Mozika izay mamelombelona ny fanahy
Ny mozika sasany dia tena mamelombelona ny fanahy tokoa. Olona maro be, ohatra, no milaza izany ny amin’ny “Mélodies du Royume”, voadika amin’ny “cassettes”. Mikasika ny iray amin’ireo, dia hoy ny nosoratan’ny fianakaviana iray:
“Alefany foana io “cassette” io ao an-trano, any anaty fiarakodia, ary tsy vizana mihitsy izahay amin’ireo fandaharana mampihetsi-po. Matetika dia nanome toe-tsaina milamina tena mety izy io, rehefa niomana ho amin’ireo fivoriana kristiana izahay na rehefa nandeha ho any amin’ny fivoriambe iray. Io fialan-tsasatra ara-mozika io dia nanolo ora maro be nihainoana mozika na ny televiziona izay tsy dia mampahery tahaka azy.
“Takatray fa mitaky olona maro be miasa mandritra ny ora be dia be ny famoahana an’io “cassette io. Nefa ny fahatsarany dia vavolombelon’ny fanoloran-tena feno fitiavan’ireo rehetra tafiditra tamin’ny fikarakarana azy. Ireo mpitendry mozika tsy fantatra anarana ireo dia mendrika ny hitehafantsika na dia tsy ho reny mihitsy aza izany.”
“Ianao koa dia afaka mankafy io mozika mampihetsi-po io. Ireo “cassettes” roa ireo di any “Mélodies du Royaume 2” izay samy maharitra avy ora iray. Mba hahazoana azy ireo, dia avereno amin’ny iray amin’ireo adiresy voatondro eo amin’ny pejy faharoa amin’ity gazety ity ny taratasy famaliana eto ambany.
Aza fady mba ampahafantaro ahy ny fomba mety hahazoako ny (na ireo) “cassette(s) eto ambany:
Kingdom Melodies 1 □ Kingdom Melodies 2 □