahay siansa fa ny hery manosika lehibe “électro-magnétiques” (hery manosika hain’izy ireo apoitra amin’ny fipoahana noklehera eny amin’ny toerana avo) dia mety tsy hampihetsika tanteraka ireo fitambaram-pifandraisana sy fiarovan’ny tany iray, ka hiteraka fikorontanana lehibe amin’izany. Mety tanteraka àry ny hiheverana fa tsy ho sahirana mihitsy Jehovah hanao izay tsy hampisy asany ny fiadian’ireo firenena mba handatsahana fototry ny fandriampahalemana tanteraka.
Ny fandriampahalemana... ho an’ireo izay tia izany tokoa
Holazaina matetika fa tsy ny fitaovam-piadiana akory fa ny olombelona no manao ny ady. Noho izany, na dia tena ilaina aza ny fanafoanana ny fitaovam-piadiana dia tsy ho ampy hiantoka irery ny fandriampahalemana maharitra izany. Araka ny fandrindran-kevitra, mba hanjakan’ny fandriampahalemana mendrika izany anarana izany amin’ny farany, dia tokony hanjavona koa ny fankahalana ara-politika, ara-pirazanana sy ara-pirenena nampisaratsaraka izao tontolo izao ho antokony sy andaniny tsy hita isa mifanohitra. Hiahy ny amin’izany Jehovah amin’ny fihainoana ity vavaka ity izay notononin’ny lehilahy sy vehivavy an-tapitrisany maro maneran-tany hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” — Matio 6:9, 10.
Porofoin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly fa ny Fanjakana mesianikan’Andriamanitra dia naorina tany an-danitra tamin’ny 1914, taona nipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany. Ny marina anefa dia hoe tsy noraisina tamin-kafaliana teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena io Fanjakana io tamin’izany fotoana izany. Tsy nisy mihitsy fanjakana ho nieritreritra na dia kely akory aza hametra-piadiana sy hamoy ho azy ny fiandrianany. Mifanohitra amin’izany, ny ady mafy nataon’ireo firenena mba hanapahana izao tontolo izao dia nitarika azy ireo ho ao amin’ny ady tsy mbola nisy toy izany.
Nialoha ela be, ny Salamo faharoa dia nilazalaza izany tarehin-javatra izany tamin’izao teny izao: “Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanjaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny Mesiany.” Izany no antony nanambaran’i Jehovah tamin’i Jesosy Kristy, Mpanjaka voatendriny, hoe: “Hotorotoroinao amin’ny tehimby izy; toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy.” — Salamo 2:1, 2, 9; 110:2.
Ny fandresen’io Mpanjaka voahosotr’Andriamanitra io dia voalazalaza amin’ny antsipiriany be dia be ao amin’ny Apokalypsy 19:11 ka hatramin’ny 20:3. Ao amin’io fahitana ara-panoharana io, Jesosy Kristy, “Tenin’Andriamanitra”, dia mitaingina soavaly fotsy mitarika ireo anjely miaramilany. Izao no vakintsika ny aminy: “Amin’ny fahamarinana no itsarany sy iadiany. (...) Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ny vavany mba hamelezany ny firenena.” Ny fandraisany anjara hanohitra ny ratsy fanahy dia hiafara amin’ny fandringanana hahatsiravina. Rehefa avy eo ilay Mpanjaka mpandresy dia hamely an’ilay tompon’andraikitra lehibe indrindra amin’ny loza amin’ny tany. Ny Apokalypsy dia milazalaza amintsika ny amin’io fisehoan-javatra io toy ny hoe efa nitranga izy, amin’ny filazana hoe: “Dia nisambotra ilay dragona izy (dia ilay menarana ela, ny devoly sy Satana izany) ka namatotra azy arivo taona.”
Ny fandriampahalemana... arivo taona sy mihoatra
Fandriampahalemana arivo taona... Alao sary an-tsaina ny mety hasehon’izany ho an’ny olombelona! Be dia be no miaiky fa ho azon’ireo firenena atao ny hanafoana ny hanoanana, ny aretina sy ny fahantrana raha toa ireo an-jato lavitrisany dôlara maro lanin’izao tontolo izao isan-taona mba hananana fitaovam-piadiana ka nampiasaina, na dia ampahany monja aza, mba handaminana ireny zava-manahirana ireny. Eritrereto izay hanjary ho azo atao rehefa hampiasaina noho ny antony manorina ireo haren’ny tany! Tsy nihevitra ny faniriany ho zavatra tena misy Isaia rehefa nanambara izao manaraka izao ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, ny amin’ilay “Andrian’ny fiadanana”, Jesosy Kristy: “Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana.” — Isaia 9:5, 6.
Ilaina maika dia maika àry ny hanontanianao tena toy izao: Rehefa haneno ny oran’ny ady Hara-Magedona, moa ve aho ho afa-mandositra ny fandringanana mba hahita izany fiadanana mandrakizay izany? Angamba ianao hanontany tena hoe: “Inona no tokony hataoko mba hahatafita velona amin’izany?” Amin’izany, dia ho hitanao ny valiny ao amin’izao fananarana araka ny Baiboly izao: “Mitadiava an’i Jehovah, hianareo mpandefitra rehetra amin’ny tany, izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, tadiavo ny fandeferana; angamba ho voafina hianareo amin’ny andro fahatezeran’i Jehovah.” (Zefania 2:2, 3). Horaisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho fahafinaretana ny hanampy anao hanaraka io torohevitra io, mba hahatonga ny Hara-Magedona ho fanombohan’ny tena fiadanana ho anao fa tsy faran’ny zavatra rehetra.
[Sary, pejy 6]
Rehefa namakivaky ny ranomasina Mena ny vahoakany, dia nasehon’i Jehovah fa azony natao ny nahatsinontsinona ireo fiadiana nahatahotra indrindra.