Afaka ny hiaina mandrakizay eo amin’ny tany ho tonga paradise ianao — Nefa amin’ny fomba ahoana?
‘HIAINA mandrakizay eto an-tany hoe? Nofy tsy azo tanterahina izany. Tsy hisy olona afaka hanao izany mihitsy.’
Tsy isalasalana fa efa nandre karazana hevitra toy izany ianao. Nefa fantatrao koa angamba fa tany am-boalohany dia tena nanomana marina tokoa Andriamanitra ny hiainan’ny olona mankato mandrakizay eo amin’ny paradisa an-tany. Nefa Andriamanitra dia tsy diso na oviana na oviana amin’ny fanatanterahana ny fikasany (Genesisy 1:28; Isaia 55:11). Ankoatr’izany, ny Teniny dia mirakitra ity fampanantenana mazava tsy misy toy izany ity: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” — Salamo 37:29.
Izany no hafatra mahafaly entin’ny Vavolombelon’i Jehovah ho an’ireo olona hitany. Ilay Fanjakana tarihin’i Jesosy Kristy dia hiahy ny amin’ny hahatanterahan’ny fikasan’Andriamanitra tany am-piandohana. Eo ambany fanapahana marin’ilay Fanjakana, ny planetantsika dia hovolena ary hiova ho paradisa kanto. Kanefa tsy ny olona rehetra no ho hita fa mendrika hiaina ao amin’io paradisa an-tany io. Mba handraisan-tsoa amin’izany, dia tsy maintsy mameno fepetra sasantsasany. Raha ny tena izy, dia azo saintsainina mora foana izany. — Matio 6:10.
Eritrereto ange: raha toa ianao tompon’ny trano tsara tarehy anankiray voahodidin’ny zaridaina voakarakara tsara, hamela na iza na iza hipetraka ao ve ianao? Tsy izany mihitsy. Ilay olona hipetraka ao dia tokony hahazo ny fanekenao aloha ary hahafeno ny fitakianao. Nefa raha ny marina, inona no angatahin’Andriamanitra amin’ireo olona hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisany eto an-tany? Aoka isika handinika fepetra fototra efatra.
Fepetra efatra takina
Namaritra ny voalohany amin’ireo fepetra ireo Jesosy rehefa nanambara tao amin’ny vavaka anankiray nataony tamin’ny Rainy manao hoe: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Marina tokoa fa izay milaza hoe mahafantatra an’Andriamanitra sy Jesosy dia milaza koa hoe mahafantatra ny fikasan’Andriamanitra momba ny planetantsika sy ny anjara asa tsy maintsy tanan’i Kristy ao amin’ny raharahany amin’ny maha-Mpanjaka vaovaon’ny tany azy. Vonona handray io fahalalana io amin’ny fianarana ny Baiboly ve ianao?
Nefa maro no nahita ilay fepetra faharoa ho sarotra fenoina kokoa. Marina tokoa fa izany dia ny fankatoavana ireo lalàn’Andriamanitra, izany hoe mampifanaraka ny fiainan’ny tena amin’ny fitakiana ara-pitondrantena voalaza ao amin’ny Baiboly. Mba hanaovana izany, dia ilaina ny mamela ny fitondrantena ratsy sy izay rehetra mety ho endriky ny fahalotoam-pitondrantena — I Korintiana 6:9, 10; I Petera 4:3, 4.
Fahatelo, dia ilaintsika ny mikambana amin’ny fiasana ampiasain’Andriamanitra, izany hoe ny fandaminany. Marina tokoa fa nampiasa fandaminana anankiray foana Andriamanitra. Araka izany, tamin’ny andron’i Noa, dia ireo izay ao anatin’ny sambo fiara irery ihany no tafita velona tamin’ny safodrano. Tamin’ny taonjato voalohany dia ireo izay anisan’ny kongregasiona kristiana irery ihany no nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra (Asan’ny apostoly 4:12). Sahala amin’izany ihany koa, Jehovah dia mampiasa fandaminana anankiray ankehitriny, ary tokana ihany, mba hanatanterahana ny sitrapony. Raha maniry hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany isika dia mila ny mamantatra io fandaminana io ary miditra ao mba hanompo an’Andriamanitra.
Ny fepetra fahefatra dia mitaky ny tsy fivadihantsika. Eny, Andriamanitra dia mitaky amin’ireo vahoakany ho avy ny hanohanany ny fitondram-panjakany amin’ny fitoriana amim-pahatokiana io Fanjakana io amin’ireo namany. Nanazava Jesosy Kristy hoe: “Hotorina amin’ny tany onenana manontolo ity vaovao tsaran’ny Fanjakana ity” (Matio 24:14, MN). Vonona hameno io fepetra io ve ianao amin’ny fandehanana miresaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny namanao?
Angamba fantatrao tsara ireo zavatra takina vao avy notanisainay teo. Mifanohitra amin’izany,dia olona maro be no tsy mbola mahalala izay kasain’Andriamanitra hatao, izay angatahiny amintsika. Kanefa manana fiasana tsara tokoa azo anampiana azy ireny isika izao. Izany dia ilay boky mitondra ny lohateny hoe Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis. Efa nampiasa izany sahady ve ianao mba hanampiana olon-kafa hianatra izay takin’Andriamanitra amin’izy ireo?
Fitaovana fampianarana mitondra vokatra
Ilay boky vaovao hoe Vivre éternellement dia mirakitra fahalalana izay mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Miresaka fahamarinana fototra ao amin’ny Baiboly izay tokony ho takatr’ireo olona izy io mba hanolorany ny fiainany ho an’i Jehovah sy hanompoana azy amin’ny fomba ankasitrahany. Raha nilaza ny fankasitrahany rehetra noho io boky vaovao fianarana Baiboly io ny Vavolombelon’i Jehovah anankiray any Etazonia dia nanoratra hoe:
“Tamin’ny volana jona farany teo dia tsy nanana fampianarana Baiboly aho. Ankehitriny dia mitarika telo aho ary eo am-panombohana ny fahefatra. Mampiasa io boky vaovao io aho ao amin’ny fampianarako, ary tsy tapaka sy mahaliana tokoa izy telo ireo. Io boky io dia manome valiny hentitra sy tsotra ho an’ny fanontanian’ilay mpianatra (...). Tsy ho haiko mihitsy ny hisaotra anareo nanamora ny asan’ny mpampianatra sy nandinika ireo foto-kevitra ilain’ny mpianatra ho fantatra mba hambolena fifikirana amim-pahatsorana sy maharitra amin’i Jehovah sy ny fandaminany.”
Ny taratasy manaraka dia mbola manoritra ihany koa ny vokatra tsara azo amin’io boky io: “Tonga tamin’ny fanombohana fampianarana Baiboly telo aho tamin’ny alalan’io boky io, ary tsapako fa mety tanteraka amin’ny olona rehetra samy hafa taona izy io. Araka izany, dia mianatra miaraka amin’ny vehivavy anankiray 83 taona aho, amin’ny ankizivavy 11 taona ary amin’ny ramatoa anankiray 50 taona. Tsy isalasalana tokoa fa tombontsoa lehibe ny maha-anisan’ny fandaminana anankiray izay mahafantatra tsara izay ilaintsika mba hanampiana olona betsaka kokoa ihany hahafantatra an’i Jehovah, ary koa ireo fikasany momba ny tany sy ny taranak’olombelona manontolo.”
Manosika hankato ny fahamarinana izy io
Nefa tsy ampy ny mandray io fahalalana mamelombelona io. Na iza na iza maniry hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany dia tokony hmpifanaraka ny fiainany amin’ny fitakian’Andriamanitra ara-pitondrantena koa. Izany tokoa fa ny ny boky Vivre éternellement dia manampy koa ireo mpamaky azy amin’io lafiny io. Marina tokoa fa tsy hoe manome torohevitra mivantana azy ireo fotsiny momba ireo asa ratsy izay tokony hohalavirina sy ny fomba handosirana izany izy io fa mamporisika azy ireo koa hanao izay marina. Io boky io dia manala sarona amim-pahakingana ireo hafetsen’i Satana sy mamaritra mazava tsara ny ady tsy maintsy ataon’ny kristiana mba hitazonana fitondrantena mahitsy.
Ohatra, izao no nosoratan’ny Vavolombelon’i Jehovah anankiray, misionera any Panama, momba ny zatovolahy iray nianatra Baiboly: “Tamin’ny herinandro faran’ny jolay dia naharay ilay boky Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis izy. Ny reniny tokoa dia nividy izany ho azy tamin’ny fivoriamben’ny distrika ‘Ny fahamarinan’ilay Fanjakana’ izay natao tany Hawaï. Ny alakamisy 29 jolay, nandritra ny fivoriana momba ny asa, dia nampahafantatra ahy izy fa nijanona tsy nifoka noho izay novakiny tao amin’ilay boky.
“Ny zoma, tamin’ny fampianarana Baiboly nataonay tany aminy dia nangatahiko izy mba hampiseho ahy izay tena nanaitra azy aoka izany. Nanintona ny saiko ho amin’ny sary eo amin’ny pejy faha-131 àry izy, izay mampahatsiahy fanao melohin’Andriamanitra ary tokony hohalavirin’ireo vahoakan’ny fitondram-panjakany. ‘Tsapanao ve, hoy izy tamiko, efitrefitra roa natao ho an’ny sigara tsotra fotsiny!’ Avy eo dia nasehony ahy ny sary eo amin’ny pejy faha-227, ary koa ireo hevitra atolotra eo amin’ny pejy faha-226 izay manoritra ny maha-zava-dehibe ny hivavahana rehefa alaim-panahy hifoka ny tena. ‘Jereo, hoy ny fihiakany, nety izany! Nilaza tamin’i Sunshine [ny zanany vavy kely] aho mba hanary ireo sigara rehetra teo no ho eo.’ Tamin’izany no nifaranan’ny fito ambin’ny folo taona nampiasana sigara. Tsy ilaina ny milaza fa ny hariva io ihany dia nanomboka nianatra niaraka io boky io izahay. Ho fatiantoka tokoa raha avela hatory ao amin’ny fitoeram-boky ny boky mahery loatra toy izany.”
Tao amin’ny taratasy anankiray feno fankasitrahana, ny olon-kafa anankiray dia nanoratra hoe: “Tiako ny hisaotra anareo noho ilay boky Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis.” Marina tokoa fa ny famakiana azy dia nisakana ahy tsy handeha amin’ny lalan-dratsy.
Ny anankiray amin’ireo mpiara-miasa amiko dia tonga niresaka tamiko mba hanasa ahy hihaona aminy aoriana kely mba hiresadresaka. Fantatro tsara izay noeritreretiny. Kanefa sady tezitra aho no nalaim-panahy handeha any amin’io fanasana io ka tsy namaly azy. Noho izany dia navelany hieritreritra aho ary nilazany hoe: ‘Raha te-ho avy ianao, dia tongava eo amin’ny 4 ora tolakandro.’
“Tamin’ny 3 ora tolakandro dia tsy mbola fantatro foana raha handeha ho any aho na tsia. Efa nampoiziko tsara izay mety ho vokatr’izany eo amin’ny fifandraisako amin’i Jehovah amin’i Jehovah, nefa toa nisy zavatra nilaza tamiko fa handeha tsara ny zavatra rehetra. Fantatro fa arakaraka ny nieritreretako izany fa tsy nandroahako io hevitra io tao an-tsaiko dia nihanalemy aho ka tonga hatramin’ny faniriana hanaiky. Nefa tsy dia hanaiky tanteraka na dia izany aza.
“Marina tokoa fa ny takariva talohan’io dia namaky ilay boky Vivre éternellement aho ka nahatsiaro indrindra ho voamarik’ilay toko mitondra ny lohateny hoe ‘Ny ady ho amin’izay marina’, ary koa ny fianarana natokana ho amin’ny vavaka. Kanefa tao amin’ilay boky dia hitako fa tsy rehefa avy nanao ratsy no tokony hivavaka amin’Andriamanitra fa amin’ny fotoana marina mahatonga ny tena alaim-panahy. Rehefa tsapako fa tsy nanan-kery velively hanoherana ny faniriana hihaona amin’io mpiara-miasa io aho amin’ny 4, dia nitalaho tamin’i Jehovah mba hanomezany ahy ny herim-po tsy hanaiky. Nambarako azy tamim-pahatsorana ny fihetseham-poko. Ny vavaka nataoko tamim-pahatsorana fotsiny dia ampy nanome hery ahy (...). Rehefa nifankahita tamin’io mpiara-miasa io indray aho taty aoriana, dia lasa nahery indray mba haneho fihetsika tena kristiana, ary mba hanao fanambarana taminy aza. Mbola misaotra ihany noho ireo torohevitra mazava sy hentitra ireo.”
Mitarika ireo vaovao ho amin’ny fandaminana izy io
Ankoatr’ireo hevitra fototra, io boky io dia manoritra ihany koa ny ilàna hamantatra ny fandaminan’Andriamanitra hita maso sy ny hikambanana aminy. Ny minisitra mpitety faritany anankiray, Vavolombelon’i Jehovah, dia nanao izao fanamarihana manaraka izao momba io foto-kevitra io: “Hatramin’ny 25 taona mahery, dia amporisihina isika hiresaka ny fandaminana amin’ny olona izay mianatra ny Baiboly miaraka amintsika, mba haka fotoana hanampiana azy ireo, isaky ny fampianarana, hifankazatra amin’ny anankiray amin’ireo zavatra mampiavaka azy. Faly aho noho ny nampidirana io foto-kevitra io ao amin’ilay boky fianarana ihany. Amin’izany fomba izany, na mpitory na mpianatra dia tsy hamela fotsiny izany.”
Eny, ny toko faha-23 izay mitondra ny lohateny hoe “Ny fandaminan’Andriamanitra hita maso”, dia mampiseho amin’ny fomba mazava fa nandritra ireo taonjato, Jehovah dia nanana fandaminana foana. Ankoatr’izany,ny boky Vivre éternellement dia manazava ny anjara asan’ny fandaminan’Andriamanitra hita maso amin’izao androntsika izao ary mitarika ireo vaovao ho amin’io toeram-pialofana io. Tsy hoe milazalaza fohy ny tsirairay avy amin’ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah dimy isan-kerinandro fotsiny izy io fa mampiseho amin’ireo mpianatra koa ireo fivoriamben’ny fizaran-tany sy ireo fihaonambe alamin’ny vahoakan’Andriamanitra.
Manantitrantitra ny amin’ny fitoriana ilay Fanjakana izy io
Mety hahafantatra ny fahamarinana izay mitondra ho amin’ny paradisa eto an-tany ny olona iray, hanana fitondrantena mahitsy ary hifanerasera amin’ny fandaminan’Andriamanitra nefa tsy tsarain’Andriamanitra ho mendrika hahazo ny fiainana sy ho tonga olom-pehezin’ny fandaharan-javany ara-drariny. Inona àry no tsy ho ampy aminy amin’ny tarehin-javatra toy izany? Tokony ho mpiaro ny fahamarinana koa izy, ho mpitory ilay Fanjakana. Ny boky Vivre éternellement dia manoritra io hevitra io ao anatin’ireo pejiny, araka ny fandrindran-kevitra sy amin’ny fomba mandaitra be dia be. Araka izany, raha vao ao amin’ny tokoa faha-15, aorian’ny lohateny kely hoe “Ny tsy fivadihana amin’ny fitondram-panjakan’Andriamanitra, dia izao no vakintsika:
“Raha mitaky amin’ny vahoakany ny tsy fivadihana amin’ny Fanjakany Jehovah dia tsy misy tokony hahagaga izany. Ireo fitondram-panjakana dia mitady zavatra mitovy amin’izany amin’ireo vahoakany. Nefa Andriamanitra dia mitaky fanohanana amim-pahatokiana manokana. Inona izany? Fandraisana fiadiana sy fiadiana ho an’ny Fanjakany ve? Tsia, izany dia ny ho mpitondra teny na mpitory mahatokin’ny Fanjakan’Andriamanitra, araka ny ohatr’i Jesosy sy ireo mpianany voalohany (Matio 4:17; 10:5-7; 24:14). Irin’i Jehovah hahafantatra ny Fanjakany sy ny fomba handaminany ireo zava-manahirana ny olombelona ny olona tsirairay avy. Nampita tamin’ireo havanao, mpifanakaiky trano aminao, izay nianaranao tao amin’ny Tenin’Andriamanitra ve ianao? Izany no sitrapon’Andriamanitra.”
Ampiasao izy io mba hanampiana ny hafa
Tahaka ireo zavatra vita an-tsoratry ny Fikambanana Watch Tower hafa nialoha azy, io boky io dia mizara fahamarinana araka ny Baiboly izay mitondra ho amin’ny paradisa an-tany.Mamporisika anao àry izahay hamaky sy hianatra azy amim-pitandremana, ary avy eo dia hampiasa azy mba hanampiana ny mpiara-belona aminao hahafeno ireo fepetra takina mba hiainana mandrakizay eo amin’ny tany voaova ho paradisa.
Nahoana àry no tsy manolotra io boky io amin’ireo olona hitanao mandritra ireo asanao isan’andro, ohatra, amin’ireo mpivarotra mitety trano na ireo mpifanolobodirindrina tonga mitsidika anao? Tamin’ny fahavaratra lasa, nandritra ireo fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, dia nisy vehivavy mpiasa an-trano tany amin’ny hotely sy olon-kafa maro nahita io boky io sy nanontany an’ireo Vavolombelona ny fomba nety nahazoany anankiray tamin’izany. Eny, rehefa hitan’ny olona ny fonony tsara tarehy sy ity lohateny tsy mampiroaroa saina hoe Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis, dia mazàna izy ireo no maniry hahazo izany. Aoka ary ianao hanana izany ampy foana eo am-pelatananao mba hanolorana azy isaky ny misy fahafahana hanao izany. Ambonin’izany, aza hadinoina ireo havanao. Nahoana moa raha miahy ny amin’ny hahazoan’ny mpianakavinao rehetra anankiray amin’izy io?
Nandritra ireo volana lasa, ireo Vavolombelon’i Jehovah dia nampiasa io boky io tao amin’ireo fivoriany ary nampiseho izany tamin’ireo olona nanodidina azy teo amin’ny faritry ny asa fitoriana kristiana, ary izany dia nahafahan’izy ireo nankamamy ny hasarobidiny. Asainay àry ianao koa, handray soa faran’izay tsara indrindra amin’io boky io, mba ho fampiorenana anao manokana sy hanampiana ny mpiara-belona aminao handeha amin’ny lalana izay mitondra ho amin’ny fiainana ao amin’ny paradisa an-tany.
[Sary, pejy 14]
Tsy azo lavina fa fitaovana tsara dia tsara fianarana Baiboly ny boky Vous pouvez vivre éternellement sur une terre qui deviendra un paradis.