Ny tantara mitohy ao amin’ny televiziona sy ny vokany
“REHEFA nanomboka nanaraka tantara mitohy tao amin’ny televiziona aho, hoy ny vehivavy kristiana iray, vetivety dia variana tamin’ny fiainan’ny olona nilalao tao. Tsy ela dia nahatsiaro tena ho anisan’ny mpianakaviny aho. Naka toerana tato am-poko izy ireny taty aoriana, tahaka ny mpikambana ao amin’ny kongregasiona kristiana.” Marina tokoa fa izany no toetra mampiavaka ny tantara mitohy maro; maharevo ny mpijery azy izy ireny. Izany no antony namaritan’ny revio Time azy ireny ho toy ny fialam-boly mahery indrindra ao amin’ny televiziona, ny mamabo indrindra amin’ny fialam-boly rehetra mihitsy aza’. Nanampy izao io gazety io: “Tsy misy fampisehoana na horonan-tsary hafa miteraka firaiketana maharitra toy izany. Tsy misy fandaharana amin’ny televiziona na iray aza manintona olona maro dia maro tsy tapaka toa an’io.” Vavolombelon’izany fa any Etazonia dia tantara mitohy tamin’ny televiziona efatra no naharitra 25 taona!
Mikendry ny fonao ireny tantara ireny. “Mitady ny zavatra mahakasika ny fiainan’ny olona aho, hoy ny fanazavan’i William Bell, mpamorona tantara mitohy, ary diso fanantenana aho raha tsy mahalatsa-dranomaso ny mpijery intelo isan-kerinandro izany.”
Vehivavy sy lehilahy an-tapitrisany maro avy amin’ny taona, firazanana sy toerana ara-tsosialy rehetra no tsy hanapaka ny fizarana iray amin’ireny tantara ireny raha tsy mahalana. Anisan’izy ireo dia ahitana mpiasa, nefa koa olona miadana kokoa avy amin’ny asa ara-tsaina toy ny mpitsara iray ao amin’ny Fitsarana tampony any Etazonia na ity governora iray taloha. Any Brésil, ny telenovelas (tantara foronina alefa ao amin’ny televiziona) dia manana heriny lehibe eo amin’ny mpijery amin’ny takariva, mandritra ireo ora fijeren’ny maro. Any Etazonia, dia tombanana ho 30 ka hatramin’ny 70 tapitrisa ny isan’ny olona manaraka ireny tantara mitohy ireny.
Raha natolotra ho an’i Jehovah ny fonao, inona no zavatra tokony hoheverinao mba hamantarana ny fihetsika horaisina eo anoloan’ireny fandaharana ireny? Moa ve ireny tantara ireny fialam-boly tsotra tsy misy atahorana, fomba iray tahaka ny hafa mba hialan-tsasatra sy hanadinoana ny fanahiana tao anatin’ny andro? Tadidio izao famporisihana ao amin’ny Baiboly izao: “Tandremo ny fonao mihoatra noho izy rehetra tokony hotandremana, fa avy ao aminy no ihavian’ny aina.” (Ohabolana 4:23). Koa satria mamitaka sy mora taomina ny fo, ny kristiana dia tokony tsy hitsahatra hanombana ny vidin’izay ampidiriny ao (Jeremia 17:9; Ohabolana 28:26). Nefa ny amin’izay indrindra, inona no mahatonga ireny tantara ireny hanintona ery?
“Mampifamatotra fehy amin’ny olona iray ny tena satria saika hita isan’andro izy, hoy ny fiaiken’ny vehivavy iray 32 taona. Raha ny amiko, arakaraka ny ahafantarako bebe kokoa momba azy no aniriako tsotra izao hifankahalala aminy. Ara-dalàna tokoa izany.” Ary izany faniriana voajanahary izany indrindra no ampiasain’ny tantara mitohy. “Rehefa nahazo toerana tsara ao am-pon’ny mpihaino azy ny mpilalao, hoy ny fanambaran’i Elaine Carrington, anisan’ny mpanamboatra tantara voalohany, dia voatery niverina hijery azy indray, (...) noho izay tsapany ho azy ireo.”
Toa misy marina ny olona milalao, hany ka tonga amin’ny fiahiana azy ireny ny tena. Misy mihitsy aza mpijery “miresaka amin’ny fitaratry ny televiziona” mba hanomezana torohevitra ny mpilalao ankafiziny. Nilaza ny mpitsabo iray fa tonga anisan’ny “sakaiza” tokoa ireny mpilalao ireny. Nefa moa ve dia hanafina loza mety tsy noheverina izany fahatsinjovan-javatra mahafinaritra izany? Moa ve mety hanimba miandalana ny fon’ny kristiana ny fampisehoana toy ireny? Aoka hojerentsika izay nahariharin’ny fandinihana ny zava-nisy.