Minisitra daholo ve ny kristiana marina rehetra?
“Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra, izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana”. — II KORINTIANA 5:18.
1. Tamin’ny andron’i Paoly, moa ve nisy klerjy tao anatin’ny kongregasiona?
“TSY nisy fanavahana [tamin’ny andron’ny apostoly Paoly] teo amin’ny klerjy sy ny lahika satria tsy nisy klerjy tamin’izany.” Izany no fanambarana mahagaga azo novakina tao amin’ny Times any Londres ka nanambara fahamarinana tena lehibe ny amin’ny kristianisma tany am-boalohany: Tsy nisy ny fiavahan’ny klerjy tamin’ny lahika. Milaza ve izany fa tsy nandray soa tamin’ny fitarihana hita maso mihitsy ny kongregasiona kristiana? Moa ve tsy nisy minisitra mihitsy amin’ny hevitry ny teny rehetra?
2. Tamin’ny fomba ahoana no nitarihana ny kongregasiona voalohany (Filipiana 1:1)?
2 Fotoana fohy taorian’ny Pentekosta taona 33, dia nitombo ny isan’ny kristiana voahosotry ny fanahy mba hahatratra an’arivony maromaro. Koa nanjary nilaina ny hanendrena isaky ny kongregasiona, lehilahy nahay izay hanao ny asan’ny mpiandraikitra sy mpikarakara momba ny asa. Tsy hahaforona kilasy miavaka iray, klerjy iray, anefa izy ireo. Raha ny marina, dia tsy tena nilaina ny handaniana taona maro any amin’ny oniversite na ny seminera mba hanendrena ho amin’ny raharaha toy izany, ary tsy nandray karama izay toy izany. Izany dia lehilahy nanetry tena izay, noho ny toetrany ara-panahy, dia notendrena tamin’ny alalan’ny fanahy masina mba hikarakara ny andian’ondry. Moa ve anefa izy ireo ihany no nitory ny ‘vaovao tsaran’ny Fanjakana’? Izy ireny ihany ve no minisitra tao amin’ny kongregasiona? — Matio 24:14; Asa 20:17, 28; I Petera 5:1-3; I Timoty 3:1-10.
3, 4. Araka ny filazan’i Paoly, iza no nandray anjara tamin’ny fanompoana kristiana?
3 Mamaly an’ireo fanontaniana ireo i Paoly amin’ny torohevitra omeny ao amin’ny taratasiny ho an’ny kristiana tany Korinto. Mariho ny fomba nampidirany ny faharoa tamin’ireo taratasy ireo: “Paoly (...) mamangy ny fiangonan’Andriamanitra izay any Korinto mbamin’ny olona masina rehetra eran’Akaia. Tsy isalasalana mihitsy fa nanoratra ho an’ny fitambaran’ny kristiana voahosotra tany Korinto sy Akaia izy, fa tsy ho an’ireo nitarika azy ihany. Ny fanazavany ny amin’ny fanompoana kristiana àry dia mahakasika “ny olona masina rehetra”. Nanisy fitenenana ny amin’ny asany sy ny an’i Timoty izy ka nanome izao fanaporofoana izao: “Ary amin’izany, satria manana izany fanompoana izany izahay, araka ny nahazoanay famindrampo, dia tsy ketraka.” “Fa izany rehetra izany dia avy amin’Andriamanitra Izay nampihavana antsika taminy amin’ny alalan’i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana (...). Koa dia iraka solon’i Kristy izahay, toa an’Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon’i Kristy izahay”. Ary dia nampiany koa hoe: “Fa tsy manao izay mahatafintohina izahay na amin’inona na amin’inona, mba tsy homen-tsiny ny fanompoana; fa amin’ny zavatra rehetra dia mampiseho ny tenanay ho mpanompon’Andriamanitra izahay, dia amin’ny faharetana be”. — II Korintiana 1:1; 4:1; 5:18-20; 6:3, 4.
4 Ampahafantarin’ireo teny ireo fa ny kristiana voahosotra rehetra dia tokony ho minisitra sy ambasadaoro ho an’i Kristy. Nahoana? Satria noho ny fahotana, izao tontolo izao dia “olon-ko azy amin’ny [lavitra ny MN] fiainan’Andriamanitra” ary mila fanompoana fampihavanana mba hahatonga, amin’ny alalan’i Kristy, ny olona mankato sy mahatoky avy amin’ny firenena rehetra, hampifamatotra fifandraisana tsara amin’i Jehovah Mpanjaka Tompo. — Efesiana 4:18; Romana 5:1, 2.
5, 6. Ahoana no nanamarinan’i Paoly izany hevitra izany tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana?
5 Nanoratra toy izao ho an’ny kongregasiona tany Roma i Paoly: “Fa ahoana no lazainy [ny Tenin’Andriamanitra]? ‘Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao’, dia ny teny any amin’ny finoana, izay torinay; satria raha manaiky [manambara ampahibemaso, MN] an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao. Fa amin’ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin’ny vava no anekena [anaovana fanambarana ampahibemaso, MN] hahazoana famonjena.” — Romana 10:8-10.
6 Moa ve ho an’ny kristiana vitsivitsy voafidy fotsiny no nanaovan’i Paoly ireo teny ireo? Mampiseho ny mifanohitra amin’izany ny fampidiran-dresaka nataony; izao tokoa no nosoratany: “Ho an’izay rehetra any Roma, malalan’Andriamanitra”. ary dia nampiany koa hoe: “Misaotra an’Andriamanitro amin’ny alalan’i Jesosy Kristy aho noho ny aminareo rehetra, satria efa re eran’izao tontolo izao ny lazan’ny finoanareo.” Mazava fa ireo torohevitra sy fampaherezana ireo, anisan’izany ireo hita ao amin’ny Romana toko faha-10, dia nataon’i Paoly ho an’ny kongregasiona manontolo. Ny mpikambana rehetra tao dia nanana tombontsoa hanao fanambarana ampahibemaso. Raha ny marina, dia nanamafy ny fanaporofoany izy tamin’ny filazana hoe: “Hataony ahoana ary no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory? Ary hataony ahoana no fitory, raha tsy nirahina? Araka ny voasoratra hoe: ‘Akory ny hatsaran’ny tongotr’iry mitondra teny soa mahafaly!’ ” — Romana 1:7, 8; 10:14, 15.
7. Tamin’ny ahoana moa ny kristianisma marina no hafa noho ny fivavahana sasany (Lioka 19:36-40)?
7 Mampahery izany ho an’ny kristiana voahosotry ny fanahy rehetra. Milaza izany fa izy rehetra dia manana fifaliana mampahafantatra amin’ny hafa ny hafatra famonjena momba ilay Fanjakana. Marina tokoa fa eo imason’Andriamanitra dia mety sy tokony ho ‘tsara tarehy’ amin’ny heviny an’ohatra ny tongotr’izy ireny. Fa nahoana? Satria ny kristianisma akory tsy fivavahana tsy mihevitra afa-tsy ny tena izay mitarika hanome fahafahampo ny tena fotsiny na manosika hihataka amin’izao tontolo izao na hivoady fa hangina. Mifanohitra lavitra amin’izany, dia amporisihany ny hanaovana fanompoana kristiana amim-paharisihana izay miseho amin’ny teny sy ny atao. Nahatsapa izany tanteraka i Paoly, satria nihiaka toy izao izy: “Lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho!” — I Korintiana 9:16; Isaia 52:7.
8. Fanontaniana lehibe inona avy no mahaliana ny kristiana an-tapitrisany maromaro amin’izao andro izao?
8 Inona anefa no holazaina ny amin’ireo kristiana marina an-tapitrisany maro izay tsy mba nahazo ny fanosoran’ny fanahy masina satria tsy manantena ny ho any an-danitra fa hiaina mandrakizay eto an-tany? Tokony ho minisitra koa ve izy ireny. — Salamo 37:29; II Petera 3:13.
Minisitra ve ireo anisan’ny “olona betsaka”
9. Asa inona no andraisan’ireo anisan’ny “olona betsaka” anjara?
9 Mamaly kely an’ireo fanontaniana ireo ny bokin’ny Apokalypsy. Ohatra, rehefa avy nahita tao amin’ny fahitana iray ny kongregasionan’ny voahosotra miisa ho 144 000 i Jaona dia nilaza toy izao: “Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe: Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy ho an’ny Zanak’ondry.” Ireny olona angonina mba ho tafita velona amin’ny fahoriana lehibe ireny dia azo antoka fa tsy manafina ny maha-izy azy kristiana. Mifanohitra lavitra amin’izany fa ambarany amin’ny “feo mahery” ny hoe avy aiza ny famonjena azy. Fa ahoana no anaovan’izy ireo izany amin’izao andro izao? Amin’ny fanampiana indrindra ny sisa vitsy amin’ny kristiana voahosotra hanatanteraka faminaniana lehibe hafa sy hanaraka baiko hafa momba ny fanompoana. — Apokalypsy 7:9, 10, 14.
10, 11. a) Talohan’ny hiakarany ho any an-danitra, baiko inona no nomen’i Jesosy an’ireo mpianany? b) Faminaniana inona no tokony ho tanteraka amin’izao androntsika izao?
10 Ohatra, izany vahoaka tsy tambo isaina izany dia mandray anjara tena lehibe raha ny amin’ny fanarahana ny baiko hitory sy hampianatra izay nomen’i Jesosy an’ireo mpianany nahatoky tany Galilia. Tamin’io fotoana io, dia izao no nambarany: “Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina sady mampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.” Tsy kilasin’olona kristiana iray, dia ny klerjy, no nanankinana an’io asa nanirahana io, fa ny kristiana rehetra. — Matio 28:18-20; I Korintiana 15:6.
11 Io didin’i Jesosy io dia misy fifandraisana akaiky koa amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”. Izao no nolazainy: “Ary hotorina amin’izao tontolo izao ity filazantsaran’ny [vaovao tsaran’ny, MN] fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany.” Tena zava-tsarotra tsy maintsy setraina ny fitoriana ny hafatra momba ilay Fanjakana maneran-tany ao anatin’ny taranaka iray ihany. Ahoana no isetran’ny kristiana izany? Azo antoka fa ireo kristiana voahosotra an’arivony vitsivitsy izay mihena isa tsy tapaka dia tsy ho afaka ny hahavita irery io asa famonjena io. Ho asa tsy azo atao izany! Matio 24:3, 14; Lioka 21:32.
12. Inona no eken’ny kristiana voahosotra an-tsitrapo amin’izao andro izao?
12 Ireo “mpiray lova amin’i Kristy” mitafy hosotra dia manaiky an-tsitrapo ny anjara raisin’ireo minisitra anisan’ny “olona betsaka” roa tapitrisa mahery izay nampiely ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ny tany manontolo tao anatin’ny fotoana azo lazaina hoe fohy. Raha vao tamin’ireo taona 1930, dia kristiana marina maro be no nanaiky ny andraikitra hanao ny fanompoana any amin’ny tany hafa noho ny azy ary nanolo-tena an-tsitrapo mba hanompo any amin’ny toerana ilàna mpitory be indrindra. Noho ny fitiavana fandavan-tena faka tahaka nasehon’ireny rahalahy sy anabavy kristiana ireny, voahosotra na “ondry hafa”, dia nandray fiandohana tsara dia tsara ny asa momba ilay Fanjakana tany amin’ny tany maro any Eoropa, Afrika, Azia sy Amerika. — Romana 8:17.
13. a) Ahoana no nanafainganan’i Jehovah ny asany nanomboka tamin’ny 1943 (Isaia 60:22)? Inona moa no anjara noraisin’ny “olona betsaka” teo amin’ny asa misionera?
13 Talohan’ny 1943, ny kilasin’ny “mpanompo mahatoky sy malina”, voaforon’ny kristiana voahosotra, dia nahatakatra fa nilaina ny hanokafana sekolin’ny misionera hahafahan’ny minisitra kristiana handray fampiofanana amboniny ka hiomana mba hanombohana na hanafainganana ny asa fitoriana any amin’ny tany maro hafa. Hatramin’ny nitokanana azy tamin’ny 1943 ka hatreo amin’ny 4 martsa 1984, io sekoly io, ny Sekolin’i Gileada (ny dikan’ny hoe Gileada amin’ny teny hebreo dia “antontan-javatra vavolombelona”), dia nampiofana misionera eo amin’ny 6 100 izay ny ankamaroany dia nirahina ho any amin’ny tany samihafa. Koa satria 292 monja tamin’izy ireny (izany hoe 4,8 isan-jato) no nanambara fa anisan’ny kristiana voahosotra, ny ankamaroan’ireny minisitra ireny izay nahazo fampiofanana manokana àry dia anisan’ny “olona betsaka”. Sahala amin’ny Vavolombelon’i Jehovah hafa rehetra maneran-tany, rehefa nanolo-tena ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy izy ireny dia nanaiky fa anisan’ny fiainany amin’ny maha-kristiana ny fanompoana. — Matio 24:45-47; Hebreo 10:7.
Fiantsoana manokana ve? miorina amin’inona?
14, 15. Miorina amin’inona moa ny fiantsoana ho amin’ny fanompoana kristiana (Matio 22:37-40)?
14 Milaza ve izany fa ny kristiana dia nahazo fiantsoana manokana na nantsoin’Andriamanitra hanao ny fanompoana? Marina fa eo anivon’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ny sasany dia niresaka ny amin’ny “fiantsoana manokana” azy ho toy ny zavatra tsapa faran’izay mampihetsi-po toy ny hoe ny tenan’Andriamanitra mihitsy no niantso azy ireny mba hanompo azy. Nefa moa ve ny fanompoana kristiana mifototra indrindra amin’ny zavatra mihelina toy ny fihetseham-po?
15 Araka ny filazan’ny apostoly Paoly, inona no tokony ho fototry ny fanompoana masina atao ho an’Andriamanitra? Izao no nosoratany: “Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany [fanompoam-pivavahana ara-dalàna, mifanaraka amin’izay takin’ny”, Kuen; “fanompoam-pivavahana mety”, Segond, Osty].” Tena miorina amin’ny fahendrena tokoa ny fanompoana masina ho an’Andriamanitra. Ahoana izany? Satria ny fanolorana ny tenantsika ho an’i Jehovah sy ny fifandraisantsika akaiky aminy dia avy amin’ny fahalalana an’ilay Andriamanitra marina. Araka izany àry, raha zavatra tsapa mahafinaritra ny fiantsoana ny kristiana hanao ny fanompoana mihitsy, dia tsy avy amin’ny fihetsika misy fientanam-po fotsiny izany. Manana antony manosika lalina izany: ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana. — Romana 12:1; Jaona 17:3.
16. Moa ve ny asa tsy ara-pivavahana manontolo andro ataon’ny kristiana iray misakana àzy tsy ho minisitra (Asa 18:1-5)?
16 Manontany tena angamba anefa ianao hoe moa ve ireo kristiana voalohany nanana asa tsy ara-pivavahana manontolo andro na ireo vehivavy kristiana nitana tokantrano, minisitra koa? Azo antoka fa izany no izy. Angamba tapany kely monja tamin’ny fotoanany no natokan’izy ireo ho amin’ny fanompoana kristiana, hitoriana sy hampianarana, nefa izany no zava-nokendrena lehibe indrindra teo amin’ny fiainany. Fantany fa tsy maintsy ‘nampahazava ny fahazavany’ izy ireo tamin’ny naha-tena mpianatr’i Kristy. Raha ny marina dia minisitra mpiasa izy ireny taloha elan’ny nananan’ny fivavahana lazaina fa kristiana ny pretrany mpiasa. — Matio 5:16; I Petera 2:9.
Porofo fa minisitra izy ireny
17, 18. a) Inona moa no fotopoto-pitsipika amin’ny ankapobeny nambaran’i Kristy ny amin’ny kristiana marina? b) Inona no mahaforona ny tena filazan-tsoa ho an’ny minisitra iray?
17 Koa satria tsy mahazo diplaoma avy any amin’ny oniversite ny Vavolombelon’i Jehovah, inona no manaporofo fa tena minisitra tokoa izy ireny? Raha ny marina, ahoana no nanehoan’ireo kristiana voalohany fa tena minisitra tokoa izy ireny? Ny tenan’i Kristy mihitsy no nanome izao fanazavana izao: “Ny hazo tsara rehetra dia mamoa voa tsara.” Ny minisitra kristiana àry dia tokony hamoa “voa tsara”, ka izany dia milaza tsy mivantana fandraisany anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra. — Matio 7:17.
18 Fa raha ny amin’ny apostoly Paoly, dia toy izao no nanazavany ny zavatra: “Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo? Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin’ny olona rehetra; eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay hianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa teo amin’ny vato fisaka nofo, dia ny fo.” Ahoana no nahafahana nanoratra teo amin’ny fo? Tamin’ny alalan’ny fitoriana ny tenin’ny finoana izay, sahala amin’ny voa, dia naniry tao am-pon’ny olona. Izany voa izany dia nanosika rehefa avy eo izay nandray azy, mba hitory koa an’io hafatra famonjena io amin’ny mpiara-belona aminy. — II Korintiana 3:1-3.
19. Filazan-tsoa lehibe inona moa no ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hampisehoana fa tena minisitra izy ireo?
19 Moa ve ny Vavolombelon’i Jehovah afaka manome porofo fa ‘nisy taratasin’i Kristy nosoratan’izy ireo amin’ny maha-minisitra’? Miteny ho azy ny zava-misy. Taminy 1931, rehefa nanaiky hitondra ny anarany tsy manam-paharoa izy ireo, dia teo amin’ny 50 000 monja no nitory naneran-tany. Ny rapaoro momba ny 1983 anefa dia mampiseho fa tampon’isan’ny minisitra 2 652 000 miaraka amin’ny kongregasiona 46 235 no nitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana tamin’io taona io. Amin’izao fotoana izao dia mila hitovy amin’ny isan’ny Vavolombelona tamin’ny 1931 ny isan’ny kongregasiona! Tao anatin’ireo am-polony taona vitsivitsy lasa aza, dia tena nosoratana teo amin’ny fo an-tapitrisany maro tokoa ny fahamarinana, ary izany dia porofo tsy azo lavina fa tena minisitra tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah. — Isaia 43:10-12
20. Amin’ny maha-minisitra kristiana, inona no tokony hataontsika amin’izao andro izao? Fanontaniana inona avy no tokony hovaliana izao?
20 Amin’izao andro izao dia tena ilaina tsy mbola nisy toy izany mihitsy ny minisitra kristiana. Fohy ny fotoana sisa tavela, ary be ny vokatra, ka izany dia samy antony tokony hanosika antsika hanao izay hahamendrika, hahatongavana ho minisitra mahay mitory sy mampianatra amin’ny fomba misy vokany. Fa ahoana no hahafahantsika manao izany? Ahoana no mety hahatongavana ho minisitra mahazo vokatra kokoa? Misy vidiny eo amin’ny fampiharana ve ny ohatra navelan’i Kristy sy ireo apostoly ho antsika amin’izao andro izao? — Efesiana 5:15, 16; Matio 9:37, 38.
Famerenana
◻ Ahoana no ahafantarantsika fa tokony ho minisitra daholo ny mpianatr’i Kristy voahosotra?
◻ Inona moa no anjara noraisin’ny “olona betsaka” teo amin’ny fanompoana kristiana amin’izao androntsika izao?
◻ Mifototra amin’inona moa ny fiantsoana ho amin’ny fanompoana kristiana?
◻ Inona avy no porofo azon’ny Vavolombelon’i Jehovah omena mba hampisehoana fa tena minisitra tokoa izy ireo?
[Sary, pejy 12]
Tamin’ny 1943, ny Sekolin’i Gileada dia namoha ny varavarany tany South Lansing, any amin’ny Fanjakan’i New York. Tamin’ny 1961 izy io dia nafindra tany Brooklyn (New York).
[Sary, pejy 13]
Ao amin’ireo trano vaovao akaikin’ny tetezan’i Brooklyn, dia manohy manomana minisitra voantso hiasa any an-tany hafa ny Sekolin’i Gileada.