FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwbq lahatsoratra 155
  • Mety Foana ve ny Manome?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mety Foana ve ny Manome?
  • Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Valiny ara-baiboly
  • Inona no mahatsara ny manome?
  • Misy maharatsy azy ve ny manome?
  • “Ny Mpanome Amim-pifaliana no Tian’Andriamanitra”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2013
  • Moa ve Ianao Manana Toe-tsaina Tia Manome?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Ireo Mpanome Amin’ny Fifaliana no Tian’i Jehovah
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Handray Soa Ianao Raha Tia Manome
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
Hijery Hafa
Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly
ijwbq lahatsoratra 155
Lehilahy mitazona fanomezana ao anaty baoritra kely mifono tsara

Mety Foana ve ny Manome?

Valiny ara-baiboly

Mampirisika antsika ho tia manome ny Baiboly, ary antony tsara no tokony hanaovantsika an’izany. Nilaza koa i Jesosy hoe “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Tsy ilay olona omena zavatra ihany no faly fa ilay manome koa.—Ohabolana 11:25; Lioka 6:38.

  • Inona no mahatsara ny manome?

  • Misy maharatsy azy ve ny manome?

  • Andinin-teny mampirisika antsika ho tia manome

Inona no mahatsara ny manome?

Tsara ny manome raha vokatry ny fo ilay izy. Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”—2 Korintianina 9:7.

Hankasitraka ny fivavahantsika koa Andriamanitra raha tia manome isika sady avy amin’ny fo no anaovantsika azy. (Jakoba 1:27) Faly izy rehefa malala-tanana amin’izay sahirana isika. Hoatran’ny hoe mampindrana vola an’Andriamanitra isika raha manao an’izany. (Ohabolana 19:17) Milaza ny Baiboly fa izy mihitsy no hanonitra an’izay nomentsika.—Lioka 14:12-14.

Misy maharatsy azy ve ny manome?

Eny, raha fitiavan-tena no mahatonga antsika hanome. Ohatra hoe:

  • Mba ho hitan’ny olona fotsiny hoe malala-tanana.—Matio 6:2.

  • Mba hahazoana tombony.—Lioka 14:12-14.

  • Mba ho voavonjy.—Salamo 49:6, 7.

Raha efa fantatsika hoe zavatra tsy tian’Andriamanitra no hampiasan’ilay olona an’ilay fanomezana. Ohatra hoe hilokana na hifohana rongony na hisotroana toaka be loatra. (1 Korintianina 6:9, 10; 2 Korintianina 7:1) Tsy mety koa ny manome vola olona kamo miasa nefa afaka miasa tsara.—2 Tesalonianina 3:10.

Raha variana manome olon-kafa isika, dia ny fianakaviantsika indray no lasa tsirambina. Milaza ny Baiboly hoe tsy maintsy mamelona ny ankohonany ny loham-pianakaviana. (1 Timoty 5:8) Tsy mety àry raha ny olon-kafa indray no omeny zavatra be dia be, fa ny fianakaviany zara raha omeny na tsy omeny mihitsy. Nilaza koa i Jesosy hoe tena ratsy raha tsy mety manome an’izay ilain’ny ray aman-dreniny efa be taona ny olona iray, satria hoe efa ‘natokany ho an’Andriamanitra’ ny fananany rehetra.—Marka 7:9-13.

Andinin-teny mampirisika antsika ho tia manome

Ohabolana 11:25: “Hovalian-tsoa ny olona malala-tanana, ary izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.”

Ahoana izany? Samy mahazo valisoa na ilay olona omena na ilay manome.

Ohabolana 19:17: “Izay miantra ny mahantra dia mampisambotra an’i Jehovah, ary Izy no hanonitra an’izay nafoin’ilay olona.”

Ahoana izany? Hoatran’ny hoe mampindrana vola an’Andriamanitra isika rehefa malala-tanana amin’izay sahirana. Mampanantena izy fa izy mihitsy no hanonitra an’izay nomentsika.

Matio 6:2: “Rehefa manome zavatra ianao ho fiantrana ny mahantra, dia aza mitsoka trompetra eo alohanao, toy ny ataon’ny mpihatsaravelatsihy ... mba hankalazan’ny olona azy.”

Ahoana izany? Tsy mety ny hoe manome mba ho hitan’ny olona fotsiny.

Asan’ny Apostoly 20:35: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”

Ahoana izany? Ho sambatra isika raha malala-tanana, indrindra raha vokatry ny fo ilay izy.

2 Korintianina 9:7: “Aoka ny tsirairay samy hanao araka izay fanapahan-keviny tao am-pony, tsy amin’alahelo na an-tery, fa ny mpanome amim-pifaliana no tian’Andriamanitra.”

Ahoana izany? Faly Andriamanitra rehefa manome amin’ny fo isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara