‘Mihaino vavaka’ i Jehovah
Davida mpanao salamo dia niantso an’i Jehovah hoe “Mpihaino vavaka”, ary tsy hoe tsy misy ny porofo mampiseho fa tena mihaino ny vavaka amim-pahatsorana tokoa Andriamanitra (Sal. 65:2). Izao zava-nitranga manaraka izao, avy any Portiogaly, dia mendrika ny homarihina indrindra.
Izany dia mikasika ny “infirmière” nanana diplaoma iray izay tian’ireo sakaizany sy olom-pantany aoka izany. Mampalahelo anefa fa tsy nahita fahombiazana ny fanambadiany, ary ny vadiny, izay nanana fiainana maloto, dia nandao azy tamin’ny farany. Indray andro, io vehivavy io izay mpino mafy dia nitalaho tamin’Andriamanitra tamin’ny fanehoana taminy ny faniriana hahita fiainana sambatra sy tamin’ny fiangaviana taminy mba hampahafantatra azy raha nanana fikasana mendrika ny hotohanana izy.
Ny tolakandron’iny ihany, dia nisy Vavolombelon’i Jehovah izay nitory isan-trano nandondòna tao am-baravaran’io “infirmière” io. Vao avy nandro izy ary mbola nanao “peignoir”. Tamin’ny teny fampidiran-dresaka notononin’ny anankiray tamin’ireo Vavolombelona fotsiny, dia tsapany fa nohenoina ny vavaka nataony. Nanasa an’ireo mpivady hiditra izy, nametraka fanontaniana maro taminy ary nihaino tamim-pifaliana ny valiny nomen’ny Soratra masina. Koa nanomboka nianatra izy, avy eo, fotoana kelikely taty aoriana, dia nanatrika tsy tapaka an’ireo fivoriana kristiana.
Mba nanomboka nitory ny “vaovao tsara” koa izy ary nitarika fampianarana ny Baiboly iray mihitsy aza. Farany, dia nikasa ny hatao batisa izy ho mariky ny fanolorany ny tenany ho an’i Jehovah “Mpihaino vavaka”.