FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 15/8 p. 10-11
  • Fivoriambe isan-taona tsy hay hadinoina

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriambe isan-taona tsy hay hadinoina
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Ny fotoam-pivoriana zoma
  • Ny fotoam-pivoriana asabotsy
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 15/8 p. 10-11

Fivoriambe isan-taona tsy hay hadinoina

ARAKARAKA ny mampaharatsy ny tarehin-javatra ara-toe-karena maneran-tany, ireo fivoriamben’ny fikambanana maro fanao isan-taona dia mihamatroka hatrany. Momba ireo fivoriambe fanao isan-taona nataon’ny Fonds momba ny vola iraisam-pirenena sy ny Banky maneran-tany tany Toronto, ny revio Maclean’s dia nanambara hoe: “Ny fanantenana no hanina tsy fahita indrindra nandritra ireo fivoriambe fanao isan-taona.”

Kanefa, nisy fivoriambe fanao isan-taona anankiray hafa dia hafa tokoa natao vao haingana. Ireo fandaharany rehetra dia nampiseho ny fanantenana kristiana; nitondra fifaliana tokoa ho an’ireo mpanatrika izany ary nampiorina ny fifankatiavan’ny mpirahalahy. Tsy azo lavina fa tao amin’io fihaonambe io ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra. — Galatiana 5:22, 23; I Korintiana 13:13.

Ny asabotsy 2 oktobra 1982 dia vao voalohany nandritra ireo 98 taona teo amin’ny tantarany ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania no nanao ny fivoriambeny fanao isan-taona tany ivelan’i Etazonia. Tamin’io daty manan-tantara io, dia mpikambana 119 tamin’io fikambanana voalaza io (fiasana ara-dalàna ampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah) ary olon-kafa maherin’ny 2 000 no nivory tao amin’ny Efitrano fanaovana fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah, tany akaikin’i Toronto, any Kanada.

Marihina koa fa ny ankamaroan’ireo mpikambana ao amin’ny Kolejy foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah dia nifanaraka mba hanatrika izany. Ny naha-teo azy ireo dia nahatonga ilay fisehoan-javatra ho hafa dia hafa kokoa hatrany, satria nahatonga fihaonambe naningana izany, ho azy ireo toy ny ho an’ny hafa maro koa. Ahoana izany?

Izao àry, noho ny fanoloran-kevitra nataon’ny birao kanadiana, ireo loholon’ny kongregasionan’ilay tany dia nanondro tamin’ny sampana ireo nandray anjara tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana hatramin’ny ela. Marina tokoa fa ara-dalàna raha manasa azy ireny voalohany indrindra ny Fikambanana mba hanatrika io fivoriambe io mba hanehoana amin’izy ireo amin’ny lafiny sasantsasany fara faharatsiny, ny fitiavany sy ny fankasitrahany noho ireo taona maro nahatokian’izy ireo.

Araka izany dia teo amin’ny “maintimolaly” 1800 (maro no nanokana efapolo taona mahery tamin’ny asa) no nirohotra avy tany amin’ny faritanin’i Kanada rehetra ary nanana fahafahana tamin’izany hifankahalala. Marina tokoa fa na dia “mpiara-miasa amin’Andriamanitra” hatramin’ny am-polo taonany maro tao amin’ny saha fitoriana iray ihany aza izy ireo, ny ankamaroany dia tsy mbola nihaona mihitsy talohan’io zava-niseho io. — I Korintiana 3:9.

Ny fotoam-pivoriana zoma

Ny ankamaroan’ireo “za-draharaha kinga” ireo dia tsy mbola nahita ireo trano vaovaon’ny sampana kanadiana. Noho izany, ny zoma 1 oktobra, ny maraina sy ny fiandohan’ny tolakandro dia natokana ho amin’ny fitsidihana malalaka ny sampana. Nandray ny sakafony tao amin’ny efitrano fisakafoana koa ireo mpitsidika. Nony avy eo dia nentina tamin’ny fiarabe tany amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe izy ireo mba hisakafo hariva sy handray soa amin’ny fandaharana natao io hariva io. Nisy fivoriambe nitokana nomanina ho an’ny “International Bible Students Association of Canada” (Fikambanana Iraisam-pirenen’ny Mpianatra Baiboly ao Kanada), fikambanana kanadiana nampiasain’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’io tany io. Taorian’io fivoriana fandinihan-draharaha fohy io izay namory ireo mpikambana 20 ao amin’ilay fikambanana, dia nivory ny mpanatrika rehetra mba hihaino lahateny telo.

Ny lahateny voalohany dia niresaka ny amin’ny tantaran’ny fikambanana kanadiana hatramin’ny fiforonany tamin’ny 1925 ary nanoritra fa noforonina izy io mba hampandrosoana ny fitoriana ilay Fanjakana. Teo ny rahalahy L. Greenlees, mpikambana ao amin’ny kolejy foibe dia nanazava fa ny kristiana dia tsy anisan’izao tontolo izao ankehitriny ary tokony hampiseho izany amin’ny fomba fampiasany izao tontolo izao, ny fandaharam-panabeazany, ny harenany sy ny zavatra hafa nampiadana. Farany, F. Franz, amin’ny maha-prezidan’ny fikambanana kanadiana azy dia nanao lahateny nampahery momba an’i Kyrosy Lehibe, Jesosy Kristy, ilay Mpiandry ony sy Mpanafaka ny vahoakan’Andriamanitra. Nandritra ny lahateniny nifototra tamin’ny toko faha-14 sy 45 amin’ny bokin’Isaia, ny rahalahy Franz dia nanasa ny mpihaino azy rehetra hitoetra ho tafaray manerana izao tontolo izao manontolo ho andiany iray, eo ambany fitarihan’ny Mpiandry ondry tokana.

Ny fotoam-pivoriana asabotsy

Ny fandaharan’ny asabotsy dia niantomboka tamin’ny vavaka sy fampianarana vitsivitsy tamin’ny nilana azy, notsoahina tao amin’ny andalan-teny iray ao amin’ny Baiboly, narahin’ny fitantarana zavatra sasany niainana tokoa.

Teo dia nanomboka ny fivoriana fandinihan-draharahan’ny Fikambanana Watch Tower. Nampahafantatra ny mpitantsoratra fa miisa 464 ankehitriny ny mpikambana mifidy ao amin’ny Fikambanana ary 455 amin’izy ireo no nanatrika teo, ny tenany manokana na nosoloan-tena. Ampy àry izany mba hanaovana ny fifidianana indray mpandraharahan’ny Fikambanana roa. Marina tokoa fa voafidy indray tamim-piraisan-kevitra i Grant Suiter sy J. Barr.

Nanambara koa ilay mpitantsoratra fa ireo manam-pahefana kanadiana dia nanaiky ny 22 jolay 1982 ny fiforonan’ny fikambanana vaovaon’ny Vavolombelon’i Jehovah ao Kanada, antsoina hoe Watch Tower Bible and Tract Society of Canada. Amin’ny lafiny sasany, izany dia hamarana ny fifangaroana avy amin’ny anarana hoe I.B.S.A. (“Association internationale des Etudiants de la Bible”, Fikambanana iraisam-pirenen’ny Mpianatra ny Baiboly). Misy mpikambana 100 sy mpandraharaha 7 ilay fikambanana vaovao.

Nanao fanamarihana vitsivitsy mety tokoa momba ny “fandaminana” ny rahalahy Franz nony avy eo. Araka izay nasehony, dia tsy hoe satria somary vitsy an’isa isika ka izany no tsy hahaforonantsika ny fandaminana ampiasain’i Jehovah. Tsy azo atao tokoa ny “manamavo ny andron’ny zava-madinika”. (Zakaria 4:10). Ny Isiraely araka ny nofo dia nahita fiandohana tsotra. Kanefa na izany aza, dia toy izany koa ny amin’ny Isiraely ara-panahy izay noforonin’ny mpikambana 120 teo am-piandohana. — Deoteronomia 7:7; Asan’ny apostoly 1:15; 2:14.

Ny tolakandro, i Lloyd Barry dia nanokatra ny fandaharana izay nisy lahateny efatra. Nanazava voalohany indrindra i Karl Klein fa ny fitsipika milaza fa izay mamafy be dia hijinja be dia be dia mihatra amin’ny fisiana manan-tsaina rehetra, anisan’izany Jehovah, ary voamarina izany amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana kristiana (II Korintiana 9:6). A. Schroeder dia nampifanohitra ireo fandrosoana vitan’ny fandaminan’i Jehovah raha ny momba ny fampianarana Baiboly, amin’ny tahotra sy famoizam-po manjaka eo amin’izao tontolo izao. Swingle dia nijery ny fitarana iraisam-pirenena hitan’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Mpitory 3868 izy ireo tamin’ny 1918, ary mihoatra ny 2 300 000 izy ireo ankehitriny. Nohazavainy ankoatr’izany fa ireo filazana asa dia mamela hahatsinjo fahafahana hitombo vaovao. Araka izany dia notononiny ny fitomboana 14 isan-jato hita tany Equateur nandritra ny taon-dasa, ary koa ny isan’ny mpanatrika 536 000 tratra tany Meksika tamin’ny Sakafon’ny Tompo. Fa raha i Theodore Jaracz kosa dia namporisika ireo mpihaino azy ‘mba hampandeha faingana ny asan’ilay Fanjakana’. — II Tesaloniana 3:1.

Tamin’ny faramparan’ny fivoriana, ny rahalahy F. Franz dia nanambara fa ny fivoriambe isan-taona manaraka dia hatao any Angletera. Araka ny nasehon’ny tehaka nakotrokotroka izay nanaiky io vaovao io, ireo mpanatrika dia nifaly tamin’ny fiheverana fa ireo rahalahiny any an-tany hafa dia ho afaka handray soa koa amin’io fivoriambe fanao isan-taona io ary hanandrana amin’izany ny fifankatiavana miaraka aminy.

Toy izany no nifaranan’ny andro tsara roa izay nahafahan’ireo mpanatrika nanamafy orina ny finoany noho ny fifandraisana tamin’ireo rahalahiny sy anabaviny. Ny Vavolombelona anankiray mitory ny Fanjakana hatramin’ny taona maro dia nanambara hoe: “Tsy hohadinoinay vetivety io fivoriana ara-panahy nampiorina io, izay nahafahany nihaino mpikambana ao amin’ny Kolejy foibe niresaka taminay.” Ireo rahalahy 128 avy any amin’ny Betelan’i Brooklyn sy ireo 28 avy amin’ny toeram-piompian’ny Watchtower dia nanao izay hahatonga io fivoriambe io hahafaly kokoa hatrany. Ambonin’izany, ny fandaharana dia narahina tamin’ny fifandraisana an-tariby tany amin’ny toerana roa ambin’ny folo any Etazonia, hatrany Kalifornia. Noho izany dia 4059 amin’ny fitambarany ny mpanatrika, anisan’izany ireo rahalahy 70 miteny frantsay izay nandray soa tamin’ireo lahateny tany amin’ny Efitrano fanaovana fivoriambe noho ny fandikan-teny niaraka.

Tsy nanao afa-tsy ny nanaiky ireo mpanatrika rehetra rehefa nilaza tamim-pifaliana ny rahalahy Franz teo am-pifaranan’ny andro voalohany hoe: “Endrey izany andro tsara ho antsika rehetra, toy inona ny fifaliana mihaona indray!” Na dia izany aza, dia tsy azo natao ny nilaza latsaka noho izany momba ny andro faharoa. Marina tokoa fa nitaky fotoana betsaka sy asa ireo fiomanana, nefa nitaky ireo fiezahana rehetra ireo Jehovah.

Ireo izay nanana tombontsoa nanatrika io fivoriambe io dia niverina tany aminy narisika fatratra, faly nahita namana hatry ny ela sy nahita vaovao koa. Ho an’ny ankamaroany, dia fivoriambe isan-taona voalohany izany. Na ahoana na ahoana, ho an’ny rehetra, dia fivoriana anisan’ny tsy hay hadinoina izany.

[Sary, pejy 11]

Mandray anjara amin’ny fifidianana miaraka amin’ireo mpikambana hafan’ny Fikambanana Watch Tower ny prezidà sy ny mpitantsoratra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara