FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwfq lahatsoratra 65
  • Ahoana no Ampiofanana ny Vavolombelon’i Jehovah mba Hahavitany ny Fanompoany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ahoana no Ampiofanana ny Vavolombelon’i Jehovah mba Hahavitany ny Fanompoany?
  • Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona no fampiofanana azon’ny Vavolombelon’i Jehovah?
  • Sekoly ara-baiboly natao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Avy aiza ny zavatra ianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra an’ilay fampiofanana?
  • Mila mandoa vola ve ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ilay fampiofanana?
  • Ampiofanin’i Jehovah ny Mpitory Ilay Fanjakana
    Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!
  • Porofon’ny Fitiavan’i Jehovah Ireo Sekoly Ara-baiboly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Mandray ny Fampianaran’i Jehovah ve Ianao, Raha Mbola Azonao Atao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Manampy Olona Eran-tany Ireo Nahazo Diplaoma Tamin’ilay Sekoly
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
Hijery Hafa
Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwfq lahatsoratra 65
Vavolombelon’i Jehovah roa manao fampisehoana eny amin’ny sehatry ny Efitrano Fanjakana, mandritra ny fivoriana andavanandro.

Ahoana no Ampiofanana ny Vavolombelon’i Jehovah mba Hahavitany ny Fanompoany?

Ampiofanina foana ny Vavolombelon’i Jehovah mba hahavitany ny zavatra rehetra tokony hataon’ny Kristianina, anisan’izany ny hoe mitory sy mampianatra ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. Izany no mantsy no asa nasain’i Jesosy ataon’ny mpanara-dia azy. (Matio 24:14; 28:19, 20) Miara-mivory izahay isan-kerinandro ary manao fivoriambe isan-taona, dia amin’ireny izahay no ampiofanina. Mahazo fampiofanana fanampiny izay Vavolombelon’i Jehovah manana andraikitra ao amin’ny fiangonana na eo anivon’ny fandaminana. Misy karazana sekoly ara-baiboly manokana natao hampiofanana azy ireny.

Ho hitantsika ato hoe:

  • Inona no fampiofanana azon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

  • Sekoly ara-baiboly natao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah

  • Avy aiza ny zavatra ianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra an’ilay fampiofanana?

  • Mila mandoa vola ve ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ilay fampiofanana?

  • Inona no soa azon’ny Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny fampiofanana an-dry zareo?

Inona no fampiofanana azon’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Fivorian’ny fiangonana: Miara-mivory indroa any amin’ny toerana antsoina hoe Efitrano Fanjakana izahay isan-kerinandro. Amin’ny andavanandro matetika no atao ny fivoriana iray, dia ny iray amin’ny faran’ny herinandro. Azon’ny rehetra atrehina ilay izy, ary tsy misy fanantazan-drakitra.

  • Fivoriana andavanandro: Ianarana mandritra an’ilay izy hoe ahoana no hatao mba hanatsarana ny fahaizana mamaky teny, miresaka, miresaka eny imason’olona be dia be, mitory, ary mampianatra. Misy lahateny any, na fiaraha-midinika sy fampisehoana ary video. Amin’ny alalan’ireny no atao ilay fampiofanana. Manampy anay hahita vokatra kokoa izany rehefa mampita ny hafatra ao amin’ny Baiboly amin’ny hafa izahay, na mampianatra Baiboly an’izay olona liana. Mandray soa avy amin’izany fampiofanana izany daholo izay manatrika an’ireo fivoriana ireo. Vao mainka koa izahay matoky an’Andriamanitra sy tia azy sy ny mpiara-mivavaka aminay, vokatr’ireny fivoriana ireny, ary izay no tena zava-dehibe.

  • Fivoriana amin’ny faran’ny herinandro: Mizara roa ilay izy. Lahateny miorina amin’ny Baiboly no arahina amin’ny tapany voalohany, ary natao manokana ho an’ny besinimaro izy io. Fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny kosa no atao mandritra ny tapany faharoa. Lahatsoratra iray ao amin’ny Tilikambo Fiambenanaa gazety fianarana no dinihina. Foto-kevitra sy torolalana avy ao amin’ny Baiboly no resahina sy hazavaina ao amin’ireny lahatsoratra ireny, ary manampy anay amin’ny fiainanay andavanandro sy rehefa mitory ilay izy.

Fivoriambe: Manao fivoriambe intelo isan-taona izahay, ary fiangonana maromaro no miara-manatrika ny fivoriambe tsirairay. Mahafinaritra be ilay izy. Foto-kevitra ara-baiboly nofidina manokana no tena resahina mandritra an’ilay izy, dia misy lahateny, fampisehoana, fanadinadinana, ary video koa. Manampy anay hahafantatra kokoa an’izay lazain’ny Baiboly ireny fivoriambe ireny, hoatran’ny fivorian’ny fiangonana ihany. Lasa mahay mitory sy mampianatra kokoa ny vaovao tsara àry izahay vokatr’izany. Afaka manatrika an’ireny fivoriambe ireny koa ny olona rehetra, ary tsy misy fanantazan-drakitra any.

Sekoly ara-baiboly natao ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah

Tiana hampiofanina kokoa ny Vavolombelon’i Jehovah sasany, dia asaina manatrika sekoly ara-baiboly. Inona avy izany sekoly izany? Inona no tanjon’ilay izy ary maharitra hafiriana ilay izy? Iza no manatrika an’ilay izy?

Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana

  • Tanjona: Hampiofana mpitory manontolo andro antsoina hoe mpisava lalana,b mba hahita vokatra kokoa rehefa mitory sy mampianatra. Misy fiaraha-midinika andraisan’ny iray kilasy anjara amin’ilay izy, dia misy fampisehoana sy lahateny ary fanazaran-tena.

  • Faharetany: Enina andro.

  • Ny olona afaka manao an’ilay izy: Izay efa nanao mpisava lalana nandritra ny herintaona no asaina hanatrika an’io sekoly io. Mety hasaina hiverina hanao azy io koa ny mpisava lalana efa ela nefa tsy nanao an’ilay izy tao anatin’ny dimy taona.

Mpianatra roa manao fampisehoana mandritra ny Sekolin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Mihaino tsara an-dry zareo ny mpianatra hafa.

Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana

  • Tanjona: Hanome fampiofanana manokana ho an’ireo mpitory manontolo andro efa za-draharaha. Vao mainka manatsara ny fahaizana mitory sy mampianatra io sekoly io. Mandalina foto-kevitra avy ao amin’ny Baiboly ry zareo. Rehefa vita ilay sekoly, dia maromaro no asaina ho any amin’ny toerana ilana mpitory betsaka kokoa.

  • Faharetany: Roa volana.

  • Ny olona afaka manao an’ilay izy: Misy fepetra sasany takina. Afaka mameno fangatahana hanao an’ilay izy izay mpisava lalana mahafeno an’izany, sady afaka mandeha any amin’izay toerana mila mpitory.

Mpianatra manangan-tanana hanome valin-teny mandritra ny Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana.

Sekolin’ny Anti-panahy

  • Tanjona: Hanampy ny anti-panahyc hamita tsara ny andraikiny ao amin’ny fiangonana, anisan’izany ny hoe mampianatra sy mampahery ny mpiray finoana aminy. Natao hanampiana ny anti-panahy ho tia kokoa an’i Jehovah sy ny mpiara-mivavaka aminy koa io sekoly io.​—1 Petera 5:2, 3.

  • Faharetany: Dimy andro.

  • Ny olona ampiofanina amin’ilay izy: Izay vao voatendry ho anti-panahy, ary ny anti-panahy efa za-draharaha tsy nanatrika an’ilay izy tao anatin’ny dimy taona.

Mpianatra manome valin-teny mandritra ny Sekolin’ny Anti-panahy.

Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny

  • Tanjona: Hampiofana an’ireo mpitory antsoina hoe mpiandraikitra ny faritra,d mba hahavita tsara ny andraikiny. Mitety toerana maromaro ry zareo. (1 Timoty 5:17) Manampy an’ireny anti-panahy ireny sy ny vadiny hahazo tsara kokoa ny Soratra Masina koa ilay fianarana.

  • Faharetany: Iray volana.

  • Ny olona afaka manao an’ilay izy: Asaina hanao an’io sekoly io ny mpiandraikitra ny faritra vaovao sy ny vadiny, herintaona aorian’ny nanombohany ny fanendrena azy. Asaina hanao an’ilay izy indray ry zareo avy eo, isaky ny dimy taona eo ho eo.

Mpianatra amin’ny Sekolin’ny Mpiandraikitra ny Faritra sy ny Vadiny. Mihaino tsara ry zareo.

Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana

  • Tanjona: Hanampy ny anti-panahy sy ny mpikarakara fiangonanae hahavita ny andraikiny, mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny fiovana ary ny zavatra ilain’ny fiangonana. (2 Timoty 3:1) Isaky ny roa na telo taona no atao io sekoly io.

  • Faharetany: Miovaova, fa matetika iray andro.

  • Ny olona afaka manao an’ilay izy: Mpiandraikitra ny faritra, anti-panahy, mpikarakara fiangonana.

Mpianatra amin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana, maka sary.

Sekolin’ny Fanompoana ao Amin’ny Betela

  • Tanjona: Hanampy ny olona manompo ao amin’ny Betelaf hahavita ny asany sy vao mainka ho tia an’Andriamanitra sy hifankatia.

  • Faharetany: Dimy andro sy tapany.

  • Ny olona afaka manao an’ilay izy: Tsy maintsy manao an’io sekoly io ny olona vaovao manompo ao amin’ny Betela. Mety hasaina hanatrika azy io koa ny Betelita efa ela tsy nanao an’ilay izy tao anatin’ny dimy taona.

Mpianatra manao lahateny mandritra ny Sekolin’ny Fanompoana ao Amin’ny Betela. Mihaino tsara azy ny mpampianatra sy ny mpiara-mianatra aminy.

Sekoly Ara-baibolin’i Gileada

  • Tanjona: Natao hanampiana ny mpianatra ho tia sy hahazo kokoa ny Tenin’Andriamanitra sy hampihatra ny zavatra ianarany. (1 Tesalonianina 2:13) Vao mainka azon’ny fandaminana ampiasaina tsara ny lehilahy sy vehivavy matotra ara-panahy manao an’io sekolin’i Gileada io. Lasa afaka manampy be amin’ilay fampianarana Baiboly hatao maneran-tany koa ry zareo. Mety ho voatendry hanompo eny amin’ny saha na ao amin’ny biraon’ny sampana ny mpianatra avy nanao an’ilay sekoly. Tsy voatery ho any amin’ny tany niaviany izany, fa mety ho any an-tany hafa.

  • Faharetany: Dimy volana.

  • Ny olona afaka manao an’ilay izy: Ny biraon’ny sampana no mifidy an’izay mpitory manontolo andro afaka mangataka hanao an’io sekoly io. Any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, any Etazonia, ilay izy no atao.

Mpampianatra amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada. Mampiasa tempoly kely izy mba hampianarana momba ny tempoly tany Jerosalema.

Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny

  • Tanjona: Natao hampiofanana an’ireo anisan’ny Komitin’ny Sampanag izy io. Manampy azy ireo ilay sekoly mba hahay hiandraikitra ny asa atao ao amin’ny biraon’ny sampana sy ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny tany misy an’ilay sampana na ao amin’izay tany hafa notendrena hokarakarainy.

  • Faharetany: Roa volana.

  • Ny olona afaka manao an’ilay izy: Ny Foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah no mifidy hoe iza amin’ireo anisan’ny Komitin’ny Sampana no hanatrika an’ilay sekoly miaraka amin’ny vadiny. Any amin’ny Foibem-pampianaran’ny Tilikambo Fiambenana any Patterson, any New York, ilay izy no atao.

Mpampianatra manao lahateny, mandritra ny Sekolin’ireo Anisan’ny Komitin’ny Sampana sy ny Vadiny.

Avy aiza ny zavatra ianaran’ny Vavolombelon’i Jehovah mandritra an’ilay fampiofanana?

Ny Baiboly foana no tena hakana ny fampiofanana azon’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mino mantsy izahay hoe avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra izy io, ary ao no misy ny torohevitra tsara indrindra momba ny fiainan’ny Kristianina rehetra.​—2 Timoty 3:16, 17.

Mila mandoa vola ve ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ilay fampiofanana?

Maimaim-poana ilay izy ka! Fanomezana an-tsitrapo no anohanana an’izay zavatra ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.​—2 Korintianina 9:7.

a Misy Baiboly sy zavatra hafa fianarana Baiboly ao amin’ilay tranonkalanay jw.org, ohatra hoe video.

b Ny atao hoe mpisava lalana, dia lehilahy na vehivavy vavolombelona vita batisa, maniry ny hanokana ora voafaritra tsara isam-bolana mba hitoriana ny hafatra ao amin’ny Baiboly.

c Ny atao hoe anti-panahy, dia lehilahy kristianina matotra mampianatra amin’ny alalan’ny Soratra Masina. Miandry ny vahoakan’i Jehovah koa ry zareo, ka manampy sy mampahery azy ireny. Tsy mandray karama ry zareo rehefa manao an’izany.

d Ny atao hoe mpiandraikitra ny faritra, dia mpitory manontolo andro mitsidika fiangonana samy hafa isan-kerinandro. Manao lahateny ara-baiboly sy miara-mitory amin’ny rahalahy sy anabaviny izy, mba hampaherezana an-dry zareo.

e Manao zavatra isan-karazany ny mpikarakara fiangonana mba hanampiana ny rahalahy sy anabaviny. Vokatr’izany, dia lasa afaka manokana fotoana betsaka kokoa ny anti-panahy mba hampianarana sy hampaherezana ny olona ao amin’ny fiangonana.

f Betela no iantsoana ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Manohana ny asa ataon’ny Vavolombelona ao amin’ny sampana misy azy ny mpitory manontolo andro manompo ao.

g Lehilahy mahafeno fepetra araka ny Soratra Masina no anisan’ny Komitin’ny Sampana. Telo na mihoatra no isan’izy ireo.

Inona no soa azon’ny Vavolombelon’i Jehovah avy amin’ny fampiofanana an-dry zareo?

  • Natasha.

    “Saro-kenatra aho, dia mafy be amiko ilay hoe hiresaka Baiboly amin’olona mbola tsy fantatro. Soa ihany anefa fa misy an’ilay fampiofanana rehefa fivoriana andavanandro. Matoky tena kokoa aho izao sady mba mihatsara ny fahaizako mampianatra. Tsy izay ihany fa lasa mahay miresaka kokoa amin’ny hafa aho ao amin’ny fiangonana sy any am-piasana.”​—Natasha, any Etazonia.

  • Stephen.

    “Nanampy ahy hanana toetra tsara hoatran’ny an’i Jehovah ilay Sekolin’ny Mpitory Ilay Fanjakana. Lasa miezaka ny ho be fitiavana sy hanam-paharetana ary ho tsara fanahy, ohatra, aho izao. Tsapako hoe nihamatotra aho, sady lasa namana tsara kokoa sy mpiara-monina mahafinaritra. Nianarako tamin’ilay sekoly koa ny fomba fikarohana fanazavana momba ny foto-kevitra iray ao amin’ny Baiboly, sy hoe ahoana ny atao mba hanohina ny fo ny zavatra lazaiko rehefa manazava ny Tenin’Andriamanitra.”​—Stephen, any Nizeria.

  • Luca.

    “Tena mila manetry tena aho rehefa manao ny asan’ny anti-panahy. Nanampy ahy hahavita an’izany ilay Sekolin’ny Anti-panahy. Nianarako tamin’ny lahateny nandritra an’ilay sekoly hoe tena mila manahaka an’i Jesosy aho.”​—Luca, any Italia.

  • Samuel.

    “Noresahina tamin’ny Sekolin’ny Fanompoana Ilay Fanjakana hoe ahoana no hatao rehefa mifandray amin’ny hafa. Tena zava-dehibe, ohatra, ny hoe mora hatonina sy tsara fanahy ary be fitiavana. Nianarako koa hoe rehefa manao zavatra ho an’ny hafa aho, dia fitiavana no tokony ho antony hanaovako an’izany fa tsy hoe noho ny adidy fotsiny.”​—Samuel, any Royaume-Uni.

  • Elnathan sy Princess.

    “Hoatran’ny fitaratra ahafahana mandini-tena ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Sekolin’i Gileada no nanampy anay hahavita an’izany. (Jakoba 1:22-25) Hitanay tany hoe inona amin’ny toetranay sy ny fanompoanay an’i Jehovah no mila hatsaraina. Nianaranay koa hoe ny olon-kafa aloha no tokony hoeritreretinay voalohany izay vao izahay, ary ny fitiavana no tokony hibaiko anay amin’izay rehetra ataonay sy lazainay.”​—Elnathan sy Princess, any Philippines.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara