LOISA
(Loìsa).
Reniben’i Timoty, ary toa renin’i Eonika reniny fa tsy renin’ny dadany, satria hoy ny Peshitta syriàka: “Ny renin’ny reninao.” Vehivavy kristianina nanana “finoana tsy mihatsaravelatsihy” i Loisa, matoa noderain’i Paoly. (2Ti 1:5) Toa tao Lystra ry Loisa mianakavy no nipetraka. (As 16:1, 2) Samy nampianatra ny Soratra Masina an’i Timoty i Loisa sy Eonika, rehefa ampitahaina ny 2 Timoty 1:5 sy ny 2 Timoty 3:15.