FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/12 p. 27-30
  • Nahita fahafinaretana aho nanao ny sitrapon’Andriamanitra

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Nahita fahafinaretana aho nanao ny sitrapon’Andriamanitra
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Mianatra manao ny sitrapon’i Jehovah izahay.
  • Zava-kendrena vaovao iray teo amin’ny fiainako.
  • Ny fanompoanay nandritr’ireo taona voalohandohan’ny ady.
  • Fampiofanana iray ho amin’ny fanompoana ho avy
  • Manohy ny asako any amin’ny faritany vaovao aho
  • Manohy manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra amim-pifaliana aho
  • Tsapako hoe Mahasambatra ny Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Vavolombelon’i Jehovah Manerana Izao Tontolo Izao — Porto Rico
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • “Ity no Lalana ka Andehano”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
  • Hitako ny Nahatongavan’ny “Malemy” ho “Firenena Mahery”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1997
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/12 p. 27-30

Nahita fahafinaretana aho nanao ny sitrapon’Andriamanitra

Tantarain’i Emil Van Daalen

NY TANY iray manontolo dia mbola nahatsiaro ny vokatry ny Ady Lehibe Voalohany. Ny faharavana ara-bola tamin’ny 1929 dia nanosika olona maro hamono tena noho ny fahaverezan’ny tahiriny. Avy eo dia nitranga ny fahamainana amin’ny ankapobeny, ny tadiom-bovoka mahajamba, ny fielezan’ny valala, ny vokatra kely, ny fidinan’ny vidin’ny biby fiompy sy ny voan-javatra tsy mbola nisy toy izany ary ny fidangan’ny isan’ny tsy an’asa. Mba hahatanteraka izany rehetra izany, dia tsinjo teny lavitra teny ny fandrahonan’ny ady vaovao iray. Eny, araka ny nanambaran’ny Baiboly azy, ‘ny fon’ny olona dia reraka noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany.’ — Lioka 21:26.

Tamin’izany fotoana izany ny fianakaviako — izany hoe ny ray aman-dreniko, ny zanany lahy fito sy zanakavavy iray — dia nonina tany Dakota Atsimo. Efa nahita fanandraman-javatra tamin’ny Ady Lehibe Voalohany ny raiko sy ny reniko; veriny ny toeram-piompiany sy famboleny ary nanandrana namerina indray ny firoboroboany tao amin’ny toerana hafa iray. Koa satria nanan-janakalahy maro izy ireo, dia nalahelo mafy tamin’ny fahatsinjovana manjombona ateraky ny ady vaovao iray.

Mianatra manao ny sitrapon’i Jehovah izahay.

Tsy noeritreretiko mihitsy tamin’izany fa ny fanambarana iray nataon’ny mpanao salamo ao amin’ny Baiboly dia hanapaka tanteraka ny tapany lehibe amin’ny fiainako. Izany dia ireto teny ara-tsindrimandry nataon’i Davida ireto: “Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako.” (Salamo 40:8). Nanomboka tamin’ny 1932 ny zavatra rehetra.

Tamin’io taona io, Edward Larson, mpandehandeha iray, dia nanolotra ny larontsakafo, ny savony ary entana hafa mitovy karazana amin’izany nentiny. Nefa nanan-javatra tsaratsara kokoa izy: hafatra iray. Nohazavainy taminay fa ireo Fiangonana dia tsy nampianatra ny fahamarinana, fa Jesosy Kristy dia nampihatra ny fahefany tamin’ny naha-Mpanjaka any an-danitra azy, fa ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana dia tokony hotorina, ary aorian’ny adin’Andriamanitra ao Haramagedona ny marina dia handova ny fiainana mandrakizay. — Apokalypsy 16:14, 16; 21:1-4.

Izany dia nisy vokany lehibe manokana teo amin’ny reniko. Ny fianakaviana iray teo amin’ny manodidina koa dia mampiseho fahalianana tamin’io hafatra io. Vetivety àry ny fianakaviana telo, anisan’izany ry Larson, dia “nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ka nandinika ny Soratra Masina.” — Asan’ny Apostoly 17:11.

Tamin’izany fotoana izany ihany koa, Ralph Vittum, mpitory maharitra iray (na mpitory ilay Fanjakana manontolo andro) izay nandeha tamin’ny fiara tranainy Ford Modely T, dia namangy anay. Nasain’ireo ray aman-dreniko nitoetra tato aminay izy, nandritra ny fotoana rehetra nanaovany fanambarana tamin’ny olona teo amin’ny faritany. Tsy natory talohan’ny sasak’alina na ny amin’iray maraina izahay, raha mbola nanazava taminay ny fahamarinana momba ilay Fanjakana sy nanala sarotra ny fampianaran’ireo Fiangonana ny amin’ny afobe’ny “Trinité”, na tsy fahafatesan’ny fanahy ary ireo fampianaran-diso hafa izy. Na dia tsy nahazo fampianarana ny Baiboly iray aza izahay raha lazaina tsotra, dia nanomboka nahatakatra kosa hoe inona ny fikasan’ilay Mpamorona ny amin’ny olombelona ary ny fomba azonay hanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Fanamaivanana sy fifaliana toy inona moa no azonay rehetra avy tamin’izany, ary indrindra ireo ray aman-dreniko! Arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia nifankahalala tamin’ny Vavolombelona betsaka izahay. Tamin’izany no nahatafiditra anay tao amin’ny kongregasionan’ireo mpanompon’i Jehovah.

Zava-kendrena vaovao iray teo amin’ny fiainako.

Izany rehetra izany dia nanomboka raha mbola nandeha tany amin’ny “lycée” aho. Ny fandraisako anjara voalohany tamin’ny fanompoana dia niantomboka tamin’ny 1934, ary natao batisa roa taona taorian izay aho. Nandritra izany fe-potoana sarotra nisian’ny hain-tany sy tadiom-bovoka izany, dia nanokana tapa-bolana aho nanaovana fanambarana tany amin’ny faritany nitokana. Ny tenanay ihany no nikarakara ny sakafonay ary natory tamin’ny tany na tao anaty fiarakodia izahay na taiza na taiza toerana nisy anay teo am-pifaranan’ny andro. Nefa sambatra izahay satria fantatray fa nanatanteraka ny sitrapon’i Jehovah.

Nandritra io dia nanokana io dia nifanena tamin’ny vehivavy iray izay nanana ny bokikely hoe Le classement des humains izahay. Tamin’ny famakiana azy dia takany fa ny hafatra noraketiny no fahamarinana; nanafatra betsaka tamin’ireny bokikely ireny tamin’ny Fikambanana Watch Tower izy ka nizara izany tamin’ny mpiara-monina sy ny sakaizany nanodidina azy. Tonga vavolombelon’i Jehovah feno zotom-po izy.

Ny tenako sy Arthur rahalahiko dia nanomboka ny asan’ny mpitory maharitra tamin’ny oktobra 1938. Nitory indrindra tany amin’ny faritra ambanivohitra voaforon’ny tapany atsinanan’i Dakota Atsimo sy ny tapany andrefan’i Minnesota izahay. Taty aoriana, Homer, anankiray amin’ireo rahalahiko ara-nofo, sy rahalahy Carrol Tompkins dia nanampy anay. Nanana “caravane” sy fiarakodia roa izahay tamin’izany. Nitory tany amin’ny faritany izay nahafaoka ny Missouri, ny Louisiane sy Iowa izahay. Tany Sioux City izahay tamin’ny 1941 raha naharay ny taratasy nanendry anay ho toy ny mpitory maharitra manokana ho any Watertown, any Dakota Atsimo.

Ny fanompoanay nandritr’ireo taona voalohandohan’ny ady.

Nihamafy ny Ady Lehibe faharoa, ary nantsoina hanao ny raharaha miaramilany ireo zatovolahy. Nefa noho ny lalàna nifehy anay amin’ny maha-minisitra ara-pivavahana mpitory ilay Fanjakana manontolo andro, dia tsy nisy taminay voatery nandeha. Ireo mpamboly sy mpiompy teo amin’ny manodidina an’i Watertown dia sosotra nahita zatovo efatra ampy taona handehanana any an-tafika ‘nandany ny androny nandeha isan-trano nitondra zavatra vita an-tsoratra momba ny Baiboly’ kanefa ireo zanany lahy nandray anjara tamin’ny ady. Indray Asabotsy hariva, teo am-panolorana ny gazetinay teny an-dalana izahay raha nipoitra ny mpiasan’ny pôlisy ka nitondra anay tany amin’ny paositry ny pôlisy. Nampahafantariny anay fa tokony handao ny tanàna izahay ao anatin’ny tapa-bolana, raha tsy izany dia ho samborina. Mazava ho azy fa noheverinay ho Jehovah mihitsy no naniraka anay tao amin’io tanàna io, ka noho izany dia nizara ny fihetseham-pon’ireo apostoly izay noraràna tsy hitory izahay ka nanao hoe: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.” — Asan’ny apostoly 5:29.

Tapa-bolana taty aoriana dia niomana hivoaka mba ho eny amin’ny saha fitoriana izahay raha tonga ny pôlisy nisambotra anay ary nanao anay tao an-tranomaizina. Iny alina iny, ny “procureur” tao an-tanàna — ny tompo-marika voalohany tamin’izay nanjo anay — dia nanontany anay tsirairay avy ary nitohy hatramin’ny ora voalohandohan’ny maraina ny fakana am-bava. Nijanona efatra andro tao an-tranomaizina izahay, nefa izay nohazonina ka tamin’ny farany dia nahatonga anay hiseho teo amin’ny Fitsarana tampon’ilay firenena, dia nanohana fa tokony nanaisotra vola “cent” iray isaky ny 25 “cents” tamin’ireo gazety lafo izahay ka nandoa izany hetra izany tamin’ny fanjakana. Ny Fitsarana tampony dia nanapaka fa noho ny toetry ny asa nataonay, ny hetra toy izany dia tsy ara-dalàna. Notahin’i Jehovah àry izahay tamin’ny fanomezany fandresena, ka amin’izao fotoana izao dia misy kongregasiona mandroso iray an’ny Vavolombelon’i Jehovah ao an-tanànan’i Watertown..

Fampiofanana iray ho amin’ny fanompoana ho avy

Tao amin’ny taona 1942 izao izahay. Nahery vaika ny ady, nefa niharihary fa mbola nisy asa lehibe tokony hotanterahina mifanaraka amin’ireto tenin’i Jesosy manaraka ireto: “Mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy (...) sady mampianatra azy.” — Matio 28:19, 20.

Nasaina nametraka ny fangatahanay mba ho anisan’ny kilasy voalohany amin’ny Sekoly fianarana ny Baiboly an’ny Fikambanana Watchtower, dia ny Sekolin’i Gileada, izaho sy ny rahalahiko roa. Eritrereto ny fahatairanay sy ny fifalianay! Iza moa izahay no nahazo fitahiana toy izany, tombontsoa lehibe toy izany? Nampahafantarina anay fa mety tsy ho afaka hiverina any amin’ny misy anay izahay alohan’i Haramagedona. Tokony hanapa-kevitra izahay. Nefa taminay dia tsy nisy afa-tsy valiny tokana: Sitrakay ny hanao ny sitrapon’i Jehovah (Salamo 40:8). Ambonin’izany, dia nanjary nihafeno tsara sy tondraka ny kapoakanay raha nahare izahay fa i Leo rahalahinay ara-nofo sy ny vadiny Eunice dia ho iray kilasy aminay. Ho enina àry izany ny mpikambana amin’ny fianakavianay ho anisan’io kilasy voalohany io.

Rehefa avy nandany volana maro nahatalanjona nianarana aho, dia nahazo tombontsoa tamin’ny fiofanana manokana tao amin’ny Betelan’i Brooklyn, niaraka tamin’ny roa tamin’ireo rahalahiko. Taty aoriana dia nalefa tany amin’ny asan’ny fizaran-tany izahay. Faly indrindra aho afaka nitsidika ny ankamaroan’ireo kongregasiona any amin’ireo Fanjakan’i Iowa sy Nebraska. Tamin’ny farany dia nandray ny fanendrena ahy ho any amin’ny faritaniko amin’ny maha-misionera aho. Izany dia Porto Rico, ary hanaraka ahy any koa Leo rahalahiko sy Eunice vadiny ary Donald zanak’olo-mpirahalahy tamiko. Fitahiana re izany! Ny hatsaram-pon’i Jehovah dia niseho taminay tamin’ny fomba niharihary tokoa.

Manohy ny asako any amin’ny faritany vaovao aho

Tonga tany Porto Rico izahay ny 13 martsa 1944. Nanomboka tamin’izay ny raharaha mafy. Nahatsiaro tena ho kely sy nitokana ery izahay teo afovoan’ny mponin’i Porto Rico miisa 2 000 000. Tsy dia afaka nahazo sy niteny ny fiteny espaniola izahay! Hahatana tsara ve izahay? Ampy fiorenena mafy ve ny finoanay. Niaiky tanteraka ve izahay fa sitrapon’i Jehovah ny naha-teo anay? Ny fotoana no hamaly izany.

Ny ampitson’ny nahatongavanay dia sahy nanao fanambarana tamin’ny mpifanolobodirindrina taminay izahay tamin’ny teny espaniola niahotrahotra. Tsy ela dia nanary ny fahamenaranay teo anoloan’ny olona izay nampiseho hatsaram-panahy sy faharetana lehibe izahay. Nifankahalala tamin’ny anabavy roa mpitory maharitra izay nialoha anay tao amin’io faritany io sy ny rahalahy ary anabavy vitsivitsy ara-panahin’i Santurce sy Arecibo izahay. Faly ery izy ireo nahafantatra fa tonga mba hanampy azy ireo izahay. Nametraka zavatra vita an-tsoratra tamin’ny habetsahana mahagaga izahay. Betsaka ny fahalianana hitanay ka tsy azo natao ny nianatra tamin’ireo rehetra naniry hahafantatra ny fahamarinana. Taoriana kelin’ny nahatongavanay dia nangataka misionera fanampiny aho tao amin’ny taratasy iray ho an’ny Fikambanana Watchtower, ary tsy ela dia tonga nanampy anay Arthur sy Homer, rahalahiko ara-nofo. Taty aoriana dia misionera maro hafa no nalefa tao amin’io faritra io.

Nangatahina mba ho any amin’ny tanàna samihafa aho, ka izany dia nahafahako nanampy olona maro hahafantatra ny fahamarinana sy hanolo-tena ho an’i Jehovah. Ny fitantarana hita teny am-pitoriana iray tadidiko tsara dia mikasika an’i Susana Mangual, izay enimpolo taona tamin’izany. Nipetraka tamin’ny trano naorina teo amin’ny 2,50 metatra miala ambonin’ny tany izy. Tamin’ny tohatra iray no nahatongavana teo amin’ny lavarangana. Nifoka be loatra i Susana sady efa azon’ny kohaka ratsy ary tsy nidina intsony avy teny amin’ny lavarangany hatramin’ny ela. Rehefa tonga teo am-baravarany aho dia vetivety dia liana tamin’ny hafatra izy ka nanomboka ny fianarana ny Baiboly izahay. Nandroso haingana teo amin’ny fahamarinana izy. Raha nandeha hanatrika fivoriambe kristiana iray tany amin’ny ilany hafa tamin’ilay nosy izy dia nanapa-kevitra hijanona tsy hifoka ary hatao batisa. Rehefa tafaverina i Susana dia nitsahatra tsy nihidy tao aminy ary nandray anjara tamin’ny asa fitoriana niaraka tamin’ireo rahalahy. Fotoana kely taty aoriana dia nanao ny asan’ny mpitory maharitra mandavantaona izy.

Nitohy nitatra ny asa tany Porto Rico, ary tsapa tamin’izany ny nilàna mpiandraikitra ny fizaran-tany manontolo andro iray. Toa sitrapon’i Jehovah ny hiandraiketako an’io tombontsoa io, ary tsy ela aho dia nitsidika ireo kongregasiona, ny tranon’ireo misionera ary ireo nosy Vierges. Nefa noho ny fandrosoan’ny asa dia tsy maintsy nitranga ny fiovana hafa iray..

Tamin’ny novambra 1951 dia nandray taratasy avy tamin’ny Fikambanana aho, nanasa ahy ho tonga mpiandraikitra ny sampany any Cuba. Ahoana no hahafahako hitarika ny asa ao amin’ny sampana iray izay nikarakara mpitorin’ilay Fanjakana miisa 10 000? Na dia tsy nahatsiaro tena ho afaka handray an’izany andraikitra izany aza aho, dia tsapako fa izany no sitrapon’i Jehovah ka noho izany dia vonona ny hanandrana aho.

Tsy vitan’ny hoe nahazo ny fanampian’i Jehovah aho, fa ireo rahalahy efatra tao amin’ny birao koa dia niasa tamim-paharetana teo anilako. Nandany roa taona nahafinaritra aho tao ary nifankahalala tamin’ny rahalahy sy anabavy ara-panahy an-jatony. Maro tamin’izy ireny no tonga malalako ary lasa any amin’izy ireny matetika ny fisainako.

Kanefa mbola misy fiovana hafa iray hitranga. Noho ny antony mifanaraka amin’ny Baiboly dia nangataka hiverina indray tany Porto Rico aho, ary neken’ny Fikambanana izany. Tamin’ny fiverenako dia notendreny hikarakara ny asa tao amin’io tany io aho, ka izany dia nitaky amiko ora lava iasana. Nefa teo koa, satria izany no sitrapon’i Jehovah, dia ampy ny antony hanekeko. Nankasitrahako tokoa ny nifankahita indray tamin’ireo misionera sy ireo rahalahy ary anabavy mponina ao Porto Rico. Tsy ela, dia nanapa-kevitra izaho sy ny iray tamin’ireo anabavy misionera hanompo an’i Jehovah amin’ny maha-mpivady. Noho izany, tamin’ny martsa 1959, Bettyjane Rapp dia tonga Bettyjane Van Daalen. Hatramin’izay dia nanana fiainan’ny mpivady sambatra izahay.

Ny asa fitoriana sy fanaovana mpianatra dia nandroso ka niharihary fa notahin’i Jehovah izany. Kanefa, niantomboka ny fiovana hafa iray.

Manohy manatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra amim-pifaliana aho

Teo am-piandohan’ny taona 1963 dia nasaina hanaraka fianarana iray nomen’ny Sekolin’i Gileada aho, fianarana naharitra 10 volana natao ho an’ireo mpiandraikitra ny sampana sy ny mpanampy azy ireo rehetra. Ronald Parkin, izay efa nanatrika ny kilasy teo aloha, dia hikarakara ny sampana mandritra ny tsy maha-eo ahy. Rehefa tapitra ny fianarana, Jehovah dia nanana andraikitra hafa ho ahy, dia ny fitarihana ny asa fitoriana ny vaovao tsara tany amin’ireo nosy Bahamas.

Ny fanompoana tany Bahamas dia niseho ho tena fanandraman-javatra mahatalanjona. Tany izahay mivady dia nahita olona sariaka, tia fivavahana ary tsy manohitra. Vonona ny hanokana fotoana hiresahana ny Baiboly izy ireo. Ny zavatra hita teny am-pitoriana mikasika ny boky Recueil d’histoires bibliques dia manaporofo izany.

Raha nanolotra an’io boky fianarana io ny Vavolombelon’i Jehovah teo amin’ny asany isan-trano, ny anabavy iray 76 taona, mpitory maharitra mpanampy, dia nahapetraka maherin’ny 100 tamin’izany. Ny anabavy iray, izay nitokana tao amin’ny nosy iray tsy dia lavitra, dia naharay boky 60 ary nametraka izany rehetra izany raha mbola tsy tapitra akory ny volana. Eny, ny mponina ao Bahamas dia mandray ny Baiboly ho zava-dehibe.

Nandritra ny 18 taona nolaninay mivady tany Bahamas, ny asa fitoriana ny vaovao tsara dia nandroso tokoa noho ny fitahian’ilay Raintsika any an-danitra. Fantatra tsara ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireo nosy ireo, ary betsaka ireo rahalahy sy anabavy mazoto mandany hery amin’ny fitadiavana ireo olona manana fo toy ny ondry, raha mbola azo atao koa izany.

Amin’izao fotoana izao, raha mbola manompo ao amin’ny asa manontolo andro izahay any Floride, dia afaka mahatsiaro indray ireo taona maro sambatra natokanay hiderana an’i Jehovah tany amin’ireo nosy Caraïbes. Nahatsapa izahay fa tsy maintsy mandray tombontsoa lehibe ny tena rehefa manaiky ny fitarihan’ny fanahin’Andriamanitra. Raha ny marina, dia manandrana amin’ny lehibe indrindra amin’ireo fahasambarana ny tena — dia fifaliana lalina — rehefa manao ny sitrapon’i Jehovah.

[Sarintany, pejy 29]

(For fully formatted text, see publication)

Floride

OSEANA ATLANTIKA

Fitambara-nosin’ny Bahamas

Porto Rico

Nosy Vierges

RANOMASIN’NY CARAÏBES

Kiobà

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara