Velona ny tenin’Andriamanitra
Ahoana no hahazoana ny hevitry ny Baiboly?
REHEFA mamaky ny Baiboly ianao, moa ve tsapanao fa sarotra raisina ny heviny? Izany matetika no eritreretin’ny olona maro. Fantatrao ve ny antony? Ny fisehoan-javatra nitranga tamin’ny taonjato voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana, tany akaikin’ny sila-tanin’i Gaza ankehitriny, any Isiraely, dia manampy antsika hahita izay ilaintsika mba hahazoana ny hevitry ny Soratra masina.
Ny lehilahy iray nampiandraiketin’ny mpanjakavavin’i Etiopia ny raharaha ara-bolan’ny fireneny, dia nanjary nahalala ny Andriamanitry ny Jiosy. Niakatra tany Jerosalema àry izy mba hivavaka tamin’i Jehovah. Nody tany amin’ny taniny, any Afrika, izy izao, tamin’ny lalana any an’efitra midina mankany Gaza. Nitondra ny horonambokin’Isaia izy ary, teny an-dalana, dia namaky mafy izany.
Filipo mpianatra kristiana no hitanao mihazakazaka eo akaikin’ny kalesy. Nanome azy izao baiko izao ny fanahin’Andriamanitra: “Andeha manatona ka mankanesa amin’io kalesy io.” Rehefa tonga teo amin’ny tandrifiny i Filipo dia nandre ilay mpanao raharaham-panjakana etiopiana namaky izay mifanitsy ao amin’ny Baibolintsika amin’ny tenin’Isaia 53, andininy faha-7, manao hoe: “Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy, ary tsy niloa-bava, tahaka ny zanak’ondry moana eo anoloan’ny mpanety azy.” Dia hoy i Filipo nanontany an’ilay Etiopiana: “Moa fantatrao va izay vakinao?”
Izy io dia lehilahy nanetry tena izay naniry hahafantatra bebe kokoa ny amin’ilay Andriamanitra marina sy ny fikasany. Izany no antony namaliany hoe: “Hataoko ahoana no fahay, raha tsy misy mampianatra ahy?” Tamin’izay dia niangavy an’i Filipo izy mba hiakatra teo aminy ary nanontaniany toy izao izy: “Masina ianao, iza moa no lazain’ny mpaminany amin’izany? Ny tenany va, sa olon-kafa?”
Nohazavain’i Filipo taminy fa ara-paminaniana io andinin-teny io ary mihatra amin’i Jesosy avy any Nazareta. Tsy ela loatra izay, hoy ny teny nanampiny, dia novonoina toy ny zanak’ondry atao sorona Jesosy, nefa natsangana tamin’ny maty izy. Izy ilay Mpamonjy nambaran’Andriamanitra! Avy eo, tamin’ny alalan’ny andinin-teny hafa ao amin’ny Soratra masina, dia noporofoiny taminy tamin’ny fomba nampiaiky fa tena Jesosy tokoa ilay Mesia nampanantenaina. Tamin’izany dia nandray ny heviny rehetra ireo andalan-teny novakin’ilay Etiopiana. Koa raha mbola nanohy ny diany izy ireo, dia nanipy hevitra toy izao ilay Etiopiana: “Indro rano, ka inona moa no misakana ahy tsy hatao batisa?” Neken’i Filipo niaraka tamin’izay ny hataka nataon’io mpianatr’i Jesosy vaovao io. — Asa 8:26-39.
Io fitantarana araka ny Baiboly io dia mampiseho tsara ny fomba mety mba hahazoanao fanampiana koa hahazo ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra. Nitana fifandraisana akaiky tamin’ireo apostoly i Filipo tany Jerosalema; anisan’ny kongregasiona hita mason’i Jehovah izy. Tsy nilaza ny hevitry ny teny ao amin’ny Baiboly tamin’ny naha-mpamaky nahaleotena fotsiny an’io boky io aza izy; raha ny marina, ny nampitainy tamin’ilay Etiopiana, dia ny fampianarana nomen’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fandaminany (Asa 6:5, 6; 8:5, 14, 15). Amin’izao andro izao, mba hahazoana ny hevitry ny Tenin’Andriamanitra, ny tenanao koa dia mila ny mandray ireo fanazavana homen’ireo solontenan’ny kongregasiona kristiana marina anao.