Fampianarana tsara indrindra
Nolazaina fa ny olona iray raha namaky ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana sy Réveillez-vous!, mbamin’ireo zavatra vita an-tsoratra hafa navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nahazo fampianarana nitatra sy fahaizana tsara tao anatin’ny taona maromaro. Manome porofo ny amin’izany ity taratasy manaraka ity nosoratan’ny vavolombelon’i Jehovah anankiray:
Tao amin’ny kilasy fahatelo aho rehefa niala tamin’ny fianarako, tokony ho 25 taona lasa izay. Nanomboka hatramin’izany aho no efa tsy nanaraka fampianarana tany an-tsekoly intsony. Araka ny fandrindran-kevitra tsara tokoa no tsy maintsy natoritoriako teo amin’ny lafiny ara-tsaina. Noho ny antony ara-bola — dia voatery tsy maintsy nitady asa manontolo andro aho mba hisahanana izay nilain’ny fianakaviako—tsy maintsy niverina tany an-tsekoly aho mba hahazo diplaoma iray amin’ny taom-pamaranana ambaratonga faharoa. Nanomboka ny fianarako efa ho indroa andro aho raha nanapa-kevitra ilay profesora ny hampanao ahy fitsapam-pahaizana mitovy amin’izay tsy maintsy hataoko raha haka ny diplaomako aho. Nahakasika ny taranja toy ny siansa, ny làlana, ny siansa sosialy sy ny fahalalana lahatsoratra ny fitsapam-pahaizana. Nilaza tamin’ilay profesora aho fa tsy nihevitra ny hanao ilay izy satria fantatro fa tsy hahomby aho. Kanefa nikiry ihany izy.
“Nahazo ny iray tamin’ireo isa ambony indrindra anefa aho. Mba hahazoana io diplaoma io dia tokony ho azo ny salan’isa, izany hoe 35. Nahazo isa 44 aho. Fa nahoana aho no mitantara aminareo izany rehetra izany? Satria tao anatin’ny valo taona lasa, ireo zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nahaforona ny tapany lehibe indrindra tamin’ny vakiteniko. Mpamaky be zotom-po an’izy ireny aho ary nandany andro nanaovana fikarohana be dia be.
“Tokony ho fantatro fa ny valim-panontaniana be dia be nomeko nandritra ny fitsapam-pahaizana dia novakiko tao anatin’ireo zavatra vita an-tsoratra faramparany isan-karazany. Ohatra, tamin’ny siansa, dia nisy fanontaniana nikasika ny “fluorocarbones” noresahin’ny lahatsoratra iray ao amin’ny Réveillez-vous!. Toy izany koa tamin’ireo fanontaniana tamin’ny foto-kevitra hafa, indrindra ny mikasika ireo zava-nitranga tamiko. Ilaina ny ahafantaranareo ny vidiny marina ananan’ireo gazety sy bokinareo, ary ny asa tontosainareo mba hahazoanay azy ireny dia tena mahasoa anay tokoa amin’ny endriny maro. Misaotra anareo aho ary misaotra an’i Jehovah manome ahy fampianarana izay tsy mbola azoko an-tsaina mihitsy hatramin’ny fotoana nanaovako iny fitsapam-pahaizana iny. Nanome toky be dia be ahy izany, dia zavatra nilaiko tao anatin’ny fotoana nitambesaran’ny enta-mavesatra ara-bola teo an-tsoroko.”
Ho tianao ve ny hanitatra ny fahalalanao sy handray soa amin’ny fampianarana sarobidy kokoa hatrany noho izay andanianao vola any amin’ny kolejy etsy sy eroa? Azonao atao izany raha mamaky tsy tapaka ity gazety ity sy ny Réveillez-vous! famenony ianao. Tsy hanampy anao fotsiny hanaraka ireo zava-mitranga maneran-tany ireo gazety ireo fa hamela anao hahita koa ny fomba fanatanterahan’ireny zava-mitranga ireny an’ireo faminanian’ny Baiboly mikasika ny fotoan’ny farany ho an’ny fandehan-javatra misy antsika iray manontolo. Eny, amin’ny famakiana tsy tapaka ireo zavatra vita an-tsoratra ireo dia tsy hoe hampitombo fotsiny ny fahalalanao eo amin’ny lafim-piainana andavanandro ianao, fa ho azonao koa ny fahalalana izay hahafahanao manantena ny hiaina mandrakizay ao anatin’ny fandaharan-javatra vaovao marin’Andriamanitra. — Jaona 17:3; II Petera 3:13.