Antomotra ny loza aman’antambo haneran-tany iray — ‘Hevero Jesosy’
“Ry rahalahy masina, . . . hevero ny Apostoly sy Mpisoronabe izay ekentsika, dia Jesosy”—Hebreo 3:1.
1, 2. Ahoana no azontsika anatsoahana fianarana mahasoa avy amin’ny loza aman’antambo iray taloha izay ny fahatsiarovana azy dia voatahiry ao Roma?
EO amin’ny Kianja romana malaza no mitsangana ny Vavahady andohalambo fankalazana fandresen’i Titus izay ny anankiray amin’ny sary eo aminy dia mampahatsiahy loza aman’antambo iray izay tokony hisy heriny be dia be eo amin’ny fiainantsika: ny fakana sy fandravan’ny Romana notarihin’i Titus an’i Jerosalema tamin’ny 70 amin’ny fanisan-taona iraisana. Izany sary vato mivohitra kely izany tokoa dia mampiseho mpigadra jiosy izay nasain’ny Romana nilahatra nitondra ny zavatra nobaboina avy tao Jerosalema.
2 Isika izay kristiana dia afaka manatsoaka fianarana mahasoa avy amin’io loza aman’antambo io amin’ny fandinihana torohevitra araka ny Baiboly amin’ny ilàna azy tokoa izay azo inoana fa nosoratana tokony ho sivy taona talohan’io fandravana io. Hita izany ao amin’ny taratasy nalefan’ny apostoly Paoly ho an’ireo kristiana hebreo tany Jerosalema sy Jodia.
3. Nahoana no sarotra ny toeran’ny kristiana hebreo tany Jerosalema?
3 Ireo rahalahintsika kristiana dia tao anatin’ny tarehin-javatra sarotra tokoa. Raha toa nifehy mafy an’i Jodia I Roma, dia nisy Jiosy maro nikomy (Asa. 5:36, 37). Alao sary an-tsaina ny fanerena mahatsiravina tsy maintsy ho nampiharin’ireny mpikomy ireny teo amin’ireo mpianatr’i Jesosy izay “tsy naman’izao tontolo izao” ka noho izany dia tsy nilahatra teo anilan’izy ireny (Jaona 17:16). Ny fanenjehana ny kristiana hebreo koa dia vokatry ny toe-tsain’ny Jiosy izay nihevi-tena ho ambony noho izy nofidin’Andriamanitra sy voaray tao anatin’ny faneken’ny Lalàna, ary satria ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nilazalaza ny amin’ny fanompoam-pivavahan’izy ireo: ny fanatiny sy ny fisoronany, dia ny an’ny Levita.
4. a) Nahoana moa no azo atao ny nilaza fa niseho Jesosy “amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra”? b) Inona no nambaran’i Jesosy momba izany fifaranana izany?
4 Nefa ny andro jiosy, niaraka tamin’ny fandaharany isan-karazany, ny fanatiny naterina tao amin’ny tempoly, ny mpisorony, ny andro firavoravoany sy ny sabatany dia nifarana avy hatrany taorian’ny nahafatesan’ny Mesia ho sorona (Galaiana 3:24, 25; Kolosiana 2:13-17). Afaka nanoratra àry i Paoly fa ny Zanak’Andriamanitra dia niseho ‘indray mandeha tamin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. (Hebreo 9:26, MN; 1:2.) Tsy ho ela ny fifaranan’io fandehan-javatra io dia hanjary hiharihary sy tsy azo lavina amin’ny fandravana ny tempoly. Rehefa nanambara tamin’izy ireo an’io fandravana io i Jesosy, dia nanontany azy toy izao ireo mpianany: “Rahoviana no hitranga izany zavatra izany?” (Matio 23:37 ka hatramin’ny 24:3, MN). Namaly azy ireo izy fa alohan’ny farany dia hisy ady, mosary, horohorontany, areti-mandringana sy asa lehibe fitoriana ilay Fanjakana (Matio 24:14; Lioka 21:10, 11). Izany teny izany dia tanteraka tao anatin’ny taranaka izy teo anelanelan’ny fotoana nanomezan’i Jesosy an’io faminaniana io sy ilay nanoratan’i Paoly ho an’ny Hebreo. Kristy koa dia nanambara ho an’i Jerosalema ‘fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao’. (Matio 24:21.) Ny fahoriana nandrava izay namely an’i Jerosalema tamin’ny 70 dia tsy mbola nisy toy izany mihitsy ho an’io tanàna io ary tsy hiverina intsony mihitsy. Izany anefa dia fahatanterahan’ilay faminaniana voafetra ihany. Nahoana? Satria taty aoriana ela, dia hisy “fahoriana lehibe” hamely an’izao tontolo izaon’ny olona manontolo kosa amin’io indray mitoraka io.
5. Nahoana moa no mbola tokony hisy ”fahoriana lehibe” iray hamely amin’ny ambaratonga lehibe?
5 Asehon’ny zava-mitranga fa ny teny ara-paminanian’i Jesosy dia misy fahatanterahany lehibe kokoa amin’ny fotoan’ny ‘fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. (Matio 24:3) Ny toko fahenina amin’ny Apokalypsy, boky ao amin’ny Baiboly nosoratana taona maromaro taorian’ny fahoriana namely an’i Jerosalema, dia nanambara koa ny ady, ny mosary sy ny aretina. Nefa tsy hahakasika an’i Jodia fotsiny ihany izany, satria lazain’ny Apokalypsy fa ny ady dia tsy maintsy “hanaisotra ny fihavanana amin’ny tany”. (Apokalypsy 6:4.) Ireo zava-miseho maneran-tany voadinika nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany dia mampiseho fa amin’izao andro izao isika dia miaina ao amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny izay ny fara heriny dia ho “ny fahoriana lehibe”. Izany dia hampanjavona ny faharatsiana, ka hahatonga ho afaka hanorina ny paradisa eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra.
6. Inona no mampiseho fa ny taratasy ho an’ny Hebreo dia nosoratana ho an’izao androntsika izao koa?
6 Ny taratasy ho an’ny Hebreo dia manambara ny androntsika. Nanoratra tokoa i Paoly fa tamin’izay Kristy dia tany an-danitra “ka hatramin’izao dia miandry Izy mandra-panaony ny fahavalony ho fitoeran-tongony”. (Hebreo 10:13.) Io boky ao amin’ny Baiboly io dia miresaka koa ny amin’ny fotoana ‘ampidiran’Andriamanitra indray ny Lahimatoany eo amin’ny tany onenanaa”. (Hebreo 1:6, MN.) Izany fotoana izany dia ankehitriny! Asehon’ny zava-misy tokoa fa nandray ny fiandrianana Kristy ary nanao zavatra ho fanoherana ireo fahavalon’Andriamanitra any an-danitra (Apokalypsy 12:7-12). Nampitodika ny sainy ho amin’ny tany onenana izy; manatrika tsy hita maso àry izy. Araka ny nambaran’i Jesosy, tsy ho ela isika dia hanatrika ny farany rehefa hanaisotra amin’ny tany ny fahavalon’Andriamanitra rehetra izy. Torohevitra inona no atolotry ny taratasy ho an’ny Hebreo antsika?
‘Hevero Jesosy’
7, 8. Nahoana moa no nety ny nampitodihan’ny taratasy ho an’ny Hebreo ny saintsika ho amin’i Jesosy?
7 Nampitodika indrindra ny saina ho amin’i Jesosy i Paoly tamin’ny fanoratana hoe: “Ary amin’izany zavatra lazainay izany dia izao no fotony: Manana Mpisoronabe toy izany isika, dia Ilay mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’ny Avo Indrindra any an-danitra.” (Hebreo 8:1). Nahoana ireo teny ireo no nety indrindra ho an’ireo kristiana izay niaina tamin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra iray?
8 Hatramin’ny ela be dia efa nisy hevi-diso niely ny amin’i Jesosy. Ireo Jiosy tamin’ny taonjato voalohany dia nirehareha satria taranak’i Abrahama, nanaraka fivavahana nomen’i Mosesy azy ary nanana an’ireo taranak’i Arona ho mpisorona. Koa afaka niteny anakampo toy izao izy ireo: “Tsy iza fa zanaky ny mpandrafitra avy any Galilia io Jesosy avy any Nazareta io.’ Nampangainy ho Samaritana nanana demonia aza ilay Zanak’Andriamanitra (Jaona 7:52; 8:39-41, 48; 9:24, 28, 29). Tamim-pahendrena tokoa àry no namporisihan’Andriamanitra an’ireo kristiana hebreo ‘hihevitra an’i Jesosy’, satria ny fiheverana mety sy voalanjalanja ny amin’ny Zanak’Andriamanitra mbamin’ny fifandraisana tsara aminy dia hanampy be dia be azy ireo hitoetra ho mahatoky.
9. Nahoana moa ny torohevitra manasa antsika hihevitra an’i Jesosy’ no mety amin’izao andro izao?
9 Mahasoa dia mahasoa antsika koa ireo teny ara-tsindrimandrin’Andriamanitra ao amin’ny taratasy ho an’ny Hebreo ireo, satria amin’izao andro izao dia mbola misy fiheveran-diso na novana momba an’i Kristy. Raha nanambany an’i Jesosy ireo fahavalo jiosin’ny kristiana voalohany, amin’izao androntsika izao kosa dia olona be dia be no manome azy anjara toerana tafahoatra. Ohatra, ny Fiangonan’izy ireny dia milaza fa izy dia anisan’ny trinite, andriamanitra iray voaforon’ny persona telo mitovy tsy misy hafa: ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina. Iza amin’ireo persona telo ireo anefa no heveriny indrindra? Jesosy. Apetraka eo amin’ny toerana voalohany izy ary ailika any amin’ny aloka ny Ray. Mety hiteraka vokany tafahoatra eo amin’ny kristiana marina izany. Ao amin’ny Jaona 14:28 i Jesosy dia milaza fa lehibe noho izy ny Rainy, ary izao no ambaran’ny Salamo 83:18: “Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no Ilay Avo Indrindra ambonin’ny tany rehetra.” Nefa, ho fanoherana ireo hevi-diso ny amin’i Jesosy, dia tsy mety ny hahalatsahana ao amin’ny mifanipaka indrindra amin’izany ka hanamaivanana tsy nahy ny tena toeran’i Kristy. Sahala amin’ny tamin’ireo kristiana hebreo, ny hevitra marina sy mety ny amin’i Jesosy dia faran’izay hahasoa antsika tokoa mba hisetrana ireo zavatra niseho amin’ny ho avy.
10. Inona avy moa no fanazavana omen’ny taratasy ho an’ny Hebreo antsika momba ny toeran’i Jesosy
10 Ny taratasy ho an’ny Hebreo ia manomboka mampitodika ny saintsika ho amin’ny toerana ambony tanan’i Kristy izay fanahy be voninahitra izao, “endriky ny tenany indrindra [ny an’Andriamanitra]. Izany anefa tsy milaza fa olona iray ihany na andriamanitra iray ihany ny Ray sy ny Zanaka, satria ampian’ny Hebreo 1:3 fa Jesosy dia “nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe [Andriamanitra, Testamenta Vaovao amin’ny teny frantsay mahazatra] any amin’ny avo”. Ny teny toy ny ao amin’ny Hebreo 2:10 sy 5:5, 8 dia mampiseho koa fa ambony noho ny Zanaka Jehovah. Nefa, Kristy izao dia manana “anarana [toerana na laza] ambony noho ny azy ireo [ny an’ny anjely]”. — Hebreo 1:4, MN.
11. a) Manao ahoana ny fihetsik’ireo anjelin’Andriamanitra eo anoloan’i Jesosy Kristy? b) Ahoana no tokony handraisana ny Hebreo 1:6?
11 Sahala amin’ny an’ireo anjely nahatoky, dia tokony hanaiky ny toeran’i Kristy be voninahitra isika. Raha nanonona ny Salamo 97:7 (araka ny fandikan-teny grikan’i Septante) ny Hebreo 1:6 dia milaza toy izao: “Aoka ny anjelin’Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anoloany [hanolotra haja azy, MN]”! Ao amin’ny fandikan-teny hafa, ireo anjely dia “miondrika” eo anatrehan’ny Zanakab. Araka ny teny manodidina, izany dia milaza fa na dia ireo anjely aza dia manolotra hafa an’i Jesosy izay heveriny ho ny solontenan’Andriamanitra lehibe indrindra sy ho Zanany nomem-boninahitra. Miaiky izy ireo fa “voasatroka voninahitra aman-daza Izy” ary nahazo fahefana amin’ny tany honenana amin’ny ho avy. — Hebreo 2:5, 9.
12. Nahoana moa no zava-dehibe ny hihainoana ny tenin’i Jesosy?
12 Amin’ny ahoana izany no mahakasika antsika? Rehefa avy nampiseho ny fahambonian’i Jesosy noho ny anjely i Paoly dia nanampy teny toy izao: “Ary amin’izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika fandrao hindaosina hiala aminy isika.” (Hebreo 2:1). Araka ny fantatr’ireo kristiana hebreo, hatramin’ny ela be ny Jiosy dia nihevitra ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Lalàna nomena tamin’ny alalan’i Mosesy. Vao mainka iankinan’ny aina ny hihainoantsika ny toromarik’Andriamanitra nampitaina tamintsika tamin’ny alalan’i Jesosy.
13. Ahoana no azon’ny kristiana andraisan-tsoa amin’ny tenin’i Jesosy? Manomeza ohatra.
13 Ohatra, tadidio izay nolazain’i Jesosy tamin’ireo kristiana mba hamporisihana azy ireo handositra hiala tao Jerosalema rehefa ho voahodidin’ny miaramila mitoby ilay tanàna (Lioka 19:43, 44; 21:20-24). Ny Romana dia nanao fahirano ny tanàna nikomy tamin’ny 66, nefa noho ny antony tsy fantatra dia nihataka izy ireo, ka namela tamin’izany an’ireo kristiana handositra. Niverina ny Romana ary nandrava an’i Jerosalema tamin’ny 70, nefa voavonjy ny ain’ireo kristiana izay nihaino ny tenin’i Jesosy. Aoka àry isika haka fianarana amin’io zava-miseho io. Koa satria akaiky ny loza aman’antambo haneran-tany iray, dia aoka isika hametraka ireto fanontaniana ireto: ‘Moa ve aho mihevitra tokoa ny tenin’i Jesosy? Ohatra, ny fotoana atokako ho amin’ny fialam-boly, ny fihetsiko eo anoloan’ny asako na ny raharahako, ny fiheverako ny amin’ny fianarana tsy ara-pivavahana, moa ve izany mampiseho fa mihaino ny tenin’i Jesosy voasoratra ao amin’ny Lioka 12:16-31 aho?’
14. a) Amin’ny heviny ahoana moa Jesosy no hoe “Fiasana lehibe indrindra ho amin’ny famonjena”? Tamin’ny heviny ahoana moa izy no “natao tanteraka”?
14 Ny Hebreo 2:10 dia miresaka an’i Jesosy ho toy ny ‘Fiasana lehibe indrindra ho amin’ny famonjena’. Izany dia marina voalohany indrindra amin’ny kristiana voahosotra izay ‘rahalahiny’. (Hebreo 2:11-17.) Nefa izay rehetra manantena ny hiaina eo amin’ny tany voaova ho paradisa dia miankina aminy koa mba hahazoana ny famonjena azy. Izao no nosoratan’i Paoly: “Dia nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy na dia Zanaka aza; ary rehefa natao tanteraka Izy, dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay rehetra manaraka Azy.” (Hebreo 5:8-10). Marina fa fanahy tanteraka Jesosy ary teto an-tany izy dia tanteraka ara-batana. Nefa, mba hahafahana hanao ny anjara asany amin’ny maha-mpisorona dia tokony hatao tonga tanteraka izy amin’ny lafiny hafa koa. Teto an-tany izy dia nahazo fampiofanana — nampianarina sy nofehezina izy, ary nosedraina ny fankatoavany hatramin’ny fahafatesana — izay nahatonga azy ho mpisoronabe tanteraka, mpisoronabe mamindra fo sy mangoraka.
Aoka isika hatoky ny mpisoronabentsika
15. Nahoana moa ny taratasy ho an’ny Hebreo no miresaka be dia be ny amin’ny mpisorona?
15 Rehefa mamaky ny taratasy ho an’ny Hebreo ianao, dia ho voamarikao fa resahiny be dia be ny amin’ny mpisorona. Izany dia mba hamelana antsika hahafantatra tsara kokoa ny amin’ilay “Mpisoronabe Izay ekentsika, dia Jesosy” (Hebreo 3:1), sy hampitomboana ny fankasitrahantsika an’io mpisoronabe io. Nanazava i Paoly fa “ny mpisoronabe rehetra dia alaina amin’ny olona ka tendrena ho solon’ny olona hanao ny raharahan’Andriamanitra, hanatitra fanomezana sy fanatitra hanafaka ota”. (Hebreo 5:1; 8:3.) Ny tapany lehibe amin’ny Lalàna dia nanipika fa mpanota ny olombelona. Noho izany no nanolorana fanatitra ho azy ireo tamin’ny alalan’ireo mpisorona izay mba tokony hanolotra fanatitra koa hanaronana ny fahotan’ny tenan’izy ireo. Tsy naharesy ny fahotana anefa ireo sorona biby naverimberina ary tsy nahatonga olona ho tanteraka mihitsy (Hebreo 7:11, 19, 27; 10:1-4, 11). Nilaina àry ny fanekena vaovao sy ny sorona vaovao ary ny mpisoronabe vaovao. — Jeremia 31:31-34.
16. Nahoana moa Jesosy no mpisorona lehibe noho ireo teo amin’ny Isiraely?
16 Manana izany rehetra izany isika noho Kristy. Nanana an’i Melkizedeka tsy voalaza fiaviana ao amin’ny Baiboly ho tandindona i Jesosy ka tsy tonga mpisorona satria hoe taranak’i Levy na Arona ara-nofo. Tsia, Andriamanitra mihitsy no nanendry azy (Hebreo 7:1-3, 15-17; 5:5, 6). Raha manaiky an’i Jesosy ho mpisoronabe àry Andriamanitra, moa ve isika afaka ny tsy hatoky tanteraka azy? Ambonin’izany, mifanohitra amin’ireo mpisorona izay nanao raharaha tao anatin’ny faritry ny Lalàna, dia tsy ho faty vetivety izy na tsy maintsy hosoloana. Afaka manolotra fanatitra maharitra izy, dia: ny tenany mihitsy. Koa satria tanteraka ny tenany, dia tsy hila ny haverimberina mihitsy io sorona io. Kristy Mpisoronabentsika dia nitondra ny vidin’ny rany, ny ainy, ho any an-danitra ka nanolotra izany teo anatrehan’Andriamanitra. Mbola any an-danitra foana tokoa izy ka manao ny raharahan’ny mpisorona ho antsika. — Hebreo 9:24-28; 10:12-18.
17. Amin’ny fomba ahoana moa ny fananana an’i Jesosy ho Mpisoronabe no manampy antsika?
17 Raha manatona loza aman’antambo haneran-tany iray isika, dia afaka matoky ny mpisoronabentsika. Mifanohitra amin’ireo sorona tanterak’i Kristy dia afaka manarona tanteraka ny fahotantsika. Ambonin’izany, izy dia afaka amin’ny asa maty [na ny asa ratsy nataontsika taloha na ny fiezahana very maina foana rehetra mety hataontsika mba hanamarinantena eo anatrehan’Andriamanitra] mba hanompoantsika an’Andriamanitra velona’. (Hebreo 9:14; 10:1-4.) Tokony ho fantatsika fa rehefa ao anatin’ny tarehin-javatra sarotra isika na manatrika fahasahiranana, dia sarobidy tokoa ny fieritreretana madio (Hebreo 10:19-22). Afaka mifaly anefa isika manana mpisoronabe maharitra toy izany any an-danitra, amin’ny lafiny hafa koa.
18. Nahoana moa no tsara taloha ary mbola tsara ihany ny hahafantarana fa mangoraka ny mpisoronabentsika?
18 Araka izany, ny taratasy ho an’ny Hebreo dia manome antoka antsika fa Kristy dia mpisoronabe mangoraka. Azonao atao ny maka sary an-tsaina ireo fanapahan-kevitra tsy maintsy ho nataon’ireo kristiana hebreo sy ireo zava-manahirana tsy maintsy nalamin’izy ireo rehefa niomana handositra an’i Jerosalema izy tao anatin’ny rivo-piainana feno fanindrahindran-tanindrazana nihoa-pampana, ka namoy ny tranony, ny sakaizany sy ny asany. Tsy navela ho azy tamin’izao tanteraka anefa izy ireny. Izao no nosoratan’i Paoly: “Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.” Tsy maintsy ho nanatanjaka azy ireo izany, sahala amin’ny tokony hampaherezany antsika, dia isika izay miaina ao anatin’ireo andro farany amin’ny fandehan-javatra ankehitriny. Noho io mpisoronabe mangoraka io, dia afaka ‘mahazo famindrampo sy mahita fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory’ isika. (Hebreo 4:15, 16.) Na inona na inona fitsapana setraintsika, “dia mahavonjy izay alaim-panahy koa izy”. — Hebreo 2:17, 18.
Mpanefa ny finoantsika izy
19, 20. Amin’ny heviny ahoana moa Jesosy no “Mpanefa ny finoantsika”?
19 Voakasika indrindra ny finoantsika rehefa ‘mihevitra an’i Jesosy’ isika. Rehefa avy niresaka ny amin’ny “ota izay malaky mahazo antsika”, izany ho ny tsy fahampiam-pinoana, i Paoly, dia manasa ny kristiana ‘hijery an’i Jesosy, Tompon’ny [Fiasana lehibe indrindra ho an’ny, MN] finoantsika sy Mpanefa azy’. (Hebreo 12:1, 2.) Nahoana no tena ilaina izany mandritra ny fifaranan’ny fandehan-javatra ankehitriny?
20 Raha vao eo amin’ny faminaniana voalohany voasoratra ao amin’ny Genesisy 3:15, ny Baiboly dia mampitodika ny saina ho amin’i Kristy. Mifototra aminy ny ankamaroan’ireo faminaniana sy tandindona hita ao amin’ny Soratra Masina. Maro be amin’ireo lafin’ny Lalàn’i Mosesy voatonona ao amin’ny Hebreo no “aloky ny zava-tsoa ho avy”. (Hebreo 9:23, 10:1.) “Fa ny tenany dia an’i Kristy.” (Kolosiana 2:17). Marina tokoa fa ny fahaterahana, ny fanompoana teto an-tany, ny fahafatesana ho sorona, ny fananganana tamin’ny maty ary ny raharaham-pisoronan’i Jesosy any an-danitra dia mitarika ho amin’ny famitana ny fanatanterahana ireo faminaniana, ireo tandindona sy ohatra ara-panoharana ny amin’ireny zavatra rehetra ireny.
21. Amin’ny lafiny hafa inona koa moa Jesosy no “Mpanefa ny finoantsika” amin’izao andro izao?
21 Raha afaka nanaiky an’i Kristy ho ilay ‘Mpanefa ny finoantsika’ i Paoly dia vao mainka isika amin’izao andro izao manana antony tokony hieritreretana toy izany. Isika dia vavolombelon’ny fahatanterahana lehiben’ny tenin’i Jesosy ny amin’ny ‘famantarana sy fanatrehany sy ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. (Matio 24:3, MN.) Ny finoantsika àry dia miankina amin’ny fanorenana mbola mafy kokoa ihany. Ny famonjena sy ny fiainana ao amin’ny “tany honenana ho avy” koa dia akaiky lavitra tsy toy ny tamin’ny andron’i Paoly. Aoka àry isika tsy hitsahatra hijery an’i Jesosy, ilay mahatanteraka ny finoantsika, amin’ny fananana toky fa Andriamanitra dia “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” amim-pinoana (Hebreo 2:5; 11:6). Araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka, ny taratasy ho an’ny Hebreo dia mety hanampy antsika hanana finoana tena ilaina sy fiheverana tsara tsy azo avela mba hanantenana hahazo izany valisoa mahatalanjona izany.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ”fanontanian’ny mpamaky”, p. 31.
b Paoly dia nampiasa ny teny grika hoe proskunêo izay araka ny The Greek-English Lexicon of the New Testament (Bauer, Arndt, Gingrich) “dia nampiasaina mba hanondroana fanao iray natao hiondrehana eo anoloan’ny olona iray sy hanorohana ny tongony, ny sisin’akanjony na ny tany (1 Sam. 24:9; II Mpanjaka 2:15.) Izany koa dia mety hilaza “fanolorana fankalazana” ka toy izany no nandikana ny Hebreo 1:6 ao amin’ny Baiboly sasany. Raha marina io heviny io, ny tokony handraisana izany dia fanompoam-pivavahana izay, raha ny marina, dia anolorana fankalazana an’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny Zanany nomem-boninahitra. — Jereo Apokalypsy 14:7; La Tour de Garde tamin’ny 1 septambra 1971, pp. 541-543.
Azonao atao ve ny manazava hoe...
□ amin’ny ahoana ny toerantsika no azo ampitahaina amin’ny an’ireo kristiana nanoratana ny taratasy ho an’ny Hebreo?
□ Nahoana isika no tokony hanana fiheverana mety ny amin’ny tenan’i Jesosy ka hitandrina ny teniny?
□ Nahoana ny taratasy ho an’ny Hebreo no miresaka be dia be ny amin’ny sorona sy ny mpisorona?
□ manao ahoana ny fihetseham-ponao eo anoloan’i Jesosy mpisoronabe izay mahatanteraka ny finoantsika?
Efajoro, pejy 18]
Fanolorana haja na fankalazana
Ao amin’ny Hebreo 1:6 ny teny grika hoe proskunéo dia mety hilaza:
1. Fanehoana fanajana, fanolorana haja an’i Jesosy, toy ny amin’ny ‘fiondrehana’, amin’ny fanekena azy ho ilay nomen’i Jehovah Andriamanitra voninahitra sy laza.
2. Mivavaka amin’i Jehovah Andriamanitra amin’ny alalan’ny solontenany lehibe indrindra, dia Jesosy Zanany.
[Sary, pejy 19]
Jesosy dia nanolotra sorona izay lehibe lavitra sy maharitra lavitra ny vidiny noho ireo naterin’ny mpisorona tao amin’ny tempoly.