FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 48
  • Afaka Miala Tsy ho Vavolombelon’i Jehovah Intsony ve ny Olona Iray?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Afaka Miala Tsy ho Vavolombelon’i Jehovah Intsony ve ny Olona Iray?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana raha misy olona tsy mitory intsony na tsy mivory miaraka aminareo intsony? Aminareo ve izy niala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony?
  • Ahoana no Andaminana ny Fiangonana?
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Manekè ny mpitondra anareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
  • Fanarahana ny Fivavahana Madio mba Hahatafita Velona
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1992
  • Inona ny Andraikitry ny Anti-panahy?
    Iza no Tena Manao ny Sitrapon’i Jehovah?
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 48
Lehilahy iray mivoaka avy ao amin’ny Efitrano Fanjakana

Afaka Miala Tsy ho Vavolombelon’i Jehovah Intsony ve ny Olona Iray?

Eny. Misy fomba roa azony anaovana an’izany:

  • Manao fangatahana. Azony ampahafantarina na soratana hoe nanapa-kevitra izy fa hiala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony.

  • Asehony amin’ny zavatra ataony. Azony aseho amin’ny zavatra ataony hoe tsy te ho anisan’ilay fianakavianay eran-tany intsony izy. (1 Petera 5:9) Mety hivavaka any amin’ny fivavahana hafa, ohatra, izy, sady hilaza hoe tsy te hiala any mihitsy.​—1 Jaona 2:19.

Ahoana raha misy olona tsy mitory intsony na tsy mivory miaraka aminareo intsony? Aminareo ve izy niala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony?

Tsia. Tsy mitovy ny hoe miala tsy ho Vavolombelon’i Jehovah intsony sy ny hoe lasa tsy ampy finoana. Tsy voatery hoe niala tamin’ny finoany akory izay lasa tsy dia mazoto manompo an’Andriamanitra na nijanona tsy nanao an’izany intsony. Matetika no kivy izy ireny, dia tsy mazoto intsony. Tsy mihatakataka amin’ny olona hoatr’izany izahay, fa miezaka mampionona sy manampy azy. (1 Tesalonianina 5:14; Joda 22) Raha mitady fanampiana izy, dia ny anti-panahin’ny fiangonana no hanampy azy hanatanjaka ny finoany.​—Galatianina 6:1; 1 Petera 5:1-3.

Tsy azon’ny anti-panahy atao anefa ny manery an’ilay olona hijanona ho Vavolombelon’i Jehovah. Anjaran’ny tsirairay ny manapa-kevitra hoe inona no fivavahana harahiny. (Josoa 24:15) Mino izahay fa tokony ho amin’ny fo no anompoana an’Andriamanitra, fa tsy an-tery.​—Salamo 110:3; Matio 22:37.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara