Ahoana no Fomba Itondran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Olona Tsy Mivavaka ao Amin-dry Zareo Intsony?
Miezaka ny haneho fitiavana amin’ny olona rehetra izahay, ary miezaka ny ho tsara fanahy sy hanaja an-dry zareo koa. Raha misy Vavolombelon’i Jehovah lasa tsy mazoto hanaraka ny fivavahany intsony na tsy nanohy intsony mihitsy, dia mandeha miresaka aminy izahay. Omenay toky izy hoe tianay, dia ampianay izy mba hifandray akaiky amin’Andriamanitra indray.—Lioka 15:4-7.
Amin’ny toe-javatra sasany, dia mety hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana ny olona anankiray noho ny zavatra nataony. (1 Korintianina 5:13) Tena tianay be anefa ny mpiara-mivavaka aminay, dia miezaka manampy azy aloha izahay, amin’izay izy tsy voatery hesorina. Na dia esorina aza izy, dia mbola asehonay foana hoe tianay sy hajainay. Izany mantsy no ampirisihin’ny Baiboly hataonay.—Marka 12:31; 1 Petera 2:17.
Inona no mahatonga ny olona iray hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana?
Milaza mazava tsara ny Baiboly hoe tokony hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana ny Kristianina iray raha nanao fahotana lehibe izy ary tsy mety miova.a (1 Korintianina 5:11-13) Ny Baiboly no mamaritra hoe inona avy ny fahotana lehibe mety hahatonga ny olona iray hesorina. Anisan’izany ny manitsakitsa-bady, mamo lava, mamono olona, mampijaly ny mpianakaviny, ary mangalatra.—1 Korintianina 6:9, 10; Galatianina 5:19-21; 1 Timoty 1:9, 10.
Tsy hoe vao manao fahotana lehibe anefa ny olona iray, dia tonga dia hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana. Miezaka manampy azy mba hiova aloha ny anti-panahyb ao amin’ny fiangonana. (Romanina 2:4) Miezaka ho tsara fanahy sy halemy fanahy aminy ry zareo mba hahatonga azy hiova fo. (Galatianina 6:1) Mety ho tonga saina ilay olona amin’izay hoe tsy mety ny nataony dia hibebaka izy. (2 Timoty 2:24-26) Raha mbola manohy foana an’ilay zavatra resahin’ny Baiboly hoe ratsy anefa izy sady tsy mibebaka, kanefa efa imbetsaka ny anti-panahy no nanampy azy, dia tsy maintsy hesorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy. Manao fampandrenesana tsotra amin’ny fiangonana ny anti-panahy avy eo hoe tsy Vavolombelon’i Jehovah intsony ilay olona.
Te hampirisika an’ilay mpanao ratsy hiova ny anti-panahy, dia miezaka ho tsara fanahy sy halemy fanahy aminy
Misy vokany tsara ve ilay hoe hesorina ilay olona tsy mety miova fa mbola manohy foana an’ilay zavatra ratsy ataony? Voalohany, manohana ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena ny fiangonana, sady miaro ny mpivavaka ao aminy mba tsy ho voatarik’ilay olona hanao ratsy. (1 Korintianina 5:6; 15:33; 1 Petera 1:16) Faharoa, rehefa esorina ny olona anankiray, dia mety handrisika azy tsy hamerina an’ilay fahotana intsony izany sady hahatonga azy hiezaka hiova.—Hebreo 12:11.
Ahoana no fomba itondran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana?
Milaza ny Baiboly hoe raha nisy olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana, dia tsy tokony ‘hifanerasera aminy intsony’ ny Kristianina ary tsy tokony hataony “na dia ny miara-misakafo” aminy aza. (1 Korintianina 5:11) Noho izany, dia tsy mifanerasera amin’ny olona nesorina izahay. Tsy hoe tsy raharahianay intsony anefa izy. Manaja azy izahay. Azony atao tsara ny manatrika ny fivorianay. Mety hifidy ny hiarahaba azy ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa tonga any izy.c Afaka mangataka amin’ny anti-panahy koa izy mba hanampy azy hiverina ho anisan’ny fiangonana.
Afaka manatrika ny fivorianay ny olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana
Ahoana raha misy olona nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana, nefa ny vady aman-janany mbola Vavolombelon’i Jehovah? Na dia tsy miara-manompo an’i Jehovah intsony aza izy sy ny fianakaviany, dia mbola mifandray foana ry zareo amin’ny maha mpianakavy azy. Miray trano ry zareo, dia mbola mitohy foana ny fifandraisan’izy sy ny vady aman-janany ary tokony mbola hifaneho fitiavana ry zareo.
Afaka mangataka ny hotsidihin’ny anti-panahy ny olona nesorina. Ho tsara fanahy sy be fitiavana ny anti-panahy rehefa hitsidika azy, dia hanome azy torohevitra avy ao amin’ny Baiboly sady hampirisika azy mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra. (Zakaria 1:3) Azo raisina ho anisan’ny fiangonana indray izy, raha tsy manao an’ilay zava-dratsy nataony intsony sady asehony amin’ny ataony hoe tena te hanaraka ny fitsipiky ny Baiboly izy. “Ho vonona hamela ny helony” sy “ho tsara fanahy” aminy ka “hampionona” azy ny fiangonana, hoatran’ny nataon’ny Kristianina tany Korinto rehefa nisy mpanota niova.—2 Korintianina 2:6-8.
Ahoana no tsapan’ireo olona efa nesorina?
Mariho hoe inona no nolazain’ny Vavolombelon’i Jehovah sasany nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana dia niverina tamin’Andriamanitra tatỳ aoriana.
“Rehefa nanapa-kevitra aho hoe hiverina ho anisan’ny fiangonana indray, dia nieritreritra aho hoe tian’ny anti-panahy ho fantatra daholo izao izay nataoko nandritra an’izay taona maro nanesorana ahy izay. Hozy fotsiny anefa ry zareo tamiko hoe: ‘Tianay ianao raha mifantoka amin’izay azonao atao manomboka izao.’ Nahatsiaro ho maivamaivana be aho taorian’izay.”—Maria, Etazonia.
“Faly be mihitsy ny fiangonana rehefa niverina aho. Hay kay izaho sarobidy! Nataon-dry zareo izay hahatsapako hoe namela ahy i Jehovah, dia ry zareo koa. Nanampy ahy hibanjina ny hoavy izany. Vonona foana ny anti-panahy hanampy ahy hifandray akaiky amin’i Jehovah indray. Nampahery ahy ry zareo sady nanampy ahy hahita hoe mbola tian’i Jehovah aho sady sarobidy aminy.”—Malcom, Sierra Leone.
“Faly aho hoe tian’i Jehovah ny vahoakany, dia ataony izay hahatonga ny fandaminany hadio foana. Na dia mafy be aza no fahitan’ny olona tsy Vavolombelona an’ilay fanesorana, dia ilaina ilay izy sady tena porofom-pitiavana. Faly be aho hoe Andriamanitra be fitiavana sy mamela heloka ilay Raintsika any an-danitra!”—Sandi, Etazonia.
a Nantsoinay hoe voaroaka ny mpanao ratsy tsy mibebaka taloha. Antsoinay hoe nesorina tsy ho anisan’ny fiangonana izy ireny amin’izao, satria izay no teny ampiasaina ao amin’ny Baiboly.
b Ny hoe anti-panahy dia lehilahy kristianina matotra. Mampianatra ny Soratra Masina ry zareo sady miandry ny vahoakan’i Jehovah, izany hoe manampy sy mampahery an-dry zareo. Tsy karamaina ny anti-panahy.—1 Petera 5:1-3.
c Mety hitranga koa ny hoatr’izao na dia mahalana aza: Miala amin’ny fiangonana ny olona anankiray, dia ataony izay hanimbana azy io na ataony izay hahatonga ny hafa hanao ratsy. Raha mitranga izany, dia manaraka ny didy ao amin’ny Baiboly izahay hoe ‘aza miarahaba azy akory.’—2 Jaona 9-11.