LOHONDRY VY
Fitaovana nandoahan’ny mpanao fahirano na namotehany ny vavahady sy mandan’ny tanàna voaro mafy. Hazo lehibe navesatra nisy tendrony vy miendrika lohan’ondry ny tsotra indrindra. Noho izany angamba na noho ilay izy toy ny hoe manoto no iantsoan’ny Hebreo azy hoe ondrilahy (kar).—Ezk 4:1, 2; 21:22.
Nanangana tovon-tany nisolampy teo am-pototry ny manda ny mpanao fahirano, mba hampiakarana lohondry vy sy fitaovam-piadiana hafa ary tilikambo avo hoatran’ny manda, ka lasa nitovy haavo ny mpanafika sy ny teny ambony manda. Ireo mpiaro ny tanàna kosa nanipy hazo mirehitra teo amin’ny lohondry vy, na nampiasa rojo vy na vatofantsika kely mba hisintonana an’ilay izy.
Lohondry vy sy tilikambo fanafihana nampiasain’ny Asyrianina