Mbola ho Foana ve ny Tsy Rariny Indray Andro Any?
Manjaka hatraiza hatraiza ny tsy rariny. Andao isika handinika tantaran’olona roa nogadraina tsy ara-drariny:
Efa nigadra nandritra ny 38 taona latsaka kely ny lehilahy iray vao nasain’ny mpitsara tany Etazonia nafahana madiodio, tamin’ny Janoary 2018. Hita tamin’ny ADN (acide désoxyribonucléique) mantsy fa tsy meloka tamin’ny zavatra niampangana azy akory izy.
Nisy lehilahy telo nogadraina, tao amin’ny tany iray atsy Afrika, tamin’ny Septambra 1994. Tsy nety nanao miaramila mantsy izy ireo, satria tsy eken’ny feon’ny fieritreretany izany. Feno 26 taona tamin’ny Septambra 2020 ny nigadran’izy ireo. Tsy mbola nambara mazava anefa hoe meloka ry zareo, sady tsy mbola notsaraina akory.
Raha iharan’ny tsy rariny ianao, dia mety hitovy amin’izay tsapan’i Joba, lehilahy iray tamin’ny fotoana nanoratana ny Baiboly, no tsapanao. Hoy mantsy izy: “Miantso vonjy aho, nefa tsy mahazo rariny.” (Joba 19:7) Na dia hoatran’ny nofinofy fotsiny aza anefa izany hoe fiainana hanjakan’ny rariny izany, dia mampanantena ny Baiboly fa tena ho foana tanteraka ny tsy rariny. Misy torohevitra mahasoa anao koa ao amin’ny Baiboly raha iharan’ny tsy rariny ianao amin’izao.
Fa maninona no misy ny tsy rariny?
Tsy miraharaha ny tari-dalan’Andriamanitra ny olona sasany, dia izay no mahatonga ny tsy rariny. Milaza ny Baiboly fa Andriamanitra ihany no afaka mampanjaka ny rariny. (Isaia 51:4) Mitovitovy ihany ny hoe “rariny” sy hoe “fahamarinana”, ao amin’ny Baiboly. (Joba 37:23) Manao ny rariny ny olona iray raha manao ny marina na manao zavatra mifanaraka amin’ny fitsipik’Andriamanitra. Mifanohitra amin’izay kosa fa manao ny tsy rariny ny olona iray raha manota, izany hoe mandika ny fitsipik’Andriamanitra. Andao isika hijery ohatra vitsivitsy amin’izany:
Fitiavan-tena. Ny fitiavan-tena matetika no mahatonga ny olona hanota. (Jakoba 1:14, 15) Betsaka, ohatra, no manararaotra olon-kafa satria te hahazo izay zavatra iriny. Mifanohitra amin’izany kosa, fa tian’Andriamanitra hitady izay hahasoa ny hafa aloha isika, izay vao mitady izay hahasoa ny tenantsika.—1 Korintianina 10:24.
Tsy fahalalana. Misy olona manao ny tsy rariny amin’ny olon-kafa, nefa tsy mahalala akory hoe tsy mety ilay izy. Efa fahotana ihany anefa izany amin’Andriamanitra. (Romanina 10:3) Tsy nahalala ny tena marina momba an’i Jesosy Kristy, ohatra, ny olona sasany, dia namono azy ho faty. Anisan’ny tsy rariny indrindra nisy hatramin’izay izany.—Asan’ny Apostoly 3:15, 17.
Hevitra sy fikambanana tsy mahomby: Milaza ny mpanao politika sy ny mpitondra fivavahana ary ny tontolon’ny varotra fa manao ny rariny sy mampanjaka ny rariny izy ireo. Ny zavatra ataon-dry zareo mihitsy anefa matetika no mahatonga ny olona hanaonao foana, hanao kolikoly, hanavakavaka, ho tia vola, tsy handefitra ary hanana fari-piainana tsy mitovy, dia miteraka tsy rariny izany rehetra izany avy eo. Mety misy olona na fikambanana mba te hanao ny tsara ihany. Tsy hahomby mihitsy anefa ny ezaka ataon’ny olombelona raha vao tsy miraharaha ny tari-dalan’Andriamanitra izy ireo.—Mpitoriteny 8:9; Jeremia 10:23.
Mankahala ny tsy rariny ve Andriamanitra?
Ie, tena mankahala ny tsy rariny sy izay zavatra rehetra mahatonga ny tsy rariny izy. (Ohabolana 6:16-18) Nasainy nanoratra mihitsy i Isaia mpaminany hoe: “Izaho Jehovaha dia tia ny rariny sady mankahala ny fandrobana sy ny tsy fahamarinana.”—Isaia 61:8.
Hita tamin’ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny Israelita fa tiany hanao ny rariny ny vahoakany. Nandidy ny mpitsara, ohatra, izy, mba tsy handray tsolotra na hanao zavatra hafa mety hahatonga azy ireo hanao ny tsy rariny. (Deoteronomia 16:18-20) Nosaziny izay Israelita tsy nankatò ny didiny, fa nanararaotra ny mahantra sy ny olona ory. Nafoiny mihitsy aza izy ireo satria tsy nanaraka ny fitsipika napetrany.—Isaia 10:1-3.
Mbola hofoanan’Andriamanitra ve ny tsy rariny, indray andro any?
Ie. Hampiasa an’i Jesosy Kristy izy, dia hesoriny tsy hisy intsony ny fahotana, satria io no tena mahatonga ny tsy rariny, ary hataony lasa lavorary indray ny olombelona. (Jaona 1:29; Romanina 6:23) Efa nanangana Fanjakana iray koa izy, ary hampisy tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana izy io. Hahazo rariny daholo koa ny olona amin’izay. (Isaia 32:1; 2 Petera 3:13) Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’io Fanjakana any an-danitra io ianao, dia jereo ilay video hoe Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra?
Hanao ahoana ny fiainana ao amin’ilay tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana?
Hanjaka eran-tany ny rariny amin’izay, ka hiadana sy hilamina ny olona rehetra. (Isaia 32:16-18) Mitovy daholo ny olona rehetra amin’Andriamanitra, dia samy hoentiny ara-drariny daholo koa. Tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana vokatry ny tsy rariny. Ho hadinontsika tsikelikely koa ny tsy rariny niainantsika taloha. (Isaia 65:17; Apokalypsy 21:3, 4) Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Inona no Hataon’ny Fanjakan’Andriamanitra?”
Tena ho tanteraka ve ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hisy tontolo vaovao hanjakan’ny rariny?
Ie. Efa voaporofo mantsy fa tanteraka foana izay lazain’ny Baiboly mialoha, marina ny tantara ao, ary mifanaraka amin’ny siansa sy mirindra tsara izay voalaza ao. Tena afaka matoky ny fampanantenan’ny Baiboly àry ianao. Misy fanazavana bebe kokoa momba an’izany ao amin’ireto:
Dia ahoana izany ireny olona miady amin’ny tsy rariny amin’izao ireny?
Nanao izay rehetra azony atao ny olona nanao ny marina, taloha, mba tsy hiharan’ny tsy rariny. Ny apostoly Paoly, ohatra, saika notsaraina tsy ara-drariny, ary nety ho faty mihitsy izy raha tena tanteraka izany. Tsy nanaiky niharan’ny tsy rariny tamin’izao fotsiny anefa izy, fa nanararaotra ny lalàna nisy tamin’izany, dia nampakatra an’ilay raharaha tany amin’i Kaisara.—Asan’ny Apostoly 25:8-12.
Misy indray olona miezaka mafy manafoana ny tsy rariny rehetra maneran-tany. Ho very maina fotsiny anefa izany. (Mpitoriteny 1:15) Be dia be kosa no matoky fa tena ho tanteraka ilay fampanantenan’Andriamanitra hoe hisy tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana. Manampy azy ireo hilamin-tsaina izany, na dia eo aza ny tsy rariny.
a Jehovah no anaran’Andriamanitra.—Salamo 83:18.