Afaka ‘mifaly isika amin’ny andro rehetra hiainantsika’
“Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay, mba hihobianay sy hifalianay amin’ny andro rehetra hiainanay” — Salamo 90:14.
1. Ahoana moa no ampisehoan’Andriamanitra ny faniriany hahita ny vahoakany sambatra?
IRIN’I JEHOVAH Andriamanitra ho sambatra ny olony. Fantany fa tena ilaina ny fo falifaly mba hananana fiainana mahasoa sy mahafapo(Ohabolana 17:22). Noho izany antony izany, satria izy Andriamanitry ny hatsaram-po, dia manome antsika torohevitra izay hitondra fifaliana ho antsika izy raha manaraka izany isika.
2. Nahoana moa ny kristiana tso-po no afaka mivavaka amim-pitokisana tanteraka mba hahazoana fifaliana?
2 Misetra ireo fanerena eo amin’ny fiainana ao anatin’ny fandehan-javatra ratsy ny Vavolombelon’i Jehovah, kristiana tso-po, ka afaka mivavaka mba hahazoana fifaliana. Izany tokoa dia vokatry ny fanahy iray omen’Andriamanitra an’ireo mpanompony mahatoky nanolo-tena izay mangataka izany aminy (Lioka 11:13; Galatiana 5:22, 23). Azony atao àry ny maneho fihetseham-po sahala amin’ny an’i Mosesy mpaminany izay, tao amin’ny vavaka iray, dia nanambara toy izao: “Vokiso ny famindramponao nony maraina izahay, mba hihobianay sy hifalianay amin’ny andro rehetra hiainanay.” (Salamo 90:14). Ireo izay mitoky amin’i Jehovah dia afaka matoky fa hamaly hataka mampiseho fahatsorana toy izany izy. — I Jaona 5:13-15.
3. Anton-javatra roa tena lehibe inona moa no tokony hoheverina raha tiantsika ny ‘hifaly amin’ny andro rehetra hiainantsika?
3 Raha ilaina ny mivavaka amin’Andriamanitra, dia tokony hotadidiana koa ny anton-javatra tena lehibe hafa roa mba ‘hifaliana amin’ny andro rehetra hiainan’ny tena’. Nasongadina izany fony Andriamanitra nilazalaza tamin’ny vahoakany fahizay ny ozona hamely azy raha ‘tsy mihaino ny feon’i Jehovah amin’ny fitandremana ny didiny izy’ ary raha tsy ‘nanompo an’i Jehovah tamin’ny fahafaliana sy ny faharavoam-po izy’. (Deoteronomia 28:45-47.) Raha tiantsika àry ny ho sambatra amin’ny andro rehetra hiainantsika, ny tokony hataontsika dia 1) Mankato an’i Jehovah ary 2) manompo azy amim-pifaliana.
4. a) Inona no atolotr’i Jehovah mba hahafahan’ny vahoakany manompo azy amin’ny fo falifaly? b) Tenim-pahendrena inona no azontsika heverina, ary noho ny fikendrena inona?
4 Omen’i Jehovah vahoakany ny fampaherezana sy ny fanampiana ilainy mba hanompoana azy amin’ny fo falifaly. Noho ny hatsaram-pony, dia omeny ambonin’izany ireo toromarika mendrika itokisana izay mampitombo ny fifaliana. Ho ohatra, dia jereo ny hoe amin’ny fomba ahoana ireo tenim-pahendrena voarakitra ao amin’ny tapany sasany amin’ny bokin’ny Ohabolana ao amin’ny Baiboly no mety hiteraka fifaliana lalina. Raha ny marina, raha ampiharina eo amin’ny fiainana ny torohevitra toy izany dia mety hahatonga antsika ho afaka ny ‘hifaly amin’ny andro rehetra hiainantsika’.
Ny fifaliana ao anatin’ny fianakaviana
5. a) Inona no antenain’i Jehovah amin’ny ray aman-dreny? b) Afaka mitondra inona ao anatin’ny fianakaviana ny zanaka mankato?
5 Mba hahatrarana sy hitanana ny fahasambarana ao anatin’ny fianakaviana, dia ilaina ny hankatoavana an’Andriamanitra sy hanekena hotarihin’ireo torohevitra ao amin’ny Teniny. Ohatra, Jehovah dia manantena ny hanaovan’ny ray aman-dreny araka izay farany azo atao mba hampianarana ny zanany. Ny ray no tokony hitarika amin’io lafiny io, nefa tokony hiara-miasa amim-paharisihana ny reny (Ohabolana 22:6; 31:1). Ary ny zanaka? Eny, ny zanaka “izay miandranandrana amin-dray sady tsy mety manaja reny” dia azo antoka fa tsy ho sambatra ary hanome alahelo fa tsy fifaliana ho an’ny ray aman-dreniny (Ohabolana 30:17; 17:21). Nefa kosa, ny zanakalahy na ny zanakavavy hendry izay manaiky amim-pankatoavana ny fifehezan’ny ray aman-dreniny tia fivavahana ka mampifanaraka ny fiainany amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Soratra Masina dia ho loharanom-pifaliana sy voninahitra ho an’ny fianakaviany. — Ohabolana 10:1; 15:20; 23:15, 16.
6, 7. a) Torohevitra inona no hita ao amin’ny Ohabolana 23:22-25, ary inona no azo amin’ny fanarahana izany? b) Milaza inona moa ny hoe ‘mividy ny marina fa tsy mivarotra azy’?
6 Ny ray aman-dreny tia fivavahana izay mitaiza an’ireo zanany amin’ny fomba hanosehana azy hanohy ny lalan’ny fahitsiana dia mandray tena fifaliana amin’izany. Izao no lazain’ny Soratra Masina amintsika momba izany: “Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy. Vidio ny marina, ka aza amidy, dia ny fahendrena sy ny fananana ary ny fahazavan-tsaina. Hifaly dia hifaly ny rain’ny marina, ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.” — Ohabolana 23:22-25.
7 Ny zaza hendry iray dia hihevitra ny fampianarana ara-panahin’ny rainy kristiana ary tsy hanamavo ny tenin-dreniny tia fivavahana, na dia rehefa tonga antitra aza izy. Rehefa dinihina, ny olon-dehibe manana andraikitra iray dia afaka mianatra zavatra sasany amin’ireo ray aman-dreniny be taona kokoa foana. Ny torohevitra milaza mba ‘hividy ny marina fa tsy hivarotra azy’ dia milaza mazava fa ilaina ny hifikirana amin’ireo fotopoto-pitsipika marina mba hahazoana fitarihan-dalana eo amin’ny fiainana. Ny zanaka tia ny fahitsiana dia tsy hiala amin’ny fahamarinana noho ny fahafinaretana, ny harena na ny voninahitra. Azo antoka tokoa fa ny fianakaviana iray izay mifikitra hatrany amin’ny sitrapon’i Jehovah ny ao anatiny dia hahita fifaliana mandrakariva. — Deoteronomia 10:20, 21.
Aoka isika hitana ny fifaliantsika na dia ao aza ireo mania
8, 9. Araka ny Ohabolana 2:10-14, ahoana moa no mety hiarovan’ny fahendrena araka an’Andriamanitra antsika amin’ny olona mania?
8 Ny fanarahana an’ireo torohevitr’i Jehovah dia manampy ho falifaly foana amin’ny toe-javatra miseho samihafa. Ohatra, amin’ny fampiharana ny fahendrena araka an’Andriamanitra, dia afaka miaro tena amin’ny olona mania ianao. Izao no ambaran’ny Soratra Masina: “Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, ary mamin’ny fanahinao ny fahalalana, dia hiaro anao ny fisainana mazava, ary hiambina anao ny fahalalana, ka hamonjy anao amin’ny làlan-dratsy sy amin’ny lehilahy izay miteny fitaka, izay mahafoy ny làlan’ny fahamarinana mba hizorany amin’ny làlan’ny fahamaizinana, dia izay faly hanao ratsy sy finaritra amin’ny fitaky ny ratsy”. — Ohabolana 2:10-14.
9 Ankasitrahan’i Jehovah ireo izay tia ny tena fahendrena ka misy heriny eo amin’ny fony izany. Halaviriny amim-pahendrena ny fifaneraserana amin’izay “miteny fitaka”, na zavatra tsy marina na mahitsy. Ny tena fahaiza-mieritreritra sy ny fahaiza-manavaka marina dia miaro antsika amin’ireo izay mandà ny fahendrena araka an’Andriamanitra, izay mifaly amin’ny fanaovan-dratsy ka mitady hanimba ny hafa. — Jereo Ohabolana 4:16.
10. Amin’ny heviny ahoana moa ny heloky olon-dratsy no mamandrika azy?
10 Angamba ilay mania ‘mifaly amin’ny fanaovan-dratsy’, nefa iza no manandrana ny tena fifaliana? Milaza toy izao ny andinin-teny hafa iray ao amin’ny Ohabolana: “Misy fandrika amin’ny heloky ny olon-dratsy; fa ny marina mihoby sy mifaly.” (Ohabolana 29:6). Eny, ny heloky ny olon-dratsy dia mamela-pandrika ho azy. Mitarika ho amin’ny fahotana hafa ny fahotana iray, ary mamely ny olona toy izany amin’ny fomba tsy ampoizina ny loza. Ohatra, raha nanao tetidratsy mba hahavoa olona izy, dia mety hifotitra aminy ny tetidratsiny. Teo amin’ny Isiraely fahiny, indraindray ny vavolombelona mandainga iray dia mitady izay hahafaty olona tsy manan-tsiny amin’ny fiampangana lainga azy. Nefa raha fantatra ny tetidratsiny, dia ny tenany no vonoina ho faty. — Deoteronomia 19:16-21.
11. Nahoana moa ny olona mirona hanaraka ny rariny no afaka ‘mihoby sy mifaly’?
11 Tsara lavitra ny anjaran’ny olona mahitsy. Tsy mba manao tetidratsy hamelezana ny namany mihitsy izy ary tsy zatra manota. Koa tsy manaiky ho azon’ny fandriky ny heloka izy; Tsy mba mahita fahasahiranana noho ny faniavana na sazy voatokana ho an’izay hita ho mpanao ratsy fetsy izy. Araka izany, ny olona mirona hampihatra ny rariny dia “mihoby sy mifaly”. Voalohany indrindra, dia tsy mba itambesaran’ny fieritreretana manenjika izy. Etsy andaniny koa, dia manana ny fankasitrahan’Andriamanitra izy, “satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.”. — Ohabolana 3:32.
Mety ve ny mifaly noho ny loza manjo ny fahavalo iray?
12. Ahoana moa no tokony ho fihetsiky ny kristiana rehefa mamely ny fahavalony ny loza? Nahoana?
12 Ahoana anefa no tokony ho fihetsiky ny kristiana iray raha misy loza manjo ny fahavalony? “Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, hoy ny andinin-teny hafa iray ao amin’ny Ohabolana, ary aza ravoravo ny fonao, raha tafintohina izy”. Nahoana? “Fandrao hitan’i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, ary ampialainy aminy ny fahatezerana.” (Ohabolana 24:17, 18). Izany dia manafoana izay ho azo antsoina hoe fifalian-dratsy, dia izay mety ho tsapa rehefa azon’ny loza ny fahavalo. Koa satria ho ratsy ny haniriana hahatongavan’ny loza amin’ny fahavalo iray noho ny fikendrena fotsiny ny hahita fahafahampo manokana avy amin’izany, izay hifaly noho ny loza hanjo ny fahavalo iray dia hampamoahin’Andriamanitra noho ny fahotany. Mahay mamaky ao am-po Jehovah, noho izany dia mahafantatra raha mifaly mangingina noho ny loza manjo ny hafa isika. Izany toe-tsaina ratsy izany, na dia miafina amin’ny olon-kafa aza, dia fantatr’Andriamanitra tsara, dia izy izay nilaza hoe: “Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana.” (Deoteronomia 32:35; Hebreo 10:30). Afaka manasazy izay mifaly amin-kasomparana àry izy. — Jereo Ohabolana 17:5.
13. Inona no dikan’ny Ohabolana 11:10?
13 Iza kosa anefa no vakintsika: “Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.” (Ohabolana 11:10). Ahoana no tokony handraisana izany? Mandrakariva ny dia tiana ny marina ary manao izay hahasambatra ny mpiara-belona aminy izy. Tsy misy tia ny “ratsy fanahy” kosa anefa. Ny lozabe dia iharan’ny fanilihana (Ohabolana 11:17). Ambonin’izany, rehefa maty ny ratsy fanahy, dia tsy mitomany azy ny olona amin’ny ankapobeny. Azo antoka fa tsy hisy halahelo rehefa handringana ireny ratsy fanahy ireny Jehovah. Hisy fifaliana kosa satria tsy ho hita intsony izy ireny. Amin’ny fitondrantenantsika, moa ve isika mitondra fifaliana na ‘firavoravoana’ ho an’ny mpiara-belona amintsika?
Fitahiana ny fo falifaly
14. Araka ny hitantsika hatramin’izao, ahoana no mahatonga ny fankatoavana an’i Jehovah hanome antsika fahafahana ‘hifaly amin’ny andro rehetra hiainantsika’?
14 Raha mankato an’i Jehovah isika dia afaka ny ‘hifaly amin’ny andro rehetra hiainantsika’. Araka ny efa nolazainay, rehefa ampiharina ireo torohevitr’Andriamanitra, dia mahafinaritra ny fifandraisana eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Amin’ny fanekena an’ireo toromarik’Andriamanitra no iarovantsika tena amin’ny fitaoman-dratsin’ny olona mania, ka mahatonga antsika ho faly izany. Ambonin’izany, raha manaraka ny toromarik’i Jehovah isika, dia hitandrin-tena mba tsy hanaraka fihetsika ratsy eo anoloan’ny fahorian’ny ratsy fanahy, ka izany dia hahatonga antsika ho afaka hitana ny fifaliantsika. Eny, ny fankatoavana an’i Jehovah dia hanome antsika fo falifaly, ka izany dia efa fitahiana.
15. Tsy tokony hamela ny “fanahiana” ‘hampitanondrika ny fontsika’ noho ny alahelo isika fa inona kosa no tokony hataontsika, ary nahoana?
15 Izao no nolazain’i Solomona mpanjaka hendry: “Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; fa ny alahelon’ny fo mahareraka ny fanahy.” (Ohabolana 15:13). Marina tokoa fa ny fihetseham-po toy ny fifaliana sy ny alahelo dia hita taratra amin’ny fihetsika asehontsika. Mazava ho azy fa miteraka fanahiana maro izay mety hampalahelo antsika ny fiainana. “Ny alahelo [fanahiana, MN] ao am-pon’ny olona, hoy ny andinin-teny hafa iray ao amin’ny Ohabolana, dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.” (Ohabolana 12:25). Tsy tokony hamela ny “fanahiana” ‘hampitanondrika’ amin’ny alahelo ny fontsika isika, fa fahendrena kokoa ny hanatonana an’i Jehovah sy hisaintsainana ny amin’ny zavatra tsara raketin’ny Teniny ara-tsindrimandry. Izany no mety hampiverina ny fifaliana ao amin’ny fo malahelo nefa mahitsy iray.
16. a) Amin’ny ahoana moa ny vaovao tsara iray no ‘mampahatavy ny taolana’? b) Na dia ‘mahasalama aza ny fo ravoravo’, ahoana no tokony hiheverantsika ny fikoranana lava?
16 Izao koa no nolazain’i Solomona: “Mampifaly ny fo ny famiratry ny maso; mampahatavy ny taolana ny vaovao izay tsara”, izany hoe mameno tsoka azy ka manome tanjaka amin’izany ny tena manontolo. Hita amin’ny famirapiratry ny maso ny fo falifaly. Raha misy voka-dratsiny ara-batana ny fahaketrahana, ny “fanahy kivy”, ny “fo ravoravo mahasalama tsara” kosa. (Ohabolana 17:22.) Mazava ho azy fa tsy tokony havela foana hanaram-po amin’ny fifaliana mampiseho hadalana akory ny fo, satria nilaza i Solomona hoe “hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?” (Mpitoriteny 2:2). Azo antoka kosa anefa fa mitondra soa ho an’ny tenantsika isika rehefa mifaly amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra ny fontsika.
17, 18. a) Nahoana moa ny sakaiza mahatoky iray no azo ampitahaina amin’ny ‘diloilo sy ny zava-manitra izay mampifaly ny fo’? b) Ahoana no isehoan’i Jesosy ho Sakaiza izay miteny amim-pahatsorana? d) Fanontaniana manokana inona no mipetraka?
17 Nanondro zavatra hafa koa izay mitondra fifaliana ny bokin’ny Ohabolana ka milaza toy izao: “Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, ary ny hamamin’ny sakaiza dia avy amin’ny ana-panahy ataony.” (Ohabolana 27:9). Toy ny diloilo manalefaka sy ny zava-manitra mandefa hanitra mahafinaritra, dia toy izany koa, ny sakaiza mahatoky iray izay manoro hevitra olona mba hanampiana azy dia mampifaly ny fon’io olona io. Mamy ny fisakaizana toy izany, satria ny mpisakaiza mifampiresaka amim-pahatsorana dia afaka mifanampy mba hifanitsy na hifanatanjaka eo amin’ireo lafin’ny fiainana mampahalemy azy ireo. Ny sakaiza tsara dia tsara iray misaina sy miteny amim-pahatsorana dia mety ho loharanom-pifaliana.
18 Jesosy Kristy nomem-boninahitra, any an-danitra, dia Sakaiza iray miteny amim-pahatsorana. Nampita hafatra izy ho an’ireo kongregasiona fito voatonona ao amin’ny Apokalypsy toko faharoa sy fahatelo. Arakaraka ny toe-javatra, dia nidera na niteny an’ireny kongregasiona ireny izy. Ohatra, ny an’i Efesosy dia tsy nanana ho an’i Jehovah intsony, fitiavana mirehitra toy ny nananany tamin’ny voalohany, nefa Jesosy niezaka namelombelona indray izany fitiavana izany (Apokalypsy 2:1-7). Ny kristiana rehetra tany Efesosy izay nieritreritra tao amin’ny vavaka ny torohevitr’io Sakaiza any an-danitra io ka nanao izay nilaina mba hanarenana ny zavatra dia afaka nanohy nanompo an’i Jehovah tamin’ny fo falifaly. Hitanao manokana ve ny hoe amin’ny lafiny inona avy ianao no mila mitondra fanafodin’ny zavatra sasany ka manaporofo amin’izany ny fitiavanao an’Andriamanitra amin’ny fanatsarana ny fanompoana ataonao ho azy?
Aoka isika hifaly “ao amin’ny asa masina”
19. Nahoana moa ny olona nanolo-tena ho an’i Jehovah rehetra no tokony hitory tsy tapaka ny “vaovao tsara” amin’ny mpiara-belona aminy?
19 Ity misy fanontaniana hafa iray: Moa ve ianao mandray anjara amin’ny fo rehetra, tsy tapaka sy amim-pifaliana, “amin’ny asa masin’ny vaovao tsaran’Andriamanitra”? (Romana 15:16, MN.) Tsy misy mihitsy asa hafa lehibe kokoa noho izany amin’izao andro izao. Izany dia anankiray amin’ireo antony lehibe indrindra mahatonga ny fisian’ny kongregasiona kristiana mihitsy (Matio 24:14; 28:19, 20). Ny olona nanolo-tena ho an’Andriamanitra rehetra àry dia tokony hitory tsy tapaka ny “vaovao tsara” amin’ny mpiara-belona aminy. Ireo mpitory ilay Fanjakana marisika dia mandray fitahiana sy mahazo vokatra mampandroso aoka izany eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, hany ka voatosika ‘hihoby amim-pifalana’ izy ireo. — Salamo 90:14; Malakia 3:10.
20. Ahoana moa no nahatonga mpitory be zotom-po manana, eo anivon’ny kongregasiona, andraikitra mavesatra araka ny Baiboly, hampitombo matetika ny fifaliany eo amin’ny asan’i Jehovah?’
20 Ireo mpitory be zotom-po ao amin’ny kongregasiona izay manana andraikitra araka ny Baiboly mavesatra tsy maintsy iantsorohana dia matetika no mampitombo ny fifaliany amin’ny fanatsarana ny toetry ny fanompoany an’i Jehovah. Nisy fianakaviana kristiana nahatsapa tena fahafahampo tamin’ny fanompoana tany amin’ny toerana nilana mpitory ilay Fanjakana indrindra. Ny hafa nandray anjara tamim-pifaliana tamin’ny asa fitoriana manontolo andro mandritra ny volana iray na maromaro ao anatin’ny taona, ary ny sasany afaka nandray anjara tsy tapaka tamin’ny fanompoana manontolo andro. Ankasitrahan’i Jehovah ny fiezahana amim-pahatsorana sy atao amin’ny fo rehetra toy izany. — Marka 12:29, 30.
21. Inona moa no antony tsara tokony hampifaly an’ireo misionera nahazo diplaoma avy ao amin’ny Sekolin’i Gileada?
21 Kristiana lehilahy sy vehivavy maro be izay nanaraka ny fianarana ao amin’ny Sekolin’i Gileada, fianarana Baiboly ho an’ny Fikambanana Watchtower, no mifaly satria afaka mandany ny heriny amin’ny fanompoana an’i Jehovah any amin’ny faritra samihafa eto amin’ny gilaoby. Faly izy ireny satria minisitra manontolo andro afaka manampy olona maro hahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany mahatalanjona. Ohatra, ny anankiray aminy izay nandany roapolo taona mahery tamin’ny maha-misionera tany amin’ny tany tropikaly iray any Afrika andrefana, dia nanoratra hoe: “Tonga ao an-tsaiko ve ny eritreritra fa tonga ny fotoana hijanonana sy hamelana ny tanora hisolo toerana? Tsia; ny fitahiana sy ny fitaran’ny fandaminan’i Jehovah dia mahatonga ahy hitovy fihetseham-po amin’i Kaleba rehefa avy narovana nandritra ny dimy amby efaopolo taona mahery namakivaky efitra sy hatrany amin’ny Tany nampanantenaina izy. Izao no nambarany: “Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ny andro nanirahan’i Mosesy ahy; tahaka ny tanjako tamin’izany ihany no mbola tanjako ankehitriny”. (Josoa 14:11). Na dia tao aza ny fahasahiranana, ireny taona lany ireny dia fampiofanana sy fanomanana tsara dia tsara ho amin’ny ho avy.”
22. Inona moa no asa ao amin’ny Betela, ary inona no nambaran’ny vehivavy iray izay nandray tombontsoa maro?
22 Ny asa ao amin’ny Betela dia tombontsoa mahafaly hafa iray ho an’ireo izay mahafeno an’ireo fepetra takina. Ao dia misy fiaraha-miasa mivantana amin’ny famoahana zavatra voasoratra momba ny Baiboly sy amin’ny fanitarana ny tombontsoan’ilay Fanjakana. Ireo izay manana izany tombontsoa izany dia manompo, na ao amin’ireo Betelan’ny Fikambanana Watch Tower, any amin’ny fanjakan’i New York, na amin’ny maha-anisan’ny mpiasa ao amin’ireo sampan’ny Fikambanana any amin’ny faritra samihafa eo amin’izao tontolo izao. Ny vehivavy iray izay nanomboka nanompo manontolo andro tany Soisa tamin’ny janoary 1924 ary anisan’ny mpianakavin’ny Betela any Alemaina federaly amin’izao fotoana izao, dia nanoratra hoe: “Maniry hisaotra an’i Jehovah aho noho ny nanehoany tamiko hatsaram-po be dia be toy izao tamin’ny famelana ahy hanana fiainana sambatra sy mampandroso, miaraka amin’ny fahafahana maro sy mahatalanjona hanompo azy.” Tena falifaly tokoa io vehivavy kristiana io manompo an’i Jehovah.
23. Ahoana no azo ampisehoana amin’ny alalan’ny Soratra Masina fa ireo izay manome ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany dia manana antony tsara tokony hifaliana?
23 Eny, izay rehetra nanome ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany ho an’ny fanompoana an’Andriamanitra dia nanana antony tsara nifaliana foana. Ireo zava-manahirana iombonan’ny olombelona rehetra dia marina fa tsy nitsimbina azy, nefa nanohana azy ireny Jehovah nandritra ny fitsapana azy (I Korintiana 10:13; II Korintiana 4:8, 9). Feno fahasambarana ny fiainany satria ‘ny fifaliana avy amin’i Jehovah no fiarovana mafy ho azy’. (Nehemia 8:10.) Ohatra, i Mosesy dia ‘nifidy hiara-mitondra fahoriana amin’ny olon’Andriamanitra’, nefa notahina izy ary nandray tombontsoa lehibe (Hebreo 11:23-29). Rota Moabita dia nandao ny fireneny sy ireo andriamaniny, ary tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah. Novalian-tsoa izy tamin’ny fahatongavana ho razamben’i Jesosy Kristy (Rota 1:14-17; 4:13-17; Matio 1:1-5). Noho izy ireo samy nankafy ny fanompoam-pivavahana marina ka tao amin’ny tempoly tsy tapaka, Simeona, anti-dahy nanaja, sy Ana, vehivavy nahatoky, be taona koa, dia nanana fifaliana nahita an’i Jesosy zaza. — Lioka 2:25-38.
24. Raha manao inona isika no ho afaka ‘hifaly amin’ny andro rehetra hiainantsika’?
24 Afaka matoky àry isika fa handray tombontsoa lehibe sy fitahiana mahatalanjona raha omentsika ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika ny fanompoana an’i Jehovah (Matio 6:33). Ary na dia tsy maintsy misetra fahasahiranana aza isika amin’izany, dia fantatsika fa ‘ataon’i Jehovah miara-miasa hahasoa izay tia azy ny asany rehetra’. (Romana 8:28, MN.) Enga anie isika ho tapa-kevitra ny hankato ny Raintsika any an-danitra sy hanompo azy amin’ny fo falifaly! Tsy isalasalana mihitsy fa raha manokana ho an’Andriamanitra fitiavana tsy voazarazara isika, dia manana antony tokony ‘hihobiana sy hifaliana amin’ny andro rehetra hiainantsika’. — Salamo 90:14.
Tadidinao ve izany?
◻ Anton-javatra roa tena lehibe inona no tokony hotadidiantsika raha tiantsika ny ‘hifaly amin’ny andro rehetra hiainantsika’?
◻ Inona moa no tokony hataon’ny ray aman-dreny sy ny zanaka mba hanjakan’ny fifaliana ao anatin’ny fianakaviany?
◻ Ahoana no azon’ny kristiana itanana ny fifaliany na dia ao azan y ataon’ireo mania?
◻ Amin’ny heviny ahoana moa ny fo falifaly no fitahiana?
◻ Inona moa no sasantsasany amin’ireo tombontsoa mahafaly atolotra antsika eo amin’ny fanompoana an’i Jehovah, ary tokony ho tapa-kevitra ny hanao inona isika?
[Sary, pejy 17]
Mety hanome toerana ho an’ny fifaliana ny alahelo raha tontosaina amim-pahatokiana ny sitrapon’Andriamanitra.