Kely loatra ve ianao ka tsy misy vidiny?
EFA mba sendra nihevitra ve ianao fa tsy misy olona miahy anao? Efa nahatsiaro tena ho manirery ve ianao na dia voahodidin’ny olona betsaka aza? Nahoana moa no mety hamely anao ny fihetseham-po toy izany? Satria, amin’ny tarehin-javatra maro loatra, ny olona tsirairay avy dia tsy misy vidiny intsony ankehitriny.
Any amin’ny tany maro, ny asa birao dia nanova ny olona ho zavatra omena very ao amin’ny lalana miolikoliky ny fandrindran-draharaha. Tsy inona intsony izy ireo fa nomerao ho an’ny fandaminam-bahoaka tsy misy anarana. Tsy izany ve no tsapanao indraindray?
Angamba ianao miasa ao amin’ny fiantohan-draharaha lehibe mampiasa olona an-jatony maro, eny, an’arivony maro aza. Raha izany no izy, dia tsy isalasalana fa mahatsiaro tena ho kodia kely fotsiny ihany ao amin’ny milina lehibe ianao. Hatramin’ny mponina an-tanàn-dehibe no mahatsiaro tena tanteraka ho manirery. Ahoana no hetezan’izany? Satria na dia ireo mpifanila lalantsara aminy aza dia tsy fantany velively. Izy ireo koa dia nomerao mipetaka eo amin’ny varavarana anila fotsiny.
Marina tokoa fa tsy ela dia tonga amin’ny fiheverana ny tena fa tsy misy vidiny, tsy misy fotony mihitsy ka hoe ho voamarika ao amin’ny fitambolimbolin’ny fiainana araka ny toetr’andro. Voamarina indrindra izany any amin’ireo fitambaran’olona mandroso amin’ny fanaovan-taozavatra ka ny toe-tsaina tia fifaninanana dia nahatonga olona maro aoka izany tsy hiraika amin’ny zava-manahirana ny hafa. Ny fahamendrehan’ny tena manokana dia voatevateva tanteraka ary heverina ho toy ny valinteny tsy mananosarotra sady feno fahiratan-tsaina ny hoe “Mandehana mandeha any!”
Nefa tokony hoheverina ve fa miijery ny zavatra mitovy amin’izany Andriamanitra? Izy izay Tompom-piandrianana Tampony eo amin’izao rehetra izao ve ambony loatra noho ny olombelona ka tsy misy vidiny eo imasony ny olona. Manazava ny Baiboly fa tamin’ny tarehin-javatra iray dia anjely ‘arivoarivo alinalina’ (izany hoe zato tapitrisa) no nitsangana teo anatrehan’i Jehovah (Daniela 7:10). Ankoatr’izany, Andriamanitra koa no Mpamorona ireo kintana tsy hita isa eo amin’izao rehetra izao. Tokony hoheverina ve fa tsy mitsinjo izany zavatra noforonina hita maso sy tsy hita maso rehetra izany izy? Mamaly ny Baiboly hoe: “Milaza ny isan’ny kintana Izy; samy tononiny amin’ny anarany avy ireny rehetra ireny.” (Salamo 147:4). Marina tokoa araka izany fa mbola tompon’ny tenan-javatra eny amin’ny lanitra Andriamanitra. Fa raha ny amin’ireo anjely marina kosa dia tsy misy isalasalana fa Andriamanitra koa dia miantso azy ireny amin’ny anarany, na dia hoe ny anaran’ny anjely roa ihany aza no nambarany ny olombelona, dia Mikaela sy Gabriela.—Daniela 12:1; Lioka 1:26.
Nefa inona no holazaina momba ny olombelona? Mihevitra azy ireo koa ve Andriamanitra? Nanoratra i Davida mpanao salamo hoe: “Jehovah ô, ampahafantaro ny farako aho sy iza ohatra ny androko: aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho. Indro, efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko; ary toy ny tsinontsinona eo anatrehanao; zava-poana [toy ny etona, MN] ihany tokoa ny olona rehetra.” (Salamo 39:4, 5). Koa raha mihelina toy ny etona fotsiny ny olombelona, toy ny fofonaina, ahoana àry moa no hahazoantsika milaza marina tokoa fa tsy bitika loatra izy, mandalo faingana loatra ka hoe tsy heverin’Andriamanitra? Misy vidiny tokoa amin’Andriamanitra ve ny olombelona? Ary ianao, misy vidiny eo anatrehany ve ianao?