FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w83 1/5 p. 20-26
  • Mivory ireo mpiaro ny fahamarinan’ilay Fanjakana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mivory ireo mpiaro ny fahamarinan’ilay Fanjakana
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Asongadina ny fahamarinan’ilay Fanjakana
  • Minisitry ny fahamarinan’ilay Fanjakana
  • Aoka isika hiaina miaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny fahamarinana
  • Aoka isika hifikitra mafy hatrany amin’ny fahamarinana ara-paminaniana
  • Mivavaka Amin’ny Fanahy sy ny Fahamarinana ny Kristianina
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Tapa-kevitra ny Hanaraka Fomba Fiaina Araka An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1999
  • Nampirisihina Hanatanteraka ny Asany Ireo Mpampianatra ny Tenin’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Fivoriambe Mampientam-po Izay Mampandroso ny Fampianarana Araka An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1994
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
w83 1/5 p. 20-26

Mivory ireo mpiaro ny fahamarinan’ilay Fanjakana

IREO mpanompon’i Jehovah dia mpiaro ny fahamarinan’ilay Fanjakana. Mankafy an’io fahamarinana io izy ireo. Ambonin’izany, dia mifaly foana izy ireo rehefa manasa azy ny Fikambanana Watch Tower hanatrika ireo fihaonambe manokana alaminy, satria fantany tsara fa amin’izany izy ireo dia hahita fahafinaretana amin’ny fiarahan’ny mpirahalahy sy handray fampaherezana ary torohevitra tsara. Ireo fivoriamben’ny distrika taona 1982, izay ny foto-kevitra dia hoe “Ny fahamarinan’ilay Fanjakana”, dia tsy isalasalana fa araka ny nantenain’izy ireo.

Asongadina ny fahamarinan’ilay Fanjakana

Rehefa nivory ireo mpanatrika ka nandray toerana ho amin’ny fotoam-pivoriana voalohany, ny alakamisy tolakandro, dia nitombo ny hafanam-pon’izy ireo arakaraka ny nijerijereny kely ny fandaharana ka nahitany an’ireo foto-kevitra lehibe maro hovelabelarina. Raha ny marina, nandritra io tolakandro io manontolo, dia ny “fahamarinana” no hohazavaina. Tsy ny fahamarinana amin’ny ankapobeny ihany, fa ny “fahamarinan’ilay Fanjakana” kosa, raha lazaina amin’ny teny hafa dia ny fikasan’i Jehovah ny amin’ny olombelona, ny tany, izao rehetra izao manontolo sy ny anarany lehibe.

Nosoritana àry ny maha-zava-dehibe ny hahafantarana ny fahamarinana sy ny hanaovan-javatra mifanaraka amin’izany. Marina fa ilaina ny hikatsahana ny fahalalana marina ireo foto-pampianarana tsotra ao amin’ny Baiboly, nefa ny mpivavaka amin’i Jehovah rehetra koa dia tokony hanana ho zava-kendrena ny fahaizana mampianatra amin’ny fomba misy vokany ireny foto-pampianarana ireny amin’ny olona hitany rehefa mitory isan-trano. Etsy andaniny koa, dia tena ilaina ny hanekena an’i Jehovah ho ilay hany Andriamanitry ny fahamarinana, loharanon’ny fahamarinana rehetra. Ilaina toy izany koa ny mahafatantra fa Andriamanitra dia manana mpanohitra, fahavalo ratsy fanahy sy tsy hita maso izay mampiasa fitaka maro karazana mba hampialana ny olona amin’ny Mpamorona sy ny fahamarinana. Faly indrindra ny mpanatrika nampahafantarina ny amin’ny fomba ankolaka sy miandalana anandraman’ny Devoly sy ireo izay ampiasainy, manimba ny finoantsika.

Araka ny nety, ny fandaharana dia nampiseho koa ny fomba azo hiadiana amin’ireny fanahy ratsy ireny mba handresena azy. Tokony ho tsapantsika rehetra fa ilay fahavalo dia mitady izay hampitomboana fitiavana tsy fiankinana voamariky ny fitiavan-tena sy ny tsy fahaizana mihevitra ny hafa, sady mikendry ny hahazo antsika amin’ny fandriky ny fahalotoam-pitondrantena. Tokony hahafantatra an’Andriamanitra isika, ho tia azy sy hankahala izay halany. Raha mitondra ny anarany isika, dia azo antoka fa tsy ho tiantsika ny hanala baraka ny tenany na ny kongregasionany misy Vavolombelona mahatoky. Nefa ambonin’ny zavatra rehetra, dia tokony hiantehitra amin’ny heriny isika amin’ny fivavahana aminy ka hijanona akaiky dia akaikin’ny fandaminany hita maso izay miaro antsika.

Ny lahateny fototra tao amin’ny fivoriambe dia nanazava ny raharaha tena lehibe tsy maintsy hampisehoan’ny tsirairay ny toerany na ho ela na ho haingana. Izay iray hofidina amin’ireto: hanaraka an’I Satana sy ireo demonia miaramilany, ireo fandaminana eo amin’izao tontolo izao izay azy sy ny fampielezan-keviny, na hilahatra eo anilan’i Jehovah, Tompom-piandrianana Tsitoha, sy ireo fampanantenany mahatalanjona izay hotanterahina amin’ny alalan’ny Fanjakany. Hotapahina tsy ho ela io raharaha io. Ambonin’izany, dia tsy mety hisy fialanalanana fotsiny amin’io raharaha io. Tsy maintsy manao zavatra avy hatrany sy amim-pahatapahan-kevitra isika raha tiantsika ny hahazo ny fiarovana sy ny fitahiana’i Jehovah.

Minisitry ny fahamarinan’ilay Fanjakana

Io no foto-kevitra nomanina ho amin’ny zoma. Tamin’io andro io, ny fandaharana dia tsy isalasalana mihitsy fa nanampy ny mpanatrika rehetra hahatakatra izao: tian’i Jehovah isika ho minisitry ny Fanjakany, hanambara izany isan-trano ka amin’izany dia hanampy ny mpiara-belona amintsika mba hahazo koa ireo toetra takina, hanatevin-daharana antsika sy hanatontosa an’io fanompoana misy tombontsoa io. Koa satria mahadodona indrindra ny androntsika, dia adidintsika rehetra ny mitady ireo fomba fampitomboana ny fandraisantsika anjara amin’io fanompoana io izay nankinin’Andriamanitra tamintsika, amin’ny maha-mpitory amin’ny fotoana tapatapany na feno. Ny fampisehoana sasantsasany dia nanondroana ny fomba azo ieritreretana tsara ny ilàna hanitarana ny ‘fanompoantsika masina’, na manokana na ao anatin’ny fianakaviana. — Romana 12:1.

Ny tolakandro, ny minisitr’i Jehovah rehetra dia nampiomanina fa ny fahavalo tokony hampiahiahy antsika dia tsy ireo mora fantatra ihany, ‘ireo any ivelany’, fa ireo izay sady mihambo ho anisantsika koa no mitady amin-kafetsena hampihena ny finoantsika sy hanao izay hampiadana ny fanompoantsika. Izao no nambaran’ilay mpandahateny: “Arak any filazan’izy ireny, raha tena Andriamanitra fitiavana tokoa Jehovah, dia mangataka amintsika fotsiny izy mba ho olo-marina, hihevitra ny hafa eo amin’ny lafiny ara-nofo sy ho tia ny namantsika.” Mety hanimba ny fiheverana isan-karazany, satria tsy mihevitra didy iray izay mihatra amin’ny kristiana rehetra, manao hoe: “Mandehana àry ka manaova mpianatra, olona avy amin’ny firenena rehetra.” — Matio 28:19, MN.

Misy mandà fa ilaina ny fandaminana iray. Arak any filazan’izy ireny, dia ampy ho an’ny tsirairay avy ny mamaky manokana ny Baiboly. Manjary mahavaky vava anefa ny fifanoheran-javatra amin’ny fihetsiny rehefa hita izy ireny manorina ny fandaminan’ny tenany sy manaraka fianarana noforonin’ny tenany sy naoriny tamin’ny fahendren’olombelona.

Angamba ianao handre olona sasany manana fiheverana mandà sy mankahala toy izany. Raha izany no izy, dia tena mazava tsy misy toy izany ireo torohevitra ao amin’ny Soratra Masina; avelao izy ireny, halaviro izy, ary tontosay hatrany ny fanompoanao Sarobidy (Matio 15:14; Romana 16:17, 18). Ho tsy fananana fahaiza-mitsara zavatra ny hidirana hanao ady hevitra ampahibemaso amin’ireo izay miteraka fisaratsarahana. Ny tsirairay avy amintsika àry dia tokony hanao izay azony atao mba hanampiana ny mpianakavin’ny finoana hitana fihetsika tsara eo anoloan’ireo izay manala Baraka an’i Jehovah sy ny fandaminany ary ny vahoakany voalamina. Ho vita amim-pandresena ny fanambarana ilay Fanjakana, satria Jesosy Kristy nampanantena an’ireo mpanompony fa homba azy ireo “mandrakariva izy mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra”. — Matio 28:20.

Vitsy ny mpanatrika tsy hontsa raha nijery an’ilay fampisehoana tantara ny zoma. Eny, lehibe aoka izany ny fihetseham-pon’ny mpijery! Raha mbola nijery ny anjara mety horaisin’ny ankizy nampianarina tsara mba hanampiana olona tsy miraika handinika indray ny fiheverany ka hahatakatra hoe mendrika ny hekena sy harahina aoka izany ny torohevitr’Andriamanitra.

Nety tanteraka ny hoe taorian’io fianarana tsara momba ny “minisitry ny fahamarinan’ilay Fanjakana” io dia nanana fahafahana hanokana fotoana kely ho an’ny fitoriana isan-trano isika teo am-piandohan’ny takariva. Mpitory maro no nitantara tamim-pifaliana taty aoriana ny amin’ny fandraisan’ny olona notsidihiny tsara. Hoy ny nambaran’ny anankiray tamin’izy ireny: “Izany dia fomba mahafinaritra tokoa famaranana andro iray lany nieritreretana ny amin’ny fanompoantsika be voninahitra.”

Aoka isika hiaina miaraka amin’ireo fotopoto-pitsipiky ny fahamarinana

Izany no foto-kevitry ny fandaharana ny asabotsy, foto-kevitra nanipika ny amin’ny fampiharana zavatra nianarana tao amin’ny fivoriambe. Raha mpiaro ny fahamarinan’ilay Fanjakana tokoa isika, dia tokony hiaina mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipik’io fahamarinana io.

Rehefa avy nandinika ny teny natao hovakina isan’andro isika dia nanaraka tamim-pahafinaretana foto-kevitra iray novelabelarin’ny mpandahateny telo, foto-kevitra nanambarana ireo fepetra takin’Andriamanitra ny amin’ny tanora sy ny efa zokinjokiny, ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Araka ny naseho, mba hahitana fahombiazana eo amin’ny fiainam-pianakavian’ny tena dia ilaina ny hitarihana ny tokantranon’ny tena araka ireo fotopoto-pitsipik’i Jehovah. Ny fitiavana, toetra fototra eo amin’ny kristiana marina, dia mahatonga ny zanaka sy ny ray aman-dreny ho afaka hiara-hiasa ao anatin’ny fifandrindrana. — Jaona 13:34, 35.

Noho ireo lahateny sy fampisehoana naseho, dia nahazo fampitandremana nety tokoa isika ny amin’ny loza ateraky ny fileferana loatra. Ny fileferana tafahoatra tokoa dia namoha varavarana ho an’ny fahasahiranana maro be. Mba hiadiana amin’io fihetsika io anefa, dia tokony hifikitra mafy hatrany amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly isika. Tokony hanamafy ny fahamalinantsika àry isika eo amin’ny lafiny maro amin’ny fiainantsika amin’ny maha-kristiana. Na dia milaza fameperana sasany aza izany, dia amin’izany vidiny izany, araka ny efa hitantsika, no hahafahantsika, na hanalavitra, na handamina zava-manahirana misedra.

Nanintona ny saintsika indrindra ny amin’ny mozika. Nianarantsika fa mety hanandratra ny saina ny mozika, nety mety hampietry azy koa. Nampiasaina izany mba hampidirana ao an-tsain’ny olona ny fanarahana an’i Satana sy ny fahalotoam-pitondrantena. Ny kristiana àry dia tokony hihevitra amim-pahamalinana ny mozika henoiny toy ny ataony amin’izay jereny ao amin’ny televiziona.

Ireo fotoam-pivoriana ny asabotsy dia nifarana tamin’ny lahateny nahavariana hoe “Ny fahamarinana izay mitarika ho amin’ny paradisa an-tany”. Nampahatsiarovin’ny mpandahateny antsika fa Jesosy Kristy dia niresaka ny amin’ny Fanjakana sy ny amin’ny paradisa an-tany. Araka izany, teo anatrehan’i Pilato, Kristy dia nanamarina fa tena mpanjaka tokoa izy ary nirahina mba hanambara izany fahamarinana izany. Avy eo, ho valin’ny tenin’ilay jiolahy nahantona tamin’ny hazo teo anilany izay vao avy nangataka taminy hoe: “Jesosy ô, tsarovy aho rehefa hiditra ao amin’ny fanjakanao ianao”, dia izao no nambarany: “Lazaiko aminao marina tokoa anio: “Hihaona amiko ao amin’ny Paradisa ianao.” (Lioka 23:42, 43, MN; Jaona 18:36, 37). Amin’izao andro izao, ho an’ireo izay tia an’Andriamanitra sy ny rariny, dia zavatra tena izy tsy misy toy izany ny fanantenana fiainana mandrakizay ao amin’ny paradisa an-tany.

Aoka isika hifikitra mafy hatrany amin’ny fahamarinana ara-paminaniana

Teo am-panombohan’ny fandaharana ny alahady maraina, ny mpandahateny iray dia nampiseho fa ankehitriny isika dia tsy maintsy misetra tarehin-javatra sahala amin’ny hitan’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany. Tamin’izany fotoana izany, ny sasany dia nitady hiverina amin’ny abidiam-pianarana tsinontsinona izay nahafaoka ny filozofian’olombelona sy ny ady teny tsy nisy hifandraisana mihitsy tamin’ny fahazoana famonjena (Galatiana 4:9). Ankehitriny, ankoatra ny loza hafa, dia mety hamela ny faniriana fananana tsy tena ilaina hibahana ao amin’ny fisainantsika sy ny fotoanantsika ka haka azy tanteraka. Mety hanenjika ireo fialam-boly mampiavaka an’izao tontolo izao koa isika, nefa matetika izany no tsy madio sy maka fotoana be dia be, ary hisangisangy amin’ny faharatsiam-pitondrantena, miaraka amin’ny loza rehetra entin’izany. Raha tiantsika ny hahazo ny fiainana mandrakizay, dia tokony hifikitra mafy hatrany amin’ny fahamarinana sy ny lalana soritany ho antsika isika. Ny mpiaro ny fahamarinan’ilay Fanjakana sasany izay niasa hatramin’ny ela be tokoa, dia nadinina mba hahasoa ny mpanatrika rehetra. Ny zavatra efa nodiaviny dia manaporofo fa azo atao ny tsy hivadika hatrany amin’i Jehovah sy ireo fotopoto-pitsipiny na dia ao aza ny fitsapana.

Avy eo dia natao ny lahateny hoe “Voalahatra mba hiady”, mifototra amin’ny I Tantara 12:38 (MN). Nosoritan’ilay mpandahateny fa ny kristiana dia niditra hanao ady ary antenaina ny hisehoany ho miaramila mahatokin’i Jesosy Kristy amin’ny fiaretana fitsapana sy amin’ny fitanana ny firaisan-tsaina ao amin’ny laharan’izy ireo. Tamin’io lahateny io, dia nanakoako ny antso nahery ho amin’ny ady. Hatramin’ny nilatsahantsika ho ao amin’ny tafiky ny Tompo, ary indrindra fa hatramin’ny nanolorantsika tena ho an’Andriamanitra sy ny batisantsika, ny asa hafa rehetra eo amin’ny fiainantsika dia tokony hanome toerana aloha ho an’ny fanompoana tsy maintsy ataontsika ho an’i Jesosy Kristy, ilay Mpitari-tafika Lehibe filoha voatendrin’i Jehovah. Sahala amin’ny nataon’ilay Mpitarika sy Komandintsika, dia tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana fa voakasika ny anarana masin’Andriamanitra Mpamorona antsika ao amin’io ady io.

Koa satria ara-panahy ny ady ataontsika, dia toy izany koa ny fiadiantsika. Izany anefa dia “mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy” toy ny filozofian’olombelona tsinontsinona, ny zavatra mifanohitra amin’ny Teny fahamarinana, ireo fampianaran’ny demonia mamitaka sy ny fitaomana hametraka ny zavatra mampiadana antsika sy ny fahafinaretantsika manokana alohan’ny fanompoana an’i Jehovah (II Korintiana 10:4). Tamin’ny fotoana nety, dia izao no nambaran’ilay mpandahateny: “Tsy isalasalana mihitsy fa ilay Mpitari-tafika Lehibe nirahin’i Jehovah dia afaka mikarakara an’ireo izay noraisiny ho ao amin’ny tafiny. Raha manahy be dia be ny amin’izay ilaintsika ara-nofo isika, moa ve tsy ilaina maika dia maika ny hieritreretana ny hametraka ny entantsika amin’i Jehovah sy amin’i Jesosy Kristy?” Raha milahatra hiady isika, izany dia milaza fa miara-miasa amin’ny hany fandaminana hita maso ampiasain’i Jehovah amin’izao andro izao isika. Ny tsirairay avy amintsika dia tokony ho tsara fiadiana sy harisika mba hanohana ny ady ara-panahy atao amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Mpitarika antsika.

Ny fandaharana ny maraina dia nifarana tamin’ny fampisehoana tantara hafa iray nampangitakitaka, izay nampahatsiahy ny fanompoana nataon’ilay mpaminaniny tamin-kerim-po. Nandritra ny taona maro tokoa izy io dia nanambara hafatra tsy tian’ny ankamaroan’ny niara-belona taminy, indrindra fa ny mpanjaka, ireo mpanapaka sy ireo mpaminany sandoka. Raha mbola nijery an’i Jeremia niaritra tsy nihontsina teo anoloan’ny fandrahonana sy ny herisetra sady nampahery ny hafa tsy hivadika amin’i Jehovah hatrany isika, moa ve tsy tsaroantsika fa amin’izao andro izao ireo mpanompon’i Jehovah dia tokony hanohy hanambara amim-pahatokiana koa amin’izao tontolo izao amin’ny fitambarany tarihin’i Satana, ny hafatra fitsaran’i Jehovah izay hampiharina tsy ho ela, na dia tsy tiam-bahoaka aza izany hafatra izany. Manana fifaliana anefa isika mahafantatra fa, noho ny fanompoantsika amim-pahatokiana, dia olona maro be no hovonjena amin’ity taranaka voaheloka ity ka ho tafita velona, tsy haninon-tsy haninona, mba hahita ny fandehan-javatra vaovao nampanantenain’Andriamanitra.

Fa raha ny amin’ilay lahateny ampahibemaso mitondra ny lohateny hoe “Ny fahamarinana izay mety hanafaka anao”, izany dia tokony hatao teo afovoan’ny tolakandro. Vahoaka maro no tafavory mba hihaino tamim-pitandremana ny mpandahateny nanambara nisesy, ireo zava-nitranga mampiseho fa ireo filoha sy ireo olo-malaza eo amin’izao tontolo izao dia tsy afaka manafoana na ny fahantrana, na ny herisetra, na ny tsy filaminana. Tamin’ny alalan’ny Soratra Masina dia nasehony nanaraka izany fa Jehovah, ilay Andriamanitra manan-kery hahefa ny zavatra rehetra, dia nampanantena fa hanafoana ireo loza ireo sy mbola hanao be dia be lavitra ihany, ary izy dia afaka mitana ny fampanantenany. Jehovah dia hanaisotra ny antony rehetra miteraka alahelo sy mahatonga ranomaso; hofoanany ny aretina, ny fanaintainana sy ny fahafatesana nolovantsika avy amin’i Adama mpanota. Afa-tsy izany koa, dia hovelominy indray ny maty tsy tambo isaina mba hanomezana azy ireo fahafahana hiaina mandrakizay eo amin’ny tany paradisa.

Naseho nanaraka izany ny fampahatsiahivana fohy ny fanasana ara-panahy nanomezan’i Jehovah be dia antsika tamin’io fivoriamben’ny distrika “Ny fahamarinan’ilay Fanjakana” io. Tena safononoky ny soa nozarainy ho antsika tokoa ny kapoakantsika. Noho izany, tamin’izay isika dia vonona ny handre ny fanamarihana farany izay nananatra antsika rehetra hanohy hitory ny fahamarinan’ilay Fanjakana raha mbola havelan’i Jehovah hivoha koa ny varavarana. Fantatsika fa eo amin’ny lalana tsara isika. Ny laharantsika dia nodiovina tamin’ireo tsy faly, ireo mpanohitra sy ny olona tsy tia fiankinana. Ankehitriny Jehovah dia mitahy antsika amin’ny fanomezana antsika fitomboana isa, araka ny ahariharin’ireo fitantarana voaraintsika maneran-tany. Bebe kokoa ny mpitory mandray anjara amin’ny asa fitoriana, amin’ny fanokanana fotoana misimisy kokoa amin’izany. Mitombo aoka izany ny isan’ny rahalahy sy anabavy manomboka ny asan’ny mpitory maharitra, na amin’ny maha-mpitory maharitra mpanampy, na manontolo andro. Fa raha ny amin’ny isan’ny fianarana natao tany amin’olona vao liana ny fahamarinana, dia nahita fitomboana isa mahatalanjona izany. Miharihary amin’izany ny fitarihan’i Jehovah antsika amin’ny alalan’ny fanahy sy ny fandaminany.

Rehefa niala tao amin’ny fivoriambe isika mba hiverina any amin’ny kongregasionantsika, moa ve isika tsy mbola niaiky tsy nisy toy izany fa nomba antsika Jehovah sy Jesosy Kristy Mpanjaka voatendriny? Moa ve isika tsy mino mafy foana fa nozarainy tamintsika tamim-pahalalahan-tanana izay rehetra nilaintsika mba handrosoana ao anatin’ny firaisan-tsaina, mba hanambarana ny vaovao tsara sy hiarovana ny fahamarinan’ilay Fanjakana? Enga anie ny fiderana sy ny voninahitra rehetra ho an’Andriamanitra izay manan-karena amin’ny rariny sy ny fahamarinana!

[Sary, pejy 22]

Tena mety hahay hampiaiky tokoa ny ankizy kristiana.

Marina tokoa! Jehovah no anaran’Andriamanitra.

Miresaka ny amin’ny anaran’Andriamanitra ny mpanohitra taloha iray.

[Sary, pejy 23]

Nokapohin’ireo fahavalony i Jeremia...

Natao tamin’ny boloky hazo...

Nafahana avy ao anaty lava-drano feno fotaka.

[Sary, pejy 24]

Ny fanokanana minisitra amin’ny alalan’ny batisa.

[Sary, pejy 25]

Ireo toerana voatokana ho an’ny olona be taona.

[Sary, pejy 26]

Sampan-draharaha momba ny sakafo mora atao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara