MIAMBENA HATRANY!
Ahoana no Atao Raha Te ho Sambatra na dia Mafy aza ny Fiainana? Inona no Lazain’ny Baiboly?
Tsy ho voafehintsika daholo ny zava-mitranga amintsika, amin’izao fiainana sarotra izao. Tsy miankina amin’ny zavatra iainantsika anefa matetika no mahatonga antsika ho sambatra na tsia, fa miankina amin’ny toe-tsaintsika. Milaza ny Baiboly hoe “mankafy fiainana foana ny olona sambatra” na dia manana olana aza. (Ohabolana 15:15, Fandikan-tenin’ny Vaovao Tsara, anglisy) Inona àry no azontsika atao raha te ho sambatra kokoa isika? Andao isika handinika torohevitra avy ao amin’ny Baiboly mety hanampy anao.
Miezaha mba tsy hanahy be loatra
Milaza ny Baiboly hoe: “Ny tebiteby ao am-pon’ny olona no mahakivy azy, fa ny teny mampahery kosa no mahafalifaly azy.”—Ohabolana 12:25.
Afaka manampy anao tsy hanahy be loatra ny Baiboly. Raha te hahafantatra momba an’izany ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fanahiana?”
Ataovy izay hahatonga anao tsy hanirery be loatra
Milaza ny Baiboly hoe: “Tia amin’ny fotoana rehetra ny tena namana, sady tena rahalahy natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra.”—Ohabolana 17:17.
Misy torohevitra manampy anao ho lasa mpinamana be amin’olon-kafa ao amin’ny Baiboly. Hanampy anao tsy hahatsiaro ho manirery be izany. Vakio ilay lahatsoratra hoe “Afaka Manampy Anao Tsy Hahatsiaro ho Manirery ny Baiboly.”
Miezaha ho tia an’Andriamanitra sy ny olona
Milaza ny Baiboly hoe: “Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo ary ny sainao manontolo. ... Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.”a—Matio 22:37-39.
Vao mainka isika ho tia an’Andriamanitra rehefa mivavaka. Raha te hahafantatra kokoa momba an’izany ianao, dia vakio ilay lahatsoratra hoe “Mihaino ny Vavaka Ataontsika ve Andriamanitra?”
Notenenin’i Jesosy antsika hoe ahoana no tokony hitondrantsika ny olona. Asehontsika hoe tia an-dry zareo isika raha manaraka an’ilay tenin’i Jesosy. Manazava kokoa an’izany ilay lahatsoratra hoe “Inona no Tian’i Jesosy Holazaina Amin’ilay hoe ‘Izay Tianareo Hataon’ny Olona Aminareo, dia mba Ataovy Aminy Koa’?”
Mbola tianao angamba ny hahafantatra hoe inona koa no resahin’ny Baiboly. Manasa anao àry izahay hanandrana an’ilay fianarana Baiboly maimaim-poana ataonay.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra. Salamo 83:18.