FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • mrt lahatsoratra 22
  • Leo Be ve Ianao Satria Tsy Mety Tapitra Mihitsy ny Valanaretina?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Leo Be ve Ianao Satria Tsy Mety Tapitra Mihitsy ny Valanaretina?
  • Foto-kevitra Hafa
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ahoana no ahafantarana hoe efa leo an’ilay valanaretina ny olona iray?
  • Nahoana izany no tena ratsy?
  • Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy anao?
  • Andinin-teny ao amin’ny Baiboly afaka manampy anao tsy ho leo be
  • Mbola Hiverina Amin’ny Laoniny Ihany ve ny Fiainana na dia Novan’ilay Valanaretina Aza? Afaka Manampy ve ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Fahasalamana ho An’ny Rehetra: Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?
    Foto-kevitra Hafa
  • Nampahery ny Hafa Izy na dia Narary Aza
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Nitory Foana Izy Ireo Nandritra ny Valanaretina
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
Hijery Hafa
Foto-kevitra Hafa
mrt lahatsoratra 22
Lehilahy mipetraka eo ambony seza. Mitazona lakilen’ny aotomobilina sy arovava.

Leo Be ve Ianao Satria Tsy Mety Tapitra Mihitsy ny Valanaretina?

Leo be ve ianao satria tsy mety tapitra mihitsy ny valanaretina COVID-19? Matokia fa tsy ianao irery no hoatr’izany. Nandritra ny volana maromaro izay, dia ny olona maneran-tany no tsy maintsy nanova ny fomba fiainany vokatry ny valanaretina COVID-19. Nilaza ny Dr. Hans Kluge, talem-paritry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana any Eoropa hoe be dia be mihitsy no “nanao ezaka mafy mba tsy hiparitahan’ny valanaretina COVID-19. Tsy maintsy hoe leo ihany ry zareo amin’ny farany, dia ara-dalàna raha lasa tsy miraika sy tsy te hanao na inona na inona intsony.”

Aza kivy raha mahatsiaro hoe leo ianao satria tsy mety tapitra mihitsy ny valanaretina COVID-19. Manampy olona be dia be mba hahavita hiatrika an’izao fotoan-tsarotra izao ny Baiboly, dia azo antoka fa hanampy anao koa izy io.

  • Ahoana no ahafantarana hoe efa leo an’ilay valanaretina ny olona iray?

  • Nahoana izany no tena ratsy?

  • Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy anao?

  • Andinin-teny ao amin’ny Baiboly afaka manampy anao tsy ho leo be

Ahoana no ahafantarana hoe efa leo an’ilay valanaretina ny olona iray?

Tsy hoe aretina izy io, fa ny zavatra tsapan’ny olona rehefa tsy mety tapitra ny valanaretina. Nanova ny fiainan’ny olona mantsy ny COVID-19, sady mahatonga azy ireo hanahy hoe inona no hitranga amin’ny hoavy. Na dia tsy voatery hitovy aza ny zavatra tsapan’ny olona, dia ireto misy famantarana vitsivitsy hoe efa leo an’ilay valanaretina ny olona anankiray:

  • Lasa tsy mazoto hanao zavatra

  • Lasa miovaova ny fotoana isakafoanana sy ny fotoana atoriana

  • Mora tezitra

  • Sorena rehefa manao ny zavatra efa fanaony na dia hoe tsy nanahirana azy aza ny nanao an’izany teo aloha

  • Tsy mahavita mifantoka

  • Kivy tanteraka

Nahoana izany no tena ratsy?

Mety tsy ho voaro tsara intsony isika sy ny olona manodidina antsika. Raha tsy mitandrina isika, dia mety hanomboka tsy dia hiraharaha intsony ny fepetra natao mba hiarovana amin’ny valanaretina COVID-19. Rehefa mandeha aza ny fotoana, dia mety tsy hivaky loha amin’ilay valanaretina, na dia mbola miparitaka sy mahafaty aza ilay izy. Mety ho leo koa isika satria betsaka ny zavatra tsy azontsika atao, dia lasa te hanana fahafahana bebe kokoa, nefa mety hampidi-doza antsika sy ny hafa izany.

Mandritra an’izao fotoan-tsarotra iainantsika izao, dia betsaka no miaiky hoe marina ity resahin’ny Baiboly ity, hoe: “Kivy ve ianao amin’ny andro mahory? Raha izany, dia ho kely ny herinao.” (Ohabolana 24:10) Misy toro lalana afaka manampy antsika hiatrika an’izay toe-javatra mety hahakivy antsika ao amin’ny Baiboly, anisan’izany ny valanaretina COVID-19.

Inona avy ny toro lalan’ny Baiboly afaka manampy anao?

  • Hajao foana ny elanelana eo aminao sy ny olon-kafa, nefa miezaha hifandray amin’ny namanao foana

    Milaza ny Baiboly hoe: “Ny tena namana ... natao hanampy amin’ny fotoam-pahoriana.”—Ohabolana 17:17.

    Nahoana izany no tena ilaina? Mampahery antsika ny tena namana. (1 Tesalonianina 5:11) Raha mitokantokana mandritra ny fotoana elaela kosa isika, dia mety hisy vokany ratsy amin’ny fahasalamantsika izany.—Ohabolana 18:1.

    Andramo izao: Miezaha hifandray amin’ny namanao foana, ohatra hoe amin’ny alalan’ny Internet, telefaonina, e-mail na SMS. Miresaha amin’ny namanao rehefa ilay misy zavatra mahakivy anao iny, ary anontanio matetika koa ry zareo hoe manao ahoana izy. Miezaha hifampizara an’izay hevitra hitanareo hoe nanampy anareo hiatrika an’ilay valanaretina. Mitadiava hevitra mba hanaovana zavatra tsara ho an’ny namanao, amin’izay samy ho faly na ianao na ry zareo.

    Ny hevitry ny olona sasany

    Megan.

    “Miezaka mifandray amin’ny namako amin’ny alalan’ny vidéoconférence aho. Indraindray olona iray ihany no iresahako. Fa indraindray mahafinaritra ilay hoe maromaro no mifampiantso, dia miara-manao kilalao eo, na mba miresadresaka. Tena manampy ilay izy na dia tsy tena mitovy amin’ny hoe mihaona mivantana aza. Lasa sarotra ny fiainana vokatr’ity valanaretina ity, dia tena ilaina ny mifandray amin’ny namana sady mitsotra amin-dry zareo hoe inona no tsapanao. Mety tsy ho mora ny manao an’izany, nefa mila fanampiana daholo isika rehetra.”—Megan, Kanada.

    Nathan sy Emma vadiny, miaraka amin’i Eli sy Hope zanak’izy ireo.

    “Malahelo ny havanay sy ny namanay izahay, dia mitady hevitra hitenenana amin-dry zareo hoe tena tianay ry zareo. Nanamboaranay karta kely sy harona kely nisy fanomezana ny namanay. Nasianay andinin-teny mampahery tao amin’ilay izy, satria tianay ho fantatry ry zareo hoe mahatsiaro an-dry zareo foana izahay. Faly be mihitsy izahay rehefa nanao an’ilay izy. Rehefa variana manao zavatra ho an’ny hafa ianao, dia lasa tsy manahy sy tsy mitebiteby.”—Emma sy Nathan vadiny, ary Eli sy Hope zanak’izy ireo, Etazonia.

  • Hararaoty tsara izao fotoana izao

    Milaza ny Baiboly hoe: “Hararaoty tsara ny fotoana.”—Efesianina 5:16.

    Nahoana izany no tena ilaina? Raha hainao tsara ny mampiasa ny fotoananao, dia tsy ho mora kivy ianao, sady tsy hanahy be loatra.—Lioka 12:25.

    Andramo izao: Aza mifantoka be amin’izay zavatra tsy azonao atao intsony, fa aleo mieritreritra hoe inona avy ny zavatra tsara azonao atao, amin’izao fotoana misy valanaretina izao. Sao dia mba nisy zavatra efa noeritreretinao hatao, ohatra, fa izao ianao vao misy fotoana hanaovana an’ilay izy? Na misy fialam-boly tianao hatao? Na sao dia mba afaka manokana fotoana bebe kokoa hiarahana amin’ny fianakavianao ianao?

    Ny hevitry ny olona sasany

    Evan sy Samantha vadiny, miaraka amin’i Eli sy Adam zanak’izy ireo.

    “Lasa afaka nanao zavatra be dia be izahay, ohatra hoe namboly zava-maitso sy legioma, nanao sary ary nanaingo trano.”—Evan sy Samantha vadiny, miaraka amin’i Eli sy Adam zanak’izy ireo, Afrika Atsimo.

    Ivan sy Eve.

    “Efa 30 taona izao izahay no nivady nefa izao izahay mivady vao mba tena nanam-potoana betsaka kokoa niarahana. Vao mainka izahay roa nifankatia, satria lasa fantatray tsara hoe inona avy ny toetra ratsinay sy ny toetra tsaranay. Efa vonona hifanohana tsara izao izahay raha sendra misy olana any aoriana any.”—Ivan sy Eve vadiny, Italia.

  • Miezaha hanana fandaharam-potoana matotra, dia hajao ilay izy

    Milaza ny Baiboly hoe: “Aoka ny zava-drehetra hatao ... amim-pilaminana.”—1 Korintianina 14:40.

    Nahoana izany no tena ilaina? Be dia be no mahatsiaro ho milamina kokoa sady falifaly rehefa manaraka fandaharam-potoana matotra tsara.

    Andramo izao: Manaova fandaharam-potoana, dia ataovy mifanaraka amin’ny zavatra iainanao amin’izao ilay izy. Alamino tsara hoe rahoviana ianao no hanao ny asanao, hanao devoara, hanao raharaha ao an-trano, ary hanao zavatra ara-panahy. Asio fialam-boly koa ao amin’ny fandaharam-potoananao, ohatra hoe miaraka amin’ny fianakaviana, mitsangantsangana, na manao fanatanjahan-tena. Jereo matetitetika ilay fandaharam-potoana, dia ahitsio raha ilaina.

    Ny hevitry ny olona sasany

    Kgaogelo.

    “Tsy novako mihitsy ny fandaharam-potoanako nandritra an’ity valanaretina ity, fa mitovy amin’ny taloha ihany. Nosoloako fanatanjahan-tena fotsiny ny zavatra fanaoko sasany, fa ny ora ifohazako tsy novako. Manampy an’ahy tsy hieritreritra be an’ilay valanaretina izany fa hifantoka bebe kokoa amin’ny namako sy ny fianakaviako.”—Kgaogelo, Afrika Atsimo.

    Carmel.

    “Mifoha amin’ny fotoana efa ifohazako foana aho, dia mikarakara sakafo maraina sy manao kafe hoatran’ny isan’andro ihany. Dia miomana hoatran’ireny handeha hivoaka ny trano ireny ihany aho. Manampy ahy ho falifaly sy tsy ho kamokamo izany mandritra ny andro.”—Carmel, Frantsa.

  • Ataovy miovaova arakaraka ny toetrandro ny fandaharam-potoananao

    Milaza ny Baiboly hoe: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.”—Ohabolana 22:3.

    Nahoana izany no tena ilaina? Mety tsy dia hahazo masoandro sy rivotra madio ianao rehefa miova ny toetrandro, arakaraka ny tany misy anao. Tena mila rivotra madio sy masoandro anefa ianao raha te hanana vatana sy saina salama.

    Andramo izao: Raha efa kely sisa dia ho ririnina any aminareo, dia amboary ny efitra fampiasanareo matetika na ny toerana iasanao mba hidiran’ny masoandro bebe kokoa. Jereo sao dia mba afaka mivoaboaka kely ny trano ianao, ohatra hoe manao fanatanjahan-tena kely na manao zaridaina, na dia mangatsiaka be aza ny andro. Raha azo atao, dia miezaha hanana akanjo fentina amin’ny andro mangatsiaka, amin’izay ianao mba afaka mijanona elaela any ivelan’ny trano.

    Rehefa mafana ny andro, dia tsy mijanona firy ao an-trano ny ankamaroan’ny olona fa mandehandeha. Mitandrema tsara àry. Jereo hoe aiza ianao no handeha, dia ataovy amin’ilay fotoana tsy dia be olona iny ianao no mankany.

    Ny hevitry ny olona sasany

    Sameena.

    “Avy foana ny orana atỳ aminay, dia ataoko mifanaraka amin’izay ny fandaharam-potoanako. Vao hitako hoe miposaka kely ny masoandro, dia lasa haingana aho mba mandehandeha kely. Na dia mandeha an-tongotra kely na mitaingina bisikileta amin’ny masoandro fotsiny aza, dia efa mahafinaritra be.”—Sameena, Frantsa.

    Tiffany.

    “Be dia be ny zavatra azo atao eny ivelany rehefa mafana ny andro. Efa ho avy anefa ity ny ririnina, dia miezaka manao lisitra an’izay zavatra tiako hatao ato an-trano aho.”—Tiffany, Kanada.

  • Hajao foana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra mifandray amin’ny valanaretina COVID-19

    Milaza ny Baiboly hoe: ‘Ny tsisy saina ... tezitra sy matoky tena loatra.’—Ohabolana 14:16.

    Nahoana izany no tena ilaina? Tena mahafaty ny valanaretina COVID-19. Raha tsy mitandrina ianao dia mety ho voa.

    Andramo izao: Jereo foana hoe inona ny toromarika vaovao momba an’ilay valanaretina. Izay toromarika azo atokisana ihany anefa fantarina, ary jereo raha mbola manaraka tsara an’izy ireny ianao na tsia. Saintsaino hoe inona no mety ho vokatry ny ataonao amin’ny tenanao sy amin’ny fianakavianao ary amin’ny olon-kafa.

    Ny hevitry ny olona sasany

    Daryn.

    “Miezaka manao ny anjarako aho mba tsy hiparitahan’ilay valanaretina. Na dia tsy miraharaha an’ireny fepetra ara-pahasalamana ireny aza ny olona sasany, dia mieritreritra foana aho hoe inona no azoko atao mba hiarovana ny tenako sy ny fianakaviako.”—Daryn, Afrika Atsimo.

  • Miezaha hifandray tsara amin’Andriamanitra foana

    Milaza ny Baiboly hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy.”—Jakoba 4:8.

    Nahoana izany no tena ilaina? Afaka manampy anao hiatrika an’izay olana rehetra mahazo anao Andriamanitra.—Isaia 41:13.

    Andramo izao: Vakio isan’andro ny Tenin’Andriamanitra, izany hoe ny Baiboly. Misy fandaharana azonao arahina ato mba hanampiana anao hanomboka hamaky Baiboly.

Maninona raha manontany ny Vavolombelon’i Jehovah hoe inona no tokony hataonao raha te hanatrika ny fivoriana alamin’izy ireo ianao mandritra an’izao valanaretina COVID-19 izao? Maneran-tany, ohatra, dia atao amin’ny alalan’ny vidéoconférence ny fivorian’izy ireo sy ny fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy ary ny fivoriambe.

Ny hevitry ny olona sasany

Roberto.

“Mamaky Baiboly foana aho izao isaky ny misy fotoana kely. Manampy ahy hatoky kokoa an’i Jehovaha sy ny fampanantenany izany. Matoky aho hoe tena hahafinaritra be ny fiainana amin’ny hoavy.”—Roberto, Italia.

Alta sy Jannie.

“Miara-mamaky Baiboly izahay mivady isan’andro sady miezaka mitadidy andinin-teny. Ny vavaka sy ny mamaky Baiboly ary ny miresaka ny fampanantenan’ny Baiboly amin’ny olona no tena manampy anay hiatrika ny fiainanay.”—Alta sy Jannie vadiny, Afrika Atsimo.

a Jehovah no anaran’Andriamanitra ao amin’ny Baiboly.—Salamo 83:18.

Andinin-teny ao amin’ny Baiboly afaka manampy anao tsy ho leo be

Isaia 30:15: “Ny tsy fahataitairanareo sy ny fatokisanareo no ho tanjakareo.”

Ny tiany holazaina: Raha manaraka tsara ny torohevitra avy amin’Andriamanitra isika, dia ho tony foana mandritra an’izao fotoan-tsarotra iainantsika izao.

Ohabolana 15:15: “Manjombona foana ny andron’ny ory, fa ny olona manana fo falifaly kosa toa manao fety foana.”

Ny tiany holazaina: Raha mifantoka amin’ny zavatra tsara isika, dia ho faly foana na dia ao anatin’ny fotoan-tsarotra aza.

Ohabolana 14:15: “Mino ny teny rehetra reny ireo mbola tsy dia nandia fiainana, fa ny malina kosa mandinika ny diany.”

Ny tiany holazaina: Araho tsara foana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra, ary aza maika hieritreritra hoe efa tsy mihatra intsony izy ireny.

Isaia 33:24: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’”

Ny tiany holazaina: Mampanantena Andriamanitra fa hofoanany daholo ny karazan’aretina rehetra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara