FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 138
  • “Haheno Ady Ianareo”

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • “Haheno Ady Ianareo”
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no nolazain’i Jesosy?
  • Inona no hataon’i Jesosy?
  • Adin’i Jehovah, Bokin’ny
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Rahoviana no Hitsahatra ny Ady? Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Miaina amin’ny andro farany ve isika?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
  • Tontolo Iray Tsy Hisy Ady, Tsy ho Ela
    Mifohaza!—1996
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 138
Sary: I Jesosy miresaka amin’ny mpanara-dia azy momba ny zava-mitranga amin’izao androntsika izao. Sary kely mampiseho toerana misy ady amin’izao: Tanàna nilatsahan’ny baomba dia may sady ravarava; setroka hoatran’ny rahona ngezabe avy amin’ny baomba mipoaka; miaramila mitondra basy manara-maso ny tanàna, misy tanky ao aorianan-dry zareo.

MIANARA AVY AMIN’I JESOSY

“Haheno Ady Ianareo”

“Efapolo mahery izao ny ady nitranga maneran-tany nanaovako tatitra, hatramin’izay naha mpanao gazety ahy izay. Tamin’ny 1960 tany ho any aho no nanomboka an’io asa io. Hitako ilay fifandonana teo amin’i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika. Nihamafy nihamafy foana ilay izy dia avy eo anefa nijanona tampoka. Na teo aza izany rehetra izany, dia tamin’ny 2025 aho no tena nitebiteby indrindra. Misy ady lehibe maromaro mitranga mantsy amin’izao, dia mety hisy vokany ratsy be amin’ny faritra maro eran-tany ny iray amin’ireo ady ireo.”​—John Simpson, mpanao gazetin’ny BBC sady manam-pahaizana momba ny toe-draharaha maneran-tany; izahay no manao sora-matevina.

Mampanahy ny olona ny ady mandravarava mitranga maneran-tany. Betsaka no lasa saina hoe hifarana ihany ve izany. Inona no nolazain’i Jesosy momba ny ady?

Inona no nolazain’i Jesosy?

Efa noresahin’i Jesosy mialoha ny zava-mitranga hitantsika amin’izao. Niteny tamin’ny mpanara-dia azy izy hoe: “Haheno ady ianareo ary hisy hilaza aminareo koa hoe misy ady any an-toeran-kafa.”​—Matio 24:6.

Marina fa mampiady saina ny ady mitranga amin’izao. Mbola misy azo antenaina anefa. Nahoana isika no milaza an’izany? Satria efa niteny i Jesosy hoe ireny ady ireny sy ny zava-mitranga hafa ary ny toetra ratsin’ny olona dia “famantarana” fa “efa akaiky ny faran’izao tontolo izao.” (Matio 24:3; Lioka 21:7) Midika izany fa hofoanan’i Jesosy ny ady. Ahoana no hanaovany an’izany?

Inona no hataon’i Jesosy?

I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary kely sisa dia hataony “tsy misy ady intsony eran-tany.”​—Salamo 46:9.

Tianao ho fantatra ve hoe ahoana no hahatonga ny tany manontolo hilamina tanteraka hoatr’izany, sy hoe hanao ahoana ny fiainana amin’izany? Vakio àry ilay lahatsoratra hoe “Ahoana no Hampifarana ny Ady?”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara