Indray mitopy maso amin’ny vaovao
Ilay vehivavy jangan’i Babylona
Izao no azo novakina vao haingana tao anatin’ilay gazety kanadiana hoe Maclean’s: ”Izao angamba no fotoana tokony hanaovan’ny olona tso-po rehetra, na kristiana na tsy kristiana, fanafihana ho fanoherana ireo fikambanana samihafa ao amin’ny fiangonana isan-karazany izay nihoatra ny faritry ny fanakianana ara-dalànany fitambaran’olona mba ho tonga fahavalon’ny fanjakana.” Tamin’ny fametrahana io raharaha io ao anatin’ny “fanapoizan-javatra ara-tantara.” ny mpanoratra ilay gazety, i Barbara Amiel dia nanampy hoe:
“Tsy tokony hodian-tsy hita ny mpandinika izay mahatsapa fa ny fiangonana, tato anatin’ity taonjato ity, dia toa nahita ny vehivavy jangany avy any Babylona ao amin’ny olona rehetra nomem-pahefana izay tamin’ny fotoana iray na tamin’ny fotoana hafa dia nahay nanjakazaka. Ny vatikana, ohatra, dia tonga tamin’izany tamin’ny firaisana petsapetsa tamin’i Franco tany Espagne ary tonga hatramin’ny fiaraha-mioko niaraka tamin’i Hitler sy Mussolini.” Avy eo, “rehefa resy ny nazia tamin’ny farany, ireo fikambanana samihafa avy amin’ny fiangonana lehibe isan-karazany dia nirotsaka”. toy ny vehivavy janga iray, “tamin’ny filalaovana fitia toy izany” niaraka tamin’ny kaominisma.
Kanefa moa ve ireo izay ‘ijangajangan’ireny’ mpanao fihetsiketsehana miandany amin’ny klerjy ireny no mahaforona ilay vehivavy jangan’i Babylona’, sa kosa ny mifanohitra amin’izany no izy? Miharihary fa ilay tena “vehivavy janga lehibe” antsoina hoe “Babylona Lehibe” ao amin’ny Baiboly, dia ilay “nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany”, dia tsy iza fa ny fivavahana nitana fifandraisana maloto tamin’ny fandaminana ara-politika. Manohy ny teniny ny Baiboly amin’ny fampisehoana fa, amin’ny farany, ny fahatezerana (toy izay nasehon’ilay mpanoratra gazetin’i Maclean’s) amin’ireo “mpanjaka” ireo dia hiova ho “fankahalana”, hitarika ny fandravana ilay “vehivavy janga”, izay ‘ho levon’ny afo tanteraka’. — Apokalypsy 17:1-5, 12, 16.
Mankasitraka ny lainga izy ireo.
”Mitaky ny fanafahana ny mpikomy fanta-bahoaka iray ireo mpiara-monina aminy”, hoy ny nambaran’ny lohateny vaventy iray vao haingana tao amin’ny New York Times. Nanazava ilay lahatsoratra fa nandritra ny roa andro sy tapany dia mpiara-monina aminy mihoatra ny telopolo no nitsangana ho vavolombelona hiaro ny “mpikambana iray be mpahalala ao amin’ny Mafia”. Nolazalazaina ho “mpitandro filaminana nanam-pahefana tsy miova tao amin’ny faritry ny mpiasa nahita fahasahiranana” izy io. Nilaza ny lehilahy iray hoe: “Olona mpanaja lalàna sy tena ankasitrahan’ny olona izy.” Kanefa, rehefa nihaino ny tari-by fandraisam-peony tamin’ny telefaonina ny FBI (polisy mpitsikilo) dia nolazaina fa ny fandraisana ireo teniny tao amin’ny telefaonina dia “feno fitenenan-dratsy sy manaratsy hatrany ny asa ataon’ny Mafia.”
Io toe-javatra io dia mampiseho ny mahamora ery ny hanaovan’izao tontolo izao ankehitriny asa mamitaka. Na dia milaza aza ny Baiboly fa “izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, ny ankamaroan’ny olona dia manaiky ho voafitaky ny fisehoana mendri-kaja ivelan’ny fivavahana sy ny politika tohanan’i Satana (Jaona 5:19; II Korintiana 11:13-15). Eny fa na dia eo anatrehan’ny zava-mitranga toy ny fandraisam-peon’ny FBI (polisy mpitsikilo) aza, dia mbola aleon’ny olona maro ihany mifidy hitana fifandraisana tsara miaraka amin’ny fanao ratsy feno halozana. Tian’izy ireo ho toy izany ny zavatra!
Nampalahelo an’Andriamanitra ny toe-javatra nahasosotra toy izany nisy teo amin’ny Isiraely fahizay. Nilaza izy hoe: “Zava-mahatsiravina sy maharikoriko no atao eo amin’ny tany; ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona manararaotra, ary ny oloko mankasitraka izany!” Avy eo Izy dia namporisika azy ireny hieritreritra tamin’ny fanontaniana azy hoe: “Inona no hataonareo rehefa ho tonga ny farany?” — Jeremia 5:30, 31, Baibolin’i Jerosalema.
Lany andro ve ny fanonganana?
“Ny fanonganana (...) dia tsy mampivadi-po intsony sy tsy manala-baraka toy ny tamin’ny lasa intsony”, hoy ny nosoratan’i Charles Bell, ilay mpanoratra ny gazety New York Sunday News, izay manamarika fa “ny fiangonana loteriana ao Amerika (...) dia nanaisotra ny teny hoe ‘fanonganana’ eo amin’ny lalàna fampiasan’ireo kongregasiona.” “Sisan-javatra efa lany andro izany”, hoy ny filazan’i Wolfe Kelman, mpikambana ao amin’ny Fivondronan’ireo raby mpitahiry ny lalàna. Ilay pretra Edwin O’Brien, talen’ny fifandraisan’ny arsidiosezy ao New York, dia manamarika fa “mahalana no ampiasana azy io ary zara raha hatao.” Araka izany, hoy ny anampin’i Bell, dia “efa lasa ny fotoana lehiben’ny fanonganana, afa-tsy ho an’ny vavolombelon’i Jehovah sy ny Mormona angamba, izay amin’ireo izy io dia mahazatra ihany sy raisina ho zava-dehibe.”
Manohy manalefaka ny fitarihan-dàlan’ny Baiboly ireo filoha ara-pivavahana ankehitriny mba hihazonana ireo mpikambana mpanao soa ao aminy. Ny “vongana” ananan’ny fiangonana ankehitriny dia azo avy amin’ny fiasan’ny “masirasira” noleferina tao. Izany no nahatonga ny apostoly Paoly hangataka ny kristiana mba “hanaisotra ilay mpanao ratsy” teo amin’ny kongregasiona tany Korinto, sy “ny tsy hiara-mihinana akory amin’ny olona toy izany”. Raisin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho zava-dehibe ny fanao enti-mandroaka ireo izay tsy mety mibebaka na dia efa nampiana tamin-katsaram-po aza. — I Korintiana 5:6, 9-13.