FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/6 p. 4-7
  • Manaiky hosimbana ve ny fonao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Manaiky hosimbana ve ny fonao?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Rehefa voafitaka mangingina ny fo
  • Ny fahasimban’ny saina sy ny fo
  • Hosoloana inona izy ireny?
  • Ny tantara mitohy ao amin’ny televiziona sy ny vokany
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Avereno amin’i Jehovah ny fonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Arovy ny Fonao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2001
  • “Andosiro ny Fijangajangana”
    “Mitoera ao Amin’ny Fitiavan’Andriamanitra”
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/6 p. 4-7

Manaiky hosimbana ve ny fonao?

NY “namana” fidintsika dia mety hanan-kery eo amin’ny fontsika. Toy izany no filazalazan’ny toko faha-7 amin’ny bokin’ny Ohabolana ny tovolahy iray mifanerasera amin’ny vehivavy manambady ratsy fitondrantena iray. Raha mihaino ny “teny mandrobo” ataony izy, dia misondrotra tampoka ao aminy ny fahamaimaizana ka lasa mijangajanga aminy izy. Inona anefa no nitarika azy tamin’ny fanao toy izany? Ny andininy faha-25 dia mampitandrina ny mpamaky amin’izao teny izao: “Aoka tsy hivily ho any amin’ny làlany ny fonareo!” Marina tokoa fa voavily ny fony noho ny fifaneraserany taminy.

Nefa, karazana olona manao ahoana moa no aseho ao amin’ny tantara mitohy ao amin’ny televiziona? Minisitra iray mamitaka ny vadiny, mpisavika, vehivavy mpijangajanga, tovovavy miteraka tsy manambady iray izay mamono ny sakaizany ratsiny satria io nandry tamin’ny reniny, sy ny sisa. Ny fijangajangana, ny fanalana zaza ary ny fananana anaka tsy ara-dalàna dia zavatra fahita ao.

Irinao hampihatra fitaomana amin’ny fonao ve ny “sakaiza” toy izany? Raha ireny olona ireny no mpifanila trano aminao, ho nasainao ho any aminao ve izy ka hahita fahafinaretana amin’ny fihainoana ay mitantara ny lalao ratsiny ve ianao?

Ho an’ireo izay nihambo fahiny ho anisan’ny vahoakany, Jehovah dia nanontany hoe: “Ahoana no itorianao ny lalàko (...). Raha mahita mpangalatra hianao, dia faly hikambana aminy, ary miray anjara amin’ny mpijangajanga.” (Salamo 50:16, 18). Aza mety hofitahina ianao: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” — I Korintiana 15:33; Ohabolana 13:20.

“Tsy ny mpilalao rehetra anefa no miharihary fa ratsy, hoy ny fanazavan’ny vehivavy mpikarakara tokantrano iray. Noho izany, tsy nananosarotra ahy ny nampitovy ny tenako tamin’ny vehivavy iray tena tsara toetra. Nampiseho izay rehetra niriko ho tonga toetrako izy ka nanahaka ny toetrany aho.” Tsy mahalana tokoa ny mahita olona miaina ny anjara lalaovin’ny mpilalao, izay ataony ho “faka tahaka”. Moa ve anefa ny fihetsika toy izany mendrika ny kristiana iray?

Tsy namporisika velively ny rahalahy hanahaka ny fitondrantenan’ny olona “maizin-tsaina” sy simba ara-pitondrantena ny apostoly Paoly, fa nananatra azy kosa tamin’izao teny izao: “Tsy mba toy izany no nianaranareo an’i Kristy, raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’i Jesosy.” (Efesiana 4:17-21). Raha maniry hahazo ny fahaizana ilaina ny kristiana iray nanolo-tena ho an’Andriamanitra dia tokony hampifantoka ny sainy amin’ny ohatr’i Jesosy na amin’ny iray amin’ireo mpanompon’Andriamanitra hafa izay nanaraka ny diany. Raha ny marina, ny ohatra hafa dia hita fa ho fandrika avokoa. — I Korintiana 11:1; Hebreo 11:1 ka hatramin’ny 12:2; I Petera 2:21.

Rehefa voafitaka mangingina ny fo

Niaiky i Joba nahatoky fa nety ho voafitaka mora foana ny fony tamin’izay zavatra nojereny. “Raha tahiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, hoy ny fiaikeny, na ny volana, raha nandeha tamin’ny fangarangarany izy, ka voafitaka mangingina ny foko (...), dia heloka hanamelohan’ny mpitsara koa izanya.” Marina fa ny fahitana ny lanitra feno kintana sy ny volana mamirapiratra dia mety hanaitra antsika. Nefa izao: ny olona nanodidina an’i Joba dia nanompo ny volana izay nataony mariky ny fahavokarana. Ny fanaranam-po tamin’ny faharatsiana izay nanintona tokoa dia matetika no anisan’ny fanompoam-pivavahana natao tamin’ny volana. Kanefa raha nisaintsaina foana an’ireny fanao ireny i Joba dia ‘ho nanoroka ny tànany ny vavany’ ho mariky ny fanompoana. Ny fony dia nety ho nivoha sy nilefitra kokoa, ka tamin’ny farany dia ho toa tsy ratsy loatra eo imasony ny fanompoan-tsampy. Soa ihany anefa fa nahatsiaro tena izy. — Joba 31:26-28.

Ary ny tantara mitohy ao amin’ny televiziona anefa dia mety hampihatra fitaomana mamitaka mitovy amin’izany eo aminao. Amin’ny ankapobeny, dia anamarinana ny fitondrantena rehetra ny fitadiavana ny fitiavana. Ohatra, izao no re nolazain’ny tovovavy tsy manambady nefa bevohoka tamin’ny namany anankiray: “Tiako anie Victor e. Tsy raharahako izany. Vonona ny handainga, hamitaka ary hangalatra aho mba hiainana miaraka aminy. Mendrika izany izy. Mila azy aho na inona na inona vidiny. Ny zava-dehibe amiko dia ny hanan-janaka aminy.” Amin’ny fihainoana azy miteny arahin’ny mozika malefaka, dia ho sarotra aminao ny hino fa ho ratsy loatra tokoa ny fitondrantenany. Fanampin’izany, ianao koa dia mba tia an’i Victor. Ary dia mangoraka ity tovovavy ity koa ianao. Raha fintinina, dia “takatrao” ny zavatra manjo azy. “Mahagaga ny mahita hoe hatraiza no anamarinana ny zavatra rehetra, hoy ny fanambaran’ny mpijery iray izay nahatsiaro saina tamin’ny farany. Marina fa fantatsika fa ratsy ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy (...). Kanefa tsapako fa teo amin’ny lafiny ara-tsaina dia nandray anjara tamin’izany aho.”

Ny sasany anefa hanaporofo fa ‘izay hita ao amin’ny televiziona dia tsy ratsy lavitra noho izay miseho amin’ny fiainana isan’andro’. Moa ve ny kristiana iray anefa hifidy fampisehoana toy ireny mba hialam-boly? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrikany olona masina izany”. (Efesiana 5:3). Moa ve ireo tenin’i Paoly ireo mampiseho tsy fahitana ny zavatra araka ny tena izy? Tsy izany velively. Ny tiany holazaina dia ny tsy tokony hahitan’ny kristiana fanarian-dia amin’ny firesahana an’ireny fanao maharikoriko ireny. Io fotopoto-pitsipika io dia mihatra foana ho an’ireo izay maniry hiseho ho “masina” tokoa amin’izao androntsika izao.

Ny fahasimban’ny saina sy ny fo

Tamin’ny taonjato voalohany, ny mpikambana sasany tao amin’ny kongregasiona tany Korinto dia nanaiky ho voaloton’ny apostoly sandoka fa tsy ny televiziona akory, mazava ho azy. Raha araka ny filan’i Irénée, mpanoratra tamin’ny taonjato faha-II izay nilaza tena ho kristiana, dia izao no hevitr’ireny mpivadi-pinoana ireny: “Tahaka ny volamena apetraka ao anaty fotaka nefa tsy mamery ny famirapiratany fa mitahiry ny toeny (...), dia tahaka izany koa ny tenany, hoy izy ireo, na inona na inona asa ara-nofo izay nahatafiditra azy, dia tsy misy fatiantoka ho azy sady tsy mahavery ny firafetany ara-panahy izany.” Noho izany, dia nifanerasera tamin’ny tsy mpino izy ireo, nanatrika ireo lalao tsy mifaditrovana nataon’ireo olona nampiadiana teo amin’ny kianja filalaovana ary tonga hatramin’ny fahalotoam-pitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy izy ireny.

Nanome tsiny ny kristiana tao Korinto ny apostoly Paoly noho izy ireo’nandefitra tsara’ tamin’ireo mpampianatra sandoka. Natahotra izy sao, “tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny”, ny sain’izy ireo dia hihasimba tsikelikely ka “hiala amin’ny fahitsiam-po sy ny fahadiovana amin’i Kristy”. Izany fahasimbana mamitaka ara-pampianarana izany dia mitarika fahasimbana ara-pitondrantena. — II Korintiana 11:3, 4.

Ny kongregasiona tao Korinto dia tonga hatramin’ny fileferana ny fandrian’ny mpikambana iray tao aminy tamin’ny olon-tsy heny. Angamba noderain’ny kristiana hafa tao amin’ny kongregasiona mihitsy io lehilahy ratsy io. Tao am-pon’izy ireo, dia hoe ‘nahatakatra ny fihevitr’izy io’ izy ireo. Zara aza izy nahita “ny fitiavana”! Nety ho voataonan’ny fitondrantenany ratsy ny mpikambana hafa tao amin’ny kongregasiona ka nanjary nanaraka fahalotoana, fijangajangana, fitondrantena mahamenatra indrindra koa aza ny tenan’izy ireo. — I Korintiana 5:1, 2, 6; II Korintiana 12:21.

Irinao ve ny hahita ny fonao ho simba toy izany? Zakanao mora foana ve ny mpanitsakitsa-bady, ny mpijangajanga, ny mpamono olona sy ny tahaka azy amin’ny famelanao ny fiainany hahavariana anao isan’andro? Na dia miorina mafy amin’ny lalan’ny fahamarinana aza isika, ny fontsika dia mety hihasimba tsikelikely raha fahanantsika lava amin’ny tantara noforonina manala tsiny ny fahalotoam-pitondrantena ny saintsika.

“Mihevitra ianao aloha fa tsy hampaninona anao izany, hoy ny fiaiken’ny vehivavy iray izay nanaraka tsy tapaka nandritra ny taona maro ny tantara mitohy ao amin’ny televiziona. Nefa ao am-ponao lalaina ao dia ekenao ny fanaovana asa ratsy. Raha ny marina, dia mijery izay irina ho hita ny tena. Ary raha sendra tsy be fitiavana tahaka ireo izay hita ao amin’ny televiziona ny vadin’ny tena, dia hanomboka hihevitra ianao fa misy zavatra tsy ampy aminao.”

Io vehivavy kristiana io izay nahita fahalianana toy izany tamin’ny tantara mitohy ao amin’ny televiziona io, dia nitsahatra tsy nitandrin-tena ka nijangajanga. Torotoro fo avy hatrany noho ny nataony izy, ka nahazo ny famelan’ny vadiny sy ny kongregasiona tamin’ny farany. Nefa fanaintainana teo amin’ny ara-pihetsaham-po manao ahoana moa no azony nohalavirina! “Nandeha tsara n zavatra rehetra hatramin’ny andro izay nisehoan’ny tarehin-javatra nahafahako nanatanteraka izay tao am-poko, hoy ny fiaikeny. Nofandrihin’i Satana aho ka nihazakazaka tao tsy nijery. Aza mety ho voafitaka ianao. Mety hisy herinay eo aminao ireny tantara ireny. Indraindray aho dia mahare ny sasany milaza fa afaka mijery ireny tsy misy fahavoazana izy. Nefa izany dia ny ho avy irery no hanambara azy.” Na dia taorian’io toe-javatra mampalahelo io aza, dia mbola sarotra taminy ny nitsahatra tsy hijery ireny. Tonga tamin’izao famaranan-kevitra izao izy: “Izany dia sarotra noho ny fialana amin’ny fifohana sigara.”

Mazava ho azy fa ny ankamaroan’ny mpijery televiziona dia tsy manao fahalotoana satria fotsiny mijery tantara mitohy toy ireny. Kanefa moa ve ianao efa mba nahita ny tenanao nampitaha ny vadinao tamin’ny mpilalao tao amin’ny televiziona? Moa ve ny fihetsika toy izany hanamafy ny fitiavanao azy sa hamafy fisalasalana ao am-ponao kosa izany? Raha mpitovo ianao, moa ve tsy mety handranitra ny fanirianao hahita vady ireny fandaharana ireny, ka hitarika anao ho amin’ny fanambadiana tsy natao tamim-pahendrea, na ho amin’ny fijangajagana mihitsy aza? Moa ve amin’izany tsy hametraka ny tenanao ho amin’ny fiovaovana ara-pihetseham-po tsy ilaina ianao?

Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ny zavatra rehetra azoko atao, (...) nefa izaho tsy mety handevozin-javatra na inona na inona.” (I Korintiana 6:12). Voamarina tsara fa mitarika faniriana hijery foana ny tantara mitohy. Ny kristiana sasany dia nanao tsirambina ny fivorian’ny kongregasionany sy ny fanompoany, nanao zara fa vita ny raharaha tao an-trano, tsy nandeha nianatra, ary namela ny fianarana manokana sy ny an’ny fianakaviana, izany rehetra izany dia mba tsy hanapahana ny fijerena fizarana iray amin’ny tantara mitohy. Moa ve tsy tokony hieritreritra amim-pahamarinana ny amin’ny fotoana laniny eo anoloan’ny televiziona izay ao anatin’ny tarehin-javatra toy izany?

Mazava ho azy fa azo atao ny milaza toy izany ny amin’ny fampisehoana hafa rehetra. Nefa ny loza manokan’ireny tantara mitohy ireny dia noho izay maka ny fonao, hany ka voatery hijery ny tohiny ianao. Ny revio iray mahay manokana ny amin’ny tantara mitohy dia nitatitra toy izao ny fiaiken’ny dokotera Hendrie Weisinger, mpandinika ny toe-tsaina: “Ny fikarohana dia nanaporofo fa miasa tokoa ao amin’ny fiainantsika sy ny fomba fiheverantsika ny televiziona (...). Izay tsy mivoaka ny tranony ka mijery tsy tapaka ireny fandaharana ireny dia mety hampitovy tafahoatra ny tenany amin’ny mpilalao. Ireny mpijery ireny dia mamela ny tantara mitohy ho tonga fitohizan’ny fiainany, ary ny fahatahorany tsy hahatratra fizarana iray dia mety ho tonga aretin-tsaina marina.”

Hosoloana inona izy ireny?

Ny vehivavy kristiana iray izay nahazo fahazaran-dratsy nijery tsy tapaka tantara mitohy dia latsaka tao amin’ny fahakiviana lalina. Namboraka izany izy tamin’ny Vavolombelona anankiray izay namporisika ny handaniana fotoana misimisy kokoa hanampiana ny hafa eo amin’ny fanompoana kristiana. “Nahita fifaliana betsaka aho tamin’ny fitondrana ny fiaraha-miasako teo amin’io fanompoana io, hoy ny fitantarany. Tsy kivy intsony aho, satria tsy voatery nitondra ny zava-nanahirana hafa [ny mpilalao amin’ny tantara mitohy]. Nanomboka nameno ny fiainako tamin’ny zavatra mahaliana aho. Tsy nisy vidiny tamiko intsony ireny tantara mitohy ireny. Nanao ny asa fitoriana ny vaovao tsara manontolo andro àry aho.” Maro tokoa no nahita ny fanafodin’ny zava-nanahirana azy tamin’ny fampitomboana ny fandraisany anjara tamin’ny fanompoana masina. — Jereo Apokalypsy 7:15.

Ny sasany dia nandamina izany tamin’ny fandaniana hery betsaka hatrany teo amin’ny fikarakarana ny tokantrano sy tamin’ny fahafinaretana ara-batana sy ara-panahin’ireo zanany. Koa satria matetika tiantsika ny manana fifampikasohana amin’ny hafa, ny sasany dia nizara tamin’izy ireny teo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-nofo. Mba hanaovana izany dia tsy voatery hanan-karena ny tena. Matetika ahazoana fahafahampo betsaka ny fanamboarana na dia zava-mamy vitsivitsy fotsiny ho an’ny sakaiza aza. — Ohabolana 31:10-31.

“Fantatro ankehitriny ny zavatra tsy ampy tamiko, hoy ny fiaiken’ny olona iray andevon’ireny tantara mitohy ao amin’ny televiziona ireny fahiny: ny fianarana manokana sy ny vavaka. Ny torohevitra voasoratra ao amin’ny Filipiana 4:6-9, torohevitra mikasika ny vavaka sy ny fisainana madio, dia nanampy be dia be ahy tokoa. Amin’izao fotoana izao dia manomboka ny andro amin’ny fandinihana ny teny natao hovakina isan’andro sy ny zavatra vita an-tsoratra hafa manazava ny Baiboly aho. Ao amin’ny Baiboly, Jehovah dia manome antsika fitantarana nalaina avy amin’ny fiainana, tahaka ny tantaran’i Jesosy, Joba, Davida sy ny maro hafa koa. Mamaky koa ny zava-nanjo niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro ankehitriny aho. Marina fa ao anatiko ao indraindray, dia maniry mafy hahafantatra ‘izay zavatra niseho’ tao amin’ny tantara mitohy aho, nefa ny faniriako hankato an’i Jehovah dia mihazona ahy.

Eny, azo atao ny manafa-tena raha maniry tokoa hahazo sitraka amin’i Jehovah amin’ny fo rehetra ny tena. Tsy milaza akory izahay fa manimba avokoa ny fandaharana rehetra ao amin’ny televiziona. Kanefa, ny kristiana dia tokony hahay hanao fisafidianana, satria ny fanandraman-javatra dia mampiseho fa ny fandaharana manala tsiny ny fandikana ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly dia mety hanimba tokoa ny fony.

“Hianareo izay tia an’i Jehovah, mankahalà ny ratsy.” (Salamo 97:10). Tsy mora foana akory ny manaraka an’io didy io. Mba hanaovana izany, dia tokony harovantsika amim-pitandremana ny fontsika. Enga anie isika rehetra hitovy fihetseham-po amin’i Davida mpanjaka, raha niteny toy izao izy: “Handeha amin’ny fahitsian’ny foko ao anatin’ny tranoko aho. Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ny masoko aho. Halako ny mivadika, tsy hikambana amiko izany [tahaka ny fahazarana isan’andro]. Ny masoko hijery izay olo-mahatoky amin’ny tany.” — Salamo 101:2, 3, 6.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Ny teny hebreo nadika hoe “voafitaka” ao amin’io andinin-teny io dia manana heviny voalohany hoe “mamoha, mamelatra”.

[Teny notsongaina, pejy 6]

Izay rehetra mamahana tsy tapaka ny sainy amin’ny tantara foronina manala tsiny ny fahalotoam-pitondrantena dia mitono tena ho amin’ny fahasimbana ara-pitondrantena.

[Teny notsongaina, pejy 7]

‘Fantatro izay tsy ampy tamiko: ny fianarana manokana sy ny vavaka.’ — Olona andevon’ny tantara mitohy taloha.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara