Misy vidiny tokoa ve ianao eo imason’Andriamanitra?
EFA mba naka fotoana ve ianao ny alina mba handinihana izao rehetra izao? Efa nanontany tena ve ianao tamin’izay hoe hatraiza no hitan’ny masonao teny amin’ny habakabaka, na koa efa nanandrana naminavina ny isan’ny kintana azonao nojerena tamin’ny maso tsotra fotsiny ve ianao? Rehefa talanjona noho ny fahalehibeazan’ny lanitra ianao dia angamba tonga tamin’ny fanontanian-tena toy izao: Ny olombelona, io zavaboary tsinontsinona aoka izany io ve dia misy vidiny tokoa eo imason’Andriamanitra? Miahy ny amin’ny tenako ve Andriamanitra?
Efa ho telo arivo taona eo ho eo izay, Davida, hebreo mpanjakan’ny Joda izay sady poeta koa dia nilaza tamin’izao teny izao ny fahagagana tsapany: “Raha jereko ny lanitrao, izay asan’ny rantsan-tànanao, sy ny volana aman-kintana, izay noforoninao, inona moa ny olona no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak’olombelona, no amangianao azy?” (Salamo 8:3, 4). Tsy nisaintsaina velively i Davida fa amin’ny maso tsotra fotsiny dia ho afaka hibanjina ireo kintana any amin’ny 600 000 taona fahazavanaa miala avy eo aminy izy. Na inona na inona dia talanjona izy tamin’ny fiheverana fa ny Mpamorona io habakabaka tsy hay refesina io dia ho afaka hihevitra ny olombelona na dia kely toy inona aza izy.
Nilaza hevitra mitovy amin’izany i Davida ao amin’ny Salamo 144, izay amakiantsika toy izao: “Jehovah ô, inona ny olona, no iahianao azy? Ary ny zanak’olombelona, no iheveranao azy? Ny olona dia tahaka ny zava-poana [etona, MN], ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.” (Andininy faha-3, 4). Kanefa nahafantatra i Davida fa tena misy vidiny marina tokoa amin’Andriamanitra ny olona na dia eo aza ny fahakelezan’izy ireo sy ny toa fahafohezan’ny androm-piainany. Inona no ahafahantsika manamafy izany? Satria ny tenany mihitsy no namatotra fifandraisana manokana tamin’i Jehovah.
Fifandraisana toy inona no azontsika ananana amin’Andriamanitra?
Ahoana no ahafantarantsika fa nanana fifandraisana manokana tamin’Andriamanitra i Davida? Mba hampiaikena antsika ny amin’izany.
“Jehovah no Mpiandry ahy,
Tsy hanan-java-mahory aho,
Mampandry ahy amin’ny ahimaitso Izy;
Mitondra ahy eo amoron’ny rano fialan-tsasatra Izy.
Mamelombelona ny fanahiko Izy;
Mitarika ahy amin’ny làlan’ny fahamarinana noho ny anarany Izy.
Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
Dia tsy hatahotra ny loza aho;
Fa Hianao no amiko:;
Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy.”—Andininy 1-4.
Ny halalin’ny fifandraisana mampifamatotra an’i Davida tamin’Andriamanitra dia hita taratra mazava eo amin’io salamo io. Inona no vokatr’izany vakiteny izany eo aminao? Voamarikao ve ny fifamatoram-pitokisana nisy teo amin’i Davida, ilay “ondry” tsy nanam-piarovana, sy Jehovah ilay Mpiandry niaro azy? Araka izany, na dia fantany tanteraka aza fa ‘mitovy amin’ny etona’ ny olombelona, dia nino mafy i Davida fa nisy vidiny marina tokoa teo imason’Andriamaniny sady Mpiandry azy izy. Izany no antony nahafahany nanambara tamim-pinoana mafy hoe: “Jehovah no Mpiandry ahy. Tsy hanan-java-mahory aho.” Nefa ahoana no hahafahanao mampitombo fitokisana, finoana sahala amin’izany?
Alohan’ny zavatra rehetra, dia misy zava-dehibe anankiray tsy tiantsika havela. Tsy ampy ny hiahian’ny mpiandry ny ondriny. Ireo ondry, etsy ankilany dia tokony hanaraka ilay mpiandry sy hihaino ny feony. Raha lazaina amin’ny teny hafa, raha irintsika ny hisy vidiny eo imason’Andriamanitra, dia tsy maintsy miankina aminy koa isika. Raha mandao ny vala ireo ondry na mandronjina ny mpiandry azy dia tsy ho afaka hahazo intsony ny fiarovany. Ny fifandraisana mampiray ny mpiandry amin’ny andian’ondriny àry dia ho tapaka noho ny fihetsika mampiseho kiry hita amin’ireo ondry be haitraitra ireo. Kanefa, na dia mavesatry ny fikomiana indrindra aza ny tantaran’olombelona, Andriamanitra dia niahy, tsy ny olombelona amin’ny ankapobeny fotsiny, fa ireo olona amin’ny lafiny isam-batan’olona koa. Manana porofo ve isika mba hilazana marina izany?
Hatramin’ny oviana Andriamanitra no niahy ny olombelona?
Vao teo amin’ny fiandohan’ny tantaran’olombelona dia nasehon’i Jehovah fa niahy ny olombelona sy ny ho aviny izy. Rehefa niteraka fikomiana ny fitiavan-tena tao Edena dia tsy nahafoy ny fianakavian’olombelona Andriamanitra; tsy namela azy tsy hanana Fanantenana izy. Nampanantena kosa ny fahatongavan’ny “taranaka” iray izay hamely an’ilay fahavalon’ny olombelona ratsy indrindra izy ary hitondra fanamaivanana ho an’ny taranak’olombelona amin’ny fanorotoroana an’i Satana amin’ny lohany (Genesisy 3:15; Romana 16:20). Taty aoriana Jehovah dia nanohy nitana fifandraisana tamin’ny taranak’olombelona, indraindray nifampiraharaha tamin’ny olona sasany manokana, indraindray tamin’ny firenena manontolo.
Azo atao ny mijery ohatra iray ny amin’ny fiahian’Andriamanitra ny olona tsirairay avy, ao amin’ny lalàna tranain’ny Isiraely mahakasika kamboty sy ny mpitondratena, ireo mahantra tao amin’ny firenena. Io lalàna io dia milaza mazava indrindra fa ireny olona tsy manana tany ireny dia afaka nandray soa tamin’ny fararano. Marina tokoa fa nanome azy fahefana hitsimpona amin’ny tanimbary voajinja izany. Aoka homarihintsika fa io fandaharana io dia nihoatra lavitra ny fandaharam-panampiana ara-tsosialy ankehitriny any amin’ny firenena maro eo amin’izao tontolo izao. Teo amin’ny Isiraely tokoa, ny mahantra dia nitandro ny fahamendrehany satria tsy voatery nangataka na nanantena fiantrana na fanampiana avy amin’ny Fanjakana. Tamin’ny tanany dia nitsimpona ny voa izay nilainy izy. Nanao asa mahasoa izy tamin’izay ary nahatsiaro fankasitrahana lalina an’i Jehovah, ilay Andriamaniny be fahalalahan-tanana.—Levitikosy 19:9, 10; Rota toko faha-2.
Manazava ny fiahiana fatratry ny Rainy Kristy
Nilaza mazava tsy misy toy izany ireo Filazantsara efatra fa Jesosy dia niahy ireo olona. Koa satria izy nanome taratra tanterak’ireo toetran’ny Rainy, dia porofo tsy azo lavina io fa ny olombelona dia misy vidiny marina tokoa eo imason’Andriamanitra (Jaona 14:9). Ny fampianaran’i Jesosy dia misy fitsipi-pitondrantena azo ampiharina sy feno fitiavana maro, izay afaka hanampy antsika hanana fiainana mihevitra ny hafa. Ny tenan’i Jesosy no naneho ohatra tamin’io lafiny io tamin’ny andro izay nodian’ireo mpianany vizana avy tany amin’ny fandehanana mitory. Nanao ahoana ny fihetsiny? Tamin’izany dia naneho fangoraham-po sy fiheverana azy ireo izy. Nipetraka tamin’ny toeran’izy ireo izy ary nahatakatra fa nila fialan-tsasatra izy ireo. “Ary hoy Jesosy taminy: Avia hianareo hitokana any an-tany foana, ka mialà sasatra kelikely (fa maro no nifamoivoy, ka tsy nisy hihinanana aza).” Araka izany, dia nandray sambo izy rehetra mba handeha tany amin’ny toerana mitokana mba hiala sasatra kely.
Nefa nanaraka azy ireo ny vahoaka. Ahoana àry no ho fihetsik’i Jesosy? Hanomboka haneho fihetsika tsy milefitra izy sa ho tezitra? “Ary nony niala [avy teo an-tsambo] Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka Izy ka onena azy, fa tahaka ny ondry tsy manana mpiandry ireo; dia nampianatra azy zavatra maro Izy.”—Marka 6:30-34.
Marina tokoa fa nampiseho taratry ny fiahiana entin’i Jehovah amin’ny olona Jesosy, fiahiana izay mbola nosoritany ihany tamin’ity fanamarihana manaraka ity: “Tsy eranambatry va no vidin’ny tsintsina dimy? Nefa tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny na dia iray akory aza. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro hianareo.”—Lioka 12:6, 7.
Eny tokoa, amin’ny fomba fijerin’Andriamanitra, ny olona anankiray izay miezaka manara-dia an’i Jesosy Kristy dia tsy very ao anatin’ny vahoaka. Nefa ity indrindra no fanalahidin’ilay zava-manahirana: Miezaka manaraka an’i Jesosy Kristy ve ianao? Mahatsapa ny ilànao ny zavatra ara-panahy ve ianao amin’io lafiny io (Matio 5:3, MN)? Tadidio fa, taloha kelin’ny fisamborana azy sy ny fahafatesany dia nivavaka tamin’ny Rainy tamin’izao teny izao Jesosy: “Nefa tsy ho an’ireto ihany [ireo apostoly iraika ambin’ny folo tsy nivadika izay niara-nisakafo farany taminy] no angatahiko, fa ho an’izay [ireo mpianatra hafa] mino Ahy koa noho ny teniny.” (Jaona 17:20). Fantatr’i Jesosy fa tsy hoe niahy ny apostoliny fotsiny Andriamanitra; hiahy ihany koa ireo izay, amin’ny ho avy dia ho tonga mpino noho ny fitorian’izy ireo izy. Izany dia mampiseho fa Jehovah Andriamanitra, ilay Mpiandry ondry lehibe, dia miseho ho azo hatonin’izay rehetra azo ampitahaina amin’ny ondry noho ny fahatsoram-pon’izy ireo.—Salamo 23:1.
Mbola misy vidiny ihany ve ny olona eo imason’Andriamanitra?
‘Kanefa, hilaza, angamba ianao hoe inona no porofo ananana ankehitriny fa mbola misy vidiny eo imason’Andriamanitra ihany ny olona? Raha ny momba ahy, ahoana no handraisako soa amin’ny fiahiana entin’Andriamanitra ho an’ny taranak’olombelona?’
Amin’izao androntsika izao tokoa, Jehovah, ilay Mpiandry ondry lehibe, dia manao izay hahafahan’ny olona azo ampitahaina amin’ny ondry sy miparitaka eran’izao tontolo izao manontolo, handre ny feony. Ahoana izany? Ny tenan’i Jesosy no mamaly hoe: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” Araka izany, dia Jehovah no mitaona ireo olona tso-po amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, “ilay Mpiandry Tsara” notendreny.—Jaona 6:44; 10:11, 14-16.
Ahoana no anaovan’i Jehovah izany fanintonana izany amin’ny olona? Manao izany izy amin’ny alalan’ny asa fitoriana tontosain’ireo mpianatra mahatokin’i Jesosy Kristy, mpianatra izay, tamin’ny alalan’i Jesosy dia Vavolombelon’ilay Andriamanitra marina koa. Eny, ireo vavolombelona kristian’i Jehovah dia mitory amin’ny tany manontolo, amin’ny toerana rehetra izay onenan’ireo namany. An-tsitrapo dia miahy manokana izay rehetra maniry hahafantatra an’Andriamanitra izy ireo.
Raha tsy mbola vita izany, vonona ve ianao hanao ny dingana voalohany mba hamatorana fifandraisana manokana amin’i Jehovah, ilay Mpiandry ondry Lehibe? Vonona ny hitady azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ve ianao? Amin’io lafiny io, dia tadidio ity famporisihana manaraka ity, nataon’ny tenan’i Jesosy mihitsy”: “Mangataha, dia homena hianareo; mitadiava, dia hahita hianareo; dondony, dia hovohana hianareo.” Raha ny tena izy, ny tenan’ilay Mpiandry ondry lehibe no efa nanao mivantana ny dingana voalohany ho any aminao tamin’ny’nandefasany ny Zanany tety an-tany ho tombontsoantsika rehetra. Raha mamaly an’io zavatra nataony io ianao, dia tsy ho ela ny tenanao dia hahatsapa fa misy vidiny marina tokoa eo imason’Andriamanitra ny olona.—Matio 7:7; I Jaona 4:7-10.
Miahy ny ho avin’ny olombelona ve Andriamanitra?
Ny fampitahana natao tamin’ny fisian’olombelona sy ny etona na fofonaina dia manipika amin’ny fomba mety tsara ny fahafohezany. Kanefa, hafiriana no tianao hiainana raha afaka ny hanana fahasalamana sy fahasambarana tanteraka ianao? “Mandrakizay” ve, hoy ianao? Eny, izany indrindra no nampanantenain’i Jehovah: fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany. Araka izany, ao amin’ny taratasy izay nalefan’i Paoly ho an’i Titosy, dia misy firesahana ny “amin’ny fanantenana ny fiainana mandrakizay izay nampanantenain’Andriamanitra tsy mahay mandainga hatry ny fony fahagola.” (Titosy 1:2) Niankina tamin’io fanantenana io ihany koa, Paoly dia nanoro hevitra an’ireo namany “mba hanao soa, mba hanan-karena amin’ny asa tsara, hazoto hanome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana.” Kanefa, io tena fiainana io dia mitondra ho amin’ny fiainana mandrakizay.—I Timoty 6:17-19.
Misy vidiny eo imason’Andriamanitra ve ireo maty?
‘Nefa manontany tena angamba ianao hoe, ahoana ny amin’ireo maty? Misy vidiny ve izy ireny ho an’ny Mpiandry ondry Lehibe? Izany tokoa! Noho izany antony izany indrindra, ny apostoly Paoly dia ‘nitory ny vaovao tsaran’i Jesosy sy ny fitsanganan’ny maty’ (Asan’ny apostoly 17:18, MN.) Afa-tsy izany, ny fitsanganan’ny maty dia tsy azo lavina fa antoka mahagagan’ny fiahian’Andriamanitra ny olona tsirairay avy. Nahoana? Satria, mba hamerenana olona iray ho amin’ny fiainana, Andriamanitra dia tsy maintsy mitadidy ireo toetran’ilay olona rehetra amin’ny maha-izy azy, hatramin’ireo antsipiriany madinika indrindra. Ilay Tompo ambony indrindran’izao rehetra izao sy ireo vahindanitra sy kintana an-tapitrisany maro ao anatin’izany dia tsy ho sahirana kely akory hahatsiaro ireo zavatra fantatra rehetra ireo ary hampiditra izany indray ao amin’ny atidoha sy ny fo izay hoforoniny indray amin’ny fitsanganana. Tsy misy mahataitra kely akory àry raha nanambara tamim-piaikena Jesosy hoe: “Aza gaga amin’izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ny olona rehetra any am-pasana ny feony [ny an’i Jesosy; dia hivoaka izy”.—Jaona 5:28, 29.
Koa raha maniry àry ianao ny hiahian’i Jehovah, ilay Mpiandry ondry Lehibe anao amin’ny alalan’ny Zanany, Jesosy Kristy, dia aza misalasala mangataka amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah mba ho tonga hanampy anao. Ao anivon’ny tokantranonao, dia ho azonao atao ny hametraka aminy ireo fanontaniana momba ny Baiboly rehetra ho tonga ao an-tsainao, amin’ny fananana toky fa hahazo valiny araka ny tokony ho izy. Azonao atao koa ny manoratra amin’ny mpampanonta ity gazety ity, izay hanampy anao hiaiky amin’ny alalan’ny porofo manamarina fa mety hisy vidiny lehibe ianao eo imason’Andriamanitra, dieny ankehitriny ary amin’ny ho avy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny taona fahazavana iray dia mitovy amin’ny elanelana ataon’ny fahazavana mandritra ny herintaona, eo amin’ny 300 000 km isan-tsegondra, izany hoe eo amin’ny 9 460 000 000 000 kilaometatra. Tsy ilaina ny milaza fa mitatra lavitra noho izay mety hahitan’ny mason’olombelona azy ireo rehetra izao.
[Sary, pejy 5]
Miahy antsika ve Andriamanitra?
[Sary, pejy 7]
Mikarakara amim-pitiavana ny ‘ondriny’ rehetra ilay Mpiandry Lehibe.