Ny teniny hoe “Eny” dia nidika marina hoe Eny
MBA hamporisihana ireo mpihaino azy ho amin’ny fahamarinana dia nanambara i Jesosy indray andro hoe: “Fa aoka ny teninareo ho Eny, eny.” (Matio 5:37). Ireo kristiana manaraka io torohevitra io ka manararaotra ny fahafahana rehetra hampita amin’ny hafa ny hafatry ny Baiboly dia mety hovalian-tsoa be tokoa amin’izany. Porofon’izany ny fitantarana manaraka eto izay avy any amin’ny tany anankiray any Eoropa Atsinanana.
Raha nandoko tao amin’ny tranon’ny vehivavy anankiray ny Vavolombelona iray dia niresaka taminy ny amin’i Jehovah, ny fikasany ny amin’ny olombelona sy foto-kevitra araka ny Baiboly hafa. Kanefa dia tsy afaka nifandamina taminy ny amin’ny fiaraha-midinika vaovao izy. Nanontany tena izy ny amin’izay nanakana azy satria fantany fa olona tsotra sy mora anaovan-draharaha izy io.
Nitantara ilay Vavolombelona hoe: “Rehefa vitako ny asako, dia nomeny ny karamako ary nanontany ahy izy raha ho afaka hanampy azy handamina ireo fanaka ao amin’ireo efitra voaloko aho, satria tsy nisy olona afaka hitondra fanampiana ho azy. Nampanantena azy àry aho fa hiverina amin’ny 9 ora alina hanao izany.” Niverina tao aminy àry izy ny harivan’iny, niaraka tamin’ny mpanampy iray Vavolombelon’i Jehovah toa azy. Teo amin’ny folo minitra teo ho eo fotsiny no nilaina namerenan’izy roa lahy ny zavatra rehetra tamin’ny toerany. Avy eo izy ireo dia nanao dinika fohy tamin’ilay tompon-trano momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitahiana hoentiny, ary dia nandao azy.
Roa taona taty aoriana, dia nangataka indray an’ilay Vavolombelona io olona io ihany handoko ny tranony. Sady nandray an-tsoratra ny adiresiny izy no nanontany azy raha noeritreretiny ireo zavatra noresahiny taminy tao amin’ny Baiboly. “Eny, hoy ny navaliny, ary, teo anelanelan’izany, dia efa natao batisa aho.” Rehefa nanontaniany azy ny hoe ahoana no nety nitrangan’izany dia nanazava izy hoe:
“Nilaza zavatra nahaliana maro momba ny Baiboly ianao ary nahafinaritra ahy izany. Kanefa tsy dia noheveriko ho zava-dehibe loatra ny resakao. Nefa rehefa nampanantena ahy ianao fa ho avy hametraka ireo fanaka amin’ny toerany dia niteny irery aho hoe: ‘Raha mitana ny teny nataony iny lehilahy iny dia mpanompon’Andriamanitra tokoa.’ Rehefa niverina ianao, niaraka tamin’ny mpanampy iray, tsy nokaramaina, dia nanapa-kevitra aho ny hianatra marina tokoa ny Baiboly. Roa na telo andro taty aoriana, dia nandeha tany an-tsena aho ary nifankahita tamin’ny vehivavy iray Vavolombelon’i Jehovah izay efa niresaka tamiko imbetsaka ny Baiboly (...). Fotoana fohy taorian’izay, dia nanomboka nanampy ahy hianatra ny Baiboly izy ary valo volana taty aoriana dia natao batisa aho.”
Tamin’izany no nahatonga io vehivavy io hatao batisa tamin’ny farany mba hanehoany ny fanolorany ny tenany ho an’Andriamanitra. Ankehitriny dia Vavolombelon’i Jehovah koa izy. Nitranga izany rehetra izany satria ny kristiana iray nitana ny teny nataony: ny teniny hoe “Eny” dia nidika marina hoe Eny.