MIANARA AVY AMIN’I JESOSY
Manokàna Fotoana ho An’Andriamanitra
Hihatsara ny fiainanao raha manokana fotoana hianarana momba an’Andriamanitra ianao. Efa ao amintsika mihitsy mantsy ilay faniriana hoe mila zavatra ara-panahy, izany hoe maniry hahafantatra an’Andriamanitra. Jereo ange hoe inona ny zavatra nampianarin’i Jesosy momba an’izany e!
Ny zavatra noteneniny
“Sambatra izay mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.
Samy te hahafantatra ny valin’ny fanontaniana hoatr’ireto daholo isika: Inona no antony mampisy antsika? Fa maninona no be dia be ny olona mijaly? Manao ahoana isika rehefa maty? Rehefa mahafantatra ny valin’ireo ihany isika vao ho sambatra.
“Tsy ny mofo ihany no ilain’ny olona mba hahavelona azy, fa ny teny rehetra lazain’i Jehovaha koa.”—Matio 4:4.
Mila misakafo ara-panahy isika, hoatr’antsika hoe mila misakafo ara-bakiteny ihany. Nataon’i Jesosy mazava tsara hoe tsy maintsy mitodika amin’Andriamanitra foana isika raha te hahazo sakafo ara-panahy.
“Ny teninao no fahamarinana.”—Jaona 17:17.
Nolazain’i Jesosy hoe ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly, no tena ampiasain’Andriamanitra mba hanomezana sakafo ara-panahy antsika.
Matokia fa tena ho sambatra ianao raha manokana fotoana ho an’Andriamanitra sy hihinanana sakafo ara-panahy. Ireto misy zavatra vitsivitsy afaka manampy anao:
Mamakia Baiboly maimam-poana.
Mangataha hianatra Baiboly maimaim-poana miaraka amin’ny mpampianatra iray.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. (Salamo 83:18) Jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza moa i Jehovah?”