FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 156
  • Tena Nisy ve i Noa sy ny Safodrano?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tena Nisy ve i Noa sy ny Safodrano?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Tena nisy sa angano?
  • Nahoana no nisy ny Safodrano?
  • Fantatry ny olona tamin’izany ve hoe hisy Safodrano?
  • Hoatran’ny ahoana ilay sambofiara namboarin’i Noa?
  • Firy taona no nanamboaran’i Noa an’ilay izy?
  • Ny Sambofiaran’i Noa
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Iza no Nihaino An’Andriamanitra Talohan’ny Safodrano ary Iza no Tsy Nihaino Azy?
    Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao
  • Ny Safo-drano — Zava-nisy sa Angano?
    Mifohaza!—1997
  • Nifaoka Tontolo Iray ny Rano
    Henoy Ilay Mpampianatra Lehibe
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 156
Elefanta, zirafy, liona, ary vorona miditra ao anaty sambofiara

Tena Nisy ve i Noa sy ny Safodrano?

Valiny ara-baiboly

Tena nisy ny Safodrano. Nataon’Andriamanitra ilay izy mba handripahana ny ratsy fanahy. Nasainy nanamboatra sambofiara anefa i Noa mba hiarovana ny olona tsara fanahy sy ny biby. (Genesisy 6:11-20) Tena nitranga ny Safodrano matoa tantarain’ny Baiboly. “Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra” mantsy ny Baiboly.—2 Timoty 3:16.

  • Tena nisy sa angano?

  • Nahoana no nisy ny Safodrano?

  • Fantatry ny olona tamin’izany ve hoe hisy Safodrano?

  • Hoatran’ny ahoana ilay sambofiara namboarin’i Noa?

  • Firy taona no nanamboaran’i Noa an’ilay izy?

  • Angano sy tantara momba ny Safodrano

Tena nisy sa angano?

Resahin’ny Baiboly hoe tena nisy i Noa sy ny Safodrano, fa tsy angano fotsiny.

  • Nino ny olona nanoratra ny Baiboly hoe tena nisy i Noa. Anisan’izany i Ezra sy Lioka. Samy mpahay tantara izy ireo, ary nanao fikarohana tsara mba ho marina izay tantarainy. Notantarain-dry zareo hoe anisan’ny razamben’ny Israelita i Noa. (1 Tantara 1:4; Lioka 3:36) Tamin’ny nanoratra ny Filazantsarany koa i Matio sy Lioka, dia nosoratany tao ny zavatra noresahin’i Jesosy momba an’i Noa sy ny Safodrano.—Matio 24:37-39; Lioka 17:26, 27.

    Noresahin’i Ezekiela mpaminany sy ny apostoly Paoly koa hoe tena nanam-pinoana sy nanao ny marina i Noa, ka modely ho antsika. (Ezekiela 14:14, 20; Hebreo 11:7) Raha tsy tena nisy akory i Noa, dia ho nampirisika antsika hanahaka azy ve i Ezekiela sy Paoly? Mazava ho azy fa tsy maintsy hoe tena nisy i Noa mbamin’ny lehilahy sy vehivavy hafa nanam-pinoana matoa isika asaina manahaka azy ireny.—Hebreo 12:1; Jakoba 5:17.

  • Misy tsipiriany maromaro momba ny Safodrano ao amin’ny Baiboly. Rehefa mitantara momba ny Safodrano ny Baiboly, dia tsy miteny hoe: “Indray andro, hono...” Amin’ny angano no misy an’izany. Resahin’ny Baiboly kosa ny taona sy ny volana ary ny andro nitrangan’ny Safodrano sy ny zava-niseho hafa taorian’izay. (Genesisy 7:11; 8:4, 13, 14) Hita ao koa ny refin’ilay sambofiara namboarin’i Noa. (Genesisy 6:15) Manaporofo daholo izany hoe tena nisy ny Safodrano fa tsy angano fotsiny.

Nahoana no nisy ny Safodrano?

Milaza ny Baiboly fa “be ny faharatsian’ny olona teto an-tany” talohan’ny Safodrano. (Genesisy 6:5) Tantaraina ao koa hoe hitan’Andriamanitra fa “simba ... ny tany” satria nahery setra sy ratsy fitondran-tena ny ankamaroan’ny olona.—Genesisy 6:11; Joda 6, 7.

Nahoana no lasa nisy an’izany teto an-tany? Resahin’ny Baiboly hoe nisy anjely ratsy fanahy nidina tetỳ, mba hanao firaisana amin’ny vehivavy. Niteraka Nefilima, na olona goavam-be, ry zareo. Nampijalin’ny Nefilima sy nataony nahita faisana ny olona. (Genesisy 6:1, 2, 4) Nanapa-kevitra àry Andriamanitra hoe hataony tsy misy olon-dratsy intsony eto an-tany. Ny olona tsara fanahy sisa no ho tavela, amin’izay.—Genesisy 6:6, 7, 17.

Fantatry ny olona tamin’izany ve hoe hisy Safodrano?

Ie. Noresahin’Andriamanitra tamin’i Noa hoe inona avy no hitranga, dia nasainy nanamboatra sambofiara izy avy eo mba hiarovana ny fianakaviany sy ny biby. (Genesisy 6:13, 14; 7:1-4) Nampitandrina ny olona i Noa hoe handripaka ny ratsy fanahy Andriamanitra. Tsy nihaino azy anefa ry zareo. (2 Petera 2:5) Hoy ny Baiboly: “Tsy niraharaha izy ireo mandra-pahatongan’ny safodrano, izay nifaoka azy rehetra.”—Matio 24:37-39.

Hoatran’ny ahoana ilay sambofiara namboarin’i Noa?

Hoatran’ny paozina vata ngezabe ilay sambofiara. Nirefy 133 metatra teo ho eo ny lavany, 22 metatra ny sakany, ary 13 metatra ny haavony.a Vita tamin’ny hazo misy ditiny ilay izy, ary nohosorana godorao ny atiny sy ivelany. Nasiana efitrefitra sy rihana roa tao anatiny. Nasiana varavarana iray koa teo amin’ny lafiny ilany ary varavarankely maromaro teny amin’ny rihana ambony indrindra. Azo antoka koa fa nisolampy ny tafon’ilay sambofiara, izany hoe natao niakatra kely ny teo afovoany mba tsy hiangonan’ny rano.—Genesisy 6:14-16.

Kisarisary mampitaha ny halavan’ilay sambofiara amin’ny halavan’ny fiaramanidina sy ny halavan’ny elefanta

Firy taona no nanamboaran’i Noa an’ilay izy?

Tsy milaza mazava ny Baiboly hoe firy taona no nanamboarana an’ilay sambofiara, fa azo inoana hoe naharitra am-polony taona. Efa 500 taona mahery i Noa tamin’izy niteraka ny zanany lahimatoa, ary 600 taona izy rehefa tonga ny Safodrano.b—Genesisy 5:32; 7:6.

Efa nanambady ny zanak’i Noa telo lahy tamin’izy nasain’Andriamanitra nanamboatra ny sambofiara. Mety ho efa 50 na 60 taona tany ho any ry zareo tamin’izany. (Genesisy 6:14, 18) Mety ho 40 na 50 taona teo ho eo àry no nahavitana an’ilay sambofiara.

Angano sy tantara momba ny Safodrano

Niparitaka eran-tany ny taranak’i Noa taorian’ny Safodrano, ary notantarain-dry zareo tamin’ny taranaka tatỳ aoriana izay nitranga. Samy nanana ny fitantarany azy ny olona, dia lasa niova be ilay tantara rehefa nandeha ny fotoana. Lasa be dia be àry ny tantara momba ny Safodrano, nefa misy itovizany amin’ilay tantara ao amin’ny Baiboly ihany ny sasany. Ireto misy ohatra:

Angano grika: Nasaina nanipy vato be dia be tany an-damosiny ilay lehilahy sy ilay vehivavy tafavoaka velona tamin’ny safodrano. Nivadika ho lehilahy sy vehivavy daholo izay vato natsipiny, dia lasa feno olona indray ny tany.

Angano hindoa: Nisy trondro niteny tamin’ny lehilahy iray hoe hisy safodrano handripaka ny olona rehetra, ka mila manamboatra sambo izy. Nentin’ilay trondro tany amin’ny toerana tsy mampidi-doza ilay sambo avy eo, ka tsy matin’ilay safodrano ilay lehilahy.

Angano babylonianina: Lasa tsy mety maty intsony ilay lehilahy sy ilay vehivavy tafavoaka velona tamin’ny safodrano, ary lasa andriamanitra ry zareo.

Angano any Amerika Afovoany: Tafavoaka velona tamin’ny safodrano ny lehilahy iray sy ny vady aman-janany, fa ny olon-kafa rehetra lasa trondro.

a Hakiho ny refy nampiasaina tamin’ilay sambofiara. “Refy fampiasan’ny Hebreo ny hakiho, ary 44,45 santimetatra ny iray hakiho”, araka ny The Illustrated Bible Dictionary, Revised Edition, Part 3, pejy 1635.

b Raha tianao ho fantatra hoe tena ela velona tokoa ve ny olona tamin’izany, dia vakio ilay hoe “Ela Velona Tokoa ve ny Olona Resahin’ny Baiboly?” ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2010.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara