Mampiseho ny fahamendrehany ireo minisitr’Andriamanitra
“Ary iza no mendrika hanao izany?” — II KORINTIANA 2:16, MN.
1. Ao anatin’izao tontolo izao ara-pivavahana voazarazara ankehitriny, inona no fanontaniana azo apetraka amim-pahatsorana tanteraka?
REHEFA heverina ny fisaratsarahana mampiavaka izao tontolo izao ara-pivavahana ankehitriny, dia mety hisy hanontany tena amim-pahatsorana hoe: Iza no tena minisitra eken’Andriamanitra? Nametraka izany fanontaniana izany koa i Paoly, dia ny hoe: “Iza no mendrika hanao izany?” Ilay apostoly sy ireo mpiara-miasa taminy izay tsy nekena ho manana izany fahamendrehana izany dia afaka namaly hoe: “Toy izany izahay.” (II Korintiana 2:16, 17, MN ). Fa amin’izao andro izao, iza no manana antony tsara, zo sy herim-po hanantitranterana hoe: “Toy izany izahay.”
2. Inona moa no fampianarana tena lehibe amin’ny tenin’i Paoly voasoratra ao amin’ny II Korintiana 2:14-17?
2 Alohan’ny hamaliana an’io fanontaniana io, dia aoka hojerentsika ireo teny nosoratan’i Paoly ho an’ny kristiana tany Korinto, manao hoe: “Nefa aoka isika hisaotra an’Andriamanitra! (...) Hany ka ankehitriny, na aiza na aiza alehanay dia mampiasa anay izy mba hiresahana amin’ny hafa ny amin’ny Tompo sy hampielezana ny hanitry ny Filazantsara. Raha ny marina, ny fiainanay dia hanitra ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia ny hanitr’i Kristy ao aminay ka ireo izay voavonjy sy ireo izay tsy toy izany dia afaka manimbolo izany. Ho an’ireo izay tsy voavonjy, izany hanitra izany dia fofom-pahafatesana sy fanamelohana, fa ho an’ny hafa izay mahalala an’i Kristy kosa, izany dia manome ny fiainana. Fa iza àry no afaka manatanteraka io adidy io? Izahay dia tsy mba sahala amin’irony mpivarotra ny Tenin’Andriamanitra — ary misy be dia be amin’ireny — izay maniry hanambara ny Filazantsara mba hahazoana vola be fotsiny. Avy amin’Andriamanitra ary eo ambany masony no iresahanay.” — II Korintiana 2:14-17, Le Livre; jereo La Tour de Garde tamin’ny 1 janoary 1946, pejy faha-5.
3. a) Tokony hanao ahoana ny fihetsitsika rehefa mieritreritra ny hoe hivarotra ny Tenin’Andriamanitra mba handraisana tombontsoa mampiseho fitiavan-tena avy amin’izany? b) Inona no nataon’i Paoly mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ireo izay nitoriany?
3 Manao varotra ny Tenin’Andriamanitra mba hahazoana tombontsoa mampiseho fitiavan-tena hoe! Hevitra mahamenatra re izany! Fony nitory ny Tenin’Andriamanitra i Paoly dia tsy nitady tombontsoa ara-nofo izay ho nanome azy fahafahana hanana fiainana mora ary amin’ny farany, dia hisotro ronono amin’ny maha-minisitra ka hanao izay mahafalifaly ny tenany fotsiny amin’ny tapany sisa amin’ny androny. Vonona izy ny hanao asa faharoa, hanamboatra lay, mba hahazoana fivelomana sy hanampiana ireo mpiara-miasa aminy amin’ny asan’i Jehovah (Asan’ny apostoly 18:1-4). Tsy enta-mavesatra ara-bola ho an’ireo izay nitoriany ny vaovao tsara àry izy. Koa azony natao ny nametraka izao fanontaniana izao tamin’ireo kristiana tany Korinto: “Diso va aho, raha nanetry tena mba hisandratanareo ka nitory maimaimpoana ny filazantsaran’Andriamanitra taminareo?” (II Korintiana 11:7). Tsy afaka namaly afa-tsy tamin’ny tsia hentitra ireo.
4. Ahoana no anarahan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny ohatra nomen’i Paoly raha ny amin’ny Tenin’Andriamanitra?
4 Amin’izao androntsika izao, ny Vavolombelon’i Jehovah dia manaraka ny ohatra tsara nomen’ilay apostoly amin’ny tsy fivarotana ny Tenin’Andriamanitra izay tsy hay tombanana ny vidiny. Mifanohitra amin’izany, dia ataony azon’ny rehetra izany; tsy ataony varotra ny zavatra masina toy izany. Tsy misy klerjy karamaina ao aminy; tsy karamaina koa ireo mpandahateny ampahibemaso ao aminy, ary tsy misy fanatazan-drakitra mihitsy amin’ireo fivoriany. Raha misy maniry hanome vola mba hanohanana ny asa kristiana, dia afaka mametraka izay tiany ao amin’ny vatakely fasiana fanomezana ao amin’ny Efitrano Fanjakana na any amin’ny toeran-kafa izy, na dia fanomezana kely toy ny “farantsakely roa” nomen’ny vehivavy mpitondratena iray aza (Lioka 21:1-4). Ireny fanomezana an-tsitrapo ireny dia natao ho an’ny fandanian’ny kongregasiona fa tsy hampanan-karena olona iray na iza izany na iza. Misy aza Vavolombelon’i Jehovah manolotra maimaimpoana ny tokantranony mba hanaovana fivoriana ao. — Filemona 1, 2.
“Mahay”
5. Iza no manome fahaizana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hanaovana ny asany masina?
5 Fa iza no manome fahaizana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao mba hanaovany ny fanompoany mifanaraka amin’ny ohatra omen’ny Soratra masina, ary izany dia na dia ao aza ny fanoherana sy ny fanenjehana hitany foana? Tsy misy mihitsy olona afaka milaza ho fototr’izany afa-tsy Ilay nanome fahaizana an’i Paoly sy ireo namany ho amin’ny asa masina. Mariho ny fahadiovan’ny antony nanosika an’i Paoly, oharina amin’ny an’ny mpivarotra ara-pivavahana iray, raha nanoratra toy izao izy: “Fa toy ny amin’ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’Andriamanitra sady eo anatrehan’Andriamanitra no itenenanay ao amin’i Kristy.” (II Korintiana 2:17). Toy izany no itenenan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao. Nefa moa ve ny tenantsika ihany no milaza ny tenantsika ho minisitra? Moa ve isika mila ny mamoaka taratasy filazan-tsoa izay ho avy amin’ny olon-kafa?
6. a) Nahoana moa ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana no mihevitra ny tenany ho “mahay”? b) Ahoana no ahazoana fahaizana mba hanaovana ny tena fanompoana kristiana?
6 Nolavin’i Paoly tamin’ny fomba hentitra ny hoe fahaizany avy amin’ny tenany ihany mba hahatongavana ho minisitra. Izao no nambarany: “Fa ny fahaleovanay [fahaizanay, MN ] dia avy amin’Andriamanitra, Izay efa nampahaleo anay koa ho mpanompo amin’izay fanekena vaovao.” (II Korintiana 3:4-6). Mifanohitra amin’i Paoly, ireo anisan’ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mihambo ho “mahay” satria nahazo diplaoma tao amin’ny fianarana teolojia iray. Koa tsy ekeny ho manana ny fahaizana rehetra mba haha-minisitra manana fahefana izay rehetra tsy nahazo diplaoma toy izany. Nanao fianarana tao amin’ny jodaisma i Paoly; tsy izany anefa no nanome fahaizana azy mba hanaovana ny fanompoana kristiana mifandray amin’ny fanekena vaovao. Tsy nanokatra seminera koa Jesosy mba hampianarana teolojia an’ireo apostoliny 12 na ny olon-kafa. Tsy hafa noho izany no hita amin’izao andro izao; Jehovah, ilay Mpampianatra lehibe indrindra, no tokony hanome fahaizana antsika ho amin’ny tena fanompoana kristiana. Ny tena minisitra dia miharihary fa tokony hanome porofo tsy azo lavina ny amin’ny fahamendrehany.
“Iza no nanome Anao izao fahefana izao?”
7. Tamin’ny ahoana moa ireo filoha ara-pivavahana jiosy no hafa noho Nikodemosy raha ny amin’ny fomba fiheviny ny fahefan’i Jesosy?
7 Na dia ny Zanak’Andriamanitra aza dia tsy neken’ireo filoha ara-pivavahana ho manana zo hitory ny vaovao tsara sy hanao fahagagana. Tao amin’ny tempoly, “dia nanatona Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?” (Matio 21:23). Nolavin’izy ireo ny hanatsoaka hevitra tahaka an’i Nikodemosy, filoha jiosy iray, fony izy nanambara tamin’i Jesosy hoe: “Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.” — Jaona 3:1, 2.
8. Rehefa avy nanao ny fanompoana nandritra ny telo taona mahery i Jesosy, ahoana no niheveran’ireo filoha jiosy ireo porofo nomeny raha ny amin’ny maha-izy azy sy ny fahefany?
8 Nety ho afaka nilaza toy izao tamin’ireo mpanohitra azy i Jesosy: ‘Avelao hiteny ny asako.’ Rehefa avy nandany telo taona mahery tamin’ny fanompoana ampahibemaso i Jesosy, ireo lohan’ny mpisorona sy ireo loholona jiosy dia afaka nampiasa famantarana maro izay nahatonga azy ireo ho afaka hanatsoaka hevitra marina ny amin’ny maha-izy azy sy ny amin’ny zony hanao fahagagana sy hampianatra ny fahamarinana ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Mafy hatoka loatra fotsiny izy ireny ka tsy afaka nanaiky ny porofo rehetra nomen’i Jehovah noho ny fikendrena ny hampiseho fa tena ilay Mesia nampanantenaina tokoa Jesosy.
9, 10. a) Nahoana moa no tsy mahagaga raha lavina koa ny maha-minisitra ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Ahoana no nataon’i Jesosy tamin’ireo filoha ara-pivavahana izay nanohitra ny fahefany, ary inona no vokany?
9 Rehefa heverina amin’izay nitranga tamin’i Jesosy, dia tsy mahagaga ny Vavolombelon’i Jehovah ny mahita ireo filoha ara-pivavahana mandà ny maha-minisitra eken’ny Rain’i Jesosy azy ireo. Koa satria ireo izay nanohitra ny fahefany tsy nihevitra ireo fahagagana maro be nataony, dia nametraka fanontaniana iray nahasakodiavatra azy ireo i Jesosy. Afaka manao toy izany amin’ireo izay minia manakimpy ny masony amin’ny asan’izy ireo amin’izao andro izao koa ireo mpianany.
10 Rehefa nanontany an’i Jesosy ireo lohan’ny mpisorona sy ireo loholona hoe: “Iza no nanome Anao izao fahefana izao?” dia tsy nametraka fanontaniana saro-pantarina fotsiny i Jesosy fa hoy izy: “Izaho kosa hanontany anareo zavatra iray loha, ary raha hovalianareo izany, Izaho kosa dia hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany: ny batisan’i Jaona, avy taiza moa izany? Avy tany an-danitra va, sa avy tamin’ny olona?” Manampy teny toy izao ny fitantarana: “Ary izy ireo niara-nisaina ka nanao hoe: Raha holazaintsika hoe mantsy: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe isika: Ka nahoana no tsy nino azy hianareo? Ary raha holazaintsika hoe kosa: Avy tamin’ny olona, dia matahotra ny vahoaka isika, satria ataon’izy rehetra ho mpaminany Jaona. Dia namaly an’i Jesosy izy ka nanao hoe: Tsy fantatray. Dia hoy Jesosy taminy: Izaho kosa tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izany.” (Matio 21:23-27). Afaka manontany ny klerjy ny amin’ny raharaha araka ny Baiboly koa ny Vavolombelon’i Jehovah ka mahazo vokatra sahala amin’izanya.
11. Inona no asa notanterahin’ireo mpanompon’i Jehovah talohan’ny 1914, ary ahoana no nampanginana ireo mpanaratsy azy?
11 Nanomboka tamin’ny 1876, ireo mpanompon’i Jehovah dia tsy nitsahatra nampiomana izao tontolo izao, indrindra fa ny fivavahana lazaina fa kristiana, fa hifarana amin’ny fararanon’ny 1914 ny andron’ny Jentilisa (Lioka 21:24). Ny klerjy dia tsy afaka ny tsy hahalala an’io asa natao mialoha io izay nampahatsiahy ny an’i Jaona Mpanao batisa ary naharitra teo amin’ny 40 taona. Nirin’izy ireo mafy ny ho afaka hamely ny mpampanonta Ny Tilikambo Fiambenana raha nandalo ny taona 1914 nefa tsy nisy fisehoan-javatra niavaka nitranga izay hifanitsy amin’ireo izay nambarany. Tsy nahateny anefa ny klerjy tamin’ny 28 jolay 1914 rehefa tapaka tampoka ny fandriampahalemana tamin’ny fipoahan’ny Ady Lehibe Voalohany.
12. Inona avy no fahoriana niaraka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany sy nanaraka azy?
12 Noho ny fandravan’ny ady sy ny fandaozan’ny lehilahy maro ny fambolena, dia niseho ny mosary. Nitranga ny horohorontany tany amin’ny faritra isan-karazany amin’ny gilaoby ka niteraka fahoriana maro. Tamin’ny 1915, ny an’i Avezzano, any Italia, dia niteraka fahafatesan’olona 29 970. Tamin’ny 1920, ny horohorontany nahatsiravina tany Kan-su, any Shina, dia nahafaty olona 200 000. Tamin’ny 1923, dia olona maherin’ny 140 000 no maty tamin’ny horohorontany tany Kanto, any Japon. Ny ady dia narahin’ny gripa espaniola avy hatrany, ka tao anatin’ny herintaona monja dia betsaka kokoa ny maty noho ny matin’ny ady efa-taona. Aoka tsy hohadinointsika koa ny fanenjehana ireo mpanompon’i Jehovah tao anatin’io ady io, dia fanenjehana izay nahatratra ny fara heriny tamin’ny fanaovana an-tranomaizina tsy ara-drariny nandritra ny sivy volana ny prezidà sy ny mpitantsoratra sady mpitahiry volan’ny Fikambanana Watch Tower mbamin’ny enina tamin’ny mpiara-miasa tamin’izy ireo.
13. Inona no fanontaniana apetraky ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary raha mamaly amim-pahamarinana io fanontaniana io ireo izay manakiana azy ireny, inona no tokony heken’izy ireo?
13 Hatramin’ny nahataperan’ny Ady Lehibe Voalohany, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mametraka izao fanontaniana izao amin’ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana: ‘Moa ve ireo fisehoan-javatra feno loza aman’antambo mampahory ny tany nanomboka tamin’ny 1914 ireo fahatanterahan’ny faminanian’i Jesosy voatantara ao amin’ny Matio 24:3-13?’ Raha mamaly amim-pahamarinana hoe “eny” ireo mpitondra ara-pivavahana, dia tokony heken’izy ireo fa niditra ao amin’ny Fanjakany any an-danitra Jesosy Kristy tamin’ny 1914. Koa satria nilaza i Jesosy fa ‘tsy hahita azy intsony izao tontolo izao’ ary hatramin’izao izy dia olona ara-panahy tsy mety maty, dia miharihary fa tsy hita maso ny ‘fahatongavany’ na ‘fanatrehany’ (Jaona 14:29; Matio 24:3, Osty; I Petera 3:18). Nefa raha niaiky izany rehetra izany ny klerjy, dia tsy ho azony atao intsony ny hilaza fa ireo fisehoan-javatra tamin’ny 1914-1918 izay nanozongozona izao tontolo izao dia tsy inona fa ady nifanaovan’ireo firenena araka ny nitranga tsy tapaka tao anatin’ny Tantara fotsiny.
14. a) Raha manaiky ny zava-misy ireo filoha ara-pivavahana, dia hanana adidy handray anjara amin’ny asa inona izy ireny? b) Fangalaran-tahaka ilay Fanjakana inona no tsy tokony hotohanan’izy ireny intsony, nefa lalana inona no mbola arahin’izy ireny ihany?
14 Etsy andaniny koa, raha toa ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana ka nanaiky fa nanomboka ny fanombohan’ny farany ho an’ny fandehan-javatra ankehitriny ireo fisehoan-javatra tamin’ny 1914-1918, dia ho voatery izy hanaiky ny lafiny hafa amin’ny “famantarana” ny ‘fanatrehan’i’ Jesosy sy handray anjara amin’ny fahatanterahan’ny teniny manao hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra.” (Matio 24:14, MN ). Ho an’ireny mpitondra fivavahana ireny, izany dia hilaza fanambarana, tsy ny filazantsara torin’izy ireo hatramin’ny taonjato maro, fa ny vaovao tsara ny amin’ilay Fanjakana naorina tany an-danitra tamin’ny fahataperan’ny andron’ny Jentilisa tamin’ny 1914. Tokony hitsahatra izy ireo tsy hanandratra ny Fikambanam-pirenena ho “endrika ara-politikan’ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany”, fa hanaiky kosa fa io fandaminana io, mbamin’ilay nandimby azy, ny Fandaminan’ny Firenena mikambana, dia ‘fahavetavetan’ny fandravana mitsangana eo amin’izay fitoerana masina’. (Matio 24:15.) Amin’izao taona 1985 izao anefa ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana dia mbola tsy mety manondro ny Fikambanam-pirenena sy ny Firenena mikambana ho io “fahavetavetana” na “zavatra maharikoriko” io foana.
15. Inona no hiafaran’ny klerjy, fa inona kosa no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah?
15 Izany klerjy izany àry dia tsy mety miandany amin’ny Fanjakan’i Jehovah sy Jesosy Kristy. Izany no antony handringanana azy ao anatin’ny “fahoriana lehibe” efa antomotra tokoa izao. Ny Vavolombelon’i Jehovah kosa anefa dia nandao an’i Babylona Lehibe, empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso, ary torin’izy ireo ny hafatra momba ilay Fanjakana any amin’ny tany 203. Io asa tsy mbola natao mihitsy teo aloha io dia lafiny iray miavaka amin’ny “famantarana” mampiseho fa tamin’ny 1914 i Jesosy dia notendrena ho Mpanjaka any an-danitra mba hanjaka eo afovoan’ireo fahavalony. — Matio 24:3, 14, 21; Salamo 110:1, 2; Apokalypsy 18:1-5.
Ilaina ve ny fampisehoana fahamendrehan’ny tena?
16. Inona avy no fanontaniana mipetraka raha ny amin’ny filazana fahamendrehantsika, ary inona no nolazain’i Paoly ny amin’izany?
16 Moa ve isika eo am-pampisehoana ny fahamendrehan’ny tenantsika tsy misy porofo ho vavolombelon’i Jehovah voahosotra? Sa isika miasa amim-pahakingana mba hanorenana filazana fahamendrehana ho an’ny “ondry hafa” an’i Jesosy (Jaona 10:16)? Tsy nanao izany i Paoly, nefa azony natao ny nilaza toy izao tamin’ireo Korintiana tonga kristiana noho ny fiezahany tsy nety sasatra: “Moa midera tena indray va izahay, sa toy ny sasany ka mila epistily filazan-tsoa anay ho aminareo, na avy aminareo? Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin’ny olona rehetra; eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay hianareo, tsy nosoratana tamin’ny ranomainty anefa, fa tamin’ny Fanahin’Andriamanitra velona, tsy teo amin’izay tena vato fisaka, fa teo amin’izay vato fisaka nofo, dia ny fo.” — II Korintiana 3:1-3.
17. Nahoana no azo atao ny manantitrantitra fa mendrika ny ho minisitra i Paoly, ary inona no azo lazaina ny amin’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izany?
17 Noho ny fanampian’ny fanahin’i Jehovah, Paoly dia nanoratra maro be amin’ireo boky ao amin’ny Baiboly ary nanova olona be dia be hanaraka ny kristianisma. Noporofoiny tamin’ny fomba tsy azo lavina àry fa ampy fahamendrehana mba hanao ny fanompoana kristiana izy. Ho fampitahana, amin’izao androntsika izao, indrindra fa hatramin’ny nivoahan’ny nomerao voalohany amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1979, ny sisa amin’ny mpianatr’i Kristy voahosotra, na dia tsy nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra sahala amin’i Paoly aza, dia namoaka soratra araka ny Baiboly maro. Nanomboka tamin’ny 1920 izy dia namoaka tao amin’ny fanontam-pirintiny ihany, boky, bokikely, gazety sy zavatra vita pirinty hafa amin’ny fiteny maro, an-tapitrisany maro. Naely tamin’ny vidiny kely dia kely ireny zavatra voasoratra ireny ary matetika aza no omena maimaimpoana ny olona tsy manana. Ny Fikambanana Watch Tower dia nandamina maimaimpoana koa lahateny araka ny Baiboly ary nandefa misionera tany amin’ny faritany tsy mbola niasana saika hatraiza hatraiza teo amin’izao tontolo izao. Olona an’aliny maro no nandray tsara ny hafatra am-bava na an-tsoratra ka tamin’ny farany dia nanolo-tena ho an’Andriamanitra ary nampiseho an’ohatra izany tamin’ny alalan’ny batisa. Izany indrindra no hita nanomboka tamin’ny 1935, daty nampiharihariana mazava fa nisy “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” an’i Jesosy, tsy voafetra ny isany, afaka nanantena ny hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa ho tafaorina indray eto an-tany. — Apokalypsy 7:9-17; Lioka 23:43, MN.
18. Raha lavina ny maha-minisitra azy, afaka manondro inona moa ireo anisan’ny sisa voahosotra?
18 Noho izany, inona no hatao raha toa ny klerjy ka mitaky ny hamoahan’ny kristiana voahosotra diplaoma momba ny teolojia? Ireny mpanompon’Andriamanitra ireny dia manana porofo mampiaiky lavitra. Azony tondroina ny “ondry hafa” maherin’ny roa tapitrisa sy sasany eto an-tany ka manambara toy izao izy: ‘Ireo no taratasy filazan-tsoa anay!” Azon’izy ireny atao koa ny miteny amin’ireo anisan’izany “olona betsaka” izany ka milaza aminy amin’ny fandraisana indray ny tenin’i Paoly hoe: “Hianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakin’ny olona rehetra.” (II Korintiana 3:2). Aoka àry ny klerjy ao anatin’ny fivavahana lazaina fa kristiana hamaky an’io taratasy velona io izay voaforon’ireny kristiana nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa ireny izay manompo an’i Jehovah andro aman’alina ao amin’ny tempoliny ka mitondra ny fanampiany mba ‘hitoriana ny vaovao tsaran’ny fanjakana amin’ny tany onenana manontolo, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra’? (Matio 24:14, MN.) Sahala amin’ny sisa voahosotra, ireny kristiana ireny dia manaporofo fa mendrika ny hanao ny fanompoana izy.
19. Taratasy filazan-tsoa tsy manam-paharoa inona no harovana amin’ny Hara-Magedona?
19 Tsy hokosehina izany taratasy filazan-tsoa tsy manam-paharoa izany rehefa ho avy tsy ho ela ny “adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha” ao amin’ny toerana ara-panoharana antsoina hoe Hara-Magedona (Apokalypsy 16:14-16). Harovana kosa izany ka hotehirizin’ilay Andriamanitra manan-kery hahefa ny zavatra rehetra mba haseho aorian’ny Hara-Magedona, ao amin’ny fandehan-javatra izay Kristy no ho Mpanjaka. Amin’izay izany “olona betsaka” izany dia ho taratasy hahery ho an’ny olona an-davitrisany maro, havoakan’i Jehovah, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, avy ao amin’ny fasana fahatsiarovana amin’ny tany manontolo. Noho izany antony izany, ry kristiana izay mahaforona ny sisa voahosotra, manohiza manoratra izany taratasy izany! Ary ianareo anisan’ny “olona betsaka” amin’ny “ondry hafa” an’ny Mpiandry tsara, aza mitsahatra mihitsy manampy azy ireny amin’ny adidiny!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ohatra ny fehintsoratra faha-13 sy 14 eto ambany.
Ahoana no hevitrao
◻ Amin’ny ahoana moa ny Vavolombelon’i Jehovah izay tsy mivarotra ny Tenin’Andriamanitra no manahaka an’i Paoly?
◻ Inona no mahatonga ny olona iray ho ampy fahaizana mba hanaovana ny tena fanompoana kristiana?
◻ Raha nanaiky ny zava-misy ireo filoha ara-pivavahana, asa inona no tokony handraisany anjara?
◻ Taratasy tsy manam-paharoa inona no azon’ny anisan’ny sisa voahosotra tondroina mba hanaporofoana fa minisitra mahay izy ireo?
[Sary, pejy 23]
Nampianarin’i Jesosy mba ho tonga minisitra ireo mpianany, nefa tsy nanokatra seminera akory izy.
[Sary, pejy 25]
Noho izy minisitra mahay, dia mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakana efa miorina ny Vavolombelon’i Jehovah. Manao izany ve ianao?